Raha diso moa ny Baiboly?
21. hery
(
12/05/2011 09:37)
Tanteraka tamiko namana ilay hoe « Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. » (Jaona 20:29)
Tsy azoko.
Raha ao amin'ny boky Bouddhisme izany misy hoe "Sambatra izay tsy mahita nefa mino" dia mety tanteraka aminao koa io dia mety lazainao hoe tenin'Andriamanitra koa iny boky iny?
Maivana be ange izany e
22. RBNIR
(
12/05/2011 09:37)
"......sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino".
Misy ny karazan'olona namana tonga dia mino nefa tsy mahita, misy kosa otran'io teneninao io mitady porofo mazava izay vao mino, nefa hoy Jesosy Tompon-tsika sambatra kosa izireo.
Samy ho tahin'i Jesosy indray

23. hery
(
12/05/2011 09:40)
RBNIR > Ka raha diso izany ilay baiboly misy an'io teny hoe "......sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino". dia rava tanteraka ny finoanao :-)
Be dia be ny zavatra tsy hita, ny zavatra tsy nisy nefa tsy hita... dia inoana koa izany ireny?

24. RBNIR
(
12/05/2011 10:14)
noho io finoako nefa tsy nahita io namana, ankehitriny dia efa novalian'Andriamanitra aho ary manana porofo mahagaga ao anatiko ao ny amin'ny fisian'Andriamanitra,
Manana porofo ny amin'ny fahamarinan'ny baiboly sy indrindra indrindra ny fisian'Andriamanitra aho ankehitriny ka sahy miteny otran'i paoly hoe: « Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? » (Romana 8:35).
Aoka re isika mba tsy hisy hanao otran'ireo olona taloha izay fatrapitady famantarana sy porofo ireo e, Izao anie no navalin'ny Tompo azy e! « Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa. » (Matio 16:4)
Torohevitra ho antsika, andeha hanao otran'ilay jamba nositranin'i jesosy Tompo : « Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? » (Jaona 9:36)
« Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. » (Jaona 9:37)
« Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy. » (Jaona 9:38)
Tsy mbola hitany i Jesosy ary tsy fantany hoe iza ilay naniraka azy fa raha vao niteny Jesosy dia nino izy (tsy misy hoe aleo aloha anontany an'ireto namany ireto aho na hoe handeha hanontaniako ny olona ary raha tena ity marina no izy...
Samy ho tahin'ny Tompo e

25. hery
(
12/05/2011 11:04)
RBNIR > tsy mety tafita foana ny zavatra tiako ampitaina na ianao mihitsy no manao mafy hatoka toa ireo mpianatr'i Jesoa fahiny :-)
Ny zavatra rehetra nolazainao dia marina. Tenin'Andriamanitra ny baiboly, inoanao. Fa ny zavatra tiako havoakanao dia hoe avy aiza io baiboly io. Tsy vokatry ny finoanao fotsiny io fa nisy olona (na vondron'olona maromaro) nanambatambatra azy, nanao fikarohana, nandika, ary farany nankatò. Ireo vondron'olona ireo, izay inoana ihany koa fa notarihan'ny Fanahy Masina, no namaritra hoe ireto ny boky izay mirakitra ny tenin'Andriamanitra satria tsy mba toy ny Coran hoe boky nosoratan'olon-tokana ny baibolintsika.
Noho izany, raha miteny ianao hoe ny baiboly no fototra iorenan'ny finoanao, dia azo lazaina hoe noho ireo olona na vondron'olona (izay antsoiko hoe Fiangonana) ireo no nahazoanao izany.
Mazava ho azy fa raha nanampy boky hafa ireo olona ireo dia nitombo ny Tenin'Andriamanitra inoanao, raha nanala boky hafa izy ireo dia nihena ny Tenin'Andriamanitra inoanao.
Izay no tena fototr'ity lohahevitra ity. Raha misy diso ny baiboly dia noho ireo olona (Fiangonana) ireo, ary raha marina ny baiboly dia angamba koa, na dia niasa aza ny Fanahy Masina, dia niasa tao amin'izy ireo.

26. bor2lais
(
12/05/2011 13:28)
Hery:
Noho izany, raha miteny ianao hoe ny baiboly no fototra iorenan'ny finoanao, dia azo lazaina hoe noho ireo olona na vondron'olona (izay antsoiko hoe Fiangonana) ireo no nahazoanao izany.
Tsoa-kevitra azoko raisina :
- Katolika
1. Fanomezan-danja lehibe ny "processus" no hita taratra eto (manao procession moa ny Katolika !)
2. izay izany no isan'ny mahatonga ny Katolika manome lanja lehibe an'i Maria ohatra : reny nitondra vohoka, nahitan'i Jesoa masoandro (9 volana) !!
- Protestanta
fitaovana nampiasain'Andriamanitra ahatanteraka ny fikasaNY ihany na i Maria na ny "mpamboatra" Baiboly ka Izy irery ihany no omem-boninahitra !
Fomba fijeriko ihany anefa ireo a (ahitsio raha diso !)
Mahafinaritra ny fifampizarana e ! :-)
27. hery
(
12/05/2011 13:42)
- Protestanta
fitaovana nampiasain'Andriamanitra ahatanteraka ny fikasaNY ihany na i Maria na ny "mpamboatra" Baiboly ka Izy irery ihany no omem-boninahitra !
Direct sadasada ihany ilay izy. Maninona raha tonga dia izy irery tokoa fa tsy ny baiboly?
Ny baiboly tokony ho fitaovana manjary fototra... satria terena hoe ao ihany no misy ny tenin'Andriamanitra dia manjary iny no fototra.
28. bor2lais
(
12/05/2011 14:33)
Misy "sola" maromaro ihany kosa ange araka ity efa nosoratako ity.
"Mety izay indrindra koa ange no tsy dia azo ianteherana loatra amin'ny resaka lovan-tsofina e ! Ka mahatonga ny Protestanta tsy nihanona tamin'ny "sola scriptura" fa nanampy principes hafa tahaka ny :
- sola gratia
- sola fide
- soli Dei Gloria!"

29. pissoa
(
12/05/2011 14:47)
bor2lais:
Tsoa-kevitra azoko raisina :
- Katolika
1. Fanomezan-danja lehibe ny "processus" no hita taratra eto (manao procession moa ny Katolika !)
2. izay izany no isan'ny mahatonga ny Katolika manome lanja lehibe an'i Maria ohatra : reny nitondra vohoka, nahitan'i Jesoa masoandro (9 volana) !!
- Protestanta
fitaovana nampiasain'Andriamanitra ahatanteraka ny fikasaNY ihany na i Maria na ny "mpamboatra" Baiboly ka Izy irery ihany no omem-boninahitra !
Fomba fijeriko ihany anefa ireo a (ahitsio raha diso !)
Mahafinaritra ny fifampizarana e ! :-)
Dia tsisy nampiasain'Andriamanitra intsony ve izany ny generations taty aoriana fa ampy Azy Andriamanitra ireo olona nampanoratany ny Baiboly ?
30. Miharena
(
12/05/2011 15:18)
Hery:
Izay no tena fototr'ity lohahevitra ity. Raha misy diso ny baiboly dia noho ireo olona (Fiangonana) ireo, ary raha marina ny baiboly dia angamba koa, na dia niasa aza ny Fanahy Masina, dia niasa tao amin'izy ireo.
Dia miankina amin'ny olona ihany izany no mahamarina na mahadiso ny Baiboly.
Io ilay hoe arakaraka ny mahadiavolana no fon'ny tsirairay fa tsy misy fahamarinana ankoatr"zay ao anaty.
31. bor2lais
(
12/05/2011 15:39)
pissoa:
Dia tsisy nampiasain'Andriamanitra intsony ve izany ny generations taty aoriana fa ampy Azy Andriamanitra ireo olona nampanoratany ny Baiboly ?
Zaho kosa tsy nilaza an'izany e ! (Sa izaho no tsy mahazo ny tianao tenenina !)
32. daran
(
12/05/2011 17:00)
hery:
Hmm. Ianao ve tsy manao remise en question fa tonga dia nino fotsiny? Finoana nampitaina fotsiny no iainanao?
Ilaina ny mametraka an'ireo fanontaniana ireo mba hahafahanao mandresy lahatra ny tenanao sy ny olona hoe tenin'Andriamanitra ny baiboly.
Dia averiko indray.
Iza no niteny taminao hoe marina ny baiboly?
Izaho koa dia mino hoe marina ny baiboly, tenin'Andriamanitra ny baiboly, ary manana ny valin'io fanontaniana io aho. Fa ho anao, iza no mba niteny taminao hoe marina ny baiboly?
ekeko tokoa ty hevitr'i Hery ity. Isika mantsy raha teraka silamo d niady mafy koa isika nilaza fa marina ny coran. Ny ankamaroantsika malagasy nefa dia teraka tao anatin'ny finoana kristianina d ohatrany tonga d nino tsika hoe tenin'A/tra ny baiboly. Ilaina ny mandinika ary manaporofo raha toa ka marina tkoa ny baiboly. Ary tena marina fa nandalo zavatra maro b ny baiboly ka toa ohatrany betsaka ny chance mety nahatonga ny tao anatiny ho niova. Ary nisy mihitsy moa no nanampy teny tao, ny fandikanteny koa dia nanampy trotraka an'lay asa goavana. Ny teboka sy virgule aza moa mampiova teny, kanefa dia ny teny hebreo tsy nisy an'ireo d ny olombelona no nanao izay hitany fa nety ka nanisy chapitre sy andininy, sy teboka sy virgule ao @ baiboly. Ref maro ny fandikanteny d azo atao am zay ny mampità, mikaroka, ary mandinika. Izay lou ny hevitro e. Ny fiteny koa mivoatra. Ny fiteny gasy tam 1910 tsy hitovy tanteraka am fomba firesantsika am zao fotoana izao koa, ka mahatonga ny fandikanteny mety hiova koa...
33. 0uioui
(
13/05/2011 08:54)
Mety hiova ny fandikanteny fa ny heviny kosa mino aho fa tsy hiova velively , fa mety inian'ny sasany ovaina angaha ,satria raha miteny aho ohatra hoe : tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary dia na ny zazakely aza de tonga de efa mahazo tsara an'izay hoe tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary !! - otrotrizay le teny mety hiova ao anaty Baiboly ka tsy any mihitsy le olana , nefa rehefa hitan'ny "sasany" io birioka kely nahavoa teo amin'ny fandikan-teny io de "kinga amzay ireo (na ilay) fiangonana "be sandry" mba hampiditra na hanatsoaka arak'izay mampetipety azy sy ny fiangoanany izay zavatra tiany ho soaloana sy ampiana tao ...!
34. pissoa
(
13/05/2011 10:02)
bor2lais:
pissoa:
Dia tsisy nampiasain'Andriamanitra intsony ve izany ny generations taty aoriana fa ampy Azy Andriamanitra ireo olona nampanoratany ny Baiboly ?
Zaho kosa tsy nilaza an'izany e ! (Sa izaho no tsy mahazo ny tianao tenenina !)
Azafady. Tsy niteny an'izay ianao ka. Izay no nahatonga ahy nanontany hi hi. Tiako nampifandraisina tamin'ilay sujet hoe nahazoana ny Baiboly ilay hoe "fitaovana" ny olombelona.
35. RBNIR
(
13/05/2011 10:03)
Faly miarahaba namana isany,
".....Ny ondry mihaino ny feony...." (jaona.10:3)
Ianao v mahita hoe tsara daholo ny teny voasoratra ao? Raha hitanao fa tsara daholo inona no hitadiavanao hafa?
Tsy misy tsara afatsy izay avy amin'Andriamanitra anie e, Sa ts'izany hoy ianao?
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra

36. hery
(
13/05/2011 10:17)
Tsy misy tsara afatsy izay avy amin'Andriamanitra anie e, Sa ts'izany hoy ianao?
Eo indrindra isika izao.
Aza adino hatrany ilay lohahevitra hoe "Raha toa moa diso ny baiboly"... dia ny nosoratako ao hoe avy aiza ny niavian'ny Baiboly.
Eto izany ianao dia miteny hoe avy amin'Andriamanitra ny baiboly... nefa vao hitantsika teo fa ny olona sy vondron'olona nifandimby no nanoratra, nandamina, nanakambana, nandika, nampiely ny Baiboly.
Raha avy amin'Andriamanitra ny baiboly dia naninona fotsiny ireo olona sy vondron'olona (izay antsoiko hoe Fiangonana) ireo?
37. 0uioui
(
13/05/2011 18:11)
hery o ==) mety ho marina fa tsy Atra direct no nanoratra anireo fa kosa "tsindrimandrin'Atra " daholo kosa no nanoratany an'ireo !!!... manaiky an'izay ve hianao ???
Eto izany ianao dia miteny hoe avy amin'Andriamanitra ny baiboly... nefa vao hitantsika teo fa ny olona sy vondron'olona nifandimby no nanoratra, nandamina, nanakambana, nandika, nampiely ny Baiboly.
Raha avy amin'Andriamanitra ny baiboly dia naninona fotsiny ireo olona sy vondron'olona (izay antsoiko hoe Fiangonana) ireo?
38. Hinagasy
(
14/05/2011 20:29)
Tsy haiko raha izao no tian'i Hery asongadina hoe : ny baiboly dia ny fiangonana no nahatonga ny olona nino hoe tenin'Andriamanitra ilay izy??? dia satria ny fiangonana no nahatonga ny olona nino hoe tenin'Andriamanitra ilay izy dia tokony hinoana koa izany ny lovantsofina tenenin'ny fiangonana na dia ireo tsy voasoratra ao anaty baiboly aza????
Ny amaliako azy dia ity fanontaniana ito koa hoe : Raha diso moa ny fiangonana?
Amiko ny fiangonana, tsy hanitarako hoe ny religion, miala tsiny raha mety hanafintohana ny sasany, dia tahaka ny politika ihany, fitarihana olona maro hanaraka ilay fiangonana (religion), dia tahaka ny mpanao politika ihany koa dia halamilamina araky ny vaninandro andalovana ny zavatra lazaina sy ny hampinoana ny olona, ahazoana clientèle betsaka kokoa. Dia indraindray tena mitantara lainga tena lainga amin'ny olona fotsiny.
Jereo, ny tantara ny religion, nisy famonoana olona be dia be ary fiangonana no nampamono dia nasaina nino ny mpino hoe au nom de dieu ilay izy;
Omeko ohatra iray, ny raiko voataiza tamin'ny fiangonana katolika tao Québec, tamin'ny mbola kely izy dia anisan'ny hoe fahotana mahafaty hono ny mikasika ny kominio na amin'ny nify aza, ary raha sanatria misy kominio latsaka amin'ny tany dia tantara be tamin'izany.
Nisy fotoana tsy nidirany eglizy tamin'ny izy ado, dia gaga be izy fa nony avy eo dia rehefa mandray kominio dia afaka raisina amin'ny tanana ilay izy. etc... betsaka ny example nomeny fa ny tiako hasongadina dia nampidirina tao andohan'olona tamin'izany fa fahotana mahafaty ilay izy.
Ekeko ny hoe mety nisy heviny tao ambadik'izany rehetra izany (afatsy ilay famonoana olona, tsy misy excuses!) . kanefa ny fanontaniana mipetraka amiko tahaka ny mipetraka amin'i Hery dia ny hoe raha tia moa ka fampandriana adrisa indray izany lazain'ny fiangonana izany, noforoniny teny ho eny hanjanahana ny sain'ny olona fotsiny?
Ny valiny dia an'ny tsirairay, arakaraky ny finoany fotsiny . Arakaraky ny finoanao no hamalianao ilay hoe raha diso moa ny fiangonana ? ary raha diso moa ny baiboly?
Tsy haiko raha mazava ny tiako lazaina. Ny tiako lazaina dia afaka tsongoloina daholo na inona na inona fa io ny finoanao ihany!
Marihiko fa tsy ny fiangonana katolika irery no lazaiko eto fa ny religion mihitsy, fa io no noraisiko ohatra satria io no haiko kokoa.

39. 0uioui
(
16/05/2011 11:35)
fanotaniana tsara ho valin'i hery mihitsy io anotanian'i hinagasy io ka asa na mbola ao ihany ngah iry na efa lasa !....
40. rijadolly
(
16/05/2011 17:25)
Ouioui:Miray hevitra amin'io koa aho
Mety hiova ny fandikanteny fa ny heviny kosa mino aho fa tsy hiova velively , fa mety inian'ny sasany ovaina angaha ,satria raha miteny aho ohatra hoe : tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary dia na ny zazakely aza de tonga de efa mahazo tsara an'izay hoe tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary !! - otrotrizay le teny mety hiova ao anaty Baiboly ka tsy any mihitsy le olana , nefa rehefa hitan'ny "sasany" io birioka kely nahavoa teo amin'ny fandikan-teny io