NOFO, FOFONAINA(Aina), FANAHY, FANAHY MASINA

41. rijadolly ( 20/07/2011 13:00)
Somary dinganitsika aza iny fANAHY sy ny ame iny e!

Inoako anefa fa ny fidirana ny atao hoe FANAHY MASINA no hitarika na manazava kokoa io fANAHY sy ny ame io.

Raha ny hevitro ao ambony ao dia
rijadolly:

FANAHY MASINA : An' Andriamanitra, tafiditra ao anatin' TRINITE, homena ho an' izay mitady AZY, Mampiavaka na tombo-kase eo amin' olon' Andriamanitra, Hery lehibe, Manampy ny fanahy, Tsy tia ratsy, tsy mipetra ao amin' vatana maloto ara-panahy, Miverina any amin' Andriamanitra rehefa tsy ilaina, azo tadiavina rehefa mila AZY. An'Andriamanitra ary dia miverina any amiNY rehefa tonga amin' fisarahan' nofo ny fanahy

42. rijadolly ( 20/07/2011 13:11)
Bichette>>>>> Ilay atao hoe Esprit izay nazavanao ao io ve tsy mainty ao anatin' olona sa Fanahy miditra ao anatin' olona?
43. bichette ( 20/07/2011 13:56)

rijadolly:

Bichette>>>>> Ilay atao hoe Esprit izay nazavanao ao io ve tsy mainty ao anatin' olona sa Fanahy miditra ao anatin' olona?

ahahaha !!!! ary tsy mety vita ity resaka ity an ! efa miha-plafonner ny fahalalako mdrrrrr
raha ny fahalalako azy aloha dia misy ny fanahy sy ny Fanahy. ilay Fanahy F dia ilay Fanahy Masina raisin'izay nateraka indray sy izay nanaiky an'i Jesosy kristy ho Tompo sy mpamonjy. io no tombokase : Io no manoro antsika ny zava-miafin'ny tenin'Atra izay tsy fantantsika taloha. izany no mahatonga ilay hira hoe "avia fanahy Masina", "fenoy ny Fanahinao Tompo o ". fa isika olombelona misy fanahy izay mahasamihafa antsika amin'ny biby. ny biby tsy manana fanahy fa misy ame : intelligence, emotion, volonté.
isika manana fanahy ary io no miray amin'Atra. vakio jaona 4 : 24.
44. RBNIR ( 20/07/2011 14:19)

bichette:

tena fantatrao ny marina bichette a! mahafinaritra B e! tohizo fa mbola b dia b no tokony ho fantatra : ahoana ny fomba hamelomana ilay fanahy efa maty ao anatin'ny olona iray, inona ireo toetra 7 mampiavaka ny olona mbola ara-nofo sy ny olona efa ara-panahy sns....

Samy ho tahin'ny Tompo,

45. rijadolly ( 20/07/2011 15:31)
Misaotra betsaka Bichette a! Mialatsiny amin'ilay tsy mety vita, ny antony mantsy dia nisy hevitra nifanohitra efa ela nandeha teto. Raha amiko manokana aloha dia mitovy hevitra an' se tanteraka aho, fa saingy tiako ho fantatra tsara hoe marina ve ny hevitro sa tsy marina.
46. rijadolly ( 20/07/2011 15:46)
Afaka mamakafaka amin'izay izany isika eo amin'ilay hoe

"tsy maintsy voavonjy avokoa ny olon-drehetra satria silak' Andriamanitra, sombin'ny ainy, izany hoe tsy misy ho very " ????????

Misaotra an' izay nandray anjara rehetra aho, ary mbola mankasitraka izay rehetra mbola hanome hevitra
47. bichette ( 20/07/2011 20:18)

rijadolly:

Afaka mamakafaka amin'izay izany isika eo amin'ilay hoe

"tsy maintsy voavonjy avokoa ny olon-drehetra satria silak' Andriamanitra, sombin'ny ainy, izany hoe tsy misy ho very " ????????

Misaotra an' izay nandray anjara rehetra aho, ary mbola mankasitraka izay rehetra mbola hanome hevitra

hihihihihi mahafinaritra rehefa misy dinika mba azo lazaina hoe nampitombo tsy nampandroso ! eto ihany isika mifampianatra sy mifanohana e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0987