Raha diso moa ny Baiboly?
61. RBNIR
(
26/05/2011 10:46)
AndriambyII:
RBNIR >>>
Ka tsy misy ny olombelona tonga lafatra , tsy maintsy manana kilema daholo rehefa tonga eto antany .
Faly miarahaba namana,
Io indrindra no anton'ny famonjen'i Kristy namana,
Ity no tanjona : « Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra. » (Matio 5:48).
Io no nihazakazahan'ny apostoly paoly ka tsy nahasahiany nanao kitoatoa.
Matoa Jesosy Tompo, mitaonan-tsika ho tanteraka dia azo atao tsara ny hotanteraka fa tsy mila vaniny akory Izy namana,
« ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. » (Jaona 8:32)
Manasa anao aho namana hanaraka ilay fandaharana, fa ho fantatrao tokoa ny marina.
Samy ho tahin'i Jesosy anie isika rehetra
62. hery
(
26/05/2011 16:06)
RBNIR:
Izaho indray kosa te hanontany hoe f'angaha ilay Fanahy Masina ao anatin-tsika tsy nanampy an-tsika hamantatra ny marina ? izay nahazo ilay fanampiana avy amin'ny Fanahy Masina manko no mahafantatra ka voasokajy ao amin'ilay hoe "nareo".
Io lazain'i RBNIR io mihitsy no tena fototra iorenan'ny Baiboly.
Inoana fa tsindrimandry avy amin'ny Fanahy no nibaiko ireo nanoratra ny baiboly.
Fa miaraka amin'izay koa dia inoana fa ny Fanahy Masina no nibaiko ireo lohandohan'ny mpisorona tao amin'ny Fiangonana izay nifidy ireo boky ekena ho anisan'ny baiboly. (Ilay antsoina hoe Canon)
Koa izaho dia mino fa tsy miala ao amin'ny Fiangonana io Fanahy io fa tsy hoe tamin'izy ireo nanolotra ny Baiboly ihany no nitoeran'ny Fanahy Masina. Fa isaky ny miteny ny Fiangonana dia io Fanahy io no mibaiko azy. Izany indrindra no anton'ilay hoe Tsy mety diso ny Fiangonana (infaillibilité) rehefa miteny momba ny foto-pinoana satria ny Fanahy izay efa tao aminy hatramin'izay no manoro azy.
63. rijadolly
(
26/05/2011 18:59)
Eo amin'ilay resaka Fiangonana kosa aloha Hery raha ny hevitro dia tsy azo antoka. Tsy azoko antoka hoy aho satria raha mamaky ny Apokalps isika dia misy zavatra tsy ao tsara avokoa ny Fiangonana fito voalaza ao. Ary Jesoa aza dia niteny ny faharavan'izany Fiangonana amin' izao fotoana izao io noho ilay fahatanterahan' ilay faminanian' Daniela izay natao mba hisainantsika izay mamaky azy, dia ny fidiran' ny fahavetavetana eo amin'ny fitoerana Masina izay mahatonga ny fandravana . Dikany izany dia misy manolana ny teny, tsy ny rehetra a! fa tsy maintsy misy manolana ao izay tsy hiasan' Fanahy Masina akory fa izy ilay fahavetavetana mitohetra ao amin'ny Fiangonana, ary mitarika azireo ahazo vahana tsikelikely. Tsy maintsy ho avy izany ary efa miha mahazo vahana rahateo.
64. LemizoTexas
(
24/09/2011 08:37)
Asan'ny Fanahy Masina Ny Baiboly. Raha mino ny Fanahy Masina isika dia tokony hihino Ny Baiboly. Ny Fanahy Masina no nampiteny ny mpaminany, nanindry ireo mpandikan-tena sy ireo nanoratra ny baiboly. Noho izany, diso ny filazana fa diso ny Baiboly. Hevitra avy @Satana entina hitarihana ny olona tsy hino sy entina hitarihana ny olona tsy hanaraka ny baiboly izany.
66. patacoull
(
25/10/2011 12:40)
mahatalanjona ahy mihitsy tyy resaka ity, fa iza marina no tena izy e!