Finoana inona no ahitana fitoniana/ filaminan-tsaina?

61. Ratoa ( 27/04/2010 15:23)
tena tahotra ilay manambady finoana hafa ka manara bady le vehivavy e
Efa voalaza etsy ambony fa ny silamo dia mino fa ny azy no tsara indrindra ka tsy ilaina miova izany ny vehivavysilamo fa ny lhl hafa finoana no tereny hiova, dia misy miova, misy mandainga.
Tsy tahotra izany ry ika, ambo-po. indrindra ho an'ny lahy sy ny havan'ny lahy.
ny vhv tsy dia mametraka io olana io laotra. Fa tonga izy dia miova miaraka amin'ny vadiny. Misy vitsy ihany mitany ny finoany satria an'isan'ny maha izy (personne) azy iny, tahaka ny anarana. Misy mitondra anaram-bady, misy tsy mitondra , oha. i_ Lila Ratsifandriamanana tsy mitondra nanaram-bady.
Izay koa iay finoana (religion: ce qui relie) io no tena mampiray ny mpino amin'ny havany. Manary an'io toa manary ny havan'ny tena.
Averiko indray fa betsaka ny vhv miova fioana, ny lhl vitsy foana fa misy koa.
62. soanja ( 27/04/2010 16:06)
Tsy ny Silamo irery no hitako milaza ny finoany ho tsara indrindra raha ny fahitako azy fa matoa betsaka ny mitory teny sy mamafy sns sns dia mino aho fa izay koa no fiheviny.
63. ikaretsaka ( 27/04/2010 17:44)
soanja:

Tsy ny Silamo irery no hitako milaza ny finoany ho tsara indrindra raha ny fahitako azy fa matoa betsaka ny mitory teny sy mamafy sns sns dia mino aho fa izay koa no fiheviny.

Mitovy hevitra

64. ravonjison ( 28/04/2010 07:52)



"......Ka izay tia sy zatra paiso dia mazava fa tsy maintsy hanatsara ny paiso , ary hanaratsy ny paoma. Ary ilay fanaratsiana dia mody atao ankolaka sy miampy diplomatie , mba tsy ahatezitra ny sasany....."
65. ikaretsaka ( 28/04/2010 11:18)
Misy manao an'io mahitsy koa ravonji a..le any irlande sy nigeria ireny ohatra..rehefa tsy ohatra azy dia vonoiny
66. Mpanazava ( 03/05/2010 07:11)
Hoy i ikaretsaka
Ngamba ny fianaranao lalindalina any @ ny centre no afaka mamaly ireo remarque anao nohon'ny miandry izay taterin'i Soanja fotsiny.
Any mety hananao idee misimisy kokoa... sa misy zavatra atahoranao ny mankany?

Izaho izao ohatra Kristianina Katolika , kanefa fa raha te hahafantatra momban'ny "mpiandry sy ny inoany sy ny ataony ahako dia fantatro fa tsy ho ampy izay hotaterin'i mompera momba izany na nianatra sy namaky boky momba izany aza izy... fa naleoko nandeha tany @ toby mijery akaiky, raha te hahalala ny Mormons sy ny Franc macons sy nysilamo , ny Hindou ny Baha'i mpanompo doany sy ny resaka paranormaux sns, eny fa na ireo Congregations maro ao @ Kato aza (carmelites, franciscains, Jesuites, Dominicains...) ahako dia mandeha any mijery .


Tsara sy misaotra amin'ilay fanampim-"panazavana" saingy tsy voatery ho any vao hahafantatra an'izany. afaka manampy ny soratra masina ary eo koa ny namana, ny technologie sy ny maro hafa.
67. ikaretsaka ( 03/05/2010 14:35)
ka mazava ho azy fa raha lehibe tao @ tontolon-sekta anao ianao ianao ka manadihady ny ivelan'io sekta io nefa ilay bokin-tsektanao ihany no ampiasainao, dia tsy maintsy ho fanindraindrana ilay anao foana no mandeha ary fanaratsiana ny sasany...
tsy misy hafa @ hoe ao Ao korea avaratra ianao dia boky sy teknolojia kominista sns no ianaranao ny politika sy ny mitranga ao korea atsimo...
-> tsy handroso mihitsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1985