Ahoana ny fomba hanampiana ny Katolika II

61. ikaretsaka ( 12/08/2010 15:13)
de tsy masera intsony izy izany izao...
voavaha ny olana
novalian'i ndenn ny 15/08/2010 07:35
62. andrywui ( 12/08/2010 15:14)
- Fa efa masera fona hatrizay , hatrizay ! de mbola misy hafa koa fa tsy iny ihany fa vao karohina atsy ambata ka ndaso kely lou .....
63. ikaretsaka ( 12/08/2010 15:42)
ka rehefa tsy izy intsony izy dia izay no important... noho ilay hoe pasitera manana 2 eme bureau 3 eme 4 eme efa fantampoko fantam-pirenena sy fantatry ny foibem-piangonany nefa mbola pasy ihany
64. andrywui ( 12/08/2010 16:37)
Ika = tsy mahay ny fomba kato aho hoa matoa manotany anareo !!! tena marina anie zany e! de mba hizarao ze fantatrareo ny namana fa mba mila vonjy e! .....


--- Ity resaka " faty bedebe ao ambany fiangonana "ity zao no tena maizina amiko hatramzao fa tsy mamaly tsara nareo sy hery fa omenareo boraingona be fona zah ! .....

--- Hoe tena lasa fasana zany ny Tempolin'A/tra , ary lasa itoeran'ny maty ny Kianjan'i Jehovah !! sao de fahavetavetana be hoa ny manafangaro an'ireo amin fivavahana ??
65. ikaretsaka ( 12/08/2010 17:09)
ka efa tsy masera sy tsy relijiozy intsony ve izao le ramatoa sa tsia? raha tsia araka ny resaka notaterinao... dia tsy misy lalana intsony mihitsy mibedy anazy fa dia niala ohatran'ny niala rehetra izy
raha hoe mbola masera izy @ izao isika miteny izao dia izay no olana
66. fijo ( 12/08/2010 21:20)
lasa resaka batisa izy ity,amiko io batisa io ,di atokony hiandrasana ny hevitr'ilay olona.
za izao di avita batisa,nefa rah amba nandrasana ny hevitro,dia ts ynanao izany akory aho.izany hoe "noterena "aho nanao ilay izy,ary tsy misy dikany amiko ilay izy ,satria zavatra tsy nataoko an tsitrapo
67. mandefitra ( 13/08/2010 06:12)
Fijo > Ny rar tsy afaka hiandry n yzanany ho lehibe vao hanao vakisiny ny zanany, na hitondra azy any @ pediatre, na hisafidy ny sekoly hianarany.
Ka ny Batisa tokoa rehefa tsy miaraka @ finoana tsy mahavonjy, fa rehefa miaraka @ finoana dia mahavonjy.

andrywui> "zay mino sy atao batisa no hovonjena"
Hoy ianao hoe tsy mahay mino ny zaza, sady tsy atao Batisa => tsy ho voavonjy mitsy izy zany, sa ahoana?
68. andrywui ( 13/08/2010 09:07)
ho atao ihany rehefa lehibe mahatsapa mibebaka sy mahay manota kà ! .... ka zay ary anie no ao anaty baiboly ry mandefitra fa tsy za no anotaniana fa vakio tsara le izy : dia nandray azy izy ka nitso-drano azy " mazava be zay !!!!!! de hoy indray filipo sy ilay Tandapa etiopianina hoa raha vao nandalo rano ry zalah teny ambony kalesy !! "inona no manakana ahy tsy atao batisa fa misy rano io !...
69. ikaretsaka ( 13/08/2010 13:43)
ary raha sanatria ka maty mbola kely ilay zaza ry andrywui? tsy natao batisa dia tsy voavonjy izy izany?
nefa hoe ho an'ny zaza ny fanjakan'Atra?

dia nandray azy izy ka nitso-drano azy "

NB: mba tsy hahavery @ dikanteny aloha de aoka hazava
momba ilay hoe tso drano. na @ teny Frantsay hoe Benir...dia avy amin'ny Jiosy hoe berakhot, Grika brokhos . Latin Benedicere.. iray fototra @ teny hoe Bain... (izany hoe misy rano involved ao=toy ny batisa)
Jereo ny gasy sy ny Jiosy (izay nolovain'ny katolika) rehefa mitso-drano (ilay tena tso drano).. fa mampiasa ilay zavatra misy rano iny i mompera...
70. bor2lais ( 13/08/2010 15:24)
Tsy ho vita mihitsy raha io batisa io no resahina !

Efa dinika atao hateza moa izy ity dia manontany aho hoe :

1. mitovy ve ny "mino sy atao batisa" sy ny "atao batisa sy mino" ?

2. voalaza ao amin'ny Baiboly fa nisy vhv antsoina hoe Lydia izay natao batisa niaraka tamin'ny ankohonany : ilay "ankohonany" voalaza eto ve midika fa ny lehibe ihany sa mety nisy zaza koa ?
71. ndenn ( 15/08/2010 07:35)
"Hoy Bor2lais :" mitovy ve ny "mino sy atao batisa" sy ny "atao batisa sy mino" ?

Tsy mitovy fa voafaritra fa tsy maintsy olona roa no lazainao eto !

Misy ny olona mino hatry ny ela nefa mety tsy vita batisa : misy koa ny vita batisa t@ fahatanorany nefa mety tsy mbola mpino , misy koa ny vita batisa nefa tsy mino taty aoriana , misy ny vita batisa araka ny voalazanao ary mino rehefa lehibe ( raha ankizy dia manalasala) ,dia misy koa ny lasa mpino ka natao batisa , etsetra etsetra , ....

72. ndenn ( 15/08/2010 07:53)
bord2lais >>>""mino sy atao batisa" sy ny "atao batisa sy mino" ?
Mazava fa tsy mitovy izany ,misy ny olona mino izay vao atao batisa , misy olona mino manomboka @ fanaovana batisa (peu probable ; raisina ny cas' ny ankizy , ny sembana aran-tsaina , ny tsy nahita fiangonana hatr@ fahazazany , ...) ,misy ny atao batisa aty aoriana na dia efa nino hatry ny ela aza fa tsy mba nanana opportunité nandalovana izany batisa izany (noho ny tsy fisian' ny pastera , na pretre ,...) ,misy koa ny tsy mino atao batisa ,dia misy koa ny vita batisa very finoana ,misy ny atao batisa tsy mino ,misy ny atao batisa minomino foana ,etsetra etsetra ....
73. bor2lais ( 15/08/2010 11:00)
ndenn > miala tsiny aminao fa tsy dia aiko tsara angamba ny nametraka ilay fanontaniana. Ny tiako tenenina dia hoe : "A sy B" ve mitovy amin'ny hoe "B sy A" (A=mino, B=atao batisa) ?
74. Miharena ( 15/08/2010 17:00)
Raha dinihina ny adihevitra dia hitako hoe manao resaka tiana hateza fotsiny ihany isika izay mitsikera fomba fivavahana. Amiko dia resaka fonon-javatra daholo ny resaka fombafomba fa ny vontoatiny no tokony halalinina tsara.

Misy fombafomba izay raisina ao amin'ny Baiboly ohatra ny an'ny sasany, ny an'ny sasany kosa dia tsoriny araka izay mahatsotra azy indrindra, ny an'ny sasany dia asiana haingony sy pitsopitsony. Fiderana sy fanompoana daholo izany rehetra izany amiko satria samy te-haneho ny talentany avy eo anoloan'Andriamanitra. Toa an'i Kaina sy Abela io, samy nanao izay afany fa ny tena raharaha dia rehefa hitan'i Kaina fa nankasitrahana Abela noho ny fahitsim-pony dia novonoiny.

Dia tsy misy valaka amin'izany isika izao izay miady hevitra amin'ny finoan'ny hafa. Mifandavo satro-boninahitra eo mba hahazoana olona ho ao amin'ny tena.
75. ikaretsaka ( 16/08/2010 13:26)
marina ny an'i miharena, fa ny tokony hatao ange na hoe notsoriny aza dia mba tokony hazavainy mazava tsara amin'ny olona izay taritiny ny hoe izao no antony mazava tsy hanaovany na hanaovany an'izao fombafomba izao e...
fa tsy ny voalaza ao anaty baiboly no odiana fanina sy tsy jerevana na ny antoko hafa manao azy no blamena, satria de fitia te hi "prester " fotsiny
76. andrywui ( 17/08/2010 10:32)

marina ny an'i miharena, fa ny tokony hatao ange na hoe notsoriny aza dia mba tokony hazavainy mazava tsara amin'ny olona izay taritiny ny hoe izao no antony mazava tsy hanaovany na hanaovany an'izao fombafomba izao e...
fa tsy ny voalaza ao anaty baiboly no odiana fanina sy tsy jerevana na ny antoko hafa manao azy no blamena, satria de fitia te hi "prester " fotsiny



-Ka ny ao anaty baiboly rehetra complet sy tsisy anesorana mihitsy anie no lazaiko an'Ika e !fa Ika tsy ta halala ! ...

ozy ahako hoe : "Jesoa niteny zaza hoe :dia nandray azy izy dia "nitso-drano azy "
fa ry jaona sy ry filipo niaraka tamle Tandapa kosa rehefa nahita rano ka voatory teny ilay Tandapa ka nino amin'izay dia natao batisa !
jesoa koa natao batisa !!
77. ikaretsaka ( 17/08/2010 14:23)
resaka baiboly notsimpotsimponinao araka ze mampety azy aminao fotsiny no nolazainao ahy ka
nasaiko nanazava ianao ny dikan'ny hoe tso-drano= tsy voazavanao
78. pikatti ( 17/08/2010 22:48)
Petsa ve elah rawix a?? tsy voavalin'elah ny fanontaniana, ataovy ihany io mampifangaro bitro sy karotin'elah io [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/c_laugh.gif[/IMG]
79. marcus11 ( 18/08/2010 16:40)
This is acually growing!!!;)
[IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
80. ouioui ( 18/08/2010 22:03)
Petsa 100% i wiwi, izay ny an'ialahy hihihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0084