Papa Joany Paoly II
41. bor2lais
(
06/05/2011 12:04)
hery:
Ny resaka eto dia fifampizaràna. Izaho mizara aminareo izay zavatra fantatro momba ny finoako. Ianareo koa mizara amiko izay fantatrareo momba ny finoanareo. Aza mieritreritra ny handresy lahatra ny hafa mihitsy... satria ho lany fotoana eo. Sady tsy mampitombo izany, tsy manabe.
Misaotra an'i Hery mampatsiahy fa io tokoa no tokony ao an-tsaina mandrakariva.
Ny mety dia mangataka fanazavana ny amin'ny zavatra heverina fa tsy dia azoazo loatra (zaratsika aza misy olona afaka manao izany eto) mba ialana amin'ny honohono na "préjugé".
hery:
Aza miteny hoe tsy mety izany na mety izany, satria tsy mitovy ny base hiaingana
Amiko indray tsy dia ny base loatra no olana (samy milaza azy ho Kristiana : mitovy araka izany ny fototra) satria toy ny trano naorina ambony fototra mitovy ilay izy fa resaka "goût" angamba no azo andraisana azy raha ny fahitako azy.
Raha samy nanorina teo ambonin'ilay fototra dia ao ny nanisy rihana, nandoko ivelany (samy manana ny goût-ny koa eo) arakaraky ny toetrandro na vaninandro.
Ny fiainana ny finoana Azy izany no samy manana ny azy ny tsi11.
Ary mety misy tsy nanisy rindrina na tafo mihitsy aza angamba fa avy dia nipetrahany teo ambonin'ilay fototra ! :-)
42. 0uioui
(
06/05/2011 13:37)
possible mihitsy misy zany fa mety ilay architecte mihitsy no mbola manao stage defa natsangatsangany fahatany tany le fototra fa tsisy nahita izy (jamba nifampitantana) de ireo mpanofa trano taty aoriana no faly fotsiny hoe tsara ty tranonay ty ! nefa ny fototra tanimanga
Ary mety misy tsy nanisy rindrina na tafo mihitsy aza angamba fa avy dia nipetrahany teo ambonin'ilay fototra !
43. 0uioui
(
06/05/2011 13:40)
de rehefa mirodana amizay io trano fototra tanimanga io de hoe ireo trano tsara fototra teo anilany no nampianjera azy !...
44. hery
(
06/05/2011 14:20)
... dia averiko any am voalohany amin'izay ilay resaka.
Moa tsy vaovao mahafaly tokoa ve ilay fananganana ho olontsambatra an'i Papa Joany Paoly Faha II.
Olona antapitrisany no tonga teto Roma naneho ny hafaliany.
Olona tsy haiko ny isany no nanaraka tamin'ny télé tany rehetra tany.
Nifankatia sy nihavana ny olona... tao anaty filaminana sy fandriam-pahalemana. Tsy vaovao mahafaly ve izany?
Dia ny hamarnako azy dia hoe... inona avy moa hono ny Vokatry ny Fanahy? Koa raha vokatry ny Fanahy ve tsy avy amin'Andriamanitra izany?
:-)
Mifaninàna hifanaja... ny Tompo anie no tompoinareo e
Romana 12: 12-14 Mifalia amin'ny fanantenana, mandefera amin'ny fahoriana, ary mahareta amin'ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.

45. Miharena
(
06/05/2011 15:33)
Ouioui:
betsaka mihitsy ny zavatra tsy voasoratra ao anaty Baiboly no ataon'ny fiangonana sasany(?) sy ampiasainy hanaromana ny tena "famonjena vitan'i jesoa" dia izy maty tamin'ny andro fahatelo ary natsangana ,niakatra ho any andanitra ".... izay ihany no tena zava-dehibe fa ny ankoatra an'izay ..ohatra : tapa-kazo e ,sampankazo e , lavenona e , rano voahasina e manoroka fatin'ireo olomasina sy fatin'ireo natsangana e sary vongana iankohofana sy horohana e emboka masina e ///fa kosa ny diloilo kosa dia voasoratra mazava ao amin'ny baiboly !!!!
--mila decouverte be eto fa tsara miteny daholo isika
-- Miharena
--RBNRN
--soanja
--dan
--bor2lais
--sy ireo namana marobe mba hanazava sy itondra izay fantatrareo fa tsy tokony ikombombava fotsiny satria tena zava-dehibe ity sujet iray ity !!!
Nanaraka ilay adihevitra dia nahita ity resak'i Ouioui ity dia mba mandray anjara koa.
Raha manaraka tsara tokoa isika dia misy ihany zavatra hitako mandringa eo amin'ny filazan'ny sasany hoe ny Baiboly ihany. Araka ny hitako dia tsy ny Baiboly manontolo no voalaza eo amin'ilay hoe "izay manampy na manala" fa ny faminaniana ao amin'ny Apokalypsy ihany.
Ny finoana koa dia miaina sy mivoatra ka tsy tokony heverina ho voafono anatin'ny fehiteny rehetra voasoratra fotsiny.
Ny fitazomana ny FOTOTRA kosa no tokony tsy ho very na manao inona na manao inona ny olona iray. Io ilay FOTOTRA maha-izy azy. Na koa hoe maha-endriky ny Ray azy avy.
Raha Joany Paoly II no resahana dia manana ny tandrifiny amin'ny asa izay ataony izy eo amin'ny fivoaran'ny finoana Kristiana. Anisan'ny hita ny fandeferana teo aminy, indrindra amin'ny fifandraisana amin'ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Ka tsy misy mihitsy tokony hilazana fa misy mandringa izay endrika itondran'ny fiangonana ny fankalazana ny asany.
Toy ny fanaon'ny fiangonana rehetra manao jobily ho an'ny mpitandrina ao aminy io.
Ny fampianarana koa dia ny hoe ho tonga masina daholo ny olon-drehetra ka marina ny filazan'i Hery.
Ny fanadiovana ny ao anatin'ny tsirairay hanana fomba fijery mazava sy mangarangarana no tokony himasoana amin'izao fandroson'ny finoana izao, indrindra ny fandroson'ny fahalalana marina efa mipoitra hatrany noho ny finiavan'ny olombelona hahazo izay anton'izao zava-drehetra izao.
Ny hany mba azoko lazaina farany dia ity resaka lazain'ny olona hoe maty ny fanahy ity rehefa mandao ny nofony ny olona. Toy ny tsy mamaky Baiboly ny olona miteny izany amiko ary tsy mahafantatra ny vontoatin'ny voalaza ao dia ny fiainana mandrakizay. Izay ihany no hazavana tokana tiana zaraina ao. Ka ireo rehetra izay lasana dia manana ny anjarany avy avokoa aorian'ny fandaozany ny nofony. Dia manana izany koa izany Joany Paoly II. Ny dogme na fombafomba dia toy ny fitafian'ny fiangonana tsirairay amiko ka tsy tokony hasiana adihevitra lavabe mandany boky marobe izay fototry ny adim-pinoana rehetra eran-tany.
Dia samy hotahian'ny Tompo dia mba samy hotahian"i Joany Paoly II daholo ny Katolika rehetra e!
46. bor2lais
(
06/05/2011 17:36)
miharena:
Dia samy hotahian'ny Tompo dia mba samy hotahian"i Joany Paoly II daholo ny Katolika rehetra e!
Raha ny fanazavana nomen'ny namana Katolika teto raha tsy diso aho tsy i Joany Paoly faha-2 akory no mitahy fa ny Tompo ihany a ! Joany Paoly faha-2 kosa afaka "mivavaka" ho azy koa (manampy tosika ny vavaka ataony izany) satria efa eo akaikin'ny Tompo izy ! Izay ve ilay izy Hery ?
47. 0uioui
(
06/05/2011 17:42)
hoy miharena hoe
--ny fomba firesako hatramzay mo de le tonga de mahitsihitsy be (misy mivonto orona mihitsy aminio hihihih) ka de tonga de hitsiako kosa ry Miharena na de hoe mitady ny marimaritra iraisana aza i Miharena eo ambony io fa de tena lalamibirioka tanteraka raha hoe i Pape joany Paoly2 no Hitahy !!...
de tena laviko marindrano sy mahitsy kosa fa "tsy mitahy i pape joany " zay alou de tena tsy ekeko ka!...olona samy olona ve hifampitahy ??...raha hoe ho Tahian'i Tompo na ho Tahian'i Jesosy na ho tahian'Atra de tena izy !!...
dia mba samy hotahian"i Joany Paoly II daholo ny Katolika rehetra e!
--ny fomba firesako hatramzay mo de le tonga de mahitsihitsy be (misy mivonto orona mihitsy aminio hihihih) ka de tonga de hitsiako kosa ry Miharena na de hoe mitady ny marimaritra iraisana aza i Miharena eo ambony io fa de tena lalamibirioka tanteraka raha hoe i Pape joany Paoly2 no Hitahy !!...
48. 0uioui
(
06/05/2011 17:48)
iza no nilaza tam bor2lais fa efa eo akaikin'i Tompo i Pape i joany paoly2????...tandremo fa blasfemm zany !! tsy misy mahalala ny ao anatin'ny "Bokin'ny fiainana ,na ny Bokin'ny asa vita sy natao" raha tsy Atra sy Jesosy zanany ihany !!! ka aza tonga de miteny oe efa eo akaikin'ny Tompo izy !...mety ho eo akaikin'ny Tompo angamba hoe de ekeko !!! faharoa : iza koa no niteny ary aiza ao anaty baiboly no milaza fa i Pape joany paoly2 no manampy ny vavaka ataonao ??? non , non ,non tsy misy anzany ao anaty baiboly fa eritreritra avadika reel zany !!...izy koa aza any mba miady mafy ny tenany koa mba ho tafiditra ny lanitra satria olombelona otratsika koa !!...
oany Paoly faha-2 kosa afaka "mivavaka" ho azy koa (manampy tosika ny vavaka ataony izany) satria efa eo akaikin'ny Tompo izy ! Izay ve ilay izy Hery ?
49. 0uioui
(
06/05/2011 17:56)
izao fotsiny : raha mbola hoe olombelona de tsy marina velively ary tsy azo ekena ny hoe tsy maintsy tafiditra ny lanitra izy ,mila miady ,mihazakazaka, manam-pahamasinana hoy i hery zay ,ary mbola tsindriany mafy mihitsy ary hoe "asiako mafy ny tenako mba ho mangana ..."eo amin'ny fanarahana dia no tiany tenenina eo !!...mivavaha mandrakariva ka tsy reraka ...izany hoe ianao no responsable n'ny fanahinao fa tsy misy olona pape na nenilava na mailhol na rapatrice na jeanne d'arc zany ka hoe antenainao fa hidiranao ny lanitra satria enao mpino kato de hoe efa mivavaka ho anao ireo non ; non ; non tsy zay mihitsy le izy !....
50. bor2lais
(
06/05/2011 18:00)
Ouioui:
iza no nilaza tam bor2lais fa efa eo akaikin'i Tompo i Pape i joany paoly2????...tandremo fa blasfemm zany !! tsy misy mahalala ny ao anatin'ny "Bokin'ny fiainana ,na ny Bokin'ny asa vita sy natao" raha tsy Atra sy Jesosy zanany ihany !!! ka aza tonga de miteny oe efa eo akaikin'ny Tompo izy !...mety ho eo akaikin'ny Tompo angamba hoe de ekeko !!! faharoa : iza koa no niteny ary aiza ao anaty baiboly no milaza fa i Pape joany paoly2 no manampy ny vavaka ataonao ??? non , non ,non tsy misy anzany ao anaty baiboly fa eritreritra avadika reel zany !!...izy koa aza any mba miady mafy ny tenany koa mba ho tafiditra ny lanitra satria olombelona otratsika koa !!..
1. Tsy finoako aloha ilay izy
2. Manaraka izany manontany ny namana aho rehefa tsy mahafantatra na misy manitikitika
3. voalazako tsara fa "raha ny fanazavana nomen'ny namana Katolika ... "
4. Io 3. io no mamaly ny 2.
5. Izay no atao hoe fifanakalozana amiko :-)
51. 0uioui
(
06/05/2011 18:00)
hoy ny Baiboly : fa tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha , rehefa afaka izay de hisy ny fitsarana (fahafatesana faharoa io a ) izany hoe rehefa maty enao de miandry ny asa vita sy nataonao ho jerena ao anaty "boky" !...tompon'andraikitra ny tenanao hianao tompoko fa aza miandry an'izany olona hoe "hivavaka" ho anao na "hampandalo afo fandiovana " anao na hanadio sy hampiditra anao ho any andanitra izany ianao , fa enao !!! ny asa nataonao !!! ny satroboninahitrao(mololo, vatosoa ,volamena...) no adinina aminao !!!!
53. Miharena
(
06/05/2011 19:25)

Marina ny filazanao azy eto Ouioui ny amin'ny hoe ianao ihany no mapiditra anao ao an-danitra nefa araka ny fahitana azy dia misy ireo olona izay miankina hatrany amin'ny mpitari-pivavahana amin'ny fomba rehetra hitondrany ny tenany mba ho voavonjy izy. Io no mitarika ireo fangatahana atao amin'ny olomasina mba hivavaka ho an'ny mpino mpangataka. Ilay fomba mitovy amin'ny finoan'ny gasy ary ataoko fa manao izany koa ny olon-kafa dia ny fitahian'ny razana no mitovitovy amin'io finoana Katolika io. Ny gasy dia mametraka ny razana ho mpaneanelana amin-Janahary satria izy no heverina voalohany ho manakaiky kokoa ny tena noho i Zanahary.
Izay hatrany no misy teo aloha fa nanjary zary lasa notsipahina io taty aoriana fa nolazaina fa mivantana daolo ny vavaka rehetra. Na izany na tsy izany, ny fifanajana samy olombelona sy ny fahatsiarovana noho ny asa vita dia tokony tsy dia hisy olana loatra eo amintsika. Ny fijerin'i Ouioui azy toa lasa endrika mampietry ny olona no hitako manjary mibahana loatra ka manjary tsy manome izay hasin'izay olona manana ireo toetra masina nananany fony naha-nofo azy indray no mibahana.
55. 0uioui
(
07/05/2011 11:12)
hitan'i miharena ! eo amin'ny resaka fanompoana an'Atra dia misy ny zavatra azo toléréna fa misy tena tsy azo andeferana mihitsy fa tena fahotana mahafaty !...betsaka ny ohatra azo raisna na de mahitsihitsy sy direct be ndray aza le filazako azy fa de ialana tsiny r'ingah roa fa efa eto mo izy ty ka de avoaka izay mba kely fantatra e !...
ohatra ary :
-tena tsy azo andeferana : milalao faty ao ampiangonana, mandevina olona ao ampiangonana, manisy sarivongana hivavahana sy horohana ao ampiangonana ,manasohaso olombelona mioatra an'Atra ,manao Ray Ma sina ety antany ,mamorona lalàna hafa na doctrine hafa tsy mifanaraka amin'ny baiboly !
-ny azo andeferana : manisy sary vongana ao ampiangonana SAINGY natao ho fahatsiarovana fotsiny fa tsy horohana na hiankohofana ,mampiasa rano voahasina saingy natao symbole fotsiny fa tsy hivavahana sy tompoina ...azoazonareo antsaina amzao angamba ny tiko tenenina !
- Misy zavatra iray tena goavana dia ity "ady masina , ady masina" natao fahiny(?) na ankehitriny ko aza angamba ka ampifanarahana amin'ny baiboly ny famonoana olona hoe avy amin'Atra !...misy fiangonana efa mihosondrà amin'ny vono olona vitany mihitsy fa amboamboarina amin'ny tantara izany e fanambarana fanjakana e fampiraisana ny olona mba hanana fihavanana matanjaka no nanaovana anireny e !...

56. Miharena
(
07/05/2011 12:12)
Ra-Ouioui,
marina ireo fanamarihanao raha toa ka mametraka referansa amin'ny hoe misy zavatra raràna sy tsy fanao eto ambany masoandro, izay ataoko fa ny rafi-pivavahana misy ankehitriny no niteraka izany rehetra izany. Arakaraka ny fivoarana no niterahan'ny fombafomba isan-karazany na koa aza ny fitazonana izay noheverina fa fahamarinana voalohany. Toy ny hoe: manan-kasina ny vato iray satria nisy fahatsiarovana fahasoavana natsangana teo, dia nosora-menaka izany vato izany. Toy izany ny ataon'ny olona amin'ny fahatsiarovana ny olona izay nanao soa. Tsy dia manana fitsaràna ho amin'izany fomba izany loatra aho satria misy ihany ny firaiketam-po tamin'izay olona nanao soa ny tena rehefa mandao izy. Ilay fomba miankohoka araka ny filazanao azy dia endrim-pankasitrahana na fisaorana izay nanao ilay soa. Koa satria moa isika olombbelona matetika tia mampasa maso, dia izay sisa (vatana mangatsiaka na sary) no entina mahatsiaro.
Eo amin'ilay hoe familiana araka ny maha-diavolana ny tena ny atao hoe ady masina indray aloha dia ny fiangonana rehetra dia tafiditra amn'izany daholo. Tsy misy an-kanavaka ireo satria na dia tsy mamono olona aza izy dia mandratra fon'olona maro ihany koa, indrindra rehefa mampiteronterona ny fitenenana hoe : raha tsy ao aminay ianareo dia maty any satria noho izatsy sy izaroa.
Ilay fitoriana fahafatesana mihitsy no hitako mampaharary ny olona. Rehefa nolazaina fa maty dia natao hoe ratsy izay. Io fahafatesana io anefa dia voaporofo fa tsy misy. Raha tsy izany Jesosy tsy nanao démonstration nifantsika teo ambony hazo fijaliana teo.
Misy fitohizan'aina hatrany izay tiaNY ambara ary fiainana mandrakizay no voiziny.
Dia ireo olona manao fahatsiarovana dia tokony hahalala hatrany fa velona ilay anaovana fahatsiarovana.
Izay no maha-sarotiny ny mpitandrina rehefa manao faire-part, dia ny hilazana etsy ambany hoe ny nofony dia entina ao an'anona hankalazana an'Andriamanitra fa tsy hoe "dia hatao veloma farany". Ilay fisaorana an'Andriamanitra ihany no antony nanaovana ireny rehetra ireny satria nampisy io olona nodimandry io Izy Mpamorona handalo eto ambany masoandro ary mody Aminy. Fisaorana daholo izany rehetra izany ka raha raisina ho ratsy dia manjary tsy dia manaja loatra sady tsy mapionona ny olona izay nilaozana.
Rehefa mahalala ny tsirairay fa rehefa mandao ny nofony dia hody amin-dRay na Loharano nipoirana dia tsy tokony hisy mihitsy ny fitsarana izay endrika rehetra hahatsiarovana na isaorana noho ny nanomezana olona iray teto ambonin'ny tany.
Ny amin'ny hoe ray masina iantsoana ny olona indray dia toy ny ray amandreny rehetra ihany io amiko. Titre omena izany, toy ny hoe Pasitera koa. Na koa hoe Dokotera sy ny sisa ary ny fiarahamonina no manaiky ilay izy ka asa hoe inona no mahatonga ny hafa hanana fomba fijery mangarika ny fiarahamonina manao izany.
Mapahatsiahy ny tantaran'i Kaina sy Abela ilay izy eto amin'ity farany ity, ka hoe nankasitrahana dia nanjary niteraka fialonana.
Io no tokony hesorina voalohany raha toa ka tiana hanana fiadanana anaty ny olona ka hifandray amin'ny olon-drehetra na inona na inona firafitry ny fomba fisainany sy ny fomba hinoany.
Rehefa samy mihazakazaka ao anaty couloir samy misy azy avy ny fiangonana rehetra dia tokony ho tonga eny amin'ny tanjona fa ny mapisavoritaka ankehitriny anie ra-Ouioui ka lasa ilaozan'ny sasany mijery ny couloir-ny sasany dia taraiky e! Io ilay olona roa nivavaka natao ohatra: ny iray ratsy tonga dia niaky fa meloka, ny iray nanao hoe misaotra fa tsy nataonao toy ilehio aho, izany hoe tsy izy no nampidiriny tany an-danitra fa lasa nanao referansa no nataony dia very ihany izy.
Izay no tsy dia hitsaratsarana loatra izay ataon'ny fiangonana tsirairay fa efa misavoritaka be ihany aza ny zava-misy ankehitriny indrindra fa ho an'ny marivo salosana izay tsy mahalala izay bi sy ba amin'ny resaka hifamalian'ny isan'antokony avy.

57. 0uioui
(
09/05/2011 08:37)
- fa lainga koa alou lainga fa tena bogosy i Hery e zay kosa alou antraparantezy iray mba remarkeko e mahafatifaty i hery hu hu hu hu
58. 0uioui
(
09/05/2011 08:40)
mitohy ny dinika fa tsetsatsetsa tsy aritra kely fotsiny io.....
---miharena, zah kosa alou tsy mitsara a fa otran'ny tena asiano mafy be zan zah ! tsy mitsara ah fa miteny ny mba zavatra fantatro sy hitako fotsiny alou a !
---miharena, zah kosa alou tsy mitsara a fa otran'ny tena asiano mafy be zan zah ! tsy mitsara ah fa miteny ny mba zavatra fantatro sy hitako fotsiny alou a !
59. RBNIR
(
09/05/2011 08:48)
0uioui:
- fa lainga koa alou lainga fa tena bogosy i Hery e zay kosa alou antraparantezy iray mba remarkeko e mahafatifaty i hery hu hu hu hu
Salama Hery a,
Efa saika nanontany ity aho fa tonga ilay resaka, dia araraotiko amin'izay,
Nareo v tsy havan'i Gothlieb e! sao dia mbo kambana taminy hi hi hi,
Samy ho tahin'ny Tompo
60. RBNIR
(
09/05/2011 09:01)
RBNIR:
- fa lainga koa alou lainga fa tena bogosy i Hery e zay kosa alou antraparantezy iray mba remarkeko e mahafatifaty i hery hu hu hu hu
Marina izany,
Nefa na izany aza aoka hijanona serieux foana amin'ny resaka finoana satria ny fiainan-tsika mandrak'izay no resahina eto (na isika hihadana any amin'ny fanjakan'Andriamanitra miaraka amin'i Jesosy Tompo na hijaly mandrak'izay any amin'ny afo maharitra mandrak'izay miaraka amin'ny devoly sy ny Anjeliny),
Tsy vazivazy ny finoana ,
Samy ho tahin'ny Tompo daholo e!