Papa Joany Paoly II

61. 0uioui ( 09/05/2011 09:03)
RBNIR ---))
ity zao ra-goth
62. 0uioui ( 09/05/2011 09:04)
tena nesorin'i hery le sssaarrryyyyyyyyiiii........

innn ary ty ry hery a?

mba mresaka RBNIR anie fa tsy de tena misy hoe aoana le izy na aona e !!!! avereno rangah le sarinareo teo iny a
63. Miharena ( 09/05/2011 09:28)
Ouioui:

---miharena, zah kosa alou tsy mitsara a fa otran'ny tena asiano mafy be zan zah ! tsy mitsara ah fa miteny ny mba zavatra fantatro sy hitako fotsiny alou a !


Tsy mamely mafy anao za ra Ouioui fa mba manazava fotsiny araka ny fahitako azy koa. Izany hoe mametraka tsara ny angles rehetra hijerenareo rehetra izay mifanipa-kevitra eto ary mampahatsiahy hatrany ilay sitrapon'ny Tompo dia ny hifankatiavana na dia misy olona tsy mahalala tsara izany teny hoe mifankatia izany aza fa latsaka ao anatin'ny fitsaratsaram-poana mampisaraka. Ilay izy tsinona efa mandeha ny fanazavana ataon'i Hery nefa lasa toa tsipahin'ny hafa hatrany.
Ny foto-pinoana tsy verin'ny fombafomba, fa ny fombafomba dia tokony hanamafy foto-pnoana.
64. 0uioui ( 09/05/2011 09:36)
an an an ny fanazavana ataon'i hery anie de tena mazava tsara mihitsy e azoko tsara zao le hoe ny mahatonga ny oul ho antsangana ho olomasina fa tam voalo za tsy nahalala fa neveriko oe angatahina le izy ! de za mo le novalian'i hery atsy ambony iny oe rehefa maty elah de mangataha atsangana iny ! fa ny resaka somary mbola tsy misokatra tsara anie zao tsy any tsony fa le votoatinle oe atsangana e sy ny hoe ze fangatahan'ny oul (mpino)ve de ampy hananganana oul iray ??? ...ka raha oul tena otrandry Pape joany paoly ary kanefa tsisy oul(mpino) nangataka ny hananganana azy de aoana ???? ary raha olona tsostsotra ndray (oh:mompera teny ambanivohitra fa mamy hoditra tam vahoaka teny)fa atao oe nihosona tam vahoaka de be mpangataka de aona zany ??? lasa tsisy resaka fivavahana sy Atra itsony fa de ny filan'ny mpino zany no iainana?? de aiza ny Tenin'ny baiboly amzany ???
65. 0uioui ( 09/05/2011 09:37)
de zao koa ! hatramin'ny mpino firy isa no mangataka vao ekena ?? ary raha tsy mahatratra firy ny mpangataka de tsy azo ekena atsangana ???
66. RBNIR ( 09/05/2011 10:22)
Salama namana isany,
Izao re ry namana isany a! aoka re isika mba samy ahay handray ny Teny e!
Ny Tenin'Andriamanitra araka ny voalaza dia « Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. » (Hebreo 4:12).
Marina foana io teny io, ka izay indrindra no mba angatahako hoe raiso amin'ny fahalemem-panahy re ny Tenin'Andriamanitra e!
Toy ny nadraisan'i Maria renin'i Jesosy sy ireo rahalahiny ny Teniny raha nataon'ny Tompo hoe RAVEHIVAVY izy, ary koa hoe iza no reniko, iza no rahalahiko sns..
Izay mahay mandray ny tenin'Andriamanitra dia tanteraka aminy tokoa ity Teny ity : « Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. » (Jakoba 3:2)
Tsy mba tianao v no sahala amin'izany??

Samy ho tahin'i Jesosy
67. hery ( 09/05/2011 10:27)

0uioui:

(oh:mompera teny ambanivohitra fa mamy hoditra tam vahoaka teny)fa atao oe nihosona tam vahoaka de be mpangataka de aona zany ??? lasa tsisy resaka fivavahana sy Atra itsony fa de ny filan'ny mpino zany no iainana?? de aiza ny Tenin'ny baiboly amzany ???


Tsy voatery atsangana ka.
Averimberiko foana fa tsy grady ny fananganana ho olotsambatra na olomasina.
Satria tsy ho an'ilay olona natsangana ho olomasina na olontsambatra ilay izy.
Ka tsy maty antoka ilay mompera teny ambanivohitra na dia tsy natsangana ho olontsambatra aza.

Raha ohatra ireo mpino tao ambanivohitra kely ireo mieritreritra hoe tokony ho modely ho an'ny kristianina hafa manerana an'izao tontolo izao koa ilay mompera kely dia azony atao tsara ny mandefa ny fangatahana any amin'ny Fiangonana foibe.

68. Miharena ( 09/05/2011 10:27)
Ka raha izany fanontanian'i Ouioui izany anie dia efa voavaly daholo fa asa hoe aiza no misy tokony hampiana? sa i Ouioui mihevitra ny hoe latsaka kokoa ny fomba hijerena an'ilay Mompera kely ery fa i Joany Paoly II no lasa hita be?
Mazava anie fa hita be ny Pape Joany Paoly II satria izany no toerana misy azy teto an-tany e! Fa ny olon-drehetra dia zanak'Andriamanitra avokoa ka samy manana ny anjarany ao Aminy avokoa. Ka manjary lasa adihevitra tsy manome izay azo tsoahina intsony ilay izy raha toa ka fomba fijery mangarika ny fisandratan'ny hafa no lasa mibahana. Raha ny tokony ho izy dia mifaly daholo ny rehetra satria misy fifaliana ao amin'ny fiangonana rahavavy anankiray.

Io resaka tsy fahaiza-miara-mifaly io fa ny mamboly efitrefitra no tokony hialàna.

Rehefa mahafantatra isika fa izay manetry tena no asandratra ary izay manandra-tena no haetry dia efa manome lesona ampy izay. Toeram-panompoana no misy ny Pape sy ny olona rehetra mitondra fivavahana fa tsy toeram-boninahitra akory. Ao amin'ny Tompo izy no manana voninahitra ary ny olona mahatsapa izany no manome voninahitra azy koa. Ka fifanomezam-boninahitra daholo izany rehetra izany ary atao amin'ny fisaorana an''Andriamanitra rehefa mahatsapa ny tena fa nahazo lesona avy amin'izany mpanompon'Andriamanitra izany koa.
69. 0uioui ( 09/05/2011 14:05)
ary raha ohatra indray ka i Pape mihitsy no nanangana anilay mopera kely teny ambanivohitra ary , kanefa izy Pape mihitsy ndray no tsy nisy nanagataka hatsangana taty aoriana de aiza ndray izay ??? sa hoe rehefa pape de obligatoire atsangana angaha !! ...tena misy filàn'olombelona sy izay mampetipety ny sain'olombelona mihitsy miodikodina amle resaka (?) ..tsy hita tsony hoe mankasitraka anizatsy ve Atra , ary tsy mankatoa ny fananganana an'izaroa ve ??? satria ""Ny olombelona de tsy tokony ahafantatra mihitsy ny toepanahin'ny olona iray fa Atra ihany (ka aona ary no ahalalan'ny olombelona fa tsara toepanahy itsy ka izay no nanaganana azy ) ny toepanahy de ao anatin'ny olombelona "eny mety hita taratra ety kely ety ivelany ihany " ,fa raha olona ratsy toepanahy ndray ary"" maloto fo ,nefa mihatsara ivelatsihy be ""de io fa natsangana satria nahay nanao cinema "" de aoana ndray koa ???? ka tsy voa mafy ny tsara toepanahy ???? ....de rehefa halalinina koa anefa de aiza Andriamanitra ao am baiboly no milaza hoe afaka "mitsara Fanahy hianareo olombelona""" hoy ny rahalahin'i josefa zay rehefa nifanena ry zalah hoe : iza no naniraka anlah hitsara anay ozy !!"""
70. bichette ( 09/05/2011 15:24)
tapaka ny tsinaiko re olona e !!! mddrrrr
71. hery ( 09/05/2011 15:33)
0uiui:

nefa mihatsara ivelatsihy be ""de io fa natsangana satria nahay nanao cinema "" de aoana ndray koa ????


:-) lasa saina mafy mihitsy ingahy izany.
Mbola tsy nisy aloha izany fa tsy ho hita eo ihany ve rehefa misy.

Nisy Pape be dia be tsy natsangana ho olontsambatra na olomasina ka. Araka ny efa averimberiko hoe tsy voatery atsangana daholo. Misy tena masina amin'izy ireny, misy tena manana toe-panahy tsara. Fa tsy voatery natsangana ho olomasina na olontsambatra. Satria tsy nilaina natsangana ho olomasina.

Tsy hitako hoe aiza mihitsy ilay tena olana. Ny Fiangonana katolika no mila hoe i ranona mba hasandratra olontsambatra satria izao ny antony... dia izay fotsiny :-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0988