ilay secte tsy miantso ny anaran'Andriamanitra

1. arialy ( 15/08/2010 18:40)
misy secte ao antananarivo, tsy miantso ny anaran'i Jesosy, Andriamanitra fa oe Yoshua , tsy haiko na be mpahalala io fa mampitahotra ahy, misy olona akaiky ahy tafiditra ao, milaza fa tsy afaka miditra fiangonana hafa intsony satria misy devoly hono, tsy mahazo mandevina na mankeny ampasana fa toeran'ny maty hono ( tsy haiko oe iza no andevina azy ireo ra tsy mankeny izy), tsy mila la croix fa signe ny fahafatesana ony donc devoly.
ary tsy mahazo mapiseho na ranjo aza ny mpivavaka ao , na lahy na vavy, ka na dia milomano aza dia mizipo lava ny vehivavy sy manao pantacourt ny lehilahy.
matetika raha miresaka aminy dia ilazany ny momba ny ET ary ny nampihomehy ahy dia ny filazany oe mahavoa ny sida ny préservatif hoy ny mpitondra andry zareo hono ary hentin'ny fotsy hoditra hapihena ny isan'ny mainty; tsy haiko na misy olona mahalala anio secte io, marina ve ireo ? iza no anaran'ilay secte, fa toa izy irery hono no miantso oe Yoshua an'i Jesosy? tena mapitahotra ahy le izy satria raha tena miresaka amin'ny olona ao dia toy ny very saina (tsy misy raisonnement sy logique) intsony ry zareo fa mamerin-desona ary miala moramora amin'ny havana sy ny fianakaviana fa oe ny ao amin'ny communauté-ny iany no iray tampo, ray aman-dreny sns.
ny tena loza koa dia nifindra asa mihitsy ilay olona fantako fa misy devoly ony ilay asany taloha ( accueil clientèle ), izany oe tsy mila mifandray mihitsy ra ny fazahoako ny heviny.
Misaotra anao milaza izay fantatrao momba io communauté na secte io izay mahalala
novalian'i xxxw ny 22/08/2010 05:47
2. nathie86 ( 16/08/2010 07:49)
ny Yeshoua, Jesosy @ teny Jiosy, fa zao ko za vao naheno an'ito. Mampihomehy ahy ndray zao ito
3. arialy ( 16/08/2010 10:39)
oui fantako ny dikany ilay Yeshoua , fa ilay anaran'ny ilay secte no tiko fantarina, ary koa ny hevitry ny olona mahalala anio secte io
4. Miharena ( 16/08/2010 11:01)

tsy haiko na be mpahalala io fa mampitahotra ahy


Tokony hatahotra ve ianao?

Tokony ho be mpahalala io vondrom-piara-mivavaka resahanao io satria manana televisiona sy radio izy dia ny radio HFF izany (Hery Fitiavana, Fahamarinana).

Mitarika ny olona handrava ny didy folo io vondrona io. Ary lazainy fa ny fivavahana rehetra dia ambany ziogan'ny didy folo avokoa.

Fampianarana avy any amin'i Yoshua no lazainy fa ambarany ary ny Baiboly hatrany no hakany referansa amin'ny fanadihadiany ny finoany.

Misy zavatra mikorontana ihany anefa ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra rehefa mandinika tsara izay lazain'izy ireo. Nefa izany tsy ampy hitsarana azy koa hoe tsy manana ny fanahy masina izy satria fomba fijery iray toy ny fomba fijery maro ananan'ny samy krisitiana ihany koa no arosony.

Ny olona voasarika ao aminy dia manohana tsy misy fepetra ny mpitarika azy ary izy ireo dia manana zava-nanjo azy tany aloha tany izay nisy hifandraisany tamin'ny resaka extra-terrestre matetika.

5. nathie86 ( 16/08/2010 11:46)
Ay mo efa fantatrao le izy, d ny ankoatr'zay ndray tsy d haiko, fa miombo-kevitra @ le hoe mampihomehy ahy le hoe mampisy sida ny kapôty sy hoe hanenana ny isan'ny maintsy sns sns hahaha
6. Miharena ( 16/08/2010 12:05)
Tsy dia mety loatra ny mihomehy ny filazana toy izany raha ny tokony ho izy. Raha nisy tokoa izany planina izany dia tsara raha mieritreritra tsara isika alohan'ny hampiasana ireny fitaovana fanabeazana aizana ireny.

Tsy azo lazaina hoe miteniteny foana akory ny olona lazaintsika fa sekta isan-karazany fa misy zavatra tsapany sy tiany hampitaina hatrany ao amin'ny fanambarany. Ny azontsika hatao fotsiny dia ny manamafy ny finoantsika ary tsy hatahotra amin'ny fifanakalozan-kevitra rehetra misy.
7. ikaretsaka ( 16/08/2010 13:21)
ny Yshua dia fiantson'ny Jiosy an'i Jesoa toy ny hoe ny an kamaroan'ireo nisampana t@ vondromna protestanta Tany madagasikara dia saika Jesosy aby no mahavantana azy ireny

fa ny momban'ny hoe tokony hatahotra sy tokony hihomehy ve? dia hanampiako ny efa voalazan'i Miharena dia hoe hadihadio aloha hoe mampaninona tokoa le izy sy ny vokany @ mpanaraka azy sy ny fiaraha monina, hoe lasa tsy tompon'ny tenanay intsony ve ny olona...zanahin'ilay mpitarika tanteraka ve, misaraka ve ny membren'ilay vondrona sy ny manodidina azy ka mahatonga ilay hoe ny azy irery no heveriny ho voavonjy ka hihatahany sy /na ampangainy ianao raha manda ny fampianarany na tsy resiny lahatra : ireeo amiko no tsotra indrindra hijerena ny fiantraikany
8. arialy ( 16/08/2010 15:54)
ny ahy aloha ny tahotro dia tena misy fa tsy afeniko satria ny miresaka aminy dia otry ny hafahafa, miteny zavatra anefa refa anotaniana ny antony dia tsy manana fotokevitra matotra akory; ohatra ilay resaka kapôty , dia nolazaiko oe adala izany ny anglisy sy ny chercheur namorona ny kapôty ary atraminizao dia mbola proposéna any am karazana planning familial ireny, na hoan'ny fotsy na hoan'ny mainty hoditra, dia hoy izy oe ny mpitondra ony no nilaza izany, ny resaka ET ndray dia milaza izy fa mahita jiro be am alina sns, nefa tsy hainy ny manazava azy, ary tena manohana mafy mihitsy ilay mpitondra fiangonana mihitsy.
ny nanafitohana ahy dia nambaniany ny Masina Maria sy ny la croix ao antrano, oe tsy misy dikany ony i Maria satria tsy niankohafana toy ny fanahy masina, fa Andriamanitra ray sy zanaka iany no ivavahana, ary nampiany oe ario ireny sary ireny, atero any ampasana ny la croix, tafitohana kely mihitsy aho aloha fa tsoriko, ary nolazaiko oe, misy dikany amiko io ary tsy olombelona no hilaza amiko oe tsy misy dikany io ka hariako daolo, satria efa hatramin'ny fony kely aho dia efa nahita fahasoavana tamin'i Masina Maria, hankina izy tsy nahateny intsony.
Hoy ry zareo oe karazana devoly ony i Jesosy, gaga koa aho tamin'io.
9. ikaretsaka ( 16/08/2010 16:44)
ny ahy ny fanaovako azy dia asaiko demontreny dia raisiko notes tsara ny demonstration na ny depliants sy ny boky kely zarainy raha tsy vitako du tac au tac ny mi contrer anazy, dia rehefa misy fotoana milamina aho no mijery sy mandinika azy tsara, ka izay tsy haiko jereko @ librairie na sources hafa @ net na boky hafa, na prof (tsy voatery ho theologie fa sociologie, histoire, anthropology sns) , na i mompera sy pasitera sns

mainka ilay izy tetika mahomby satria heveriny fa azony ianao reefa hitany manana finiavana te handinika... kanefa koa manampy anao hahalala kokoa ny azy sy ny anao izy. dia mandeha eo ny discussion,
fa@ io matetika izy no koba voalohany indrindra satria ny azy ankoatrany dia i pasiterany no hany fangalany sopapa fa ny anao betsaka lavitra ..
dia matetika moa izy tsy mimpoly tsony
10. Miharena ( 17/08/2010 06:35)
Arialy:

ny ahy aloha ny tahotro dia tena misy fa tsy afeniko satria ny miresaka aminy dia otry ny hafahafa, miteny zavatra anefa refa anotaniana ny antony dia tsy manana fotokevitra matotra akory; ohatra ilay resaka kapôty , dia nolazaiko oe adala izany ny anglisy sy ny chercheur namorona ny kapôty ary atraminizao dia mbola proposéna any am karazana planning familial ireny, na hoan'ny fotsy na hoan'ny mainty hoditra.


Toy ny miteny zava-miafina aminao no ataon'izany namanao izany ka izany no mahatonga anao hatahotra.
Ny planning familial ohatra dia isan'ny famerana ny isan'ny olombelona araka ny fisainan'olombelona. Misy zavatra toherina ao ka izany no mahatonga ny faharariana sy ny fahasamponana maro mitranga eto ambonin'ny tany. Ny zava-drehetra dia misy fotony avokoa izay avy amin'ny fisainana sy fikasan'olombelona. Rehefa tsy mifandray amin'ny fikasan'Andriamanitra ilay izy dia miteraka izay fahasamponana na fikorontanana izay eo amin''ny voary manodidina.

Na izay na tsy izany dia Andriamanitra ihany no Tompon'ny Teny efa hatrizay ka ho mandrakizay ka na dia hanao izay saim-pantany aza ny olona dia tsy afaka velively handrava ny fikasan'Andriamanitra. HajaiNY kosa anefa ny safidin'ny olombelona ary avelany haka lesona ny amin'izany isika mandram-pahatonga ny fahatongavan-tsaintsika (mibebaka = miaiky fa meloka tsy tonontononim-poana).


Ikaretsaka:

ny ahy ny fanaovako azy dia asaiko demontreny dia raisiko notes tsara ny demonstration na ny depliants sy ny boky kely zarainy raha tsy vitako du tac au tac ny mi contrer anazy, dia rehefa misy fotoana milamina aho no mijery sy mandinika azy tsara, ka izay tsy haiko jereko @ librairie na sources hafa @ net na boky hafa, na prof (tsy voatery ho theologie fa sociologie, histoire, anthropology sns) , na i mompera sy pasitera sns

mainka ilay izy tetika mahomby satria heveriny fa azony ianao reefa hitany manana finiavana te handinika... kanefa koa manampy anao hahalala kokoa ny azy sy ny anao izy. dia mandeha eo ny discussion,
fa@ io matetika izy no koba voalohany indrindra satria ny azy ankoatrany dia i pasiterany no hany fangalany sopapa fa ny anao betsaka lavitra ..
dia matetika moa izy tsy mimpoly tsony



Raha ny fomba fiady ataon'i Ika dia mety, fa ny tsara dia aleo angaha tsy ny famonoana ny jirony no hatao fa ny mandrehitra tsara ny masom-panahiny ahafahany mandinika tsara ny jiro nozaraina ho azy avy amin'ny mpitandrina nanome izany.

Ny azo ambara fotsiny dia misy ny miady amin'ny herin'ny maizina fa indraindray tsy fantany hoe inona no fitaovam-piadiana, ary inona ilay herin'ny maizina hiadiana. Io ilay hoe tsy miady amin'ny nofo aman-drà isika fa miady amin'ny fanahy eny amin'ny rivotra.

Tsy ny fandraràna ny fitaovana enti-mivavaka no tokony hiompanan'ny fomba fijery rehefa manana io teny io fa ny manala ny solomasontsika aloha (fitsarantsaram-poana ny finoan'ny hafa) avy eo manampy azy ho afaka amin'ny aretiny rehefa hita tsara fa finoanoam-poana no anankinany ny fanahiny.

Mila maka ny toerany rehefa miteny izay fantany izy ary avy eo dia manaraka tsara ny lalam-pinoany dia miteny aminy hoe ireto no mahatonga sakana sy tahotra ao aminao.
Raha ny marina manko dia tahotra no be dia be (tahotra ny faty ohatra, tahotra ny sary vongana ohatra, tahotra ny extra-terrestre ohatra, tahotra ny ho very indrindra indrindra).

Rehefa tsy manam-pahatokisana Ny Mpahary dia teraka daholo ireo tahotra rehetra ireo.
11. arialy ( 17/08/2010 07:34)
Miharena< aoka aloha azavaiko fa ny tahotro tsy ilay resaka fandalinana amin'ny maha secte atrizao, fa ny fomba azahoan'ny mpitondra ilay izy hanodikodinana ny sain'ny olona hino tanteraka azy sy tsy handalina fa tonga dia matoky izay lazaina aminy, nefa ny olona tokony hanana esprit critique foana; olona nianatra dia tsy mapiasa saina intsony...
Ny resaka preservatif anie hoy aho taminy, efa nisy efa ela be, ary anaovana recherche tsy mijanona, spécialiste no manao izany, iarovana ny olona amin'ny aretina rehetra, indrindra ny sida izay mihanaka atrizao any afrika, natao hamerana ny zaza teraka fa kosa safidy ny mapiasa azy izany fa tsy terena akory.
Dia hoy izy oe izany no nolazaina tamin'ny fivorianay, scientifika koa no nilaza fa entina hamerana ny isan'ny mainty mba hanjakan'ny fotsy sns... ohatry ny entina hampisara-bazana ilay resaka amiko aloha é.
Ny resaka baiboly aloha dia tsy nisy tamin'io é, satria reférence avy amin'ny resak'olona le izy.
Mety mampiasa baiboly izy entina handresena lahatra fa tsy oe isaky ny izay lazainy dia ho ao daolo.
ilay resaka ET koa tsy azoko mihitsy ny hidirany fa ampidiriny fona ary tahotra ho azy mihitsy, asainy jerevana ny site ny petits gris am internet, otry ny misy dikany be aminy, tsy azoko oe fa maninona sa tria refa anotaniana dia tsy misy valiny pertinente fa miezakezaka ny miteny fotsiny, ohatry ny hiraka sy voan'ny lavage be fotsony fa tsy dia mieritreritra é
12. arialy ( 17/08/2010 07:40)
ny andry zareo koa rehefa tsy tonga miangona in3 hony de efa roasina tsy ao anaty communauté intsony, misy discipline be, hoy aho mantsy azy ao am baiboly anie misy teny oe afaka mivavaka n'aiza n'aiza misy anao é, dia hoy izy oe , izany ny ao aminay dia izay. otry ny oe terena fotsony izany
13. marcus11 ( 17/08/2010 08:33)
iok :D[IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
14. andrywui ( 17/08/2010 10:12)
tena gaigy ndray zany resak'i arialy zany kle ... !!! aiza ho aiza ao Tana ry arialy no misy an'io eglise io ?

-- Miharena ==) hay ve efa misy an'izany HFF zany koa eto M/car e! ary tena mbola tsy reko ndray zany !! ngamba reny radio mikasaosaoka be reny de tsy mampite- hiaino zany HFF zany !!

-- efa henoko io "jesosy amin'ny teny jiosy io aloha ! " --

-- ahoana ra- Ika a !! inona no hevitra avoakan'i toi amin'izany tsy mahazo manonona ny anaran'i Jehovah zany ? ... ary toi elaela tsy nipoipoitra tsony Ika a! hery koa otrizay !! fa nisy inona e !! fa naninona ? sa sarotra valiana be ve le resako tatsy ?

.
15. Miharena ( 17/08/2010 10:51)
Andrywui:

-- Miharena ==) hay ve efa misy an'izany HFF zany koa eto M/car e! ary tena mbola tsy reko ndray zany !! ngamba reny radio mikasaosaoka be reny de tsy mampite- hiaino zany HFF zany !!

Efa manana télé koa izy ireo kah!


Arialy:

Miharena< aoka aloha azavaiko fa ny tahotro tsy ilay resaka fandalinana amin'ny maha secte atrizao, fa ny fomba azahoan'ny mpitondra ilay izy hanodikodinana ny sain'ny olona hino tanteraka azy sy tsy handalina fa tonga dia matoky izay lazaina aminy, nefa ny olona tokony hanana esprit critique foana; olona nianatra dia tsy mapiasa saina intsony...


Ilay resaka esprit critique angamba tsy dia hoe tsy manana ny olona voatarika ao anaty vondrom-pinoana iray fa ny famerany ny fahalalàny amin'ny zava-tokana na vitsivitsy fa tsy afaka mivelatra no mahatonga ny tsy fahaizana manazava tsara ny foto-pinoany.

Raha ny tokony ho izy dia tsara raha mandinika tsara ny fangatahana atao amin'Andriamanitra hanomezaNy saina matsilo ny olona rehetra ahafahana miala amin'ny ziogan'ny fampitahorana ary hahalala tsara ny sitrapon'Andriamanitra.
16. arialy ( 17/08/2010 12:06)
Miharena< izay manko anie , mila mandinika tsara, tsy aiko aloha ianareo raha efa nifampiresaka tami'ireny fanatics reny fa sady mahavariana oe fa ahoana no tena tsy miasa saina fa mamerindesona be, sa misy resaka menace koa ao? tsy aiko aloha.

Raha misy manana conseils homena moa oe entina hisintonana ilay olona tsy hoany tanteraka dia isaorako mialoha.
marihiko fa efa nisy fiovana kely izy satria mba nandevina ny iray ami'ny fianakaviany nodimandry vao haingana, fa tsy niditra ny fiangonana, niandry tao ivelany.
Iriako hitohy ny fiverenany amin'ny fianakaviany, tena iriako mafy.
17. diamondra27 ( 17/08/2010 14:09)
misaotra akia ry arialy mampahafantatra ny zava-misy a!
araka ny hevitro manokana dia tsy misy hafa-tsy ny mivavaka ho an'io olona io mba havotan'i Tompo @izany izy . NA hanao inona 2 isika dia tsy mahafaka izany olona izany @ fahalalantsika olombelona fa Atra mahay ny zava-drehetra, miady ho antsika.
Mila atao mazava tsara ny vavaka angatahina momba azy. Dia mila moivavaka ho an'izay olon-kafa ihany koa mitovy situation aminy mba ho avotra.

Hatreto aloha dia tsara ho fantatra fa ny fanarahana an'i JESOSY dia tsy ankaterena , tsy misy fady fa matoa ny olona lasa miova rehefa avy nandray an'i Tompo sy manaiky ny fitondrany dia tsapan'izy ireny ny fahamarinan'ny tenin'Atra izay voalaza ao @ baiboly ka mandresy lahatra azy.
Tsy tokony ho mpitandrina na iza na iza no hanakana anao @ fomba fitafinao na izay ataonao fa ny fandresenao lahatra no tokony hahatonga izany.

Conseil faharoa: raha misy olona manao ny ataony ka sakanana dia aza critique-na mihintsy na contré-na fa vao mainka izy mihizingizina @izany.
Iezaho ny miseho ho liana @ ilay zavatra ataony mba hamantarana tsara ny zavatra misy fa raha toa ka honohono sy tantara fa tsy tena ao anatiny dia tsy afaka hahalala ny zava-misy fa samy manana ny interprétation-ny daholo ny olona @ zava-mitranga iray.
Tsy mety ny tonga dia miteny hoe: secte ianareo , sns anefa tsy fatantra ny but, inona no zavatra ataony @ fiaraha-monina?. Araka ny filazan'Ika hoe tokony hanana depliant ry zareo manazava ny momba ny fiangonany na ny groupe-ny.
Rehefa mazava aminao @izay ny tanjony sy ny activité-ny izay vao mi- se permettre mi-attaqués @ angady sy harona.
Dia izay akia fa mahereza a!

Mila mivavaka ihany koa @ fiainan'ilay olona mba tsy hisy olo-kafa ho tratra na latsaka @ fahavoazana mahazo izay efa voa, izany hoe tokony hametraka fanontaniana isika hoe:inona no nahatonga azy voasintona t@io.
18. ikaretsaka ( 17/08/2010 14:21)

andrywui:


-- ahoana ra- Ika a !! inona no hevitra avoakan'i toi amin'izany tsy mahazo manonona ny anaran'i Jehovah zany ? ... ary toi elaela tsy nipoipoitra tsony Ika a! hery koa otrizay !! fa nisy inona e !! fa naninona ? sa sarotra valiana be ve le resako tatsy ?

.


le izy aza misambodika be fa hoe tsy mahazo manonona ny anaran'i Jehova nefa mi Y'shua ka tsy hita izay handraisana azy dia naleonay tsy nandray toy izay manao tsipolitra ohatran-dra andriwui
19. arialy ( 17/08/2010 14:24)
Diamondra27< misaotra aki a, tena izay ngamba no azoko atao, mivavaka ho azy ireo.
20. pikatti ( 17/08/2010 14:27)
Tsy fantako koa aloha izany ry Arialy ilay sekta voalazanao io
arialy:

matetika raha miresaka aminy dia ilazany ny momba ny ET ary ny nampihomehy ahy dia ny filazany oe mahavoa ny sida ny préservatif hoy ny mpitondra andry zareo hono ary hentin'ny fotsy hoditra hapihena ny isan'ny mainty

Ny zavatra mampihomehy koa dia nisy preta roa niala satria niaky ho pédophile nefa tsy neken'ny tany Vatican, t@ iny herinandro lasa iny no nisy an'io resaka io
Ary ny kato ve izany tsy mampiasa protector sa arakaraka io,

http://www.rue89.com/2010/03/25/si-le-pape-a-couvert-des-pretres-pedophiles-il-doit-demissionner-144438

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 7.9289