Fa t@ andro fahafito, A/tra namorona ny olombelona?

61. rakapy ( 26/03/2010 14:23)
Hoy i Rijadoly
Any aminao Rakapy ny hevitra farany fa toa tsy hitahita ianao tato nandritra ny 3 andro.

Hoy i Rijadoly
Dia manotany an' rakapy aho hoe aiza amin'ireo no misy io hevitry Rakapy voalohany io. Fehiny farany izany e!

Lasa niova be ilay resaka ko! :-D :-D :-D Fa ny hevitro dia efa nalefako teto.
Fehiny. Araka ny hevitro (Izaho Rakapy) dia maro no tsy mitombina ny @ voalazan'ny baiboly sy ny siansa. Nefa kosa dia hita fa tsy mitsahatra ny miezaka mitady zava-baovao sy mitady ny fahamarinana sy ny ahafantatra ny tontolo misy azy ny siansa.Dia ny eto an-tany izany.

Ny Baiboly kosa dia tavela t@ taona 1 ny fivoharany ka dia ny eo ihany no averimberina eny na dia efa hita mazava aza fa nisy diso sy tsy mitombina aza ilay voasoratra ,dia forcer-na ho marina ihany. :-D :-D :-D
62. fijo ( 26/03/2010 22:52)
misy fahamarinany izay voalazan'i rakapy izay,saingy tsy marina foana.
marina fa manitatra ny baiboly rehefa milaza zavatra,fa misy kosa ,resaka na tantara misy ao,voaporofo ny mety ho fahamarinany.
ohatra ilay resaka mosesy niampita ny ranomasina mena.
io dia voaporofo,fa arakaraky ny volana,dia misy faritra misintona ny rano ,ka azo hiampitana tsara.ary rehefa miverina moa ny rano,dia ao izay tavela ao.saingy rabaiboly moa ,mba te hisarika ny saina mafy,dia nitariny hoe "niteny ramosesy,dia nisaraka ny rano ,dia niampita ny zanak'israely,dia...."avec le feo somary mafimafy iny ,de reboka ny kil
63. rijadolly ( 27/03/2010 08:09)
Mangataka ny mpamaky aho mba hamaky tsara fa raha araka ny hevitro dia ato ny valin\' ady hevitra nosokafan\' Rakapy.
za:
Ra ara- tsiansa indray dia voaporofo fa tsy ary hita daholo ilay taolana 8n \'ilay dinosoro fa mety ho taolan- 5miny sisa ihihihih! fa nakaiza ry ika? Aiza ny siantifika ato hanaporofo izany lazaiko izany hoe inona tokoa ny antony. Mety misy hevitra maro ao an! F any hevitra iray amin\' ireo anefa dia manaporofo fa tokony tsy ho hita marina ny taolan\' olombelona
ary dia nohamarin\' Ika tsara ary
ataoko fa raha mijery musee i RD dia misy taolana mihoatra ny valo kosa ny dinozoro sasany ka( Namboarina tamin\' plâtre dia nihaotra na feno ny taolam- balony ihihihi,rijadolly ty an) ...tadidio fa ny taolan-drazambe izay vao maty tsy ampy amanjatony taona akory. ary tsy navadika , tsy nisy nangalatra, (izany hoe tsy nokitihina raha tsy anjatony taona taty aoriana) aza tsy voatery ho ampy ary mety ho latsaky ny 5 no ho hita a... inona ny antony? Betsaka ny theoria azo aroso dia \'Ndeha ary ho \"imaginena\" sy ho saintsainina ary ny any aoriana any ary hoe rehefa avy ringana ny olona (io ngamba ilay fara andro na tsy haiko) dia izay \"etre\" vivant eto ambonin\'ny tany @ zany ka hanisa ny taolan-draolona (tsy -mbelona intsony izy @ izay...) ho ampy ve? inona ny antony? Betsaka koa ny azo aroso!
Nefa
Rakapy:
Araka ny voalaza ao anatin\'ny baiboly dia t@ andro fahafito no namoronan\' A/tra ny olombelona.
Rehefa tena dinihina anefa io dia hita fa tsy mitombina velively satria 65 millions taona lasa ,araka ny fikarohana no naharingana ny dinaozoro dia tsy mbola nahitana soritra tamingan\'olombelona iray akory ny lemak\'i Afrika izay nahitana ny taolam-balon\' olombelona voalohany.
Avy ary izany no ilazan\'ny baiboly fa tao anatin\'ny 7 andro no namoronan\' A/tra izao tontolo izao?
Mazava ny tian- dRakapy tenenina fa tsy marina no lazain\' Baiboly hoe Andro 7 dia vitan\' Andriamanitra izao tontolo izaon arak\' io fikaroan\' siansa io izay milaza fa tsy nahitana taolam- balon\' olombelona niaraka ilay taolan\' dinosoro.
===> diso ihany koa izany ny hevitry Rakapy ra araka ny hevitra nivoaka nataonay sy Ika, Satria ny Dinosoro aza nisy tsy hita ny taolany maika fa ny taolan \'olombelona izay malemy sy kely no sady tsy ampy calcium.
rakapy:
Lasa niova be ilay resaka ko! :-D :-D :-D
Tsy niova be indray ô?
Fa ity no niova kely
rakapy:
Ny Baiboly kosa dia tavela t@ taona 1 ny fivoharany ka dia ny eo ihany no averimberina eny na dia efa hita mazava aza fa nisy diso sy tsy mitombina aza ilay voasoratra ,dia forcer-na ho marina ihany. :-D :-D :-D
Marina Tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay ny an \'Mpino.Ny MARINA DIA TOKANA aminy.Tsy mila karohina lavitra fa efa nambara azireo sy izay nanan- tsofina nihano, fa manamarina sisa hoe tena avy any AMINY marina ve, ary izay koa ny tena mpino(finoana io an!)
Ie miverimberina tokoa satria na dia efa nambara tamiko aza dia tsy nety mino aho fa mbola ni- roaroa saina foana.Ary dia hisaorako izay mampatsiahy ahy satria Tombony ho ahy izany, ra nanaraka aho manamafy ilay izy, tsy nanaraka aho na tsy nahatadidy , miverina aho manao na mampiditra ao antsaiko indray hoe tena marina tokoa ve izany?
64. rakapy ( 27/03/2010 09:52)
Hoy Rijadoly
Mazava ny tian- dRakapy tenenina fa tsy marina no lazain' Baiboly hoe Andro 7 dia vitan' Andriamanitra izao tontolo izaon arak' io fikaroan' siansa io izay milaza fa tsy nahitana taolam- balon' olombelona niaraka ilay taolan' dinosoro.
===> diso ihany koa izany ny hevitry Rakapy ra araka ny hevitra nivoaka nataonay sy Ika, Satria ny Dinosoro aza nisy tsy hita ny taolany maika fa ny taolan 'olombelona izay malemy sy kely no sady tsy ampy calcium

Ka eo indrindra no tianko ahatongavana.
-Ny baiboly dia nilaza fa 7 andro( mety etapy 7 araka ny fijerinareo izay hitako fa mitombina kokoa) no nanaovan'Atra izao tontolo izao.
-Ny fikarohana( siansa) anefa dia tsy nahita trace-na taolan'olombelona raha tsy ela be taty aoriana ny naharinganan'ny dinozaoro.

Tena marina fa mety efa levona ny taolan'ny olombelona t@ zany andro izany nefa:

Ny fanotaniana dia hoe ahoana nefa asahian'ny baiboly milazana sy mitoky teny fantatra fa 7 andro na etapy 7 tokoa no nanamboaran'Atra izao tontolo izao???

Dia hiverina @ hoe avy @ alalan'ny tsindrimandry, fanahy masina sns...
Izay zavatra tsy tena azo antoka satria afaka ny hanambara sy hilaza avokoa ny olombelona entanim-panahy hilaza fa naheno na nahita an'A/tra t@ alalan'ny nofy izy sns...
65. soanja ( 28/03/2010 00:17)
rakapy:


-Ny baiboly dia nilaza fa 7 andro( mety etapy 7 araka ny fijerinareo izay hitako fa mitombina kokoa) no nanaovan'Atra izao tontolo izao.



Ka ny olona nanoratra an'io boky io ve izany tsy nahalala ny mahasamihafa ny atao hoe andro sy ny dingana (etapy)? Samihafa be ireo. Izy anefa nanazava ny fisian'ny andro sy alina koa tany amboalohany.

Amiko raha niteny izy hoe andro dia andro ny tiany lazaina fa tsy hiteny hafa noho izay izy.


66. rakapy ( 28/03/2010 14:28)
Hoy Soanja

Ka ny olona nanoratra an'io boky io ve izany tsy nahalala ny mahasamihafa ny atao hoe andro sy ny dingana (etapy)? Samihafa be ireo. Izy anefa nanazava ny fisian'ny andro sy alina koa tany amboalohany.

Amiko raha niteny izy hoe andro dia andro ny tiany lazaina fa tsy hiteny hafa noho izay izy.

Ilay fanodikodinan'ny mpandala baiboly ny resaka ao @ ilay boky koa anie no tena raharaha e!
Amin'ny fijery tsotra tsy miangatra aloha dia hita fa misy zavatra tsy mitombina fa dia forcer-na hitombina fotsiny. Ohatra ilay resaka ngahy be noely t@ mbola kely ireny fa ity indray ngahy be noely ho an'ny olon-dehibe.
67. ikaretsaka ( 29/03/2010 18:37)
RD> tsy nanamarina aho fa nitondra fanitsiana kely
68. rijadolly ( 29/03/2010 18:41)
Misaotra e! :-*
69. ikaretsaka ( 29/03/2010 19:54)
soanja:
Ka ny olona nanoratra an'io boky io ve izany tsy nahalala ny mahasamihafa ny atao hoe andro sy ny dingana (etapy)? Samihafa be ireo.

soanja rehefa manisa hoe manaraka (next) sy ny hoe rahampitso dia mitovy ireo @ teny aramaic ka
dia rehefa nandeha ny fandikana .. na izy samy dialecte aramaic t@ izany aza, na niova ho hebrio na lasa grika... dia lasa niova ilay dikany
ohatr ohatraan'ny teny gasy amin'ny hoe Isika sy zahay =samy "nous" na "we" @ teny Frantsay sy anglisy
70. Ratoa ( 29/03/2010 20:34)
ka ny andro iray any an-danitra , izany hoe akaikin'Andriamanitra, anie hono mitovy amin'ny arivo taona eto an-tany é!
71. ikaretsaka ( 29/03/2010 22:14)
Ratoa:

ka ny andro iray any an-danitra , izany hoe akaikin'Andriamanitra, anie hono mitovy amin'ny arivo taona eto an-tany é!


tsy mbola nisy tany ka afaka ni confirmer
:wink:
72. soanja ( 29/03/2010 22:36)
ikaretsaka:

soanja:
Ka ny olona nanoratra an'io boky io ve izany tsy nahalala ny mahasamihafa ny atao hoe andro sy ny dingana (etapy)? Samihafa be ireo.

soanja rehefa manisa hoe manaraka (next) sy ny hoe rahampitso dia mitovy ireo @ teny aramaic ka
dia rehefa nandeha ny fandikana .. na izy samy dialecte aramaic t@ izany aza, na niova ho hebrio na lasa grika... dia lasa niova ilay dikany
ohatr ohatraan'ny teny gasy amin'ny hoe Isika sy zahay =samy "nous" na "we" @ teny Frantsay sy anglisy


Ok Misaotra nampianatra Ika. Saingy hilaza aho fa raha hiteny izy hoe manaraka 7 zany no lazainy dia lasa nivadika andro 7 dia tena samihafa tokoa. Baiboly Hebreo no arahiko fa ny azy dia mazava hoe 7 andro no voalaza.

By the way, Happy Passover isika rehetra! Hamonjy Sedera aho rahariva dia ho hitako eo!


73. rakapy ( 30/03/2010 06:06)
Hoy Soanja
By the way, Happy Passover isika rehetra! Hamonjy Sedera aho rahariva dia ho hitako eo

Fa inona ilay passover sy Sedera ry soanja fa tsy arako? misaotra
74. soanja ( 30/03/2010 14:20)
rakapy:

Hoy Soanja
By the way, Happy Passover isika rehetra! Hamonjy Sedera aho rahariva dia ho hitako eo

Fa inona ilay passover sy Sedera ry soanja fa tsy arako? misaotra


Amin'i finoana Judaism dia misy ny antsoina ny gropy antsoina Hasidic Judaism ka io no hazavaiko satria io no misy ahy.

Io finoana io dia mikajy tokoa ny haren-tsaina amin'ny maha-olombelona ka ny finoany dia miodina manodidina ny tantara navelan'ny razany mba holovain'ny taranaka am-para aty aoriana. Ezahana hiainana izany ilay zava-niain'ny razana tamin'izany.

Isan'izany ny Passover. Nanomboka omaly alina ny fankalazana ny Passover ary mifarana amin'ny 6 Avril izao. Ny Passover na Pesach dia adika hoe "Ny Fiampitana" , izay nitarihan'Andriamanitra ireo Jiosy be dia be niala avy any Egypt nody tany Israel. Izay taranaka Jiosy rehetra dia hahatsiaro io fotoana io ka ny omaly alina no antsoina hoe " Seder of Pesach". Ny Seder izany dia ny atao hoe "Ny Fahatsiarovana".

Mandritra ny Sedera dia misasa tanana in-2 avy eo amin'izay mihinana Matzo (mofo tsy misy lalivay- Izay mofo ny fangiirifiriana sy fiafiana), ny Maror (ilay ravina mangidy), ny Chazeret (salady madio tsy misy bibikely) ary misotro ranom-boaloboka na divay (4 kopy) ka voafetra ny fatrany.

Mandritra io fotoana io koa no itantarana ny fiampitana. Ka eo no mila mametraka fanontaniana ny ankizy mba hahalalany ny fomban-drazany sy niainan'izy ireo nandritra io fotoan-tsarotra io. Isany mahafinaritra tokoa ny mahita ny rehetra mifanapatapakahitra eo manazava ny fahitany ny fomba ary nahoana no izay ilay fomba. Ny lova-tsofina no tena zava-dehibe amin'io hariva io. Tantara mitoetra avy amin'ny vava niteny. Misy koa ny tonom-bavaka atao ho Fisaorana an'Andriamanitra.

Ka rehefa miresaka eo dia miteny , izay teny miverimberina nataon'ny razana dia ny hoe " Amin'ny herintaona any Jerosalema!" dia famaranana izay resaka atao eo. Karazana hoe misaotra na veloma na mirary soa izany.

Izay indray izany ny amin'iny fa dia " Amin'ny heritaona any Jerosalema" isika rehetra!

Misy hira fihiran'i Papanay izay zaraiko eto.

"Jerosalema o, tanana masina e
Fonenan-drazana.
Sitrak'i Yaveh , Ry Siona
Nanamasina ny fonenanao
Eny an-tendrombohitra masina
Nanorenan'i Yaveh ianao!"

Tsarovy lalandava ny momba anao!




75. rakapy ( 30/03/2010 15:06)
Misaotra nanazava e!
76. ikaretsaka ( 30/03/2010 17:55)
HS kely, za aloha tsy Jiosy fa nisy fotoana niara miaina @ Jiosy, ary anisan'ny ahalalana bebe kokoa momba ny finoana misy anao ny fisokafanao @ finoana sy fomba hafa toa io lazain'i soanja io
fa dia mazotoa mihaino Haggadah Soanja a, dia isao matzos sy dizina @ 4 kaopy ao a
za @ ity fa tsary any! :wink:
77. Ratoa ( 30/03/2010 22:46)
tsy mbola nisy tany ka afaka ni confirmer
ka samy maminany daholo anie isika eto é!!!
Aoka aloha hiantso ny anjely haingana dia haingana anontaniana izany
78. soanja ( 31/03/2010 01:02)
rakapy:

Misaotra nanazava e!


Tsy misy fisaorana. Fa rehefa tonga ny Paska dia miara mifety amin'i Rakapy koa zany izahay sa ny Idi no mety aminao?


:)
79. soanja ( 31/03/2010 01:09)
ikaretsaka:

HS kely, za aloha tsy Jiosy fa nisy fotoana niara miaina @ Jiosy, ary anisan'ny ahalalana bebe kokoa momba ny finoana misy anao ny fisokafanao @ finoana sy fomba hafa toa io lazain'i soanja io
fa dia mazotoa mihaino Haggadah Soanja a, dia isao matzos sy dizina @ 4 kaopy ao a
za @ ity fa tsary any! :wink:


Marina izany Ika. Tena io fotoana tahak'io mihitsy no alalana ny momban'ny finoana. Mampalahelo anie fa ny antsika "Ilay Sekoly Amorom-Patana" novonoina dia nosoloina hoe sekoly amorona tele


:( . Malahelo mihitsy aho mahita ny tele mitata tsy lany hery ao an-tranon'olona marobo ary manaraka an'iny tsy misy fetra ny ankizy sy ny zatovo ka iny no hainy noho izay hoe "Ny mifanao velirano" toy ny Ntaolo taloha.

Nampitondrain'i Rabii Matzo boaty roa aho ato fa heo mila io no atao sakafo aloha amin'ity fa mba ilako kely hono ny vary. hihihi ny hafa moa pasta. Nisaotsaotra azy aho saingy any an-tsaiko ny Karemy efa eo ihany. Die efa tsaramaso lava ny laoka ato. hihihi.

Ny divay dia tsy laitrako ka ranomboaloboka ihany no misy!Tongava e! :wink:
80. rakapy ( 31/03/2010 08:19)
Hoy i Soanja
Tsy misy fisaorana. Fa rehefa tonga ny Paska dia miara mifety amin'i Rakapy koa zany izahay sa ny Idi no mety aminao?


Misaotra betsaka @ fanasana @ paska sy idi. Manaja azy ireo aho nefa kosa tsy mankalaza fa mpitazana avy aty ivelany fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0749