Ilay Lanitra paradisa
21. soanja
(
02/05/2010 13:35)
xxx:
Misy fomba fijery tsy iraisako amin'ny maro dia ny hoe: "mino mba hahazo fanavotana ka hiditra any amin'ny fiainana mandrakizay"...
Amiko izany tsy tanjona mihitsy. Tsy tanjona ny fahazoana fanavotana, tsy tanjona ny fiainana mandrakizay.... Tsy misy tanjona ireo amiko na iray aza, fa lalana ihany. Lalana natao hizorana ho any amin'ny tena tanjona. Azo lazaina aza fa fanomezana fotsiny ihany ireo. Ka ny ahy tsy ny fanomezana no tanjona fa ilay mpanome. Noho izany dia tokana ny hany tanjona ho ahy amin'ny maha kristiana ahy, dia ny hiaraka amin'ilay tia ahy sady tiako. Ny ho ao aminy, sy ny hiaraka aminy.
Ok mazava. Tsara tokoa izany.
"Ny ho ao aminy, sy ny hiaraka aminy" dia azoko lazaina angambany raha ny momba ahy dia tsy mila mandeha lavitra aho na mitaky ny ho avy amin'izany satria IZY dia eo anivontsika sy miaraka amintsika isanandro ary mitantana antsika na amin'izao fotoana izao na ny ho avy ary ny ho mandrakizay!
Mahatoky an'Andriamanitra aho fa IZY dia eo anivontsika lalandava na amin'ny andro sarotra na amin'ireo fotoana firavoravoana. Tsy tanjona Andriamanitra amiko satria efa ao amiko Izy sy ny fisiany.
22. xxx
(
02/05/2010 15:11)
Ekena fa ao amintsika mandrakariva Izy Tompo, miaraka amintsika lalandava koa. Izay fiarahany amin'ny tena izay no tiana haharitra mandrakizay, izay no tanjona ho ahy. Mety hisy mantsy ny infidélité indraindray satria ny tena tsy fanahy fotsiny fa mitafy nofo koa.
Izao koa no zavatra kely mba tiako hifampizarana:
Samy hafa ny olona entanin'ny fitiavana te hahazo ny fiainana mandrakizay, te hahazo ny paradisa, te hahazo ny fanavotana, te hiadana mandrakizay.... sy ny olona entanin'ny fitiavana an'Andriamanitra.
Raha ny fitiavana ny ho voavonjy, ny hahazo ny fiainana mandrakizay, hihadana mandrakizay sns... no manentana ny olona iray dia feno fanajana ny lalana, sy izay voasoratra ny androm-piainany (ohatra ilay tovolahy mpanan-karena nanontany an'i Jesoa fa te hahazo ny fiainana mandrakizay). Zovy tokoa moa no tsy te hihadana mandrakizay, iza no tsy te ho voavonjy... Raha zohina akaiky anefa dia fitiavan-tena no mibaiko azy, ary lavitra azy ilay tena fitiavana tian'Andriamanitra iainany, izay hany lalana tena hazoana an'io fiainana mandrakizay io, dia izy Andriamanitra ihany.
Raha fitiavana an'ilay Mpahary kosa no manentana azy hanao ny zavatra rehetra, dia tsy mba mionina amin'izay voasoratra sy ny lalana izy, fa hitady izay fomba rehetra itoerana lalandava eo akaikin'ilay tiany dia Izy Andriamanitra izany.
Eto no mipetraka ny maha samihafa ny antokom-pivavahana maro: misy ireo izay beazina fotsiny mba hahay ny tenin'Andriamanitra (manao tsianjery sns), ka hitandrina an'izany an-tsakany sy an-davany.
Misy kosa ireo izay beazina mba hahay hihaino sy hahita an'Andriamanitra amin'ny toerana rehetra sy amin'ny fotoana rehetra, ary hamaly ny fitiavany am-pitiavana.

23. soanja
(
02/05/2010 17:16)

Namaste!
Indro anefa no fahitako azy zaho manokana- Tsy misy maharatsy ny fitiavan-tena velively akory satria raha mitia ny tenanao ianao dia mazava ho azy fa ny tsy hanimba azy no tanjonao izany , na dia eo aza ireo izay tsy mahalala ny zavamanimba azy na minia fa tsy te hijery lavitra.
Ny fifandraisana amin'ny hafa ka hahatsiarovanao/ ahatsapanao fa Andriamanitra no miasa manelanelana anareo no tena hitako hoe FITIAVANA amiko saingy ny ahafahanao manao izany dia mila miantomboka lalandava amin'ny fitiavana ny tenanao amin'ny maha-fanahy anao.
Ny fitiavan-tena be loatra no olana matetika fa tsy ny fitiavan-tena tsotra sy nanamboaran'Andriamanitra antsika akory. Hevitro ihany anefa io fa izay an'Andriamanitra dia mety lavitra ka tsy takatro akory.
24. soanja
(
02/05/2010 17:22)
rijadolly:
way azafady Soanja fa diso ilay sary nalefako Amitié fa tsy io :oops: :oops: :oops: :oops: :oops: :oops: Tena azafady, azon\' se ny nahazo ahy e! :oops:
Tsy olana akory izany Ranadahy. Masinina ity fa tsy isika velively!
:)
25. Mpanazava
(
03/05/2010 06:59)
Ilay Lanitra paradisa!!! :?:
Betsaka tokoa ny olona mieritreritra hoe tsara izany Lanitra izany, sambatra ny any sy ny maro hafa, manaratsy ny tany izy ireo avy eo hoe, ratsy, feno zava-manahirana sy ny maro tsy ho voatanisa eto. Manontany tena aho hoe, maninona moa no betsaka no te ho any an-danitra nefa tsy te ho faty? :lol:
Atao daholo izao fomba rehetra izao mba hahalava andro iainana eto an-tany, tsy ho tokony atao tanjona ve ny ho any amin'ilay "sujet"?
Taiza moa ilay paradisa atao hoe "EDENA" fahiny, f'angaha lasa tany an-danitra indray? f'angaha niova ny programan'Andriamanitra momba ny tany?

26. ni81
(
03/05/2010 08:29)
Atao daholo izao fomba rehetra izao mba hahalava andro iainana eto an-tany, tsy ho tokony atao tanjona ve ny ho any amin'ilay "sujet"?fa angaha rehefa maty tonga dia mankany @ paradisa?
27. ikaretsaka
(
03/05/2010 14:38)
Samy hafa ny olona entanin'ny fitiavana te hahazo ny fiainana mandrakizay, te hahazo ny paradisa, te hahazo ny fanavotana, te hiadana mandrakizay.... sy ny olona entanin'ny fitiavana an'Andriamanitra
iraisako hevitra
28. Mpanazava
(
04/05/2010 05:43)
Eto no mipetraka ny maha samihafa ny antokom-pivavahana maro: misy ireo izay beazina fotsiny mba hahay ny tenin\'Andriamanitra (manao tsianjery sns), ka hitandrina an\'izany an-tsakany sy an-davany.
Atao ahoana moa no fitia an\'Andriamanitra raha tsy hay na fantatra akory hoe iza izy, inona ny toetrany, inona ny fikasany, inona zavatra tiany sy halany, ny tokony atao sy ny tsy azo atao rehefa mivavaka aminy? ireo rehetra ireo dia ao amin\'ny teniny avokoa. Manao ahoana ny fifandraisana eo amin\'ny olona roa maniry hifankatia raha mifankafantatra tsara izy ireo? tsy soa ve ny valiny?
Hoy i Jesosy : \"Mba hahazahoan\'izy ireo fiainana mandrakizay dia ilainy ny mianatra hahalala anao ilay Andriamanitra marina sy Jesosy Kristy ilay nirahinao\" (Jaona 17:3)
Tsy anisan\'ny porofom-pitiavana an\'Andriamanitra ve fitandremana antsakany sy an-davany ny didiny?
Hoy ihany i Jesosy :\"Izao no FITIAVANA AN\'ANDRIAMANITRA, dia ny HITANDREMANTSIKA NY DIDINY. Tsy mavesatra anefa ny didiny\" (1 Jaona 5: 3)
Misy kosa ireo izay beazina mba hahay hihaino sy hahita an\'Andriamanitra amin\'ny toerana rehetra sy amin\'ny fotoana rehetra, ary hamaly ny fitiavany am-pitiavana.
Tsara dia tsara koa hevitra io, tsy hihaino fotsiny anefa fa hitadidy izany sy hampihatra izany eo amin\'ny fiainana andavan\'andro, izany akory tsy midika hoe manao tsianjery fa toy hoe eo akaikinao eo foana izy mibitsika sy manoro anao amin\'izay ataonao.
29. ikaretsaka
(
04/05/2010 18:11)
Atao ahoana moa no fitia an'Andriamanitra raha tsy hay na fantatra akory hoe iza izy, inona ny toetrany, inona ny fikasany, inona zavatra tiany sy halany
manao toy ny zaza tia ny reniny ka: tsy hainy hatr@ anarany sy ny sisa fa dia tiany fotsiny amin'izao
30. soanja
(
05/05/2010 16:52)
Mpanazava:
Atao daholo izao fomba rehetra izao mba hahalava andro iainana eto an-tany, tsy ho tokony atao tanjona ve ny ho any amin'ilay "sujet"?
Ka alohan'ny hahatanjona azy dia mila mazava amiko hoe inona ilay hatao any, tsara atao tanjona ve sa ve handaniana andro fotsiny nefa tsy hanova n'inona n'inona akory.
Ny fiainako dia tiako raha mahavita manova zavatra amin'ny lafiny isan-karazany mampivelatra ny maha-fanahy ahy. Ka raha tsy hisy fivelarana ny any dia aoka aloha ny eto no atao izay mahasoa. Tsy misy mahamaika ny any ary mety tsy any aza ny tanjona.
31. soanja
(
05/05/2010 16:53)
ni81:
Atao daholo izao fomba rehetra izao mba hahalava andro iainana eto an-tany, tsy ho tokony atao tanjona ve ny ho any amin'ilay "sujet"?fa angaha rehefa maty tonga dia mankany @ paradisa?
Asa. Ahoana ny fahitanao azy?
32. Mpanazava
(
06/05/2010 06:39)
Hoy i Soanja
Ka ilay sujet mihitsy manko no DISO eto raha ny baiboly no resahana. Raha ilay edena taloha manko dia teto an-tany. Tsara dia tsara ny fikasan\'Andriamanitra momba ny tany dia ny hanitatra azy manontolo ho Paradisa. \"Fa izao no lazain\'i Jehovah, ilay mpamorona ny lanitra, Ilay tena Andriamanitra, ilay mpamolavola ny tany sy Mpanao azy, Ilay nanao azy ho mafy orina, ary tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana.\" (Isaia 45:18)
Mitovy hevitra aminao aho amin\'io.
Ka alohan\'ny hahatanjona azy dia mila mazava amiko hoe inona ilay hatao any, tsara atao tanjona ve sa ve handaniana andro fotsiny nefa tsy hanova n\'inona n\'inona akory.

Ny fiainako dia tiako raha mahavita manova zavatra amin\'ny lafiny isan-karazany mampivelatra ny maha-fanahy ahy. Ka raha tsy hisy fivelarana ny any dia aoka aloha ny eto no atao izay mahasoa. Tsy misy mahamaika ny any ary mety tsy any aza ny tanjona.
Mitovy hevitra aminao aho amin\'io.
33. soanja
(
06/05/2010 13:35)
Mpanazava:
Hoy i Soanja
Ka alohan\'ny hahatanjona azy dia mila mazava amiko hoe inona ilay hatao any, tsara atao tanjona ve sa ve handaniana andro fotsiny nefa tsy hanova n\'inona n\'inona akory.
Ka ilay sujet mihitsy manko no DISO eto raha ny baiboly no resahana. Raha ilay edena taloha manko dia teto an-tany. Tsara dia tsara ny fikasan\'Andriamanitra momba ny tany dia ny hanitatra azy manontolo ho Paradisa. \"Fa izao no lazain\'i Jehovah, ilay mpamorona ny lanitra, Ilay tena Andriamanitra, ilay mpamolavola ny tany sy Mpanao azy, Ilay nanao azy ho mafy orina, ary tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana.\" (Isaia 45:18)
Tsy hoe Diso ny fiheverako azy fa ianao angamba no tsy mahavaly ny fanontaniana.
Tsy io fiadanana sy fahasambarana , fiarahana miriaria amin'ny biby rehetra na ny masiaka aza rehetra ampilaminana, miara-mihinana eo amin'ny latabatra masina miaraka amin'Andriamanitra, miara mifaly manompo/ mihira an'Andriamanitra sns sns ve no filazana any am-paradisa, sa tsy izay no ilazany azy rehefa miresaka an'io ny baiboly?
Dia hoy aho hoe DIA AHOANA?
34. Mpanazava
(
07/05/2010 13:56)
Tsy hoe Diso ny fiheverako azy fa ianao angamba no tsy mahavaly ny fanontaniana.
Avereno eto hoe azafady izany fanontaniana tsy voavaly izany.
Tsy io fiadanana sy fahasambarana , fiarahana miriaria amin'ny biby rehetra na ny masiaka aza rehetra ampilaminana, miara-mihinana eo amin'ny latabatra masina miaraka amin'Andriamanitra, miara mifaly manompo/ mihira an'Andriamanitra sns sns ve no filazana any am-paradisa, sa tsy izay no ilazany azy rehefa miresaka an'io ny baiboly?
Tsara ilay faniriana nefa hoy mihitsy i Jehovah tamin'ny mosesy :"Hoy koa Izy :"Tsy afaka mahita ny tavako ianao, satria tsy misy olona afaka mahita ahy ka ho velona ihany""" (Eksodosy 33:20) Nifampiresaka anefa ry zareo tamin'io.
Ny fahatakarantsika ny zavatra hitranga eto an-tany tsy ho ela no manampy antsika hahazo io fanontanianao. Vao ny fanesoran'Andriamanitra ny ratsy fanahy eto antany aloha efa tsy zakanao fa misy hafa koa ity, hesorina koa ireo Mpitondra rehetra misy eto amin'ity tany ity satria tsy nahavita namaha ny zava-manahirana sedrain'ny olombelona. Hoy i Daniela naminany izany " Amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo, dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra. Hotorotoroin'izy io sy ho foanany ireo fanjakana rehetra ireo fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra" (Daniela 2:44)
Koa raha soloina ny fanjakan'Andriamanitraary ny eto an-tany tsy ho voavahany daholo ve ny zava-manahirana. Veloma ny adilahy politika. Tsy tateraka ve ilay vavaka malaza nampianarin'i Jesosy hoe "ny ety an-tany ho tahaka ny an-danitra" sa miBLAG koa i Jesosy niteny an'io teny io t@ ireo mpianany fahiny?
Nasainy nivavaka toy izao isika "Ho tonga anie ny Fanjakanao, Ho atao anie ny sitraponao tahaka ny any an-danitra" (Matio 6:10)
35. soanja
(
07/05/2010 14:23)
Mpanazava:
Koa raha soloina ny fanjakan'Andriamanitraary ny eto an-tany tsy ho voavahany daholo ve ny zava-manahirana. Veloma ny adilahy politika. Tsy tateraka ve ilay vavaka malaza nampianarin'i Jesosy hoe "ny ety an-tany ho tahaka ny an-danitra" sa miBLAG koa i Jesosy niteny an'io teny io t@ ireo mpianany fahiny?
Asa re ny ho fahantanterahan'io? Tsy hinoako aloha raha ny eto an-tany. Saingy tsy vitsy koa ny fisian'ny olona manonofy ampitoerana eto an-tany.
Resaka ka atao hoy aho indraindray no inoanareo ao anaty baiboly ao. Olombelona toa antsika manana ny nofinofiny no nanoratra an'io ary samy manana izay hijerevany izay tiany hisy sy izay ho tiany ho Andriamaniny.
36. soanja
(
07/05/2010 14:25)
Ny faniriako dia ny tsy hiverina eto an-tany intsony rehefa maty ary ho foana ny momba ahy n'aiza n'aiza. Io no angatahiko amin'Andriamanitra mba ho Paradisako. Apetrako eo aminy izany fangatahako izany. Amen.
37. Mpanazava
(
12/05/2010 11:17)
Ny faniriako dia ny tsy hiverina eto an-tany intsony rehefa maty ary ho foana ny momba ahy n'aiza n'aiza. Io no angatahiko amin'Andriamanitra mba ho Paradisako. Apetrako eo aminy izany fangatahako izany. Amen.
Raha ny fanirianao aloha dia misy ampahany tateraka amin'ny olona maty ihany, ilay hoe "tsy hiverina eto an-tany intsony rehefa maty ary ho foana ny momba ahy n'aiza n'aiza". Lazain'ny baiboly manko fa niverina ho vovoka i Adama rehefa maty izy. Taiza izy talohan'ny nisiany? tany an-danitra ve sa...? VOVOKA ary tsy taiza tsy taiza. raha miverina ho vovoka ary izy dia manantateraka tsara io voalazanao io. Sady tsy afaka mitahy no tsy afaka manisy ratsy.
Mampalahelo anefa fa raha sanatria ka maty i Soanja alohan'ny hiavian'ilay famerenana ny tany amin'ny laoniny araka ny hitiavan'ny mpamorona azy dia tsy havelan'Andriamanitra ao ampasana ianao ka ho foana ny momba anao satria "hisy fitsanganan'ny marina sy tsy marina" hoy i Paoly ao amin'ny Asa24:15 ary anatin'izany ianao.
38. ikaretsaka
(
12/05/2010 12:58)
Amiko manokana dia tsy misy mahalala na 1 aza hoe hiverina eto an-tany rehefa any aoriana any na tsia afatsy Atra irery ihany.
Raha ekenao fa mpahary ny zavatra rehetra Atra, raha atolotrao sy ekenao fa Azy ianao, ary ekenao sy inoanao fa tsy misy tsy vitany... maninona no tsy ekenao ny possibilite an zany?

39. Mpanazava
(
12/05/2010 13:59)
Amiko manokana dia tsy misy mahalala na 1 aza hoe hiverina eto an-tany rehefa any aoriana any na tsia afatsy Atra irery ihany.
Marina ny teninao hoe afa-tsy Atra irery, ary raha noresahany ao amin'ny teniny ary izay hiafarantsika, mbola tsy hahalala ihany ve isika sa tsy mahatoky izay lazainy?
40. soanja
(
12/05/2010 14:59)
Mpanazava:
Mampalahelo anefa fa raha sanatria ka maty i Soanja alohan'ny hiavian'ilay famerenana ny tany amin'ny laoniny araka ny hitiavan'ny mpamorona azy dia tsy havelan'Andriamanitra ao ampasana ianao ka ho foana ny momba anao satria "hisy fitsanganan'ny marina sy tsy marina" hoy i Paoly ao amin'ny Asa24:15 ary anatin'izany ianao.
Ny ahy dia izay sitrak'Andriamanitra dia ho tiako avokoa saingy raha ny faniriako dia tsy hisy intsony ny momba ahy , indrindra ka raha misy idiran'ny olombelona e, biby e, sns sns .....
Ampy ahy ny lalako ary nahafapo izay efa nisy. Isaorako Andriamanitra.