Papa Joany Paoly II

21. andrywui ( 02/05/2011 09:56)
Fialonana sao eken'ny eveka tampoka n'y hanekena ana hoatsangana olotsambatra?....
22. Egregore ( 05/05/2011 08:44)
Tsy possible lasa olon-tsambatra letsy raha tsy efa nantsoin'ny RAY mody any @ny A!!
23. 0uioui ( 05/05/2011 09:10)
Egregore ===) marina izany rehefa maty vao afaka atsangana olotsambatra elah ,,,fa raha ohatra kosa ary ka mba oe manampaniriana mba te ho atsangana zany elah rehefa rahatrizay maty ary de inona tokoa le atao de mba hanaovana fety be sy lanonana be elah de atsangana avy eo ???? ...mety hilay tokoa mantsy oe elah efa razana nefa mbola atsangana soamantsara ho olontsambatra zany
24. RBNIR ( 06/05/2011 08:56)
hery:

Vaovao mahafaly koa itony :-) (mivonto zao ny oron'ny sasany kanefa ny vaovao mahafaly tsy maintsy lazaina). Hatsangana ho olontsambatra amin'ny 1 mai izao eto Roma ny papa Joany Paoly II. Atao ahoana, hoy i Gamaliela izay hoe raha tsy manao ny asan'Andriamanitra ireo dia ho levona ho azy eo. Efa 2000 taona aty aoriana mbola tsy levona fa vao maika miroborobo.
Dia ho tsiniko ve?


Faly miarahaba Hery,

Fanontaniana mila valiny raha azo atao namana ,
Azo hamarinina ara-baiboly ve ny fananganana olontsambatra sy fananganana olomasina?
Azo adika koa io fanontaniako io hoe ara-tsoratra masina marina v?

Misaotra mialoha e,

Samy ho tahin'ny Tompo e!
25. hery ( 06/05/2011 09:04)
Salama RBNIR

Hamarinina ara-baiboly ahoana moa? Fa angaha dia tsy maintsy hamarinina ara-baiboly daholo ny zavatra rehetra raha tsy izany dia tsy izy? Ara-tsoratra masina ve? Ao amin'ny soratra masina aloha tsy misy hoe natsangana ho olontsambatra sy natsangana ho olomasina. Tsy nila izany ny olona tao amin'ny soratra masina. (Tsy misy koa ao ohatra hoe mampiasà ordinatera ianareo, na mitondra tomobila ry mompera sy pasitera). Filàn'ny mpino taty aoriana ilay izy ka tsy voasoratra ara-tantara sy porofoina ao anaty soratra masina.

SAINGY

- Antsoina ho masina daholo ny olona rehetra "Aoka ho masina toy ny Rainareo izay any an-danitra ianareo". Tokony ho olomasina daholo izany ny rehetra... Misy fotsiny ireo olona sasany izay irin'ny mpino mba hatao modely bebe kokoa, teo amin'ny fomba niainany sns, dia angatahany mba ho fantatra sy ampahafantarina ireo fomba fiainany ireo. Dia atsangan'ny Fiangonana ho azo antsoina hoe olontsambatra izy mba ho fantatry ny rehetra hoe azo alaina ho modely.
26. RBNIR ( 06/05/2011 09:29)
hery:

Salama RBNIR
Hamarinina ara-baiboly ahoana moa? Fa angaha dia tsy maintsy hamarinina ara-baiboly daholo ny zavatra rehetra raha tsy izany dia tsy izy? Ara-tsoratra masina ve? Ao amin'ny soratra masina aloha tsy misy hoe natsangana ho olontsambatra sy natsangana ho olomasina. Tsy nila izany ny olona tao amin'ny soratra masina. (Tsy misy koa ao ohatra hoe mampiasà ordinatera ianareo, na mitondra tomobila ry mompera sy pasitera). Filàn'ny mpino taty aoriana ilay izy ka tsy voasoratra ara-tantara sy porofoina ao anaty soratra masina.

SAINGY

- Antsoina ho masina daholo ny olona rehetra "Aoka ho masina toy ny Rainareo izay any an-danitra ianareo". Tokony ho olomasina daholo izany ny rehetra... Misy fotsiny ireo olona sasany izay irin'ny mpino mba hatao modely bebe kokoa, teo amin'ny fomba niainany sns, dia angatahany mba ho fantatra sy ampahafantarina ireo fomba fiainany ireo. Dia atsangan'ny Fiangonana ho azo antsoina hoe olontsambatra izy mba ho fantatry ny rehetra hoe azo alaina ho modely.



Misaotra namaly haingana dia haingana namana !
Raha tsy misy ao amin’ny Soratra Masina kosa aloha izaho dia tsy hiditra amin’izany mihitsy namana, noho ity antony manaraka ity. « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Matio 15:9).
Rehefa tsy ao anaty Baiboly ange dia mazava ho azy fa tsy maintsy ny olona izay no nampiditra azy teo amin’ny fiangonana e!
Izaho v ry namana efa mihazakazaka mafy ery mba hoe hahazo ilay fiainana mandrak’izay dia sanatria zavatra otran’izany no andeha hanafoanana ny hazakazaka izay nataoko.
Tsy manao kosa aho aloha e!

Samy ho tahin’I Jesosy indray e!
27. hery ( 06/05/2011 09:39)

Raha tsy misy ao amin’ny Soratra Masina kosa aloha izaho dia tsy hiditra amin’izany mihitsy namana


Io no tsy mampitovy antsika :-) ary tsy ifanomezantsiny satria tsy mitovy finoana isika.
Ho an'ny Katolika dia tsy ampy velively ny baiboly... Na ny baiboly rahateo ary dia efa miteny izany manao hoe "Maro koa ny zavatra hafa nataon'i Jeso, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana." Jaona 21, 25

Betsaka ny zavatra tsy nosoratana, na tsy voasoratra, fa nampitaina ambava tamin'ireo kristianina voalohany sy ny taranany mifandimby.

Koa tsy ifanomezantsiny izany. Tsy maty antoka akory raha mionona amin'ny baiboly. Mahazo tombony fotsiny izay mahita mihoatra noho ny baiboly.
28. hery ( 06/05/2011 09:42)

Izaho v ry namana efa mihazakazaka mafy ery mba hoe hahazo ilay fiainana mandrak’izay dia sanatria zavatra otran’izany no andeha hanafoanana ny hazakazaka izay nataoko.


Adinoko kely ny namaly an'ito. Ny fananganana olomasina na olontsambatra dia TSY MISY TOMBONY MANOKANA VELIVELY ho an'ilay atsangana. Ho an'ny mpino MANONTOLO no anaovana an'io fa tsy ho an'ilay atsangana. Efa novelabelariko atsy ambadika ihany io.

Koa tsy maty antoka ianao raha mihazakazaka mafy. :-)

Mety hoe ny tsy mampitovy antsika dia ianao mihazakazaka fa izaho trotroin'ny olomasina :-)

29. RBNIR ( 06/05/2011 10:11)
hery:

Io no tsy mampitovy antsika :-) ary tsy ifanomezantsiny satria tsy mitovy finoana isika.
Ho an'ny Katolika dia tsy ampy velively ny baiboly...

Na izany aza namana, izaho mahatsapa hoe misy dikany matoa nofaranany tamin'ny bokin'ny Apokalipsy sady notsindriny mafy koa hoe : « Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; » (Apokalypsy 22:18)« ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. » (Apokalypsy 22:19).

Raha arak'ireo teny ireo samy tsy mety avokoa na ny manala ny efa voasoratra ao na ny manampy zavatra ivelan'ny voasoratra ao.

Misy risque B.






30. hery ( 06/05/2011 10:19)
Ka izay indrindra. Tsy misy baiboly hafa ka. Tsy nanao baiboly hafa ny Katolika fa iny nifarana tamin'ny apokalipsa iny.

Tsy miteny mihitsy aho hoe mila baiboly vaovao. Ny baiboly dia baiboly. Fa hoe ""Maro koa ny zavatra hafa nataon'i Jeso, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana." Jaona 21, 25

Tsy izaho no nanoratra an'io fa izany Jaona izany...

Izany hoe sady miteny izy hoe misy zavatra betsaka tsy voasoratra ato anatin'ity boky ity, dia avy eo izy miteny hoe aza ampiana ity boky ity.

Izany ve tsy mazava be hoe zavatra hafa indray atao (lovatsofina indray soratana sns)

Tsy haiko aloha ry namana hoe inona marina no tena tiany lazaina amin'ilay hoe "Maro koa ny zavatra hafa nataon'i Jeso, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana." Jaona 21, 25
31. RBNIR ( 06/05/2011 10:26)
hery:


Tsy haiko aloha ry namana hoe inona marina no tena tiany lazaina amin'ilay hoe "Maro koa ny zavatra hafa nataon'i Jeso, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana." Jaona 21, 25


Marina io voalazan'i Jaona io ary tsy azo lavina mihitsy,
Saingy raha ny famakiako an'io dia "fahagagana" no tsapako fa tiany lazaina amin'ny hoe "nataon'i Jesosy" fa tsy dia fampianarana loatra.




32. RBNIR ( 06/05/2011 10:30)
Inty misy dikanteny frantsay anankiray mety mampahazava azy kokoa angamba:

25 Jésus a fait encore beaucoup d'autres choses; si on les écrivait en détail, je ne pense pas que le monde méme pût contenir les livres qu'on écrirait.
33. hery ( 06/05/2011 10:35)
Soa ihany fa nolazainao hoe "ny famakiako", mampatsiahy ilay nolazain'i Jesoa ao amin'ny Lioka 10, 26 manao hoe "Dia hoy Jeso taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy? "... satria dia samy manana ny famakiny tokoa ny olona.

Amiko indray mantsy raha hoe "zavatra hafa nataon'i Jeso" dia mino marimarina aho fa tsy fahagagana fotsiny. Satria tsy fahagagana fotsiny no zavatra nataon'i Jesoa tety antany. Raha tsy izany dia mpanao mazimazia fotsiny izy.
Mino aho fa misy zavatra hafa maro nataon'i Jesoa, nitory teny, nampianatra, nanasitrana...

Raha tsy izany dia noteneniny hoe "nisy fahagagana hafa koa".

Ary raha tohizana kely ilay samy manana ny famakiny azy dia toa resaka tenin'ny faminaniana fotsiny koa no nolazainy amin'ilay napetrakao io.

« Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; » (Apokalypsy 22:18)

Izany hoe amiko, ny teny fampianarana dia tsy voatery ao amin'io boky io irery fa ny tenin'ny faminaniana ihany no tsy azo ampiana.
34. hery ( 06/05/2011 10:36)

RBNIR:

Inty misy dikanteny frantsay anankiray mety mampahazava azy kokoa angamba:

25 Jésus a fait encore beaucoup d'autres choses; si on les écrivait en détail, je ne pense pas que le monde méme pût contenir les livres qu'on écrirait.


Marina mihitsy io. Fa tsy hoe "beaucoup d'autres miracles"

Satria amiko ny fahagagana = miracles.

fa ny autres choses dia zavatra hafa be dia be = fampianarana, fitoriana, fanasitranana...
35. 0uioui ( 06/05/2011 10:45)
====) mijery sy manaraka anle adihevitra nareo roalahy ah de zavatra iray loha ihany no tokony hiainganareo de hoe :tokony ho ny Tenin'Atra ihany ary Teny avy ao amin'ny Baiboly no hanamarinana izay voalaza fa tsy hoe hoy i Pape na hoe hoy i Mailhol na hoy i Remie Ralibera ...fa ny Tenin'Atra dia iray ihany ary tsy afaka ampiana na hanalàna donc averiko eto fa :hoy ny lazain'ny Baiboly fa tsy i Pape na i Mailhol na i Remie Ralibera :
« Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; » (Apokalypsy 22:18)« ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. » (Apokalypsy 22:19).

mazava be ary tsy azo havilivily ny voasoratry ny baiboly (baiboly ihany)
36. 0uioui ( 06/05/2011 10:54)
betsaka mihitsy ny zavatra tsy voasoratra ao anaty Baiboly no ataon'ny fiangonana sasany(?) sy ampiasainy hanaromana ny tena "famonjena vitan'i jesoa" dia izy maty tamin'ny andro fahatelo ary natsangana ,niakatra ho any andanitra ".... izay ihany no tena zava-dehibe fa ny ankoatra an'izay ..ohatra : tapa-kazo e ,sampankazo e , lavenona e , rano voahasina e manoroka fatin'ireo olomasina sy fatin'ireo natsangana e sary vongana iankohofana sy horohana e emboka masina e ///fa kosa ny diloilo kosa dia voasoratra mazava ao amin'ny baiboly !!!!
--mila decouverte be eto fa tsara miteny daholo isika

-- Miharena
--RBNRN
--soanja
--dan
--bor2lais
--sy ireo namana marobe mba hanazava sy itondra izay fantatrareo fa tsy tokony ikombombava fotsiny satria tena zava-dehibe ity sujet iray ity !!!
37. hery ( 06/05/2011 10:54)
0uioui (zero ilay 0 fa tsy O) > Ngah izy ity terena be ohatra an'izany :-)

Ny baiboly ihany aza hoy aho teo aloha dia efa miteny hoe tsy voatahiry ao anaty boky daholo ao amin'ilay Jaona 21, 25... koa nahoana no terena be hoe ao anaty baiboly ihany Andriamanitra no miteny? Fa angaha Andriamanitra voafehinao amin'izany? Andriamanitra anie ka ngeza be tsy voafehy e. Nahoana no tsy avelanao hiteny amin'ny zavatra hafa izy? Nahoana no fehezina Andriamanitra?

Afaka miteny amin'ny alalan'ny namanao izy, miteny amin'ny alalan'ny madinika ("Izay ataonareo amin'ireny madinika ireny"), miteny amin'ny alalan'ny zava-boahary, sns... Isika olombelona indray ve no mametra an'Andriamanitra amin'ny Teny izay tiany hatao? Isika indray ve no miteny hoe tsy maintsy ito anaty baiboly ito ihany ny teninao Andriamanitra dia aza miteny intsony?

Tandremo fa raha ampangininareo toa izany ny teny dia mety ny "vato no hiantsoantso"
38. 0uioui ( 06/05/2011 11:01)
hery ===) izay le hoe mila manara-dalàna isika ! tsy ny ps o sy ny 0 akory no olana satria olona iray ihany zahay fa ny votoatin'ny hevitra sy dinika mande no arahatsika ! d'acc?? ...

---mbola averiko foana fa ilaina manara-dalana ny rehetra eo anatrehan'Atra sy ny didiny ! -efa miteny Izy(Atra) fa tsy ahazo famelankeloka ary tsy hana anjara amin'ny hazon'aina izay manampy zavatra "fosika" amin'ny Teniny na ny fanantanterahana ny Teniny !..mbola maivana ary ireo zavatra"noforonina" ireo fa raha mbola hiditra amin'ny resaka "Razana" ao ambanin'i Vatican sy ireo fatin'olona marobe izay tena zavabetaveta isika de ho lava ny listra !!...
--taiza no nisy anzany "lavenona" zany tao ao amin'ny baiboly ?
--taiza no nisy anzany "rano voahasina" zany ?
--avy aiza zany "afo fandiovana" zany ? (iza no manadio eto?)

.........
39. RBNIR ( 06/05/2011 11:02)
Otran'ny tsy lovatsofina ihany ilay izy Hery, fa na ilay mot aza anie ka efa taty amin'ny Vè siècle vo nisy e!

http://fr.wiktionary.org/wiki/b%C3%A9atifier#.C3.89tymologie
40. hery ( 06/05/2011 11:33)
RBNIR> Non. Tsy niteny aho hoe lovantsofina mivantana avy any amin'i Jesoa ny fananganana olontsambatra sy olomasina ka. Fomban'ny Fiangonana izay natao taty aoriana io. Ny nahatonga ny resaka lava be teo ambony dia tonga dia ny fitenenanao avy hatrany hoe tsy ao anaty Baiboly... dia notohizako hoe fa angaha moa ny ao anaty baiboly ihany.

Fa ny fananganana olontsambatra sy olomasina dia fomba natao taty aoriana. Ary dia io averiko io indray hoe satria vokatry ny fangatahan'ny mpino hanana modely sy oha-piainana dia lazaina ampahibemaso fa azo alaina tahaka vokatry ny fiainana niainany ilay olona asandratra. Izay ihany no tena dikan'io.

Aza miteny hoe tsy mety izany na mety izany, satria tsy mitovy ny base hiaingana :-)

Izaho izao tsy afaka hiteny mihitsy amin'ny sinoa hoe tsy mety ny bouddhisme satria ho reraka eo fotsiny :-)

Izay no nilazako voalohany hoe tsy ifanomezan-tsiny satria ny fotokevitra mihitsy no tsy mitovy. Raha nitovy rahateo dia tsy nisy akory ny protestanta... na mety ho lasa protestanta daholo ny katolika.

Ouioui> Mivoaka lavitra loatra izany resaka izany :-) Afaka manao lohahevitra vaovao tsirairay mikasika an'ireo zavatra nolazainao ireo. Resaka Papa Joany Paoly II nasandratry ny katolika ho olontsambatra izao aloha no resaka. Ny katolika hoy aho. Raha manana fanontaniana momba izay ianao dia valiako tsara. Raha hoy ianao hoe tsy mety dia ny valiny fotsiny dia hoe satria tsy katolika ianao :-) Tsotra be.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1453