Ry mpanarato

1. niryna ( 04/05/2010 20:07)
Nandray ny fihirana aho dia nihirahira ity hira ity ka misy afaka ve isika anazava ilay sarinteny eto,misaotra mialoha
O mandrosoa ry mpanaraton'i Jeso,izay no baiko azontsika ka mandrosoa.Jesosy tompo no mibaibko mandroso.Raiso ko arotsay ny haratonao
Miainga namako o Jeso no mibaiko,mandrosoa ,mandroso tokoa
Aza kivy koa na dia tsy mahazo,mandrosoa amin'ny lalina kokoa

(l) niryna
novalian'i niryna ny 17/05/2010 20:17
2. ikaretsaka ( 04/05/2010 21:50)
dia inona no tena fotokevitra tianao haroso? hihira sa hanao tsianjery?
3. bor2lais ( 05/05/2010 08:46)
Amiko io hira io dia mampatsiahy ilay nampahazoan'i Jesoa hazandrano maro an-dry Petera sy ny namany.
Toa nilaza Izy avy eo raha tsy diso aho hoe : manomboka izao dia ataoko mpanarato olona kosa ianao !

Noho izany amiko eto amin'ity hira ity :
- mpanarato (Petera sy ny namany) : Kristiana
- trondro sintonina avy ao anaty ranomasina : olombelona "sintonina" hiala amin'ny ratsy fanaony
- ranomasina : toeran'ny ota !

Fehiny : io hira io dia asa iraka ho an'ny Kristiana ! :D

Fomba fijeriko ihany anefa izay ! :D
4. ikaretsaka ( 05/05/2010 14:27)
raha azoko tsara izany ilay lojikanareo eto dia voaporofo fa resaka klientelisma tokoa no hiheveranareo ilay fivavahana voizinareo hoe "manjono" na "manenjika isa"
Dia mitombona ihany ilay remarques ataon'ny namana ao ambadika ao hoe lasa tsy ilay "valeur fondamentale " maha Xtianina intsony no vonjenareo fa ny "isa"!
dia rehefa avy eo nareo na ny olona hafa ivelanareo manao bilan hoe firy % moa ny "voajono" nefa mbola jere ny toetra? mihanahana fotsiny!
->"quantite fa tsy qualite" ary mifampiankina @ ilay lohahevitra "mahaiza mamafy" arokatra ihany ilay izy rehefa zohina

fehiny: lasa tsy "fapanjakana fitiavana" le izy fa " fanenjehana ny hoe ny haraton'iza no be trondro indrindra"
5. xxx ( 05/05/2010 14:47)
De avy eo le trondro sy olona voarato ho hanina atao sosy? :miam:
6. xxx ( 05/05/2010 15:36)
nyrina:

Nandray ny fihirana aho dia nihirahira ity hira ity ka misy afaka ve isika anazava ilay sarinteny eto,misaotra mialoha



ikaretsaka:
dia inona no tena fotokevitra tianao haroso? hihira sa hanao tsianjery?


Raha amin'ny FO MALALAKA tanteraka no namakinao ilay zavatra nosoratan'i nyrina dia tsy ho nanao an'io fanontaniana io ianao satria mazava be ny zavatra tiany hifampizarana (na ilainy fanampiana ) dia ny hoe: Mba hazavao io sarin-teny io.

Ikaretsaka:
->"quantite fa tsy qualite" ary mifampiankina @ ilay lohahevitra "mahaiza mamafy" arokatra ihany ilay izy rehefa zohina

Ho an'i Kristy dia sady "QUALITE" NO "QUANTITE" koa. Donc tsy avy aminy ny fampianarana milaza fa qualité fotsiny.

Jereo izay rehetra avy aminy fa sady be dia be (tsy lany nolaniana) no tena tsara koa (tsy fahita). Ohatra: Divay tao Kana... sns...
7. soanja ( 05/05/2010 16:48)
bor2lais:


- ranomasina : toeran'ny ota !




Ha, lavitra be ny ota ny ranomasina. Izy aza efa masina izany!


:)

Aoka re! Mampihomehy ahy ilay sarinteny. Ny trondro ao anaty rano dia faly lalandava amin'ny fiainany sady tsy mba menelingelina ny hafa. Ny hafa no mamitaka azy ireo foana.
8. ikaretsaka ( 05/05/2010 23:11)
Raha amin'ny FO MALALAKA tanteraka no namakinao ilay zavatra nosoratan'i nyrina dia tsy ho nanao an'io fanontaniana io ianao satria mazava be ny zavatra tiany hifampizarana (na ilainy fanampiana ) dia ny hoe: Mba hazavao io sarin-teny io

@ fo malalaka tantyeraka koa ange no anontaniako azy hoe inona no tiany hahatongavana mahatonga azy manontany fanazavana ilay sarinteny e!

Ho an'i Kristy dia sady "QUALITE" NO "QUANTITE" koa. Donc tsy avy aminy ny fampianarana milaza fa qualité fotsiny

ho sn'i Kristy.. dia eny (ary io no notsipihioko)... fa ahoana kosa hoy aho ho an'ny Xtianina mihirahira an'io hira io?
tsy avy any @ Kristy koa ny quantite fotsiny..ary miharihary izany hoe maninona no potika ny tany @ zao fotoana izao ... satria le titre hoe "mpivavaka" sy Kristianina no hifandrotehana fa tsy le qualite maha Kristianina...
ary misy antony @ Kristy mihitsy ny qualite.. matoa 12 no "bandy akama nalainy " fa tsy ireo ze rehetra niteny hoe "hanaraka Azy tsy haditra rehetr'io!
=>araka ny hevitro sy ny hita be @ zava mitranga amkehitrio nefa de quantite no himatimatesan'ny mpihira io hira io

Dia
soanja:
Aoka re! Mampihomehy ahy ilay sarinteny. Ny trondro ao anaty rano dia faly lalandava amin'ny fiainany sady tsy mba menelingelina ny hafa. Ny hafa no mamitaka azy ireo foana.


Izay mantsy
9. soanja ( 06/05/2010 04:00)
Ny mahasarika te hahalala dia indraindray mantsy ny fanaratovana somary mametraka olana ihany indrindra rehefa manatody na mbola kely loatra ilay trondro. Nefa dia voaray daholo. Ny mpanarato maharaka sy tia natiora ary mitsinjo ny taranany dia mamerina ireo trondro ireo indray any anaty rano fa izay ampy hivelomany ihany no entiny mody. Misy koa aza fotoana ny fanjakana mihitsy no miditra antsehatra mijery ny hakelin'ny harato sao kely loatra ka lasa tsy manara-dalana.

Asa na misy toy izay ity karazana fanaratovana iray ity sa ve izay voasarika dia voasarika.

10. soanja ( 06/05/2010 04:01)
Baiko=> ampitiavana ve sa baiko tokoa?

Amiko somary mila amboarina kely ilay hira raha tiana ho ampitiavana.
11. bor2lais ( 06/05/2010 07:29)
ika:

raha azoko tsara izany ilay lojikanareo eto dia voaporofo fa resaka klientelisma tokoa no hiheveranareo ilay fivavahana voizinareo hoe \"manjono\" na \"manenjika isa\"


-> Miala tsiny fa tena tsy azonao mihitsy ny \"lojikanay\" raha izany !

Amiko, ny fandrotsahana ny harato eto dia tsy inona fa sarin\'ny famafazana ihany : io no adidin\'ny Kristiana.

Ny trondro voasintona dia endriky ny vokatra : tsy ahy na anao izany fa an\'Ilay naniraka ...

Izy no mitarika sy manoro ny \"toerana\" androtsahana ilay harato fa tsy ianao akory no mifidy na manao izay saim-pantatra : tsy miantehatra amin\'ny herinao na ny fahaizanao (na dia anton-draharahanao aza io) sao ho diso fanantenana (tahaka an-dry Petera).

Marihina fa ho an\'ny olona efa nanaiky hanaraka Azy io hira io ! :D
12. bor2lais ( 06/05/2010 08:05)
soanja:

Ha, lavitra be ny ota ny ranomasina. Izy aza efa masina izany!

Aoka re! Mampihomehy ahy ilay sarinteny. Ny trondro ao anaty rano dia faly lalandava amin'ny fiainany sady tsy mba menelingelina ny hafa. Ny hafa no mamitaka azy ireo foana.


-> Ianao koa dia mba mahatsikaiky a ! Ilay zavatra tondroiko re jerena fa tsy ny fanondroko (mety lava hoho na maloto) no dinihina ra-soanja a ! :D
13. xxx ( 06/05/2010 08:32)
soanja:


Ha, lavitra be ny ota ny ranomasina. Izy aza efa masina izany!


:)

Aoka re! Mampihomehy ahy ilay sarinteny. Ny trondro ao anaty rano dia faly lalandava amin'ny fiainany sady tsy mba menelingelina ny hafa. Ny hafa no mamitaka azy ireo foana.



Masira kosa aloha ny dikan'ny masina eo @ ranomasina fa tsy hoe "saint"
14. xxx ( 06/05/2010 08:37)
soanja:

Baiko=> ampitiavana ve sa baiko tokoa?

Amiko somary mila amboarina kely ilay hira raha tiana ho ampitiavana.


Baiko ka !

Mahagaga ihany i Soanja satria milaza tsy tia baiko nefa milaza tia fivavahana Silamo
15. xxx ( 06/05/2010 09:40)
Ika sy Soanja aloha tsy ampy tairin'i niryna e, izany no tena hoe " ils démarrent au quart de tour " mihintsy raha vao mamoaka sujet niryna!!! Izay no tena tazako eto @ resaka fivavahana eto , vao manoratra i niryna dia tsy maintsy ireny izy dahy manaraka ato aoriana ato ...

Ataovy @ fo malalaka hoy i xxx5 fa aza dia tia tsongoloka fotsiny e, fanina eo nareo

:wink:
16. soanja ( 06/05/2010 13:18)
bor2lais:

soanja:

Ha, lavitra be ny ota ny ranomasina. Izy aza efa masina izany!

Aoka re! Mampihomehy ahy ilay sarinteny. Ny trondro ao anaty rano dia faly lalandava amin'ny fiainany sady tsy mba menelingelina ny hafa. Ny hafa no mamitaka azy ireo foana.


-> Ianao koa dia mba mahatsikaiky a ! Ilay zavatra tondroiko re jerena fa tsy ny fanondroko (mety lava hoho na maloto) no dinihina ra-soanja a ! :D


Tsia, rehefa hanao sy handika fanoharana dia jerena daholo ny lafiny ijerevan'ny hafa azy. Raha hiteny ianao hoe Ranomasina= fitoeran'ny ota dia nefa tsy zakanao ny maheno ny fijerin'ny hafa azy dia aleo zany ovana zavatra hafa mahaklaza azy tsara ilay izy.

Tsy ao tsara hoy aho ilay sarin-teny raha io no tiana ampitaina.


17. soanja ( 06/05/2010 13:24)
xxx:

soanja:


Ha, lavitra be ny ota ny ranomasina. Izy aza efa masina izany!


:)

Aoka re! Mampihomehy ahy ilay sarinteny. Ny trondro ao anaty rano dia faly lalandava amin'ny fiainany sady tsy mba menelingelina ny hafa. Ny hafa no mamitaka azy ireo foana.



Masira kosa aloha ny dikan'ny masina eo @ ranomasina fa tsy hoe "saint"


Masina masira marina izany nefa koa mila fantarinao fa Masina eo anatrehan'ny maro hafa finoana (foko malagasy be dia be) ny ranomasina. Ka mety tsara mihitsy ny fipetrany hoe sady masina izy no masira.

Andao fotsiny hojerena ho maloto ve ny ranomasina raha mihoatra amin'ny ety am-pefika. Mino aho fa madio kokoa ny ranomasina. Vao misy menaka very entin'ny sambo sy ny loto hafa latsaka ao dia efa iny ny filazana fa mandoto ranomasina. Ny ety am-pefika anefa dia jereo firifiry ny loto misy ety.

Aoka re fa tsy ny ranomasina mihitsy no maloto! Ary ny olombelona angamba no azoko lazaina fa toeran'ny ota eto raha io fanoharana io. Aratovy ilay loto ao anatiny mba hiala ka ho lasa olo-madio izy ireo, izay tsy inona fa ny FO ao anaty.


18. soanja ( 06/05/2010 13:27)
xxx:

soanja:

Baiko=> ampitiavana ve sa baiko tokoa?

Amiko somary mila amboarina kely ilay hira raha tiana ho ampitiavana.


Baiko ka !

Mahagaga ihany i Soanja satria milaza tsy tia baiko nefa milaza tia fivavahana Silamo



Tiako daholo ny fivavahana / finoana rehetra ka. Na Silamo io na Xtiainina na ny bodisma sns sns... samy manana ho kianina daholo koa ireo. Ny baiko no tsy tiako n'aiza n'aiza. Satria tsy natao ao anaty FITIAVANA.


19. bor2lais ( 06/05/2010 14:55)
soanja:

Tsia, rehefa hanao sy handika fanoharana dia jerena daholo ny lafiny ijerevan\'ny hafa azy. Raha hiteny ianao hoe Ranomasina= fitoeran\'ny ota dia nefa tsy zakanao ny maheno ny fijerin\'ny hafa azy dia aleo zany ovana zavatra hafa mahaklaza azy tsara ilay izy.

Tsy ao tsara hoy aho ilay sarin-teny raha io no tiana ampitaina.


-> Hay ve, noheveriko fa tsy azonao aza ny tiako ampitaina !
Tena ao tsara izany ilay sarin-teny ... :D
20. bor2lais ( 06/05/2010 15:27)
soanja:

Aoka re fa tsy ny ranomasina mihitsy no maloto! Ary ny olombelona angamba no azoko lazaina fa toeran'ny ota eto raha io fanoharana io. Aratovy ilay loto ao anatiny mba hiala ka ho lasa olo-madio izy ireo, izay tsy inona fa ny FO ao anaty.


-> Mahaliana fa eto izao i soanja manome ny fijeriny momba ilay hira ! :D

Aminao izany ny olombelona no toeran'ny ota eto ary ilay ota no esorina amin'ny harato. Izany hoe ny trondro (ao anaty harato) izany no ota raha azoko tsara ! Ka inona ilay rano(masina) eto ? :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.065