Ry mpanarato
21. soanja
(
06/05/2010 16:26)
bor2lais:
soanja:
Aoka re fa tsy ny ranomasina mihitsy no maloto! Ary ny olombelona angamba no azoko lazaina fa toeran'ny ota eto raha io fanoharana io. Aratovy ilay loto ao anatiny mba hiala ka ho lasa olo-madio izy ireo, izay tsy inona fa ny FO ao anaty.
-> Mahaliana fa eto izao i soanja manome ny fijeriny momba ilay hira ! :D
Aminao izany ny olombelona no toeran'ny ota eto ary ilay ota no esorina amin'ny harato. Izany hoe ny trondro (ao anaty harato) izany no ota raha azoko tsara ! Ka inona ilay rano(masina) eto ? :D
Ianao nandray ilay ranomasina no mahatonga ahy manontany satria ny hira aloha raha ny famakiako azy eto dia tsy misy ranomasina mihitsy.
Ny olona no haratovina eto.
Fa raha handray ny fisian'ny ranomasina ianao dia betsaka ny zavatra azo resahina momba izany.
22. soanja
(
06/05/2010 16:28)
Na ilay hoe hevitra "harato' aza dia efa tena tsy mety amin'ny lanilaniko mihitsy satria harato= fitaka amiko. Tsy amin'ny fo izany ny idirana ao fa afandrika ireo atao hoe trondro/ olona.
Diniho tsara izay foronina amiko rehefa tsy te hahazo fanakianana loatra.
Izay anefa ny mahaolombelona antsika. Tsy mitovy ny fijery.
Diniho tsara izay foronina amiko rehefa tsy te hahazo fanakianana loatra.
Izay anefa ny mahaolombelona antsika. Tsy mitovy ny fijery.
23. niryna
(
06/05/2010 19:52)
ikaretsaka:
dia inona no tena fotokevitra tianao haroso? hihira sa hanao tsianjery?
:roll: izay ve no valiny?
24. niryna
(
06/05/2010 19:59)
bor2lais:ie raha ao anatin'ny baiboly no zohina e
Amiko io hira io dia mampatsiahy ilay nampahazoan'i Jesoa hazandrano maro an-dry Petera sy ny namany.
Toa nilaza Izy avy eo raha tsy diso aho hoe : manomboka izao dia ataoko mpanarato olona kosa ianao !
fa raha ilay hirahira dia mbola manampy hoe
O mandrosoa ry mpanaraton'i Jeso
Saina mora kivy aoka tsy ho lavinao
Ny mora kivy dia hanenina tokoa
Raiso ka arotsay ny haratonao
Noho izany amiko eto amin'ity hira ity :
- mpanarato (Petera sy ny namany) : Kristiana
mitovy izany koa ny eritreritro ,kanefa aoka aloha hisy hafa hanazava amintsika fa sao diso eto isika roa
misaotra betsaka bor2lais
:-*
25. diamondra27
(
06/05/2010 20:01)
tena tiko be le mahalala ny avis ny hafa toa izao. Malalaka tsara ny hevitra sady samy hafa. Tsy misy diso tsy misy marina fa samy manana ny heviny satria hoy ny fanontaniana hoe Ahoana ny fahazoanareo le sarin-teny donc ny mason'ika tsy mason'i soanja na mason'i bordelais , samy manana ny fahitany avy
ny ahy ndray de zao no fahazoako azy;
teny fampaherezana le izy eo am fiainana. Ndraindray sendra ady sarotra dia mila tadidiana hoe Jeso no nanome baiko ka na ho any na tsy ho any dia alefa foana fa misy solution foana am farany.
Valable am retra retra io , zany hoe na resaka fitoriana ny tenin'Atra na am fiainana andavanandro.
Ndraindray refa mitory ny tenin'Atra de mahatsiaro tsy tafa ny tiana lazaina ndraindray koa am fiainana andavanandro mikisaka be le fiainana de ahoana no atao? Mirosoa hoy Jesoa , aza mihemotra izany , alatsaho ny harato= ampiasaho ny fitaovana misy : hery , vola , saina zay hananao fa tsy maintsy hisy vokany foana izany.
Raha tsy manao na inona na inona dia efa perdant sahadt tsy mahazo le trondro= le tanjona na le olona tiova fo etc etc
ny ahy ndray de zao no fahazoako azy;
teny fampaherezana le izy eo am fiainana. Ndraindray sendra ady sarotra dia mila tadidiana hoe Jeso no nanome baiko ka na ho any na tsy ho any dia alefa foana fa misy solution foana am farany.
Valable am retra retra io , zany hoe na resaka fitoriana ny tenin'Atra na am fiainana andavanandro.
Ndraindray refa mitory ny tenin'Atra de mahatsiaro tsy tafa ny tiana lazaina ndraindray koa am fiainana andavanandro mikisaka be le fiainana de ahoana no atao? Mirosoa hoy Jesoa , aza mihemotra izany , alatsaho ny harato= ampiasaho ny fitaovana misy : hery , vola , saina zay hananao fa tsy maintsy hisy vokany foana izany.
Raha tsy manao na inona na inona dia efa perdant sahadt tsy mahazo le trondro= le tanjona na le olona tiova fo etc etc
26. niryna
(
06/05/2010 20:03)
ikaretsaka:
raha azoko tsara izany ilay lojikanareo eto dia voaporofo fa resaka klientelisma tokoa no hiheveranareo ilay fivavahana voizinareo hoe "manjono" na "manenjika isa"
inona no voaporofon'ika?
lojikan'izay avy izany nareo izany?
klientelisma ? mba azava hoe ny tianao ahatongavana amin'izany ?
isa inona no enjehina? dia rehefa mahazo isa dia mandeha mankaiza na manao inona ? azavao mazava hoe ny ao anatin'ny sainao ?
misaotra mialoha
:-*
27. soanja
(
07/05/2010 00:32)
diamondra27:
Valable am retra retra io , zany hoe na resaka fitoriana ny tenin'Atra na am fiainana andavanandro.
Ndraindray refa mitory ny tenin'Atra de mahatsiaro tsy tafa ny tiana lazaina ndraindray koa am fiainana andavanandro mikisaka be le fiainana de ahoana no atao? Mirosoa hoy Jesoa , aza mihemotra izany , alatsaho ny harato= ampiasaho ny fitaovana misy : hery , vola , saina zay hananao fa tsy maintsy hisy vokany foana izany.
Raha tsy manao na inona na inona dia efa perdant sahadt tsy mahazo le trondro= le tanjona na le olona tiova fo etc etc
Tena mazava tsara mihitsy Diams. Raha io no sarin-teny mipetraka dia tena ekeko tokoa. Ilaina lalandava ny tsy milavo lefona amin'ny zavatra atao. Tsy misy tahotra satria Andriamanitra no eo manome toky foana na amin'ny mora na ny sarotra.
Isika olombelona indraindray rakofan'ny tahotra, varimbariana, tsy mandinika ny zavamisy sns sns... Jesoa kosa dia Ilay Hery hanodina ary mahatoky isika fa tsy very na mafy aza ny tafio-drivotra. Izay rehetra atao dia ankinina amin'Andriamanitra ary izay dia hitondra lalandava amin'ny filaminana sy fitoniana ary fifanasoavana amin'ny hafa= miova fo ho feno fitiavana.
28. bor2lais
(
07/05/2010 07:12)
soanja:
Diniho tsara izay foronina amiko rehefa tsy te hahazo fanakianana loatra
1. Ilay hira lazain'i niryna dia hira protestanta
2. Ny finoana protestanta dia miorina amin' izay voasoratra ao amin'ny Baiboly
Dia ity ilay tantara noheveriko fa mety nakan'ny mpamoron-kira (izay marihiko fa tsy izaho velively akory) ny "haingam-panahiny" :
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=5&andininy=1-10&dika=
Avy amin'io no nanomezako ilay fanazavana ery ambony ery ...
Mety ho diso aho angamba an ! :D
29. soanja
(
07/05/2010 14:11)
bor2lais:
soanja:
Diniho tsara izay foronina amiko rehefa tsy te hahazo fanakianana loatra
1. Ilay hira lazain'i niryna dia hira protestanta
2. Ny finoana protestanta dia miorina amin' izay voasoratra ao amin'ny Baiboly
Dia ity ilay tantara noheveriko fa mety nakan'ny mpamoron-kira (izay marihiko fa tsy izaho velively akory) ny "haingam-panahiny" :
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=5&andininy=1-10&dika=
Avy amin'io no nanomezako ilay fanazavana ery ambony ery ...
Mety ho diso aho angamba an ! :D
Ka mazava anie izany ny TSY FAHATOKISANA Bold text= Tahotra no tena resaka eto e. Raha niteny i Jeso hoe mandehana ary arotsahy ny harato dia nisalasala ilay iray nanazava fa efa nanao an'izany izy fa tsy nisy ny trondro. Kanjo tsy izay no nitranga ary nifona izy satria hitany ny habean'ny voninahitr'Andriamanitra.
Ny tsy ekeko dia ny filazana fa " ny ranomasina" no toeran'ny ota? Aiza izay ranomasina fa izay ilay tadiaviko aminao.
Ny fahatokisana an'Andriamanitra ny resaka eto.
30. bor2lais
(
07/05/2010 14:48)
soanja:
Ny tsy ekeko dia ny filazana fa " ny ranomasina" no toeran'ny ota? Aiza izay ranomasina fa izay ilay tadiaviko aminao.
Ny fahatokisana an'Andriamanitra ny resaka eto.
-> Tsy mandà ilay fahatokisana an'Andriamanitra aho ka.
Fa ny nazavaiko dia ny tontolo manodidina ilay tantara ary "fomba fijeriko manokana" hoy aho io !
Averiko fa mety tsy mazava tokoa angamba.
Misy :
1. ny mpanarato
2. ny harato
3. ny haratoana
4. ny mpaniraka
Mety tsy voasoratra tokoa angamba ilay teny hoe ranomasina (fa farihy angamba izy teo) eto nefa heveriko kosa fa izany fanaratoana izany dia tsy an-tanety akory (sady misy resaka sambo rahateo koa moa ao amin'ilay tantara) ! Izay no nahatonga ahy nampiditra an'io sarinteny momba ny rano(masina) io tamin'ny fanazavana nentiko. Marihiko fa eto amin'ity hira ity ihany io sarinteny nentiko io. Izany hoe tsy milaza akory aho fa rehefa ranomasina dia toeran'ny ota daholo ! :D
Izay ilay lazaiko hoe : aza ny fanondroko no jerena fa ny zavatra tondroiko ! :D
31. soanja
(
07/05/2010 15:52)
bor2lais:
-> Tsy mandà ilay fahatokisana an'Andriamanitra aho ka.
Ok mazava.
bor2lais:
Izay ilay lazaiko hoe : aza ny fanondroko no jerena fa ny zavatra tondroiko ! :D
Tsy eken'ny saiko koa anefa izay satria amiko ny tontolo isehoan'ny resaka mihitsy no mila jerena koa rehefa hanao resaka fanoharana na ifanondroana sns sns.... Raha hanondro ianao dia tafiditra ao anatin'ilay valan-jeriko ny fanondronao. Isany ahafantarako ny tondroinao ny fanondronao.
Mazava tokoa fa rano no tianao hambara. Ny ranomasina no mahasarotiny ahy fa raha izay farihy dia misy tokoa ny fahadiovany sy ny fahalotoana. Ny an'ny Anosy izao dia azontsika lazaina fa maloto nefa farihy. Ny ranomasina kosa dia madio tena. Izay ilay tiako lazaina ary tsy mifanaraka amin'io fanoharana io. Matoa miriaria ny trondro ka velona soamatsara raha tsy hoe lotovin'ny olombelona ny ranomasina dia madio tokoa.
Nefa raha hiditra lalina amin'izany dia angamba tsy vita ny resaka.
Diniho lalandava izay atao fanoharana fa tsy tenitenenina fotsiny. Izay ihany ilay izy Rabor.
32. soanja
(
07/05/2010 15:55)
bor2lais:
Averiko fa mety tsy mazava tokoa angamba.
Misy :
1. ny mpanarato
2. ny harato
3. ny haratoana
4. ny mpaniraka
Mety tsy voasoratra tokoa angamba ilay teny hoe ranomasina (fa farihy angamba izy teo) eto nefa heveriko kosa fa izany fanaratoana izany dia tsy an-tanety akory (sady misy resaka sambo rahateo koa moa ao amin'ilay tantara) ! Izay no nahatonga ahy nampiditra an'io sarinteny momba ny rano(masina) io tamin'ny fanazavana nentiko. Marihiko fa eto amin'ity hira ity ihany io sarinteny nentiko io.
Misaotra anao nanazava indray ary. Mazava ka.
:)
33. ikaretsaka
(
07/05/2010 16:23)
fa () kely ho an'ilay nitondra ilay resaka hoe masina=masira? dia maninona le hoe: fanasina"?
tsy zahako no nanaporofo fa ianareo no nanaporofo tena ho azy @ le resaka quantity fa tsy quality
ka mivilana izany io hira io ko..hors context tanteraka
inona no voaporofon'ika?
tsy zahako no nanaporofo fa ianareo no nanaporofo tena ho azy @ le resaka quantity fa tsy quality
Marihiko fa eto amin'ity hira ity ihany io sarinteny nentiko io.
ka mivilana izany io hira io ko..hors context tanteraka
34. niryna
(
07/05/2010 18:54)
xxx:
De avy eo le trondro sy olona voarato ho hanina atao sosy? :miam:
tsy misy biby olona eto ka ihinana olona kosa e aoka woa :D
35. niryna
(
07/05/2010 18:59)
nyrina:
Nandray ny fihirana aho dia nihirahira ity hira ity ka misy afaka ve isika anazava ilay sarinteny eto,misaotra mialoha
ikaretsaka:
dia inona no tena fotokevitra tianao haroso? hihira sa hanao tsianjery?
xxx:izay mihitsy,fanampiana no tadiaviko fa tsy tsianjery
Raha amin'ny FO MALALAKA tanteraka no namakinao ilay zavatra nosoratan'i nyrina dia tsy ho nanao an'io fanontaniana io ianao satria mazava be ny zavatra tiany hifampizarana (na ilainy fanampiana ) dia ny hoe: Mba hazavao io sarin-teny io.
nihirahira aho no nanakatra ilay ssrinteny ry ika a
Ikaretsaka:dia omeo aza ny hevitrao hoe inona no dikan'io sariteny io e
->"quantite fa tsy qualite" ary mifampiankina @ ilay lohahevitra "mahaiza mamafy" arokatra ihany ilay izy rehefa zohina
mahay mamafy ahoana,afafazo koa aza ny voan'ika e
xxx:
Ho an'i Kristy dia sady "QUALITE" NO "QUANTITE" koa. Donc tsy avy aminy ny fampianarana milaza fa qualité fotsiny.
marina izany
xxx:
Jereo izay rehetra avy aminy fa sady be dia be (tsy lany nolaniana) no tena tsara koa (tsy fahita). Ohatra: Divay tao Kana... sns...
=D>
36. niryna
(
07/05/2010 19:04)
bor2lais:
- ranomasina : toeran'ny ota !
soanja:fa ahoana no nampihomehy anao ?
Ha, lavitra be ny ota ny ranomasina. Izy aza efa masina izany!
:)
Aoka re! Mampihomehy ahy ilay sarinteny.
Ny trondro ao anaty rano dia faly lalandava amin'ny fiainany sady tsy mba menelingelina ny hafa. Ny hafa no mamitaka azy ireo foana.
Olona iza no manenligelina an'iza ? azavao hoe soanja azafady raha ny sarinteny trondro no tianao tenenina eto
37. niryna
(
07/05/2010 19:17)
xx:
Raha amin'ny FO MALALAKA tanteraka no namakinao ilay zavatra nosoratan'i nyrina dia tsy ho nanao an'io fanontaniana io ianao satria mazava be ny zavatra tiany hifampizarana (na ilainy fanampiana ) dia ny hoe: Mba hazavao io sarin-teny io
ikaretsaka:misaotra anao aho
@ fo malalaka tantyeraka koa ange no anontaniako azy hoe inona no tiany hahatongavana mahatonga azy manontany fanazavana ilay sarinteny e!
ka tsy any ny fanontaniako,azavao ny sarinteny hoy aho ,misaotra mialoha
Ho an'i Kristy dia sady "QUALITE" NO "QUANTITE" koa. Donc tsy avy aminy ny fampianarana milaza fa qualité fotsiny
ikaretsaka:hors sujet sahady kanefa mbola tsy manomboka,tss
ho sn'i Kristy.. dia eny (ary io no notsipihioko)... fa ahoana kosa hoy aho ho an'ny Xtianina mihirahira an'io hira io?
tsy avy any @ Kristy koa ny quantite fotsiny..ary miharihary izany hoe maninona no potika ny tany @ zao fotoana izao ... satria le titre hoe "mpivavaka" sy Kristianina no hifandrotehana fa tsy le qualite maha Kristianina...
aza ovaina anie ry ika ny sujet fa mbola liana ny tenako hijery ny fanazavan'ny rehetra a,misaotra anao mandray anjara
eny e,izay izy izany aminao ,izay no fitsarana azo dia isaorana nanome hevitra
ikaretsaka:dia tsy voatery mihiry ika raha izany,jereo foana ny fitaratra dia mahita ny tenantsika foana isika fa tsy ny an'ny olona. misaotra betsaka
ary misy antony @ Kristy mihitsy ny qualite.. matoa 12 no "bandy akama nalainy " fa tsy ireo ze rehetra niteny hoe "hanaraka Azy tsy haditra rehetr'io!
=>araka ny hevitro sy ny hita be @ zava mitranga amkehitrio nefa de quantite no himatimatesan'ny mpihira io hira io
ahoana indray ireny hira feno teny ratsy ireny? hors sujet ity fa miresaka hira hianao satria tsy azokazona koa izany ny hira mihoatra ny tsianjery sy ny blabla ao amin'ny boky
e,tsy itako izay anaovana an'ika. omena kakana tsy mila ,omena toton-mangahazo tsy mila hi,hi ..tadidinao ilay blague na sinoa nanjono ?
Dia
soanja:
Aoka re! Mampihomehy ahy ilay sarinteny. Ny trondro ao anaty rano dia faly lalandava amin'ny fiainany sady tsy mba menelingelina ny hafa. Ny hafa no mamitaka azy ireo foana.
ikaretsaka:
Izay mantsy
ka ny an'ika aza nivilana sahady ny sujet koa,soanja mba nanome ny heviny
misaotra soanja a
:-*
38. niryna
(
07/05/2010 19:23)
soanja:marina tokoa izany,misy fotoana tsy azo anjonoana mihitsy aza
Ny mahasarika te hahalala dia indraindray mantsy ny fanaratovana somary mametraka olana ihany indrindra rehefa manatody na mbola kely loatra ilay trondro. Nefa dia voaray daholo. Ny mpanarato maharaka sy tia natiora ary mitsinjo ny taranany dia mamerina ireo trondro ireo indray any anaty rano fa izay ampy hivelomany ihany no entiny mody. Misy koa aza fotoana ny fanjakana mihitsy no miditra antsehatra mijery ny hakelin'ny harato sao kely loatra ka lasa tsy manara-dalana.
Misy fotoana koa ny fizarana ny tenin'Atra,rehefa tsy mety mandray izy dia avela amin'izao
:D ,marina tokoa izany,izay mandray dia mandray ,izay tsy mandray dia tsy terena kosa e,efa zavatra hafa indray izay raha manery olona ny olona ,misaotra anao nanome ny hevitrao malalaka .Ny finoana rehetra mihitsy io ,tsy terena fa malalaka ary antsitrapo no andraisany azy sy miankina amin'Atra manova ny fony .Mamafy fotsiny izay fantatra sy kely hay dia izay
Asa na misy toy izay ity karazana fanaratovana iray ity sa ve izay voasarika dia voasarika.
:-*
39. ikaretsaka
(
07/05/2010 19:51)
fa tsy nisy nisaina ny hoe rehefa azon'ny harato tokoa moa le trondro (sy olona) de atao inona?
Volosana ny ampahafolom-pananany (kiraina sns ... tsy haiko hoe ampahafirin'ny fananan'ny trondro aloha ny kirany) ... esorina ny maha trondro azy... sns... :wink:
a bon entendeur
Volosana ny ampahafolom-pananany (kiraina sns ... tsy haiko hoe ampahafirin'ny fananan'ny trondro aloha ny kirany) ... esorina ny maha trondro azy... sns... :wink:
a bon entendeur
40. soanja
(
08/05/2010 00:16)
niryna:
fa ahoana no nampihomehy anao ?
Ny mampihomehy ahy dia ny kilalaon-teny ao anatin'ilay teny ranomasina nefa ota no resahina.
Masina= masira nefa koa ny masina= lavitry ny ota.
Fa raha niteny izy ohatra hoe rano, farihy sns sns... fotsiny dia mety tsy ni-react aho ary tsy nihomehy momba izany satria mahalaza izay tiany hambara ny sarin-teny omeny.
Ny teny iray izany dia afaka iantombohana resaka lavabe hafa misy ifandraisan'ilay tiana resahina nefa koa mety hiala ny tiana hampitaina. Literatiora no resahiko eto fa tsy finoana akory an!
niryna:
Olona iza no manenligelina an'iza ? azavao hoe soanja azafady raha ny sarinteny trondro no tianao tenenina eto
Tsy manana eritreritra hoe sariteny trondro aloha ny ahy eto ny tiako tenenina. Ny sarinteny eto dia ny fahadiovan'ny fo ho olom-baovao tsy misy tahotra. Zany hoe raha hiaradia amin'ny Kristy dia ho tsy hisy ny fisalasalana ary ahazo tokoa olona amin'ny izay fahatokisana ananana/ namana sns sns... ho voasarika noho ny modely tsara aseho.
Nefa na izany aza dia tsy harato no sarin-teny hampiasaiko anefa. Saingy satria zay no asan'ireo olona /ho apostoly tamin'izay dia nampiasa izany teny izany i Kristy mba hampifandray ny tiany lazaina sy ny zavamisy iainan'ireto ho namany.
Ny fahitako azy hatramin'izay tao amin'ny baiboly dia i Kristy niezaka foana nanazava ny maha Iray azy sy Andriamanitra ary tsy tokony hisy ny tahotra na fisalasalana. Miezaka lalandava amin'ny fanokanana ny fotoana hivavaka sy hanolotra ny fahatokisana amin'Andriamanitra n'inona n'inona hiseho. Ny fitsinjovana ireo malahelo sy mahantra ary iharan'ny fanambakana sy tsindry hazolena teo amin'ny fiainana=> mba hisy ny hamoram-po eo amin'ny samy olombelona ary fiahiana ny hafa tsy mitovy aminao ary ny fitsinjovana ny rehetra. Raha toa moa tsy mahalala izay nataonao ireo izay nifandraisanao ampitiavana dia azy ireo izany. Ny fahasoavana dia mihahaka ho an'ny rehetra ary tsy misy tombo sy hala fa saingy ny fahatsapan-tena no samy manana ny habetsany. Izay anjarany tsy ho voatery ho anjarako satria ny sikajy samy manana ny azy avy amin'Andriamanitra.
