Finoana inona no ahitana fitoniana/ filaminan-tsaina?

41. rijadolly ( 22/04/2010 19:33)
Rakapy:
Rijadoly> ohatra ny asarotinao be izany ilay resaka. Amiko rehefa miteny hoe jesosy ianao dia ilay kristy ihany io. Raha miteny hoe A/tra na Allah na Jeovah, Zanahary ianao dia ilay namorona ny univers izay sa misy anarana hafa koa?
Samy nanantena an' io Kristy io daholo ka, fa ny hoe tsy mbola tonga fa mbola iandrasana sy ny hoe efa tonga fa ho avy indray no maha samy hafa azy.
Rakapy:
Amiko rehefa miteny hoe jesosy ianao dia ilay kristy ihany io
Io indrindra no tsy zakan' sasany izay tiako lazaina fa misaotra an' se nanamafy.

Ika >>>> HONO? ihihihi! :-D :-D :-D :-D
Ika a! tsy hitan' se HS be ve tsika? vaomaika alefan' se any @ tsy izy ihany ilay resaka.
42. ikaretsaka ( 22/04/2010 19:55)
ko ianona no nandraraka sira teo ko :-D

fa miverina @ sobjektra sy ny atiribotra ary za

Amiko dia izay handefasan'Atra anao, sy ny fahaizana manaiky an'iny no ahitana filaminan-tsaina tsotra indrindra..
na tsy azonao eo no ho eo aza ny dikan'iny "iraka iny" na tsy ekeken'ny sainao eo no ho eo aza...

Io no antsoina hoe "manondraka". Ny zavatra efa misy no tiako hohitanareo sy havoitra aminareo rehetra hoe isika no mihevitra fa Andriamanitra no mandahatra. Efa any amin'ny rehetra any ny karazam-pinoana isan-karazany ary sokafy ny maso fa tsy ankanavaka ny fisian'Andriamanitra amin'ireo rehetra ireo.

Raha milamina ianao dia ny hafa koa mahita filaminana sy fitoniana toa anao any an-kafa!



43. soanja ( 23/04/2010 00:23)
[quote=rijadolly]
]Nefa anie ryu Soanja ka mino ny fisian\' Kristy izireo, ka nahoana miteny antsika hoe Kristianina ry zareo?
[/color]




Misy tsy azon'i Rijadolly kely ny hevitro.

I Jesoa na i Isa (Fiantsoan'i Silamo azy) dia Mpaminany, izay nitondra ny hafatr'Andriamanitra ho an'ny vahoakan'i Israel. Izy dia naterak'i Maria Virijiny ary tsy novonoina na nohombohina izy na nitsangana tamin'ny maty akory fa niakatra velona any an-danitra. Rehefa ho akaiky ny andron'ny fitsarana dia hiverina ety ambonin'ny tany Izy. Tsy Andriamanitra na zanak'Andriamanitra kosa i ISA ary fady sy tsy ao anatin'ny finoan'i Silamo ny fampifandraisana ny Andriamanitra amin'ny hoe zanaka sns sns satria TOKANA Andriamanitra.
Araka ny Silamo ihany dia Silamo i Jesoa satria izy dia mitaky ny olombelona hanaraka ny didin'AndriamanitraBold text. Izay no maha-Silamo ny Silamo.

Io ambony io izany no fahitan'i Silamo an'i Jesoa. Aoka handiso ahy izay Silamo ato fa tsy Silamo akory aho fa nianatra monba izany ka mety mandiso be dia be aho amin'ny fahaizako.

"Olon'ny Boky" no fiantson'i Silamo antsika Xtianina satria ny ao anaty boky no voizintsika lava sy lazaina. Rehefa milaza isika fa Xtinina dia izay no koa no iantsoany antsika izany. Fa izy dia tsy mahalala izay Kristy fa raha misy izay dia mbola ho avy. Mino ny "Anti-Krist" koa anefa izy ireo izay mbola ho avy koa.

Ny an'i Silamo anefa dia ny fitondra-tena sy ny zavatra atao ary ny fihetsika rehetra no mitondra ny fanetretena eo anatrehan'i Allah= Andriamanitra no imasoany.

44. soanja ( 23/04/2010 00:26)
I Mpanazava namana Bold texteto no tiako nametrahako ny fanontaniana hoe aminy

Andriamanitra ve i Jesoa?
45. soanja ( 23/04/2010 00:34)
Tsy Jehovah izany mihitsy no anaran'Andriamanitra ka. Tsy hay vakiana ny anarany hoy ny Ivrity na ireo Jiosy niteny hebreo mahalala izany teny izany. Izay no mahatonga ny hoe "Ilay tsy Tononina" no iantsoan-dry zareo azy.

I Jesoa dia mbola tsy nanonona izay Jehovah zany mihitsy fa "Raiko" no teneniny. Eli dia midika hoe "Ilay Av Indrindra" "Ilay tsy Toha" "Ilay tsy manapataperana ny fahefany" na tsotra izao midika "Andriamanitra"
46. Ratoa ( 23/04/2010 00:59)
Olon'ny Boky" no fiantson'i Silamo antsika Xtianina
tsy ny kridtiana ihany fa ny jiosy sy ny silamo koa no atao hoe olon'ny boky ka. Satria miraikitra anaty boky "révélé" ary "religions évélées" izy telo ireo. Mahazo manambady ireo ny silamo. Izy anefa dia mandrara ny zanany vavy tsy hanambady jiosy na kristiana satria araky ny fombany sy ny finoany dia manara-dahy ny vavy dia miova finoana izany. Zareo anefa mino fa ny finoany no tsara indrindra. Nisy namako ejipsiana nanontany ahy hoe: "nahoana ianao no tsy nifidy fivavahana tsaratsara kokoa?". Ahoana moa izany hoy aho.
"Tsara ny finoanao hoy izy. Ianao koa mivavaka sy manaja ny olona hafa finoana noho ianao ka izay no anontaniako hoe maninona ianao no tsy nifidy fivavahana tsaratsara kokoa."
Fitsapana sy fanandramana hanova ahy ho silamo io.

Fa ny fanontaniana
Finoana inona no ahitana fitoniana/ filaminan-tsaina?
tsy misy fitsipika ny amin'io fa miankina amin'ny tsiraray sy ny "feeling"-ny io.
47. soanja ( 23/04/2010 15:27)
Ratoa:

Olon'ny Boky" no fiantson'i Silamo antsika Xtianina
tsy ny kridtiana ihany fa ny jiosy sy ny silamo koa no atao hoe olon'ny boky ka. Satria miraikitra anaty boky "révélé" ary "religions évélées" izy telo ireo.


Fa ny fanontaniana
Finoana inona no ahitana fitoniana/ filaminan-tsaina?
tsy misy fitsipika ny amin'io fa miankina amin'ny tsiraray sy ny "feeling"-ny io.



Ireo finoana telo ireo tokoa no mino amin'ny alalan'ny soratra/ teny araka io volazanao io. Saingy ry zareo Silamo no miantso antsika Xtianina sy ny Jiosy hoe "Ireo olon'ny Boky" raha ny fahaizako azy. Ny Jiosy efa misy filazany azy manokana koa fa tsy teneniko eto.

Izay tokoa ry Ratoa no tiako ambara amin'io lohateny io fa tsy miankina hoe ity no finoana tsara indrindra fa inona no mandaitra aminao? Aiza no misy fitoniana ho anao amin'ireo finoana misy eran-tany. Izay amiko no tokony hanajana lalandava ny finoan'ny hafa satria tsy mitovy isika olombelona.


48. ikaretsaka ( 23/04/2010 21:18)
Ahiako ho samihafa angamba ilay fiheverana sy fandraisana ny dikan'ny nyhoe "Olon'ny boky" araka ny (soanja sy ratoa )
ka afaka mamelabelatr sy mamaritra misymisy kokoa ave izay manam-pandavana aminareo 2?

Ny an'i Ratoa manko toa hoe vokatr'ilay hoe mi se baser @ na zavatra noraiketina t@ boky(baiboly sy torah) no maha olon'ny boky raha azoko tsara
ny an'i Soanja toa tsy izay le famaritana...
49. soanja ( 24/04/2010 13:17)
ikaretsaka:

Ahiako ho samihafa angamba ilay fiheverana sy fandraisana ny dikan'ny nyhoe "Olon'ny boky" araka ny (soanja sy ratoa )
ka afaka mamelabelatr sy mamaritra misymisy kokoa ave izay manam-pandavana aminareo 2?

Ny an'i Ratoa manko toa hoe vokatr'ilay hoe mi se baser @ na zavatra noraiketina t@ boky(baiboly sy torah) no maha olon'ny boky raha azoko tsara
ny an'i Soanja toa tsy izay le famaritana...



Araka ny fihevitry ny Silamo maha-Olon'i Boky ny Xtianina dia satria ny "soratra/ teny ao anatin'ny boky Baiboly " ny an'i Xtianina no zava-dehibe ary iny foana no averimberina na "fafazana" na "toriana ny Teny" na lazaina rehefa miresaka finoana sy mifandray amin'Andriamanitra.

Ny azy indray dia ny fitondratenaBold text no zava-dehibe, satria io no ametrahana ny rehetra (total submission) amin'Andriamanitra. Ka n'inona n'inona ataony dia efa misy didy arahina isanandro, fombafomba atao (fidiovana, akanjo anaoavana) ka isan'izany ny fivavahana matetika amin'i Allah sy ny fanomezana izay foy ho an'ny mahantra amin'ny andro zoma.

Zany hoe afaka mifandray amin'Andriamanitra ny Mpino Silamo iray isaminitra ohatra aminy tsy voatery hisy boky Coran eo akaikiny. Iny mantsy ny Imam no tena mampiasa an'iny hampianarana ny hafa.

Izay no fahaizako azy anefa fa tsy mboila tena niaina tany amin'ny tany Arabo ny tenako fa tany Araboarabo.


:D
50. soanja ( 24/04/2010 13:20)
Raha ny fahitako azy izany dia izy ireo mety mihevitra hoe "Ny anareo vakiteny lava no atao fa ny anay ny fiainanay mihitsy no an'Andriamanitra" asa anefa....
51. ikaretsaka ( 24/04/2010 17:10)
hay ve.. dia izao ary... mba fantatr'i soanja moa ny nahatonga ny gasy hiantso hoe "karana" ny Indo pakistanais (na Hindu aza ny "karana sasany"?)

satria vokatr'ilay izy mi se referer foana @ hoe: satria izao no voalazan'ny Q'ran
dia azon'ny gasy ary le hoe "karana karana"... de rehefa bory satroka de "karana izy izay"


ary mety izany koa angamba no nahatonga azy ireo niantso ny Kristianina hoe olon'ny boky... satria rehefa hitany ny ataony ka manontany ry zareo de mety voavaly koa hoe satria hoy ny "baiboly hoe"
Iza no mahalala raah any ananona any "toy ny gasy miantso ny karana ho karana" dia misy foko hafa miantso ny Kristianina hoe "beboly" na "babaly" na "boboly" tsy haiko

fa izany anecdote sy eritreritra sendra mandalo ihany ...

--> fa ny tiako hahatongavana de hoe: iza ihany izany no tena olon'ny boky?
52. soanja ( 24/04/2010 19:06)
ikaretsaka:

hay ve.. dia izao ary... mba fantatr'i soanja moa ny nahatonga ny gasy hiantso hoe "karana" ny Indo pakistanais (na Hindu aza ny "karana sasany"?)

satria vokatr'ilay izy mi se referer foana @ hoe: satria izao no voalazan'ny Q'ran
dia azon'ny gasy ary le hoe "karana karana"... de rehefa bory satroka de "karana izy izay"


ary mety izany koa angamba no nahatonga azy ireo niantso ny Kristianina hoe olon'ny boky... satria rehefa hitany ny ataony ka manontany ry zareo de mety voavaly koa hoe satria hoy ny "baiboly hoe"
Iza no mahalala raah any ananona any "toy ny gasy miantso ny karana ho karana" dia misy foko hafa miantso ny Kristianina hoe "beboly" na "babaly" na "boboly" tsy haiko

fa izany anecdote sy eritreritra sendra mandalo ihany ...

--> fa ny tiako hahatongavana de hoe: iza ihany izany no tena olon'ny boky?


Kiaka zay le resaka "karana " io tsy arako mitsy. Misoatra nilaza Ika.

Agnay teny Diego aloha dia " bibla" no fiteninay azy. kIndraindra koa beboly koa.

Asa re fa samy olon'ny boky aby raha ny fahitako azy maso tsy miangatra.




53. Ratoa ( 24/04/2010 21:47)
Ny ataon'ny silamo hoe olon'ny boky dia ireo olona miaina sy manaraka fivavahana voaraikitra anaty boky izay mirakitra ny bitsik'Andriamanitra. Ny fomba fanompoana rehetra sy ny hevitra sy lalàna napetrak' Andriamanitra dia voaraikitra antin'io boky io. Tsy teny na lalàna noforonin'ny olombelona novoraikitra ao fa bitsika avy amin'Andriamanitra na koa tenin'Andriamitra. Mino koa izy fa Andriamanitra iray ihany no ivavahan'ny mpanaraka ireo finoana telo ireo. Saingy ny iray fiandohana, ny faharoa fanohizana sady fananatsarana, ary fahatelo koa toa izay.
Zava -dehibe amin-dry zaroe silamo io fanamaritana io satria ny lehilahy amin-dry zareo dia mahazo manambady olon'ny boky. Tsy voatery hiala ami'ny fivavahany ravhv olon'ny boky manambady silamo satria ekeny fa tenin'Andriamanitra sy hafatra ary lalàna no voaraikitra anaty Baiboly sy Thora. Haingam-panahy avy amin'Andriamanitra izany no mibaiko ireo olon'ny boky ka tokony hajaina.
Ry zareo silamo anefa dia mino fa ny finoan-dry zareo sy ny fivavahan-dry zareo no tsara indrindra satria ny azy no vao "révélée vao haingana indrindra" ka tonga hanatsara ny voalazan'ny Thora, izay zokin'ny Baiboly indrindra fa ny testamenta vaovao, ary hanatsara ny voalazan'ny baiboly izay zokin'ny Coran.

Ny vehivavy silamo anefa dia raràna tsy hanambady olona hafa finoana, satria ny vehivavy dia manara-bady . Ka raha manambady lehilahy kristianina izy, ohatra, dia manambady olona mino zavatra efa nihoaran'ny tantara ary araky ilay lôjika etsy ambony, dia tokony hiova ho Xtiana na jiosy ets...ets..Izy. Miverina ny lalana izany aminy. Tsy azo hatao ny manao dia mianaotra.

Raha tena tapakevitra anefa izy roa fa hivady sy hanorona tokatrano sy taranaka dia amporisihana i ralhl hiova ho silamo. Misy ny tena mivadika ary misy koa ny mody mivadika dia rehefa ela ela dia miverina amin'ny finoany .
Ireto finoana telo ireto izany dia samy finoana voambaran'Andriamanitra mivantana amin'ny olombelona.

Ny christianisme, ny judaïsme sy ny islam dia samy religion révélée, voarakitra anaty boky.
54. ikaretsaka ( 24/04/2010 23:48)
fa inona no tena tahotra ilay manambady finoana hafa ka manara bady le vehivavy e
55. ravonjison ( 26/04/2010 15:13)


\" Finoana inona no ahitana fitoniana/ filaminan-tsaina? \"

Raha io fanontaniana io no nahitana valiny mahafapo sy mazava dia efa maty daholo angamba ny finoana sasany izay tsy nahitana fitoniana sy filaminan-tsaina, fa ilay finoana nahitana fitoniana sy filaminan-tsaina ihany no tafajanona teo ( satria azo lazaina fa tena tsara ).
Tsy izay anefa ny zava-misy , fa matoa mbola mijoro daholo ny finoana sasany , misy ny fiovana finoana etsy tsy eroa, fitadiavana ny mety ho tena tsara, dia mazava fa ireo finoana rehetra ireo dia samy manana ny mahaizy azy , ary koa manana ny kilemany, izay lazaina fa tsy kileman\' ilay finoana io fa kosa kileman\' ny olona mampiatra azy , na koa hoe fandikana diso ilay finoana, na hoe tsy fahazoana ilay finoana.

Ka raha hiverina @ ireo finoana telo voalaza etsy ambony aho ( monoteisme: christianisme, ny judaïsme sy ny islam ), dia samy olon\' ny boky daholo ny olona ao @ ireo finoana telo ireo. Andramo dorana ange ny baiboly , na ny Coran , na ny Torah, samy mipenipenina sy mitatatata daholo ireo @ izay ( experience ananantsika iny t@ androny \' i Ranavalona I ).
Samy ahazoana fitoniana sy filaminan-tsaina daholo izy telo ireo...ary koa samy mametraka olana eo @ tsirairay na ny fiaraha-monina daholo koa.

Ny filazan\' ny silamo fa olon\' ny boky ny kristianina satria mi -baser loatra ny ao @ baiboly, ny silamo kosa tsy olon\' ny boky satria miaina @ fiainana andavanadro ny finoany, dia raisiko ho fanakianana toy ny rehetra , sy fanatsarana ny islam ihany izany. Mi-comprendre aho e, samy te hanatsra ny finoany daholo. Ny kristianina, ny silamo , na jiosy dia samy miaina ny finoany @ fiainana andavanandro daholo, ary koa samy mi-baser ny ao anaty boky daholo ny fanaovany izany.

Io izany dia toy ny hoe : nisy notezaina t@ paoma , na koa nanandrana poma satria io ihany no misy eo antokotany, ary dia zatra, nefa koa mety lasa leo tatý aoriana. Avy ao anefa nisy nanome azy paiso, mety lasa tiany kokoa ilay paiso, mety kosa tena tsy tiany. Rehefa avy nanandrana paiso izy, dia afaka mifidy hoe iza @ ireo voankazo roa ireo no tena tiany. Mazava anefa fa mitovitovy ny poma sy ny paiso ( samy voankazo sy zavamaniry , ary boribory), fa kosa ny \" valeur nutritif -ny sy ny tsirony dia samy hafa. Noho izany samihafa ny fahafinaretana sy ny tombotsoa ara-pahasalamana azonao avy @ izy roa ireo.
Ka izay tia sy zatra paiso dia mazava fa tsy maintsy hanatsara ny paiso , ary hanaratsy ny paoma. Ary ilay fanaratsiana dia mody atao ankolaka sy miampy diplomatie , mba tsy ahatezitra ny sasany.

56. soanja ( 27/04/2010 03:49)
Afaka mahita fitoniana sy filamanan-tsaina koa anie na dia tsy miaina ao anaty finoana aza.

Ny valiny aloha amiko dia hoe izay mifanaraka aminao ilay olombelona miaina azy.

Ny fitakian'ny fanahy dia tsy avy ety ivelany amiko fa zavatra mipololoitra avy any anaty. Ka raha tojo izany fitakiana mahafapo izany ilay olona dia milamina izy.

57. Mpanazava ( 27/04/2010 13:25)
Hoy i Soanja :
Raha te hianatra lalindalina momba ny finoana Silamo i Mpanazava dia lazao aho fa afaka manoro anao toerana aleha na ao Mada na any an-dafy hafa.


Raha finoana silamo, raha mahay 100% ianao, afaka miresaka tsara ihany isika.

Ny hany azoko atoro anao izao fotsiny dia i Abrahama no ifandraisantsika Xtinina sy ny Silamo. Ny Andriamanitr'i Abrahama no tompoin'i Silamo. Io no Allah. Koa raha iza no Andriamanitr'i Abrahama ry Mpanazava??? .


Sao dia tsy hainao ny sens ny hoe "allah" sy ny mampiavaka azy io @ Andriamanitr'i Abrahama

58. Mpanazava ( 27/04/2010 13:56)
Hoy i Soanja:
I Mpanazava namana Bold texteto no tiako nametrahako ny fanontaniana hoe aminy

Andriamanitra ve i Jesoa?


Inona no tian'i Soanja lazaina, Ilay Rainy ihany ve izy sa hafa mihitsy, Zanak'Andriamanitra izy amiko, zanaka biby moa tsy biby ary zanak'olona moa tsy olona? Ary iza no nisy taloha ilay ray ve sa ilay zanaka sa miaraka teraka. azonao angamba no tiako ambara.

Tsy Jehovah izany mihitsy no anaran'Andriamanitra ka. Tsy hay vakiana ny anarany hoy ny Ivrity na ireo Jiosy niteny hebreo mahalala izany teny izany. Izay no mahatonga ny hoe "Ilay tsy Tononina" no iantsoan-dry zareo azy.


Ary rehefa nanontany an'ilay Andriamanitra momba ny anarany i Mosesy rehefa nirahina hanafaka ny vahoakan'israely nafahana tany Egypte, tsy nambaran'Andriamanitra ve ny anarany. Hita ao @ Coran koa manko io tenin'Andriamanitra io.

Hoy ny Rom 10:13, "Izay miantso ny anaran'i Jehovah no hovonjena" (Anaran'ny Tompo @ Baiboly Katolika) Koa raha tsy hay vakina ny anarany ry Soanja, ho misy voavojy ve?

Kay ve izany mi BLAG i Kristy @ Soanja rehefa nilaza hoe : "[Nivavaka toy izao tamin'ny Rainy i Jesosy] : "Efa nampahafantariko azy [ny mpianany] ny anaranao, ary mbola ampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fiiavana izay nitiavanao Ahy, ary izao koa ho ao aminy" (Jaona 17:26)
59. ikaretsaka ( 27/04/2010 14:15)
Mba fanampim-"panazavana" ho an'i Mpanazava (hafatra 56)
Ngamba ny fianaranao lalindalina any @ ny centre no afaka mamaly ireo remarque anao nohon'ny miandry izay taterin'i Soanja fotsiny.
Any mety hananao idee misimisy kokoa... sa misy zavatra atahoranao ny mankany?

Izaho izao ohatra Kristianina Katolika , kanefa fa raha te hahafantatra momban'ny "mpiandry sy ny inoany sy ny ataony ahako dia fantatro fa tsy ho ampy izay hotaterin'i mompera momba izany na nianatra sy namaky boky momba izany aza izy... fa naleoko nandeha tany @ toby mijery akaiky, raha te hahalala ny Mormons sy ny Franc macons sy nysilamo , ny Hindou ny Baha'i mpanompo doany sy ny resaka paranormaux sns, eny fa na ireo Congregations maro ao @ Kato aza (carmelites, franciscains, Jesuites, Dominicains...) ahako dia mandeha any mijery .
Izany akory tsy mampiova izay finoana efa maha izaho anahako fa kosa manampy bebe kokoa hahitako hoe ohatran zao kay ny manodidina anahako
60. ikaretsaka ( 27/04/2010 14:26)
Hoy ny Rom 10:13, "Izay miantso ny anaran'i Jehovah no hovonjena" (Anaran'ny Tompo @ Baiboly Katolika) Koa raha tsy hay vakina ny anarany ry Soanja, ho misy voavojy ve


Aoka hazava fa tsy ny Romanina aloha no niteny an'io fa i Paoly!:wink: Tsy nanoratra ny Romanina fa taratasy nosoratana ka sao hitolila eo indray ny resaka

Tsy i Jehovah mihitsy no nosoratan'i Paoly tao (izay no nahatonga ny katolika nanova azy hoe Tompo) fa teny hafa (ho on kai ho en kai ho erchomenos) izay mbola mampifanditra ny Theologiens mpandika teny na avy @ teny Grika na latinina hoe inona no teny mendrika kokoa afaka handikana azy teny "vernacular" (=tenim-pirenena)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0814