Finoana inona no ahitana fitoniana/ filaminan-tsaina?

21. rakapy ( 21/04/2010 13:07)
Hoy i xxx 19
Tsy marina io ! Ny version no tsy mitovy fa ny voalaza dia iray ihany, raha Baiboly Krisitana ny lazainao

Misy nanalana sy nanampiana ao , midika izany fa tsy mitovy
Hoy ixxx 19

Jehovah no andriamanitry ny Israely hoy ny Baiboly

andriamanitra : nom commun
Jehovah : anaran-tsamirery

Amiko dia iray ihany ireo tanisainao ireo fa fomba fanodinana resaka no betsaka. Ary tsy misy importance ny anarana fa rehefa fantatrao ny tiana tenenina dia izay no izy.
22. soanja ( 21/04/2010 13:22)
Sady ny Jiosy na ireo mino ny Torah sy ny boky hafa dia tsy manonona izany Jehovah, Yaveh sns sns izany mihitsy fa "Ilay Tsy Tononina" no fiantsoany an'Andriamanitra. Satria ilay anarana mihitsy no saro-bakiana moa i Andriamanitra niteny hoe tsy azo tononina ny anaraNy.
23. rijadolly ( 21/04/2010 15:08)
Finoana inona no ahitana fitoniana/ filaminan-tsaina?

Amiko manokana dia mitovy hevitra am' Mandefitra aho. efa notantaraiko teto ny finjoroako vavolombelona, izay izaho mihitsy no nisehoany fa tsy notantarain' olona fa raha tsy izany dia lasa lovatsofina ihany.
Ny karazana finoana rehera ka mino an' Andriamanitry Abrama, Isaka, Jakoba,..dia tsy misy tsy mahalala fa misy Kristy dia ilay Andriamanitra tonga Nofo hanavotra sy hanafaka ny zanak' olombelona izay very tsy ho andevo.
Noho izany izay tsy manana an' io Kristy io dia saritsarin' fahafahana, saritsarina fiadanana ihany satria samy manaiky ny mpino an' Andriamanitra erantany fa IZY no lalana mitondra @iny lalana iny.
24. rakapy ( 21/04/2010 15:17)
Hoy i Rijadoly
Ny karazana finoana rehera ka mino an' Andriamanitry Abrama, Isaka, Jakoba,..dia tsy misy tsy mahalala fa misy Kristy dia ilay Andriamanitra tonga Nofo hanavotra sy hanafaka ny zanak' olombelona izay very tsy ho andevo.
Noho izany izay tsy manana an' io Kristy io dia saritsarin' fahafahana, saritsarina fiadanana ihany satria samy manaiky ny mpino an' Andriamanitra erantany fa IZY no lalana mitondra @iny lalana iny

Dia ahoana izany ny silamo, izay mino ny A/try Abrahama nefa tsy mino fa i jesosy dia A/tra fa mpaminany ?
25. niryna ( 21/04/2010 15:35)

Finoana inona no ahitana fitoniana/ filaminan-tsaina?

any amin'i kristy irery: Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no anome anareo fitsaharana
Ny olona manana an'i kristy dia manana fifaliana lavitra ary mampiseho izay fifaliana izany amin'ny mpiara-monina aminy:ny fitiavana,ny fizarana ho fijorona vavolombelona tsy resaka na angano fa nandalovana tamin'ny fiainana ka dia zaraina ho voninahitr'ilay Atra
rijadolly:

Amiko manokana dia mitovy hevitra am' Mandefitra aho.

miombokevitra aminareo roa lahy koa aho
rijadolly:

efa notantaraiko teto ny finjoroako vavolombelona, izay izaho mihitsy no nisehoany fa tsy notantarain' olona fa raha tsy izany dia lasa lovatsofina ihany.
aleloia,deraina anie ny Anarany Masina,nomeny anao ny teny dia nozarainao fa tsy nataonao tao ambata na honohono fotsiny .Itovizana io ,efa betsaka izay fijoroako vavolombelona izay fa Atra irery no afaka anova ny fon'izay mbola tsy mino azy

Ny karazana finoana rehera ka mino an' Andriamanitry Abrama, Isaka, Jakoba,..dia tsy misy tsy mahalala fa misy Kristy dia ilay Andriamanitra tonga Nofo hanavotra sy hanafaka ny zanak' olombelona izay very tsy ho andevo.
+1 ekena tanteraka
rijadolly:
[/color=red]
Noho izany izay tsy manana an' io Kristy io dia saritsarin' fahafahana, saritsarina fiadanana ihany satria samy manaiky ny mpino an' Andriamanitra erantany fa IZY no lalana mitondra @iny lalana iny.[/color]
miombokevitra aminao koa aho

=D> ^:^ ^:^
26. soanja ( 21/04/2010 16:58)
rijadolly:

Finoana inona no ahitana fitoniana/ filaminan-tsaina?

Amiko manokana dia mitovy hevitra am' Mandefitra aho. efa notantaraiko teto ny finjoroako vavolombelona, izay izaho mihitsy no nisehoany fa tsy notantarain' olona fa raha tsy izany dia lasa lovatsofina ihany.
Ny karazana finoana rehera ka mino an' Andriamanitry Abrama, Isaka, Jakoba,..dia tsy misy tsy mahalala fa misy Kristy dia ilay Andriamanitra tonga Nofo hanavotra sy hanafaka ny zanak' olombelona izay very tsy ho andevo.
Noho izany izay tsy manana an' io Kristy io dia saritsarin' fahafahana, saritsarina fiadanana ihany satria samy manaiky ny mpino an' Andriamanitra erantany fa IZY no lalana mitondra @iny lalana iny.

Averiko aminao ihany izany ny fanontaniana ery ambony.

Mino an'i Yaveh ve ianao sa mino an'i Allah?

Izay ilay resaka. I Yaveh izay resahin'ny namana dia Anaran'Andriamanitra ao amin'i Jiosy. Io anefa tsy azo tononina toy izany fa mandiso satria Izy niteny mihisty fa tsy azo tononina ny anarany.

i Allah anefa dia mazava koa amin'i Silamo fa ilay Andriamanitra Abrahama. IBRAHIM no fiantsony azy ao raha tsy diso aho. Ka akory I Allah= Andriamanitra.

I JESOA dia voatonona tsara ao amin'i Coran ary Izy dia mpaminany isany lehibe ho an'i Silamo.

Tsy Andriamanitra = Allah KOSA aloha i Jesoa amin'izy ireo. Hafa I Allah. Ilay namana mpanazava koa toa tsy mamaly ny fanontaniako ery ambony

JESOA ve = ANDRIAMANITRA? Io no andrasako aminy.

27. soanja ( 21/04/2010 17:03)
niryna:

Finoana inona no ahitana fitoniana/ filaminan-tsaina?

any amin'i kristy irery: Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no anome anareo fitsaharana
Ny olona manana an'i kristy dia manana fifaliana lavitra ary mampiseho izay fifaliana izany amin'ny mpiara-monina aminy:ny fitiavana,ny fizarana ho fijorona vavolombelona tsy resaka na angano fa nandalovana tamin'ny fiainana ka dia zaraina ho voninahitr'ilay Atra
[quote=rijadolly]

Dia milaza an'io koa i hafatr'i Allah ao anaty Coran.

Betsaka tokoa ireo Mpino isan-tokony sambatra sy milamina. Ary izay no mahatsara ny finoana.

PS: Nony natao ny Statistika dia ry zareo avy any Tibet no mahatsiaro sambatra sy tony indrindra (happy) amin'olona eto ambonin'ny tany. Ndana jereo anie hoe firy % ny Kristianina any?

Ireo vehivavy be dia mifandray amiko Xtianina ao Mada dia mijaly sy ory avokoa amin'izay misy azy na fanambadiana na fivelomana na hafa mampalahelo tokoa. Ny ankamaroan'ireo dia ao Antananarivo ao ary 100% Xtianina. Aoka hijery akaiky ilay olana e!

28. rakapy ( 21/04/2010 18:18)
Hoy i Niryna
Voalaza teo :
Finoana inona no ahitana fitoniana/ filaminan-tsaina?

any amin'i kristy irery:

Porofoy hoe!
29. ikaretsaka ( 21/04/2010 20:24)
Amiko dia tsy hoe ity sy iry loatra no milamina sy tsy milamina..fa ny FOMBA entin'ilay mivoy an'iny amin'ilay olona ivoizany....
Raha kristianisma ohatra no voizinao nefa ampitahorinao ny olona hoe raha vao tsy zao ianao de zao no hanjo... dia tsy hilamina mihitsy ny sainy fa sous pression foana
Na silamo no voizinao
Na bodista
Na jodaisma na inona
30. Hinagasy ( 21/04/2010 22:10)
Raha hamaly ilay fanontaniana aho hoe finoana inona no ahitana fitoniana dia io arakaraky ny olona, mety ny culture-ny koa na arakaraky ny tany misy azy.

Tena misy olona mananana fitoniana saina amin'ny maha-kristianina azy ary misy ireo mijoro vavolombelona noho izany na eto amin'ity tranonkala ity fotsiny aza, kanefa tokony samy hanaiky fa any ankafa any koa misy olona manana fiadanantsaina ary filaminantsaina amin'ny maha silamo azy, aminy maha boudhiste azy, amin'ny fananany finoana hafa etc...

Tsy voatery hoe mety amiko dia midika fa mety aminao ary tereko hety aminao dia fafazako aminao foana ilay finoako, ary jereo fa izany no mahatonga adim-pinoana eto antany, ary misy mifamono mihitsy, satria samy mihevitra ny an'ny tenany ho tena marina. Nefa ange dia ireny finoana ireny dia mitory fitiavana daholo e!
Amiko, amiko hoy aho, ny hahazoana filaminanana anivo ny fiarahamonina dia ny manaja ny an'n'y hafa. Ny fanajana ny an'ny hafa koa amiko midika hoe tsy handeha hitory teny any aminy aho hoe izao sy izao ilay finoako satria fantatro fa manana ny finoany koa izy.
Tianao hanaraka ny finoanao ny sasany? mijoro modelin'ilay finoanao isan'andro amin'ny fiainanao, ny fifandraisanao amin'ny olona, sy ny rhetra rehetra. Fa amin'izay no hamirapiratra koa ny finoanao dia hanaraka ho azy ny olona rehefa hitany hoe tsara ilay izy.

31. ndenn ( 21/04/2010 23:08)
Hinagasy:

Lasa miorirana any @ integrisme i Hinagasy @ izany fotokevitra izany !!Ny finoana tokony ho naturel fa tsy imposition avy @ ankolafim-pahatsapana azon' ny olona mpiara-belona amin' ny tena ; "autostructuration mentale " voaporofo , ary tsy hiandaniana @ iza n' iza , afatsy ilay hinoana ihany !! le créateur universel

32. soanja ( 22/04/2010 00:44)
Hinagasy:

Raha hamaly ilay fanontaniana aho hoe finoana inona no ahitana fitoniana dia io arakaraky ny olona, mety ny culture-ny koa na arakaraky ny tany misy azy.

Tena misy olona mananana fitoniana saina amin'ny maha-kristianina azy ary misy ireo mijoro vavolombelona noho izany na eto amin'ity tranonkala ity fotsiny aza, kanefa tokony samy hanaiky fa any ankafa any koa misy olona manana fiadanantsaina ary filaminantsaina amin'ny maha silamo azy, aminy maha boudhiste azy, amin'ny fananany finoana hafa etc...

Tsy voatery hoe mety amiko dia midika fa mety aminao ary tereko hety aminao dia fafazako aminao foana ilay finoako, ary jereo fa izany no mahatonga adim-pinoana eto antany, ary misy mifamono mihitsy, satria samy mihevitra ny an'ny tenany ho tena marina. Nefa ange dia ireny finoana ireny dia mitory fitiavana daholo e!
Amiko, amiko hoy aho, ny hahazoana filaminanana anivo ny fiarahamonina dia ny manaja ny an'n'y hafa. Ny fanajana ny an'ny hafa koa amiko midika hoe tsy handeha hitory teny any aminy aho hoe izao sy izao ilay finoako satria fantatro fa manana ny finoany koa izy.
Tianao hanaraka ny finoanao ny sasany? mijoro modelin'ilay finoanao isan'andro amin'ny fiainanao, ny fifandraisanao amin'ny olona, sy ny rhetra rehetra. Fa amin'izay no hamirapiratra koa ny finoanao dia hanaraka ho azy ny olona rehefa hitany hoe tsara ilay izy.

Misaotra an'i Hinagasy fa tena mahalaza azy tsara mihitsy izany.

Ity izao dia misy tantara iray koa tena nahafinaritra ahy ny niafarany. Misy an'izay fianakaviana izay tsy lavitra nisy toerana nipetrahan'ny namako tany Tana. Rehefa mankany amin'ilay namako ka hianatra dia manidy varavaran-kely izahay fa ilay renim-pianakaviana tao amin'ilay akaiky andry zareo dia mivazavaza amin'ny zanany foana no ataony ka dia efa tena nakarenin-tsofina ireo manodidina azy tokoa. Aman-taonany izany zavatra izany. Heno tamin'izany fa mpisotro toaka be koa ny dadan'ireto ankizy be dia zanak'izy ireo ka izay no isany mampiferinaina an'ilay ramatoa. Niodina anefa ny taona ka tsy henoheno intsony ilay fianakaviana. Nanontany an'ilay namako aho hoe lasa angaha ny voisins nareo fa efa indrondroandro aho izay taty fa tsy heno intsony ny tabataba. Dia namaly ampitsikiana be mihitsy ilay namako fa lasa mpivavaka Xtianina mahafatra-po tokoa hono ilay ramatoa ary vitany mihitsy ny nitaona ny vady aman-janany noho izany , ka lasa tena milamina be mihitsy izy mianakavy. Tsy maheno zaza mitomany firy intsony hono ny mpiara-monina ary ilay rangahy mamolava iny tena hitanao mihitsy hoy ilay namako lasa tena manajanaja be ny manodidina ary mitaona ny olona handio tanana sy hikarakara izay azo ilaina ao anatin'ilay fokontany.

Zany ve hoy aho. Aha, miasa marina i Kristy! Deraina Ny Tompo Avo indrindra.

33. rijadolly ( 22/04/2010 15:52)
za:
Ny karazana finoana rehera ka mino an\' Andriamanitry Abrama, Isaka, Jakoba,..dia tsy misy tsy mahalala fa misy Kristy dia ilay Andriamanitra tonga Nofo hanavotra sy hanafaka ny zanak\' olombelona izay very tsy ho andevo.
Noho izany izay tsy manana an\' io Kristy io dia saritsarin\' fahafahana, saritsarina fiadanana ihany satria samy manaiky ny mpino an\' Andriamanitra erantany fa IZY no lalana mitondra @iny lalana iny.
Rakapy:
Dia ahoana izany ny silamo, izay mino ny A/try Abrahama nefa tsy mino fa i jesosy dia A/tra fa mpaminany ?
Somary vereno vakin- dRakapy kely anie ny teniko e! Tsy mbola nanonina Jesoa mihitsy aho satria fantatro fa tsy maintsy ho avy io fanontaniana io, Ny tiako tsindrina dia Kristy, iza io Kristy io? erantany anefa dia samy manao an\' Mpino an \' Jesoa hoe Kristianina. Inona ny antony? satria Kristy Jesoa. Fa raha tsy izay, tokony tsy ho \"Chrétien\" no hiantsoana izay mino an\' Jesoa.
34. rijadolly ( 22/04/2010 16:03)
HS kely ho an' ika; tena tsy mety tafiditra mihitsy se
ika:
Amiko dia tsy hoe ity sy iry loatra no milamina sy tsy milamina..fa ny FOMBA entin'ilay mivoy an'iny amin'ilay olona ivoizany....
Raha kristianisma ohatra no voizinao nefa ampitahorinao ny olona hoe raha vao tsy zao ianao de zao no hanjo... dia tsy hilamina mihitsy ny sainy fa sous pression foana
Na silamo no voizinao
Na bodista
Na jodaisma na inona
Misy hevitra takonan' se izay mandiso ny finjer' se ilay loha hevitra. Ampitsahiviko an' se io rehefa tonga any amin' ady hevitra hafa misy azy fa aza matahotra; aleo andeha aloha ilay loha hevitra izay tena tsara an' Soanja.
35. ikaretsaka ( 22/04/2010 16:07)
Nisy teny lnalatsak'i rakapy ngamba ...ny 'TSY'
Fa betsaka ny mino ny Atr'i Abrahama sy Jakoba no tsy mino fa zanak'Atra tokoa I Jesoa fa mpaminany toy ny mpaminany rehetra ihany...
Ny Jodaisma..ny silamo..ny Baha'i...sns
36. rijadolly ( 22/04/2010 16:55)
Averiko aminao ihany izany ny fanontaniana ery ambony.

Mino an\'i Yaveh ve ianao sa mino an\'i Allah?
Izay ilay resaka. I Yaveh izay resahin\'ny namana dia Anaran\'Andriamanitra ao amin\'i Jiosy. Io anefa tsy azo tononina toy izany fa mandiso satria Izy niteny mihisty fa tsy azo tononina ny anarany.
i Allah anefa dia mazava koa amin\'i Silamo fa ilay Andriamanitra Abrahama. IBRAHIM no fiantsony azy ao raha tsy diso aho. Ka akory I Allah= Andriamanitra.
Ianareo sy ry Rakapy ary ry i ika no nanambara teto izay tsy niadiako hevitra be satria samy niteny hoe Jehovah = Allah, fa ny ato anatiko sy ambarako foana dia Jehovah Andriamanitra. Fa raha ohatra hoe misy rahalahy Silamo ato ka miteny heo Jehovah fa tsy hoe Allah dia izay aho vao mety mino hoe Allah marina ny fomba hitenenany an \'Andriamanitra, fa raha tsy kosa dia tsy hiteny hoe Allah koa aho ao anatiny vavaka izay ataoko.
I JESOA dia voatonona tsara ao amin\'i Coran ary Izy dia mpaminany isany lehibe ho an\'i Silamo.
Nefa anie ryu Soanja ka mino ny fisian\' Kristy izireo, ka nahoana miteny antsika hoe Kristianina ry zareo?
Tsy Andriamanitra = Allah KOSA aloha i Jesoa amin\'izy ireo. Hafa I Allah. Ilay namana mpanazava koa toa tsy mamaly ny fanontaniako ery ambony
JESOA ve = ANDRIAMANITRA? Io no andrasako aminy.
Mazava kosa anie Soanja fa Jesoa aza tsy inoany fa IZY no IZY, maika fa hoe Andriamanitra ve Jesoa. Maro ny Mpino eto Soanja manaiky fa Jesoa Kristy dia Andriamanitra tonga Nofo, tsy haiko tsara ilay fitenin\' ika azy izay.Na dia tsy dia hinoan\' se loatra aza ny ao anaty Baiboly dia adidiko ny manome azy an\' se, JAONA I 5 : 20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak\'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina, dia ao amin\'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
37. ikaretsaka ( 22/04/2010 17:18)
RD> Ny Famantarana ny hazo fijaliana (@ ny anaran'ny Ray..sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina) @ teny arabo (tsy haiko ny manoratra anazy @le blibli rango-dava be iny fa soratako @ teny tsotra mahazatra antsika eto araka ny phonetique mora hahazoantsika azy) de manao hoe:

b-ismi-Allah- bi-wa-libni war-ruuHi-l-qudus....
fa bon.. Passons fa natao hanampy ny info fotsiny iny!

ka Raha tsy Yaveh (Jehova) ihany no i Allah (araka ny hevitrao) .. de inona izany no nolazain'ny ny arakanjely i Gabriely an'i Mahomet? sa samihafa koa i Gabikely eo? :wink:

Misaotra mialoha @ fanazavana ny hevitrao sy ny arguments mitombina mety ho entinao
38. rakapy ( 22/04/2010 18:48)
Rijadoly> ohatra ny asarotinao be izany ilay resaka. Amiko rehefa miteny hoe jesosy ianao dia ilay kristy ihany io. Raha miteny hoe A/tra na Allah na Jeovah, Zanahary ianao dia ilay namorona ny univers izay sa misy anarana hafa koa?
39. rijadolly ( 22/04/2010 19:02)
Se ty dia tena mampihome mihitsy ka , Iza indray izany Gabikely izany?

ZA anie ka manaiky e! , indrindra ny information nareo ho ahy , fa kosa mbola tsy naheno ny Silamo za hoe Jehovah Andriamanitra ny niantsony AZY fa hoe Allah foana; fa maninona? Inona ny hevitra fonosin' izany? Izy aza ve ry Ika mihazoazo , dia ahoana ny fiheveran' se an' zany? Za akory tsy hoe manohitra haviatrany fa hitako tsy ampy ilay information manamarina.
Mpanazava:
F'angaha tsy anaram-boninahitra iombonana ny hoe (ireo noteneninao ireo)?
eritrereto hoe anaramboninahitra iombonana anakiray ohatra "Mr le Presidant, Atoa Filoha". Mino ve ianao fa tsy manana anarany manokana ireo Presidant rehetra ireo? Diniho tsara fa samy hafa ny fipetrakin'ny fanontaniako an'i Soanja sy ny apetrakao amiko
io koa zao mbola azo dinihina tsara
Ohatra iray izao hoe : ELY , Mino aho zao fa hoe Andriamanitra io satria natsoin' Jesoa an' Andriamanitra Rainy koa io.Tsy noho Jesoa loatra ny antony nampisy ny finoako hoe Andriamanitra ihany io ELY io, fa ny fasahiany niatso Azy( Andriamanitra) amin' io, moa koa izy nanonina ny hoe Jehovah, Andriamanitra, Rayko,ihany koa.
40. ikaretsaka ( 22/04/2010 19:15)
fa kosa mbola tsy naheno ny Silamo za hoe Jehovah Andriamanitra ny niantsony AZY fa hoe Allah foana; fa maninona?
io miankina amin'ny mahazatra azy:
Za manokana aloha Kristianina fa za koa tsy confortable @ le Jehova sy Jesosy satria tsy mahazatra ahy le izy...
Any aminay any koa asiana "Ra-" aby ny olona omen-kaja rehetra : Razezo Ramaria, Randremanitra, Randriananahare.. (ary bedebe ireo hira masina Zafindraony hatrany aminay any, betsaka amin'ireo hira ireono lasa ampiasaina @ Litorjian-damesa no manao io "Ra"-io ..
Misy olona tsy zatra maheno hoe Razezo ohatra .. fa akory atao?

Misy resaka momba izay moa ao ambadika ao (miala tsiny fa tsy hitako ilay izy ) momban'io ihany hoe nisy olona gasy tonga tany andafy nitaraina nony naheno ilay hoe "Jesus" fa "zatra ilay Jesosy" hono izy! :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0723