ilay secte tsy miantso ny anaran'Andriamanitra
41. arialy
(
18/08/2010 09:52)
Marina aloha fa tsy asantsika ny manafaka azy ireo ao am ny secte araka ny voalaza fa mivavaka no atao, anefa raha tena itanao fa miharendrika sy manaonao foana ilay olona dia hangina tsy hiteny ve? raha sanatria ka misy fahavoazany avy eo, na ny zanany, dia tsy ho nenina be vava ve, nijery arina an-tava ???
42. diamondra27
(
18/08/2010 11:04)
arialy:
Marina aloha fa tsy asantsika ny manafaka azy ireo ao am ny secte araka ny voalaza fa mivavaka no atao, anefa raha tena itanao fa miharendrika sy manaonao foana ilay olona dia hangina tsy hiteny ve? raha sanatria ka misy fahavoazany avy eo, na ny zanany, dia tsy ho nenina be vava ve, nijery arina an-tava ???
mety tsy azondry ny tiana lazaina tery ambony fa averiko, mila mivavaka mafy mihintsy aloha mametraka ilay situation @ Jesosy. Hoy Izy omeo ahy ny enta-mavesatrao , dia izay mandehana @ finoana fa Izy hanantanteraka azy. Rehefa vita izany dia hoe: ny finoana tsy arahin'asa sy ny vavaka dia zava-poana ka noho izany dia vas-y , fonces, ataovy @izay izay azonao atao am-pahendrena sy araka ny sitrapon'Atra fa tsy araky ny herintsainao sy ny herimponao fa raha izany dia tsy hahatohitra ny asan'ny fanahy ratsy mihintsy ianao.
Tsy ilay secte ange no iadiana @ilay izy fa io dia vokatry ny asa ratsy ny fanahy ratsy e, koa mivavaha, miambena . Na ianao milaza fa mijoro tsara hoy ny baiboly mitandrema sao lavo.
Omeko ohatra iray ianao: raha misy mpivady ny 1 mino ny 1 tsy mino , taritin'ilay mino foana ny vadiny tsy mino fa e e e , tsy @ asa araky ny herinao mihintsy no hahatonga azy hino fa ny fivavahanao mametraka izany eo ampelatanan'i Tompo ary Izy hanome hevitra anao , dia izay vao ho lasa mpino iny vadinao tsy mino iny.
Marina fa hoe tena tianao hovonjena izy satria vadinao fa tsy izany akia ilay fiainan'ny mpino a! fikasana no antsika olombelona fa ny didy an'Atra.
Apetraka eo ampelatanan'Atra ny asa izay tianao hatao mba ho ambininy.
Izay ilay hoe: mamafaza voa, na @ fotoana na tsia fa tsy fanytatra na oviana izy ireny no hamoa.
43. pikatti
(
18/08/2010 11:15)
Ry zareo ao @lazainao fa secte koa ary anie ka milaza tsy misy hafa ny hivavahana ho antsika e
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/mdr-mort-de-rire-284923.gif[/IMG]
Ka io joa ilay lazaiko samia milaza izay fomba fijeriny fa tsy ankaneritery handresy lahatra an'anona aho , resaka famelambelaran-kevitra ny antsika fa tsy fanapepoana sanatria akory
Izay no forum, tsy hitovy na oviana na oviana daholo akory ny hevitra mivoaka eto n'iza n'iza manao faran-teny eto, ka dia hitohy hatrany ity fifanakalozan-kevitra ity e
Isaorana daholo ny mpandray anjara , sy izay mpitazatazana (sa ahoana leisy rawix ??), mandraisa anjara ry akama isany fa tsy misy mihinana olona anie eto e [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/mdr-mort-de-rire-284923.gif[/IMG]

répondu par ikaretsaka le 20/08/2010 15:28
44. soanja
(
18/08/2010 12:57)
arialy:
Marina aloha fa tsy asantsika ny manafaka azy ireo ao am ny secte araka ny voalaza fa mivavaka no atao, anefa raha tena itanao fa miharendrika sy manaonao foana ilay olona dia hangina tsy hiteny ve? raha sanatria ka misy fahavoazany avy eo, na ny zanany, dia tsy ho nenina be vava ve, nijery arina an-tava ???
Marina izany Arialy ny reaction voalohany matetika ananatsika dia ny hanampy an'ilay olona hiala na tsy hanaonao foana sao mantsy ka henenenana satria tiana ilay olona, saingy rehefa mandinika tsara isika dia ahita fa ny fanekena azy hanantanteraka izay fanirian'ny fanahiny no fitiavana lehibe satria matoa izy miteny sy te hitory teny aza momba izany aminao ohatra dia hitany fa tsara aminy izany. Tsy hoe satria tsy mitovy amintsika izy ireo dia ho simba akory.
Nefa raha mahatsapa isika fa misy atahorana ho fahasaimbana dia inona ary izany? Ny fanekena ilay mpitarika ve? ny fanaovana zipo lavabe fa tsy pataloha ve? ny firesahany kalanoro ve? afaka lazaintsika ny manimba amin'izy ireo. Fa raha toa kosa ka misy ny hoe alaina ny zaza dia ndeha atao sorona, na hoe ampijaliana ny tsy manan-tsiny amin'ny resaka fanompoana ohtra hoe sotroy ny tangena sns sns dia tena anjarantsika ny mitory azy ireo any amin'ny fanjakana satria misy fanararaotana mahatsiravina ao ary mety tokoa handringana ny hafa izay tsy manana fehi-teny momba izany. Raha toa kosa ka mitaraina izy fa te hiala nefa tsy afa-manoatra noho ny antony samihafa dia eo koa isika mila manampy avy hatrany satria misy fangejana na resaka tsy an-tsitrapo no ao.
Azo atao tsara mihitsy ny manakiana ny finoan'ny hafa, indrindra raha misy fitiavan'ny hafa te hitory teny na hoe iny finoana iny no tenenina foana sns sns saingy mila fandanjalanjana tsara hoe izay no safidiny, izy afaka manaraka izany, fa raha izy no misisika hitarika anao dia eo indray nihoatra ny fefy tianao hanomezana azy fahafahana hilaza izany aminao, mila taktika hafa indray ny eo satria ny fahafahanao indray no tsinotsinoaviny. Fa raha mitantara fotsiny izy dia henoy sy kiano tanteraka raha mahay mifanakalo hevitra izy. Miankina amin'ny tsirairay sy ny fahaizany koa mantsy izany, ka indraindray mila mandinika tsara fotsiny hatraiza ny hifanakalozako hevitra amin'ity olona iray ity. Mila mandany rora ve sa enerjia lany fotsiny sns sns...
Aty US dia betsaka ny RAD hitako mampianatra ny zanany zavatra mety hanimba ny zanany tokoa amin'ny ho aviny. Atao ahoana fa izay no safidiny. Zanany ireo. Izay no maha olonafaka antsika rehetra rehetra fa tsy voageja, manantsafidy manao izay tiantsika atao fa ny fiainana kosa no aoka hanome lesona antsika. Izay maniry hianatra dia atoroy fa izay tsy vonona aoka tsy hofehezina amin'izany. Fa raha toa kosa ka manelingelina ny fahafahanao ilay fahafahana tiany ampihariny amin'ny fiainany dia eo ianao mila mijoro amin'ny mahaianao ianao ary miezaka tsy hanjakany.
Andriamanitra dia mpampianatra tena mahatoky. Izy no hanome ny lesona sy hanoro ny lalana ho an'izay rehetra mikatsaka izany. Hinoako fa ny zava-drehetra dia lalana efa voasoritra avokoa ka izay hisy dia hisy tokoa noho ny safidy tany amboalohany.
45. fijo
(
18/08/2010 20:40)
tena las abloky marina anie sisa ry zareo e,aza miandry fanazavana avy aminy fa tsy manana izany ireo.
46. ouioui
(
18/08/2010 21:43)
Hita hoa , matahotra ny ho petsainareo kosa ny olona , hihihihii, lasa manao resaka bloky sisa hihihi, ny eo ihany no averina, hihihi, maty aho wiwi, petsa 100% tsara ialahy izay
47. ikaretsaka
(
18/08/2010 22:16)
fijo:
ikaretsaka - 16/08/2010 18:44
ny ahy ny fanaovako azy dia asaiko demontreny dia raisiko notes tsara ny demonstration na ny depliants sy ny boky kely zarainy raha tsy vitako du tac au tac ny mi contrer anazy, dia
olona tsy hafaka mandinika intsony ve letsy hanao demonstration inona eo an???
izay mihitsy.. dia initier-na ny sainy mba handinika @ alalan'ny raisonnement fa tsy hanao boloky fotsiny
48. ikaretsaka
(
18/08/2010 22:22)
fijo> ka izay ange letsy no hitaritana azy hi demontre e.. hiala @ le maha boloky azy fa averina any @ le toe tsaina afaka mi raisonne indray
49. ouioui
(
18/08/2010 22:35)
Efa voapetakin'ny vy mahamay ny eritreriny izany fa ialahy ve hiady @ adala e hihihi
50. arialy
(
19/08/2010 09:21)
za aloha miombokevitra ami ika é , aleo asaina miasa saina kely amzay saina tonga , fa dia efa izay moa no nataoko fa dia fahanginana no setriny na hoe izay no voalaza tam ny fivorianay ... ny atahorako ny ho very havana ry zalahy aaaa!!!
51. marcus11
(
19/08/2010 10:10)
cool "D[IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
52. xxwx
(
19/08/2010 12:51)
Miombon-kevitra @ fijo sady tsia ihany koa, satria misy manazava tsara kosa ny olona fa isika indraindray no tonga dia manakana sy tsy te hihaino ny lazainy
Voavakiko ao ambany ao fa raha tsy diso ny fahitako azy dia toa TJ i Mpanazava saingy vao mandefa dinika izy dia ataon'olona angaredona sy henjehina be fahatany , maninona raha zohina tsra ny tena hatongavany ???
Dia ho avy eo indray ny fanatika isany hoe mivavaha ho azy , diniho fa tsy hitako izay olana , toro-hevitra ihany ny ahy iny , zavatra voadiniko tao fotsiny no nanaovako fanamarihana kely
Misaotra tompoko

53. Miharena
(
19/08/2010 15:12)
Arialy:
za aloha miombokevitra ami ika é , aleo asaina miasa saina kely amzay saina tonga , fa dia efa izay moa no nataoko fa dia fahanginana no setriny na hoe izay no voalaza tam ny fivorianay ... ny atahorako ny ho very havana ry zalahy aaaa!!!
Somary sadaikatra hiady hevitra matetika ny olona sasany izay tafaroboka amina firehana manome tahotra ny olona sy mihevitra hoe ny azy no marina. Ny mety angamba dia ny mifanerasera aminy hatrany dia tsy hiadiana hevitra intsony izy fa manjary ianao izay tokony hijoro indray no matahotra ny aminy.
Amiko moa dia samy misy heviny avokoa ny zava-drehetra satria Andriamanitra tsy nampisy izao rehetra izao (hatramin'ny fisedrana finoana lalovan'ny maro ankehitriny) tsy amin'ny antony avy.
56. soanja
(
20/08/2010 00:06)
Asa nareo efa nahita ireny sipa tanora kely sady manjakely sns sns nefa roboka tokoa amin'ny bandy bogosy sady mpifoka rongony no mpiady an-tsena, mpandrava bal , diploma zero sns sns ireny... Inona moa no azo atao rehefa io no tiany. Afaka manoro izay mety isika saingy rehefa iny no andrian'ny fony dia tsy misy azo atao satria lehibe manantsafidy izy ireo amin'izay tian'ny fony arahina.
Amiko aloha dia tsy fidiny amin'izany olona izany no miditra amin'io finoana io satria latsaka ankaterena amin'izay fiarahamonina misy azy izy. Nefa raha ao no ahitany fitoniana na dia devoly daholo aza ny fahitany ny rehetra dia aoka izy ho izay. Ny hoe hanisy poizina ny fiarahamonina kosa izy ka hanipy baomba izay heveriny fa devoly dia izay no tokony ho fantarina. Io no mahatonga ny mpanao gazety, manao reportage tena miditra antsehatra mihitsy mankany an-toerana, manadihady, manao analyse sns sns hoe inona no ao arina an-tava tokoa ve sa poizina ka mamono ny rehetra mampiasa azy.
Fa raha toa ka hoe manambady maro hono ry zareo, tsy alefany mianatra ny zanany fa taizany ao izy samy izy, tsy mampiasa herinaratra ry zareo sns sns... dia safidiny izany ary tsy arina an-tava akory fa tsinim-piarahamonina fotsiny satria mitombo ny fankahalana ny hafa mpiara-monina raha toa ka fampihavanana no tokony ho filamatry ny finoana rehetra.
Aoka an'Andriamanitra ny fandaharana.

57. soanja
(
20/08/2010 02:35)
Matoa ny olona iray tsy nifikitra amin'ny anaram-piangonana iray na finoana iray fa nifindra dia tsy nahafapo azy izay nisy azy. Raha any ankafa izy no mahita fitoniana sy mampiasa ny sainy ary tena miasa mafy amin'ny mahaolona azy dia tsara izany.
Ny tsara dia ny fitsidihana ampanajana ilay toerana hivavahany raha mety tsidihana ry zareo dia manao tatitra hoe inona no mitranga ao sao misy fanivazimbana ny mahaolona. Andraikitry ny fanjakana mantsy izany nefa ny fanjakana mety tsy haharaka izany raha tsy misy mampilaza.
Fa raha izy ireo manana foto-pisainana samihafa amintsika dia hajao izany satria izay zany no mahaizy azy. Ny harina an-tava dia samy manana ny fijeriny azy tsinona. Ary olon=dehibe manan-tsafidy daholo no maka fanapahan-kevitra.

58. arialy
(
20/08/2010 07:12)
odriiiii ary toa tsy hita ny contenu ny message-ko fa ny anaran'i miharena iany no ita eo? humm
oui marina zany , za tsy maitsy mijanona ho namany foana, na hoan'ireo zanany aza, sady tsy te ho very olona koa, fa dia ho ferako ny resaka finoana aminy aloha, andrana io.
ny hoany amle fiangonana aloha tsy possible amiko satri aho tsy any antoerana, fa ny zokiko efa nisy nadeha tany fa tsy tia, ohatry ny mapalaelo be ony, za tsy nanadihady.

59. ouioui
(
20/08/2010 11:06)
odriiiii ary toa tsy hita ny contenu ny message-ko fa ny anaran'i miharena iany no ita eo? humm
Fa natelin'iza indray ny mgs-nao e hihihi
Mba be honohono koa anie i arialy izany e
60. ikaretsaka
(
20/08/2010 15:28)
xxwx:
Miombon-kevitra @ fijo sady tsia ihany koa, satria misy manazava tsara kosa ny olona fa isika indraindray no tonga dia manakana sy tsy te hihaino ny lazainy
Voavakiko ao ambany ao fa raha tsy diso ny fahitako azy dia toa TJ i Mpanazava saingy vao mandefa dinika izy dia ataon'olona angaredona sy henjehina be fahatany , maninona raha zohina tsra ny tena hatongavany ???
Dia ho avy eo indray ny fanatika isany hoe mivavaha ho azy , diniho fa tsy hitako izay olana , toro-hevitra ihany ny ahy iny , zavatra voadiniko tao fotsiny no nanaovako fanamarihana kely
Misaotra tompoko
ny momban'i Mpanazava dia nisy zavatra maro nolazainy: "fara andro" sy ny tsy hoe "tsy maintsy ohatra azy vao voavonjy" izay nangatahinay fanazavana , sy ny fahatsapanay hoe misy zavatra lazainy izay tsy fantany sy tsy ananany perception ankoatran'ny ao @ sehatra maha TJ azy no nanitsihinay azy heo mba jereo @ fijery aty ivelany .. fa tsy hoe fahatany be loatra akory ka