Ilay Lanitra paradisa

1. soanja ( 01/05/2010 15:05)
Mahavariana tokoa ny fitiavan'olombelona ilay finoana sy ny imatematesany aminy. Raha dinihina moa izany ny an'i Xtianina dia ny hahazoana ny fanavotana ka hidirana ho isan'ny mponina any an-danitra.
Tsy mifanalavitra an'izay koa ny an'i Silamo. Ny an'i Jiosy kosa tsy toy izany fa rehefa maty dia maty. Mifarana eo ny azy ireo ny finoany. Ny hahatongavana eo amin'ny toerana hahafatesana no imatematesany ka hiaina amin'ilay tany Masina dia i Jerosalema.

Mandalina tokoa aho eto mandinika hoe rehefa tonga any amin'izany lanitra nampanantenaina izany ary hiaraka hiriaria amin'Andriamanitra sy hiombona latabatra Masina aminy dia ahoana?

Zany hoe ho foana ve izany ny fitiavako handalina ny fiainana satria lafatra ny any ka tsy hametraka fanontaniana intsony aho? Hilamina tokoa ny momba ahy saingy moa ve ampy ahy tokoa ny filaminan- tsaina amam-panahy? Inona no handaniako ny androko? Hisy fianarana omena ahy ve any? Raha hisy ny fanompoana sy ny antanan-tohatra fikilasiana any an-danitra any vonona hiatrika izany indray ve aho? Inona no tanjona ipetrahan'ny fiainako raha ho any aho? Hisy safidy isan-karazany ve any sa dia vita ny amin'ny resaka safidy rehefa any?

Betsaka ny fanontaniana hisy ny voavaly ary hisy ny tsy hanambaliny mihitsy raha tsy tonga any.

Hoy aho hoe tsy tokony mbola hitohy indray ny faminaniana rehefa tonga any ?

Aoka anefa hino aho fa n'inona n'inona ny any dia efa fantatro fa hanana dia vaovao indray ny lalako fa tsy hitoetra raha tsy hoe ho FOANA ny momba ahy, izay ho faniriako ambony indrindra. Soanja






2. rijadolly ( 01/05/2010 16:51)
Na dia tsy hinoanao loatra aza ny ao anaty Baiboly dia ambarako ihany, Ireo fanontanianao be dia be ireo raha nipetratra tamin' Adama sy Eva dia rariny raha nalana tao amin' saha Edena izireo.
3. ikaretsaka ( 01/05/2010 17:23)
Indro kely aloha alohan'ny hisian'ny fiheverana diso:

soanja:
Ny an'i Jiosy kosa tsy toy izany fa rehefa maty dia maty. Mifarana eo ny azy ireo ny finoany.


Ny Physical death de Eny
fa ny momba ny fanahy dia Tsia. mino ny fisian'ny fiainana mbola ho avy ny Jiosy
ka, fa tsy vatana ny azy no mankany fa ny Fanahy: ary arakataky ny hitandreman'ny tsirairay ny lalana 613(voalaza ao @ Deteronomy sy Levitika) no hitsaran'A/tra azy, rehefa tonga ny fotoana

Mino ny afobe koa ry zareo (Gehinom na Gehena) fa toy ny inoan'ny Katolika ny afo fandiovana no inoany azy, izany hoe rehefa voadio ao ny tsy mety vitanao dia mankary ihany ianao.

ny Mesia amin-jareo dia ho avy hitsara ny nanao tsara sy ny ratsy ka eo no hoe rehefa tsy avotra intsony de tsy avotra
4. ikaretsaka ( 01/05/2010 17:32)
Mandalina tokoa aho eto mandinika hoe rehefa tonga any amin'izany lanitra nampanantenaina izany ary hiaraka hiriaria amin'Andriamanitra sy hiombona latabatra Masina aminy dia ahoana?


amiko manokana ary averiko vozinina eto foana dia hoe aleo izany resaka rehefa any (raha ho any ihany) vao eritreretina...

soanja koa moa aventuriere ohatra ahy ihany ka angamba efa nahita sy nahatsapa fa tsy ivakian ny tantsaha any ambanivolo lavitra any loha akory , raha tena miaina tsara ny fiainana anty izy fa tsy manofy fotsiny izany hoe ohatran'ny ahoana izany'Antananarivo sy Andafy izany ... fa ny bagedany sy ny fiarovana ny ombiny no mahamaika azy

izany tsy manakana azy tsy hino hoe misy antananarivo sy andafy an
5. rakapy ( 01/05/2010 20:42)
Izaho manokana aloha dia tsy manam-panirina ny ho any @ izany paradisa izany e!. Tsy hitako loatra izay ho maminy raha ny filazana sy nynfahenona azy ety an-tany.
6. xxx ( 01/05/2010 21:01)
....Ety antany tahaka ny any andanitra , omeo anay ny hanina sahaza ho anay , manafaha anay @ ratsy ,.....,hoy ny vavaka .Mety ho azon'olombelona eto antany ve ny zavatra notadiavin' A/tra momba ny natiora noforoniny hiakarana velona any amparadisa any ?? :?:
7. soanja ( 01/05/2010 21:39)
rijadolly:

Na dia tsy hinoanao loatra aza ny ao anaty Baiboly dia ambarako ihany, Ireo fanontanianao be dia be ireo raha nipetratra tamin' Adama sy Eva dia rariny raha nalana tao amin' saha Edena izireo.


Amiko aloha dia tsy olana tamiko ny nanalana azy ireo tao anaty saha Edena raha nisy tokoa izy ireo satria raha tsy nisy izany dia foana koa ny nandalovako teto an-tany izay isany isaorako an'Andriamanitra. Ny zava-tsoa tsapako teto an-tany dia tsy ho voavidin'izay zavatra mbola tsy niainako ary mbola mety hiainako amin'ny ho avy. Izay nisy dia isaorako ny Avo.

Tsy hitako izay ilana Sahan'Edena raha toa ka tsy hanome ahy ny fiainana tokony nandalovako sy nitsahiko ny zavanisy. Soa fa nisy Adama sy Eve hoy aho ary soa fa tsy voatery nanaraka izay voalaza izy ireo, raha nisy tokoa. Saingy amiko moa angano izany.



8. soanja ( 01/05/2010 21:41)
ikaretsaka:

Indro kely aloha alohan'ny hisian'ny fiheverana diso:

soanja:
Ny an'i Jiosy kosa tsy toy izany fa rehefa maty dia maty. Mifarana eo ny azy ireo ny finoany.


Ny Physical death de Eny
fa ny momba ny fanahy dia Tsia. mino ny fisian'ny fiainana mbola ho avy ny Jiosy
ka, fa tsy vatana ny azy no mankany fa ny Fanahy: ary arakataky ny hitandreman'ny tsirairay ny lalana 613(voalaza ao @ Deteronomy sy Levitika) no hitsaran'A/tra azy, rehefa tonga ny fotoana

Mino ny afobe koa ry zareo (Gehinom na Gehena) fa toy ny inoan'ny Katolika ny afo fandiovana no inoany azy, izany hoe rehefa voadio ao ny tsy mety vitanao dia mankary ihany ianao.

ny Mesia amin-jareo dia ho avy hitsara ny nanao tsara sy ny ratsy ka eo no hoe rehefa tsy avotra intsony de tsy avotra


Ok misaotra nitondra ny fanazavana sy ny fampianarana.


9. soanja ( 01/05/2010 21:43)
ikaretsaka:

Mandalina tokoa aho eto mandinika hoe rehefa tonga any amin'izany lanitra nampanantenaina izany ary hiaraka hiriaria amin'Andriamanitra sy hiombona latabatra Masina aminy dia ahoana?


amiko manokana ary averiko vozinina eto foana dia hoe aleo izany resaka rehefa any (raha ho any ihany) vao eritreretina...

soanja koa moa aventuriere ohatra ahy ihany ka angamba efa nahita sy nahatsapa fa tsy ivakian ny tantsaha any ambanivolo lavitra any loha akory , raha tena miaina tsara ny fiainana anty izy fa tsy manofy fotsiny izany hoe ohatran'ny ahoana izany'Antananarivo sy Andafy izany ... fa ny bagedany sy ny fiarovana ny ombiny no mahamaika azy

izany tsy manakana azy tsy hino hoe misy antananarivo sy andafy an


Eny ho anareo tia mandinika ny androany izany fa tsy ho voaterty ho ahy na ho an'izay tia mieritreritra izay ho avy.

Raha tsy namela ahy hisaina izany ny fisainako dia hoy aho OK saingy tsy izay ilay zavamisy. Ny filozofia tsy voatohatry ny izay hoe izay tsy fantatra aoka tsy ho eritreretina fa hoy aho hoe izay tonga ao an'eritreritra dia aoka ho halalinina satria hanampy anao hitsinjo ny ho avy sy hanoro anao tokoa izay tianao aleha na atao na mora io na sarotra ary na hisy valiny na tsia.


10. soanja ( 01/05/2010 21:45)
rakapy:

Izaho manokana aloha dia tsy manam-panirina ny ho any @ izany paradisa izany e!. Tsy hitako loatra izay ho maminy raha ny filazana sy nynfahenona azy ety an-tany.


Izay indrindra mantsy no ipetrahan'ny fanontaniana eto hoe inona tokoa moa no ho mamain'izany raha hatao robot ny tenako rehefa any. Tsy aleoko aza tsy misy foana ny momba ahy. Aoka aho tsy ho tompoina ary aoka tsy hanompo!


11. soanja ( 01/05/2010 21:49)
xxx:

....Ety antany tahaka ny any andanitra , omeo anay ny hanina sahaza ho anay , manafaha anay @ ratsy ,.....,hoy ny vavaka .Mety ho azon'olombelona eto antany ve ny zavatra notadiavin' A/tra momba ny natiora noforoniny hiakarana velona any amparadisa any ?? :?:


Asa io no fanontaniana. Inona moa no ilako ny paradisa raha samy hifampijerijery raha tonga any? Mahafinaritra ahy ny mikaroka, mandalina, mianatra, mikatsaka ary mamantratra ny tsy fantatra mba ahafahana miaina bebe kokoa izay efa ananana. Fa raha toa ka sakafo be sy hirahira ary fanompoana sns sns no any hoy aho hoe aleo aza miala eto dia tsy misy intsony na misy fa mandalo fiainana vaovao ary aoka tsy ho lafatra hatrany mba hiasa ny momba ahy!

Ny fahitako azy dia mety faniriana goavana izany tamin'ireo izay tsy niaina ny filaminana tety an-tany fa hoy aho hoe raha efa hita ve ny taty satria tao anaty safotofoto mbola hisy lafatra noho izany ve raha ny monba ahy no jerena?

Ny hafa indray tsy omeko tsiny satria samy manana ny tanjony ny olombelona.


12. soanja ( 01/05/2010 21:55)
Amiko aloha dia ny fisian'ny miiba sy miabo eto amin'ny fiainana no isany mahatsara ity fiainana ity satria afaka tsara isika handinika sy handalina ny momba antsika.

Tadidiko nisy Silamo lahy niteny tamiko fa tsy andriny ny hilalao virijiny maromaro rehefa tonga any an-danitra izy dia hoy aho hoe ianao angaha mbola tsy nilalao virjiny taty? eny hoy izy dia nahasambatra foana ve? Tamin'ny voalohany hoy izy. Izay vehivavy niaraka tamiko dia virijiny daholo hoy izy ihany. Dia mbola mkitady virjiny ianao izao? Eny hoy izy. Nitsiky aho. Zany hoe ilay filazana ny any mety ho lafatra be saingy tsy mampanontany fanontaniana anareo hoe dia ho izay foana ve ny any????

Mampilendalenda ny zavatra iray rehefa sarotra azo, fa ny eo ampakana azy, ampanatanterahana azy angamba no azahoana ny tsirony fa rehefa azo moa ve hahafapo foana???

13. soanja ( 01/05/2010 22:00)
ikaretsaka:

Mandalina tokoa aho eto mandinika hoe rehefa tonga any amin'izany lanitra nampanantenaina izany ary hiaraka hiriaria amin'Andriamanitra sy hiombona latabatra Masina aminy dia ahoana?


amiko manokana ary averiko vozinina eto foana dia hoe aleo izany resaka rehefa any (raha ho any ihany) vao eritreretina...

soanja koa moa aventuriere ohatra ahy ihany ka angamba efa nahita sy nahatsapa fa tsy ivakian ny tantsaha any ambanivolo lavitra any loha akory , raha tena miaina tsara ny fiainana anty izy fa tsy manofy fotsiny izany hoe ohatran'ny ahoana izany'Antananarivo sy Andafy izany ... fa ny bagedany sy ny fiarovana ny ombiny no mahamaika azy

izany tsy manakana azy tsy hino hoe misy antananarivo sy andafy an


Ny finoana anie misy Ika e. Fa moa ve maniry te ho any Iarivo na Androva fiantsoan-dry zareo any Atsimo lavitra be izy ireo? dia ho fanontaniana tokoa izany?

Miankina amin'ny tsirairay mantsy io fanontaniana io fa tsy azo atao faobe. Ao ny tia mikatsaka ny tsy fantatra, ao koa no panina manoloana ny mibaribary ary misy ireo izay ampovoan'ireo roa ireo....
14. soanja ( 01/05/2010 22:04)
rijadolly:
rariny raha nalana tao amin' saha Edena izireo.



Mihomehy kely aho ato mamaky an'ilay teny hoe "rariny"

Raha ny zanakao ve nandiso zavatra iray nolazainao fa tsy mety nefa nataony ihany, vitanao ve ny manary azy eo no ho eo sy handroaka azy eo no ho eo ary koa hanafay azy hatramin'ny farany?

Inona moa ity rariny ity raha sitrakao ny hazava azy.


15. xxx ( 02/05/2010 03:15)
Fisaka ny rariny hoy ny tenindrazantsika izay knouuu!!Asa lahy !!
16. rijadolly ( 02/05/2010 03:54)
Misaotra betsaka ry Ika amin' fanazavana.
Soanja:
Eny ho anareo tia mandinika ny androany izany fa tsy ho voaterty ho ahy na ho an'izay tia mieritreritra izay ho avy.
Iraisako hevitra :*
Soanja:
Amiko aloha dia tsy olana tamiko ny nanalana azy ireo tao anaty saha Edena raha nisy tokoa izy ireo satria raha tsy nisy izany dia foana koa ny nandalovako teto an-tany izay isany isaorako an'Andriamanitra. Ny zava-tsoa tsapako teto an-tany dia tsy ho voavidin'izay zavatra mbola tsy niainako ary mbola mety hiainako amin'ny ho avy. Izay nisy dia isaorako ny Avo.
Za:
reo fanontanianao be dia be ireo raha nipetratra tamin' Adama sy Eva dia rariny raha nalana tao amin' saha Edena izireo.
Soanja:
Mihomehy kely aho ato mamaky an'ilay teny hoe "rariny"
Raha ny zanakao ve nandiso zavatra iray nolazainao fa tsy mety nefa nataony ihany, vitanao ve ny manary azy eo no ho eo sy handroaka azy eo no ho eo ary koa hanafay azy hatramin'ny farany?
Inona moa ity rariny ity raha sitrakao ny hazava azy.
Raha nanao izao rehetra izao Andriamanitra dia nahita izy fa tsara izany ( tsara aminy an!)Alaiko ihany ilay référencenao amin' Ray aman-dReny, mbola tsy niteny ny zanaky Soanja hoe : "lasa mivoaka àry" ve Soanja? mba tsy hanimbany indray ilay zavatra rehefa miverina ao izy( mety misy amin' izay ny confiance entre tsy11)Sazy iray ho an' ilay zaza izay, eny mety ho Soanja koa azon' io, za aloha efa voa é, ary tsapako fa RARINY satria efa notenenina foana fa éééé, ilay fitiavana manitatra kely e!.Rariny hoy aho, fa raha tsy izay dia fanomezatsiny no nafafiko:cry:. Rariny satria nitondra ahy ahalala ny tsy nety izay vitako, rariny satria hay mbola FITIAVANA ny antony izany fa tsy fanariana ahy. Ary ozona (sazy) no nahazo antsika olombelona, ary nahazo alalana manatsara izany fiainantsika teto ialana (raha vitanao) ny fahoriana, alahelo, tomany,...Raha izay ny tsara amitsika olombelona dia ny fahaizatsika miala ireo sazy ireo, nanao ahoana kosa izany ilay TSARA nataon' Andriamanitra???? Tadidio anefa fa efa nahazo alalana hanjaka ny zavaboary tsika olombelona( efa hitatsika any ambany any ny ady hevitra @ilay manjaka ny zavaboary)
17. rijadolly ( 02/05/2010 05:37)
way azafady Soanja fa diso ilay sary nalefako Amitié fa tsy io :oops: :oops: :oops: :oops: :oops: :oops: Tena azafady, azon\' se ny nahazo ahy e! :oops:
18. xxx ( 02/05/2010 13:10)
Misy fomba fijery tsy iraisako amin'ny maro dia ny hoe: "mino mba hahazo fanavotana ka hiditra any amin'ny fiainana mandrakizay"...

Amiko izany tsy tanjona mihitsy. Tsy tanjona ny fahazoana fanavotana, tsy tanjona ny fiainana mandrakizay.... Tsy misy tanjona ireo amiko na iray aza, fa lalana ihany. Lalana natao hizorana ho any amin'ny tena tanjona. Azo lazaina aza fa fanomezana fotsiny ihany ireo. Ka ny ahy tsy ny fanomezana no tanjona fa ilay mpanome. Noho izany dia tokana ny hany tanjona ho ahy amin'ny maha kristiana ahy, dia ny hiaraka amin'ilay tia ahy sady tiako. Ny ho ao aminy, sy ny hiaraka aminy.
19. soanja ( 02/05/2010 13:20)
xxx:

Fisaka ny rariny hoy ny tenindrazantsika izay knouuu!!Asa lahy !!


Hazavao ny maha-Fisaka azy ary e.


20. soanja ( 02/05/2010 13:30)
rijadolly:

Misaotra betsaka ry Ika amin' fanazavana.
Soanja:
Eny ho anareo tia mandinika ny androany izany fa tsy ho voaterty ho ahy na ho an'izay tia mieritreritra izay ho avy.
Iraisako hevitra :*
Soanja:
Amiko aloha dia tsy olana tamiko ny nanalana azy ireo tao anaty saha Edena raha nisy tokoa izy ireo satria raha tsy nisy izany dia foana koa ny nandalovako teto an-tany izay isany isaorako an'Andriamanitra. Ny zava-tsoa tsapako teto an-tany dia tsy ho voavidin'izay zavatra mbola tsy niainako ary mbola mety hiainako amin'ny ho avy. Izay nisy dia isaorako ny Avo.
Za:
reo fanontanianao be dia be ireo raha nipetratra tamin' Adama sy Eva dia rariny raha nalana tao amin' saha Edena izireo.
Soanja:
Mihomehy kely aho ato mamaky an'ilay teny hoe "rariny"
Raha ny zanakao ve nandiso zavatra iray nolazainao fa tsy mety nefa nataony ihany, vitanao ve ny manary azy eo no ho eo sy handroaka azy eo no ho eo ary koa hanafay azy hatramin'ny farany?
Inona moa ity rariny ity raha sitrakao ny hazava azy.
Raha nanao izao rehetra izao Andriamanitra dia nahita izy fa tsara izany ( tsara aminy an!)Alaiko ihany ilay référencenao amin' Ray aman-dReny, mbola tsy niteny ny zanaky Soanja hoe : "lasa mivoaka àry" ve Soanja? mba tsy hanimbany indray ilay zavatra rehefa miverina ao izy( mety misy amin' izay ny confiance entre tsy11)Sazy iray ho an' ilay zaza izay, eny mety ho Soanja koa azon' io, za aloha efa voa é, ary tsapako fa RARINY satria efa notenenina foana fa éééé, ilay fitiavana manitatra kely e!.Rariny hoy aho, fa raha tsy izay dia fanomezatsiny no nafafiko:cry:. Rariny satria nitondra ahy ahalala ny tsy nety izay vitako, rariny satria hay mbola FITIAVANA ny antony izany fa tsy fanariana ahy. Ary ozona (sazy) no nahazo antsika olombelona, ary nahazo alalana manatsara izany fiainantsika teto ialana (raha vitanao) ny fahoriana, alahelo, tomany,...Raha izay ny tsara amitsika olombelona dia ny fahaizatsika miala ireo sazy ireo, nanao ahoana kosa izany ilay TSARA nataon' Andriamanitra???? Tadidio anefa fa efa nahazo alalana hanjaka ny zavaboary tsika olombelona( efa hitatsika any ambany any ny ady hevitra @ilay manjaka ny zavaboary)


"Time Out" no fiantsonay an'iny sazy iny aty. Ny tenako moa tsy miteny izany fa hoe "Ndana aloha maka saina etsy dia rehefa vonona hilalao sy hiaraka amiko dia tongava indray" - Io dia sazy ampihariko tsy natao hampijaliana ilay zaza fa natao hieritreretany hoe afaka manana safidy izy ny hiverina indray ary rehefa vonona izy dia miverina. Ny tenako tsy miteny aminy mihitsy hoe "Dimy minitra ianao eo, fa hoe rehefa vonona ianao dia malalaka mandray anao aho hilalao hiaraka aminay"

Sanatria tsy "Hanozona" ny zanako aho. Sanatria tokoa izany. Aoka ny tenako no ho zoniko raha nahavita zava-dratsy ny zanako satria izaho no nahatonga azy tety an-tany, anajarako manome izay mety lafatra vitako ho azy. Tiako ny zanako ary tsy hariako na haringako velively.

Omeko azy ny Paradisa/ ilay toerana iriavany/ ilay nomaniko ho azy amin'ny fomba isan-karazany mety miafanaraka amin'ny mahaizy azy ary tsy ho simba izy ao fa hiana-desona.

Izay no antony itoavako 100% an'Andriamanitra satria ny nomeny antsika dia miiba sy miabo hianarantsika ny lalan-tsarotra nefa mahatody, mahaliana, mampivoatra ary mampivelatra amin'ny hafa.

TSIA, raha nahatsapa Andriamanitra fa tsara ny nataony sy vitany dia nahoana no diso fanantenana izy tamin'ireo namboariny (ny bibilava, ny olona sns sns) izany TSARA amin'Andriamanitra amiko dia tonga lafatra satria izy no mpanamboatra, izy no mahay indrindra. Fa matoa isika toy izao dia izay mihitsy ny nanamboarany antsika mba hanana ny mahasamihafa azy sy ny mahaizy azy eo amin'ny natiora afaka manome izany fahasamihafana izany. Mino anefa aho fa ny FITIAVANA no base entiny hifandraisantsika rehetra, izay tsy lavitra fa ao anatintsika ihany sy izay endrika tazantsika rehetra, izay tsy iza fa IZY ihany.




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.047