Ary natao batisa Jesoa rehefa feno 30taona ! ..fa tsy vao teraka akory !

61. hery ( 22/08/2010 18:38)
Miverina foana ilay fototry ny olana.

Ho an'ny Katolika dia tsy ny "Baiboly ihany" (Sola scriptura) no fototra. Raha tsy izany dia tsy katolika ny katolika. Zavatra telo no fototra dia ny Baiboly (tenin'Andriamanitra fa nosoratan'ny olombelona izany hoe ny Fiangonana, satria Andriamanitra tsy nanao dictée), dia avy eo ny Traditions (satria niainan'ny generations maro aloha ilay izy vao tonga aty amintsika ka nisy influences ny niainan'izy ireo), ary fahatelo ny Magistère na ny Fiangonana izay maha katolika ny katolika.

Dia miverina amin'ny olana fototra isika, raha ny sources aza tsy mitovy, izany hoe ny loharano anovozana ny dinika, dia ahoana no miady hitovy hevitra?

Raha ohatra ka ny baiboly fotsiny no entinareo hilazana hoe tsy tokony hatao batemy ny zazakely dia aminareo ihany izany no mety, satria ho an'ny Katolika dia efa tamin'ny andron'i Augustin d'Hippone (taona 340 tany) no efa nanomboka niala tamin'ilay batemy ranobe ny olona vokatry ny fivoarana sy ny zava-misy niainana tamin'izany fotoana izany.

Ianareo mitady fivoarana sy milaza azy ho tsy conservateurs kanefa ny source-nareo dia ny baiboly fotsiny izay efa tamin'ny taona 100 A.C. no nijanona ny fanoratana azy.

Koa tsy ho tafa mihitsy ny dinika raha vao izay no itondrana azy.
62. ikaretsaka ( 22/08/2010 18:39)
lany pasy koa ra cyril e
63. ouioui ( 23/08/2010 00:21)
Kay klé hila vanony @ Cyril indray ikaretsaka boené hihihi, laingany leisy izany a,fika handroahana an'ialahy io ,lany pasy lery mantsy dia ataony izany tsy hidiran'ialahy @ dinika , lazainy fa mijapy eo koa ialahy , teneno koa i marcu11 sy badluck , ho avy aminareo koa ny hatezeran'nika borné hihih
64. ikaretsaka ( 23/08/2010 01:06)
ny argu ra ouioui alefa fa tsy i cyril sy ny fahambanian-tsain'ny tsy mana-kambara akory no maha dehadehaka eo a
65. ouioui ( 23/08/2010 01:29)
Aiza ny valin-tenin'ialahy fa ny arguments efa tsy ahitan'ialahy valiny fa cyril e, sisa no ilaina vanony any hihihi
Lany pasy bloky ika borné hihihi
66. mpanazava ( 23/08/2010 07:58)
Ny fanontaniana tiako apetraka fotsiny hoe mifanaraka amin'izay lazain'ny soratra masina ve fanaovana batemin-jazakely? Tsara fantatra manko ireo fepetra takin'ny soratra masina momba ny olona iray atao batemy, raha mahafeno izany moa ny zazakely, tsy hitako olana.
67. hery ( 23/08/2010 08:32)
Na koa hoe "Tena mifanipaka amin'ny zavatra lazain'ny Soratra Masina ve ny fanaovana batemin-jazakely"?

Raha ohatra mantsy ka hoe tsy voasoratra fotsiny dia tsy voatery ho voasoratra daholo ny zavatra rehetra araka ny fivoaran'ny zava-nisy taty aoriana...

sady mbola averiko indray hoe ireo manao batemin-jazakely (ny Katolika ohatra) dia tsy mandray ny baiboly ho hany loharanom-pinoana.
68. ouioui ( 23/08/2010 11:02)
hery
sady mbola averiko indray hoe ireo manao batemin-jazakely (ny Katolika ohatra) dia tsy mandray ny baiboly ho hany loharanom-pinoana.

Arguments alefa fa tsy mazava ny resaka ry hery a, sa hoe izao no tianao soratana;

sady mbola averiko indray hoe ireo manao batemin-jazakely (ny Katolika ohatra) dia mandray ny baiboly ho hany loharanom-pinoana. na koa

sady mbola averiko indray hoe ireo manao batemin-jazakely (ny Katolika ohatra) dia tsy mandray ny baiboly ihany loharanom-pinoana.

Dia fa manino? raha io faharoa io
69. hery ( 23/08/2010 11:29)
teny gasy mazava kosa angamba io :-)

Ny Katolika dia tsy mandray ny baiboly ho hany loharanom-pinoana.

L'Eglise catholique ne prend pas la bible comme seule source de foi

Izany hoe ho an'ny Katolika dia misy fototra hafa (nohazavaiko any @ toerana hafa)
70. ouioui ( 23/08/2010 12:13)
Koa inona izany fa tsy dogma , efa nohazavaiko tany ambadika tany e hihihi,
Lasa manao izay mampetipety azy any fotsiny anie izany
Izay izany ny an'ny kato fa mazava ka
Misy zavatra fanampiny izany ny tenin'Andriamanitra fa ny kato hoy rahery no manana an'izany ,tena ofisialy ve izany aloha sa hevitr'i hery fotsiny e?? ao ilay mistery tsy mba hitanay izany fa tsy takatry ny saina hihihi
Mazava ny position-ny kato fa mety hafa ny hanazavan'ika borné an'io an, jereo tsara anie nedala , vaoa avy nanonofy ratsy e hihihih
Misaotra fa manaja ny kato ny tenako rahery a, tsy hifandresen-dahtra akory fa nifanakalo hevitra fotsin y isaka mitsam teto
Tsisy kankay an , raiso ny dimy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0462