Fa t@ andro fahafito, A/tra namorona ny olombelona?
21. soanja
(
21/03/2010 23:05)
ikaretsaka:
etape voalohany=andro voalohany= big bang ohatra de teraka ny univers fa de hoe tany sy lanitra sy kintana sy volana no mbola mora nahazoana azy t@ zany
etape manaraka =dia nanomboka indray ny fisarahan'ny tany sy ny rano, sy ny zava manan'aina isankarazany...
de etape manaraka de etape manaraka... fa navondron'ilay nanoratra an le tantara ho 7 moa le izy
Ka raha nampiditra ny fanisana sns izy dia aoka ny fanisana ahitana fahamarinana sy azo porofoina no omena mba tsy hampisangojo ny saintsika olombelona satria isika olombelona nomena ny saina. Tsy ho an'ny biby velively ny baiboly amiko fa ho antsika izay mahay manisa sy misaina.
Koa raha isaina ihany dia aleo zavatra azo hakana porofo no iarahana miasa mba hanome fahamarinana... nefa aoka ho ahy sy siansa ihany izany raha tsy zakanareo eto.
:D
22. vale
(
22/03/2010 07:31)
[quote=AndriambyII]
Tout doux !!Tout doux !! Misy point d'interrogation ity !! ny siansa vé avy amin' A/tra sa avy @ fotom'pisainan' olombelona ?
:idea:
___________
Ny FAHAIZANA sy fahalalàna dia avy amin'Andriamanitra FA kosa ny tsy takatry ny mpahay sciences dia TSY haha-défier an'aNDRIAMANITRA NA OVIANA NA OVIANA IZY? Satria Mbola izy no namorona ny olombelona, marobe ny lona ts mino ny fisian'Andriamanitra fa mi-se baser am resaka sciences, azy iny, raha izaho manokana aloha dia MINO fa misy Andriamanitra le CREATEUR!!

23. hery
(
22/03/2010 07:48)
Ny olana GOAVANA indrindra na ho an'ny mpanao siansa na ho an'ny mpino dia ny mandray ny baiboly ho boky ara-tantara. Izany hoe boky milaza tantara marina (livre historique). Raha vao mandray ny baiboly ho filazana ZAVA-MISY ianao dia diso. Ary tsy omeko tsiny raha hilaza hoe mamafy lainga ny baiboly, milaza zavatra mifanohitra ny baiboly sns...
Ny baiboly dia tsy bokin-tantara fa bokim-pinoana.
Ny olona nanoratra ny baiboly dia tsy nieritreritra ny hilaza izay TENA NITRANGA TANTERAKA (fotoana, olona mpandray anjara sns.) Isika no diso fandray mandray ny baiboly ho tantara. Fa ny olona nanoratra ny baiboly dia nieritreritra ny baiboly ho bokim-pinoana. Hampitàna ny finoana amin'ny mpiara-belona aminy. Hilazana hoe Andriamanitra no nahary izao tontolo izao. Tsy nieritreritra mihitsy izy hoe hisy olona handray ny boky soratany ho zavatra nisy marina ara-bakiteny, fa raha izany dia tsy nanoratsora-poana izy, fa ny noeritreretiny dia hoe mba hahay mandray ny hevi-dalina avy amin'ny kisarisary lazainy ny olona. Ny baiboly dia boky mahafinaritra, feno fanoharana, hevitra mifono, poezia, angano, tahaka ny bokin'ny fiarahamonina misy rehetra... fa ny hevitra fonosiny no tena tiany hasongadina.
Ka raha vao miresaka pitsopitsony ianao dia very amin'ilay zavatra tena fonosiny.
Afaka miova amin'izay izany izao ny fomba fijerinao an'io tantara momba ny nahariana izao tontolo izao io. Raha miteny izy hoe nohariana tao anatin'ny 6 andro ary ny andro faha 7 Andriamanitra niala sasatra, dia tsy midika velively hoe 24 heures x 7 akory izay. Ary tsy midika hoe iza no namboarina voalohany sns... fa mifono zavatra lalina kokoa noho izany, ary ny voalohany indrindra amin'ireo dia hoe Andriamanitra no nahary izao tontolo izao ary vokatry ny fitiavany no nahariany azy.
Mbola hotohizana?

24. ravonjison
(
22/03/2010 10:18)
....hatramin\" izao dia hitako fa tena mbola misy ny manafangaro zavatra betsaka:
1- Andriamanitra ilay nahary : ny nahary ( hery avo dia avo iray) dia nisy, samy manana ny hianstoany azy anefa ny firenena, na mpino na ny olona.Ny sasany manao And/tra, ny sasany hery miafina, ny sasany fanahy masina, ny sasany hery ara-fijika...
Misy tokoa ny hery miafina izay nampisy izao tontolo izao. Noho izany zava-misy iny, tsy azo lavina, itovizana hoan\" ny rehetra.
2- Ny finoana: ilaina hiatrehana ny fiainana, indrindra moa rehefa tapi-dalan-kaleha ny olombelona. Io finoana io dia samy manana ny azy ny tsirairay. Ao ny finoana ara-pivavahana, ny finoana an\" And/ tra maro ( polytheisme) ,ao ny finoana an\" Adr/ tra tokana ( monotheisme ) , ao ny finoana ny razana sns....Ny finoana tsirairay dia samy manana ny mahaizy izy.
Ny finoana anefa dia tsy azo hoentina hanazavana zavatra \" concret \" izay efa azon\" ny saintsika olombelona hazavaina, satria mamerina ny fahajambana eo @ olombelona ny fanaovana izany.
3- Ny siansa kosa dia fitaovana ho entina hamahana ny olana \" concret \" misy ao@ fiainana, vokatry ny fijerena ny zavamisy manodidina antsika. Fitaovana voajanahary izy io ( toetra voajanahary ny fanaovana siansa) satria samy manao sianasa daholo, na ny zaza, na ny olon-dehibe, na ny mahantra ny ny manan-karena, na ny mpikaroka , na ny mpamboly, n\" iza n\" iza, saingy ny niveau anaovana azy no samy hafa. Ny fanaovana siansa izany dia tsy ilay any @ laboratore ihany, fa kosa izay rehetra ataontsika eo @ fiainana andavanadro.
Ny siansa dia tsy miezaka hitovy amin\" Andr/ tra velively, tsy possible.Tsy misy azo anaovana fifaninananan ao, satria ilay Andr/ tra ( = ilay hery miafina)advesraire ary dia tena mbola tsy fantatra velively. Miezaka isika ahalala azy @ alalan\" ny finoana, inoantsika fa nahary izy, mpamonjy sns....Ka isika ve hifaninana @ adversaire tsy fantantra ?
Fa kosa ny siansa (= ny fijerena ny manodidina) dia ahafahantsika mamaly ny fanontaniana sasany manitikitika antsika ary ahazoantsika manatsara ny fianinanstika.
Proces dynamique izy io , izany hoe mitohy ary mivoatra, ka mety misy ny zavatra mbola tsy fantatra @ izao, fa ho fantatra kosa afaka 400 taona ( ohatra).
Ka raha hiverenako ilay lohahevitra dia mazava fa bokim-pinoana tokoa ny baiboly.
Ny voalaza ao @ baiboly mikasika ny niforonan\" izao tontolo izao mantsy dia hita fa tsy mifanaraka velively @ zavatra efa hita sy mazava @ izao fotoana izao ( na fotoana izany , na ordre, na deroulement ...).
Ka ireo isa voalaza ( 7 andro, na 6 andro ...) ao dia aoka hijanona ho fanoharana fotsiny ihany, tsy mifanaraka @ zavamisy velively, na handeha @ tany aza ny lohanao!!!!
@ fomba ahoana moa no ahazoan\" ny olona mirakitra ( = mijery, mandray antsoratra sns...) izay tany aloha be tany , kanefa ny olona dia efa taty aoriana be vao nipoitra ? Raha toa izy afaka nanao izany dia tokony mba nasiany fanazavana na porofo !
Ireo voasoratra ao anaty baiboly dia tsy azo ekena anjambany fotsiny tsotra izao. Ny antony : eritrereto fa misy koa ireo finoana sasany izay manana ny \" version-ny \" @ niforonan\" izao tontolo izao. Ka version \" iza ary no marina ?
Aoka ny finoana hijanona ho finoana ( iny dia mi-comprendre aho, izaho koa mba mpino !!!!!), kanefa kosa tsy azon\" ny kristianina atao ny mitompo teny fatratra hoe : ny voalaza ao anaty baiboly sy ny version\" kristianina ihany no marina....
Ny marina @ niforonan\" izao tontolo izao dia mbola sarotra ( na dia efa mazava aza ny ankamaroany), indrindra moa ny mikasika ilay hoe : talohan\" ny fahazavana dia inona ny nisy ? Dia ahoana ilay passage maizina mivadika @ fahazavana ? .

25. ikaretsaka
(
22/03/2010 12:21)
vale:
[quote=ikaretsaka]
vale .. tsara ihany ny manamarina ny inoana indraindray mba tsy hampinompino foana ka... mba ilaina fantarina ihany ny antony mahatonga anao mino sy mankato zavatra izay fa tsy @ zao fotsiny!
raha miteny aho hoe misy voalavo ny tranonao dia tsy hoe satria voalazako de izay... fa jerena aloha hoe tena misy voalavo tokoa ve?
tahak'izay le finoana
___________
Ika: ekeko fa marina tokona zany, za anisan'ny tena nandreraka kely ny ol mampianatra ahy baiboly :lol: @ fanontaniako satria te haka porofo mba tsy hinonoako faritany, :D miha-resy lahatrafoana aho anefa aaa!
satria hitany le fika handreseny lahatra anao... nianarany io.... de raha q'ran na torah koa no tonga ao mandresy lahatra anao, dia ho resy lahatra ianao rehefa tratran ilay olona mahay ilay fika
26. soanja
(
22/03/2010 16:14)
hery:
Ny olana GOAVANA indrindra na ho an'ny mpanao siansa na ho an'ny mpino dia ny mandray ny baiboly ho boky ara-tantara. Izany hoe boky milaza tantara marina (livre historique). Raha vao mandray ny baiboly ho filazana ZAVA-MISY ianao dia diso. Ary tsy omeko tsiny raha hilaza hoe mamafy lainga ny baiboly, milaza zavatra mifanohitra ny baiboly sns...
Ny baiboly dia tsy bokin-tantara fa bokim-pinoana.
Ny olona nanoratra ny baiboly dia tsy nieritreritra ny hilaza izay TENA NITRANGA TANTERAKA (fotoana, olona mpandray anjara sns.) Isika no diso fandray mandray ny baiboly ho tantara. Fa ny olona nanoratra ny baiboly dia nieritreritra ny baiboly ho bokim-pinoana. Hampitàna ny finoana amin'ny mpiara-belona aminy. Hilazana hoe Andriamanitra no nahary izao tontolo izao. Tsy nieritreritra mihitsy izy hoe hisy olona handray ny boky soratany ho zavatra nisy marina ara-bakiteny, fa raha izany dia tsy nanoratsora-poana izy, fa ny noeritreretiny dia hoe mba hahay mandray ny hevi-dalina avy amin'ny kisarisary lazainy ny olona. Ny baiboly dia boky mahafinaritra, feno fanoharana, hevitra mifono, poezia, angano, tahaka ny bokin'ny fiarahamonina misy rehetra... fa ny hevitra fonosiny no tena tiany hasongadina.
Ka raha vao miresaka pitsopitsony ianao dia very amin'ilay zavatra tena fonosiny.
Afaka miova amin'izay izany izao ny fomba fijerinao an'io tantara momba ny nahariana izao tontolo izao io. Raha miteny izy hoe nohariana tao anatin'ny 6 andro ary ny andro faha 7 Andriamanitra niala sasatra, dia tsy midika velively hoe 24 heures x 7 akory izay. Ary tsy midika hoe iza no namboarina voalohany sns... fa mifono zavatra lalina kokoa noho izany, ary ny voalohany indrindra amin'ireo dia hoe Andriamanitra no nahary izao tontolo izao ary vokatry ny fitiavany no nahariany azy.
Mbola hotohizana?
Ny baiboly amiko dia boky mitantara ny fivoatry ny finoan'ny Jiosy sy ny momba azy ireo. Boky tantara izy raha izay.
Ahoana moa ny tsy hilazantsika fa tsy mitantara izy raha ny nitantara ny fiainan'i Josefa nentina tany Egypta avy eo amin'izay nanao ahoana no niafaran'ireo Jiosy tany ary ny fanavotan'Andriamanitra azy ireo. Ny fiovaovan'ny finoany sy ny hafa maro. Boky tantara tokoa ny baiboly saingy boky tantara ho entina hanambarana finoana. Boky tantara ilazana fiainana sy fanjakana sns sns ...
Zavatra hafa mihitsy anefa ny siansa. Ny Siansa dia tsy maintsy miainga amin'ny zavamisy eo ary iny no entina handinihina ny lasa sy haminavinana azy eo. Ary ny mba ho voaporofo hatrany no ezaka tratrarina. Raha hitsabo ohatra ny siansa dia miainga amin'ny zavamisy avy hatrany.
Efa ela no nandaozan'ny siansa ny fijerena ny resaka avy eo amin'ny baiboly ho fiangana hianarana momban'ny zavamisy satria efa ela no hitany fa mifanipaka izany ary handiso azy koa.
Isika Mpino no betsaka mbola mifikitra amin'ny te hampifandray an'ireo.
Saingy ny zavatra tena ilaintsika angamba ny mahay manavaka dia hoe ny finoana dia zavatra tsy azo tsapain-tanana ka noho izany dia tsy voatery hanana porofo mivainga. Raha mino isika fa namboarin'Andriamanitra isika sy ny tontolo misy antsika dia tsy hitako tokoa ny antony hitsiponana izay andinindininy any satria ireny dia tsy hitondra anao aiza fa amin'ny fisangojona goavana.
Fa ilay boky rahateo koa toa zary hampisangojo koa satria miezaka foana ny mpampianatra azy miteny fa ao no tena izy sy ny tena izy amin'ny rehetra. Tsia tokoa anefa izany fa boky natambatambatra ireo ary ao samy manana ny tanjony ny mpanoratra azy ao miankina amin'ny vanimpotoana niainany sy ny fionoany ary ny fahitany ny fiainana ho avy. Izay tsy mankaiza fa hilaza hoe boky tantara ny baiboly raha handinika ilay mpanoratra isika!
27. rakapy
(
22/03/2010 16:40)
Rehefa nandinika ny voalazanareo teto aho dia nahatsikaritra fa na ny xana aza dia tsy mitovy hevitra ny momba ny voasoratra ao anaty baiboly.
ohatra
Hoy Vale
Hoy Hery
Dia ny mahagaga ahy ity voalazan'i Hery ity hoe hoe
Fa angaha tsy zava-nisy sy nitranga no voalaza ao fa toa lasa misy angano??? 8O
.
Hoy Vale
Fa angaha moa ny hi-defie an'A/tra no tanjon'ny mapanao siansa? Ny xana no peranoid @ fivaotran'ny siansa.
Ny hevitry Soanja sy Ravonjison ary Ika aloha dia iombonako hevitra hatreto
ohatra
Hoy Vale
Zava-NITRANGA nandritra ny an'arivo taonany no VOATANTARA ao ary samy MIFANDRAY amin'ny FAHATAHTERAHAN'NY FIKASAN'ANDRIAMANITRA izany.
Hoy Hery
Ny baiboly dia tsy bokin-tantara fa bokim-pinoana
Dia ny mahagaga ahy ity voalazan'i Hery ity hoe hoe
Ny baiboly dia boky mahafinaritra, feno fanoharana, hevitra mifono, poezia, angano, tahaka ny bokin'ny fiarahamonina misy rehetra
Fa angaha tsy zava-nisy sy nitranga no voalaza ao fa toa lasa misy angano??? 8O
.
Hoy Vale
Ny FAHAIZANA sy fahalalàna dia avy amin'Andriamanitra FA kosa ny tsy takatry ny mpahay sciences dia TSY haha-défier an'aNDRIAMANITRA NA OVIANA NA OVIANA IZY?
Fa angaha moa ny hi-defie an'A/tra no tanjon'ny mapanao siansa? Ny xana no peranoid @ fivaotran'ny siansa.
Ny hevitry Soanja sy Ravonjison ary Ika aloha dia iombonako hevitra hatreto
28. rakapy
(
22/03/2010 16:50)
Hoy iHery
Dia nahoana ary no ahely sy ampianarina ny vahoaka nefa boky nofinofy?
Maro be izao ny olona mihevitra fa 7 andro marina no namoronan'A/tra an'izao tontolo izao. Indrindra moa hoa an'ireo izay tsy mandala loatra ny fiakarohana (siansa) ataon'olombelona.
Hoy i Hery
Raha dinihina izany ny voalazanao dia lasa tany @ tsy falehany ilay boky???
Ny olana GOAVANA indrindra na ho an'ny mpanao siansa na ho an'ny mpino dia ny mandray ny baiboly ho boky ara-tantara. Izany hoe boky milaza tantara marina (livre historique). Raha vao mandray ny baiboly ho filazana ZAVA-MISY ianao dia diso. Ary tsy omeko tsiny raha hilaza hoe mamafy lainga ny baiboly, milaza zavatra mifanohitra ny baiboly sns...
Dia nahoana ary no ahely sy ampianarina ny vahoaka nefa boky nofinofy?
Maro be izao ny olona mihevitra fa 7 andro marina no namoronan'A/tra an'izao tontolo izao. Indrindra moa hoa an'ireo izay tsy mandala loatra ny fiakarohana (siansa) ataon'olombelona.
Hoy i Hery
Ny olona nanoratra ny baiboly dia tsy nieritreritra ny hilaza izay TENA NITRANGA TANTERAKA (fotoana, olona mpandray anjara sns.) Isika no diso fandray mandray ny baiboly ho tantara. Fa ny olona nanoratra ny baiboly dia nieritreritra ny baiboly ho bokim-pinoana. Hampitàna ny finoana amin'ny mpiara-belona aminy. Hilazana hoe Andriamanitra no nahary izao tontolo izao
Raha dinihina izany ny voalazanao dia lasa tany @ tsy falehany ilay boky???
29. ikaretsaka
(
22/03/2010 16:52)
Fa angaha moa ny hi-defie an'A/tra no tanjon'ny mapanao siansa? Ny xana no peranoid @ fivaotran'ny siansa.
izay manko
30. rakapy
(
22/03/2010 17:07)
Izao koa anie no mba mahavariana ahy @ ity resaka baiboly ity e!
Voalaza ao @ didy folo ny hoe "Aza mandainga"
Inona moa no atao hoe "Lainga"?
Ny lainga dia ny filazana zavatra iray izay tsy marina, tsy azonao antoka, zavatra tsy nisy... nefa lazain'ny vavanao na nosoratanao fa niseho.
Dia raha raisintsika ilay voasoratra ao anaty baiboly hoe tao anatin'ny fito andro no namoronan'A/tra izao tontolo izao, i adama sy eva no olona nohariana voalohany sns... Dia hita fa tsy mitombina velively ilay resaka, tsy midika ve izany fa nandainga ireo nanoratra ny baiboly?

31. rijadolly
(
22/03/2010 17:45)
za:
Kanefa rehefa tonga any amin' faratampony ny fahamarinan' siansa dia mety, eny tsy maintsy mihitsy aza manamarina ny voalazan' Baiboly.
soanja:Noho ny tsy fahatakaran' siansa ny atao hoe tena marina ary voa porofo tsy misy fisalasalana sy ny fanaovana base ny Baiboly ho toherina dia minia mikipy manalavitra ny teny ao anatiny izireo.
Tsy msiy manana ny fahamarinany tanteraka izany , na ny baiboly na ny siansa...
ianao:Noho ianao mpino anefa no asahiako milaza fa tsy maintsy hanaiky sy handohalika eo anolohan' HERY izao rehetra izao amin' farany.Izay no afahako milaza fa na ho aiza ianao na ho aiza, na hitady fahamarinana hoaiza ianao na ho aiza dia manamarina foana ny ao amin' Baiboly.Noho izany, io HERY io izay tsy voamarin' siansa hoe iza, nefa fantany fa misy no manamporofo fa marina ny ao amin' Baiboly.IZY no mihazona izao rehetra izao, IZY no mampisy sy tsy mampisy.
Noho izany dia tsy mahagaga ny tsy hinoan'ny tsy Mpino ny baiboly satria mandiso be ny fiaranana sy fahaizana izany.
32. ikaretsaka
(
22/03/2010 18:00)
RD> tsy misy manda ny Hery sy ny Izy anie hoa e... fa le fomba hentina mankany no samihafa..
ny hoe baiboly sy siansa.. raha tiana dia afaka atao mifampiankina, ary raha tiana koa dia afaka atao mifanohitra tanteraka..samy teny voalazan'ny baiboly aza raha tiana afaka tsimponina de misy maro be mifanohitra..rehefa tiana hotsimponina...de misy marobe koa anefa mifampiankina rehefa izay no hitiavana azy.
Fa manda ilay fisian'ny Hery ve izany? tsia... fa ny famaritana no samihafa.. tahakan'ny hoe samy "a" aby na ny "boribory misy rambony" na ny litera "a" na ny litera "A"

33. rakapy
(
22/03/2010 18:51)
Hoy i Rijadoly
Tsy fantatro marina aloha ilay siansa tianao resahina eto, maro mantsy izy ireo. Ilay hoe tsy fahatankarana ny tena marina aloha dia mbola ho ela ary mety tsy hiisy aza, nefa ny tanjona kosa dia ny mba ahafanatra misimisy kokoa.
Mino ve i Rijadoly fa mety tsy ni existe ianao raha tsy nisy ny fikarohana ara-tsiansa? Ekena fa voajanahary ny fahaterahana fa ny fahafatesana sy ny fahavelomana kosa dia tsy voatery ho voa-janahary. Maro ny aina no izay avotry ny siansa.
Hoy i Rijadoly
Inona izany no tokony hatao? Tsy tokony ampiasana ve izany ilay saina nomen'ilay nahary fa aleo mamaky baiboly sy mivavaka fotsiny?
Noho ny tsy fahatakaran' siansa ny atao hoe tena marina ary voa porofo tsy misy fisalasalana sy ny fanaovana base ny Baiboly ho toherina dia minia mikipy manalavitra ny teny ao anatiny izireo
Tsy fantatro marina aloha ilay siansa tianao resahina eto, maro mantsy izy ireo. Ilay hoe tsy fahatankarana ny tena marina aloha dia mbola ho ela ary mety tsy hiisy aza, nefa ny tanjona kosa dia ny mba ahafanatra misimisy kokoa.
Mino ve i Rijadoly fa mety tsy ni existe ianao raha tsy nisy ny fikarohana ara-tsiansa? Ekena fa voajanahary ny fahaterahana fa ny fahafatesana sy ny fahavelomana kosa dia tsy voatery ho voa-janahary. Maro ny aina no izay avotry ny siansa.
Hoy i Rijadoly
Noho ianao mpino anefa no asahiako milaza fa tsy maintsy hanaiky sy handohalika eo anolohan' HERY izao rehetra izao amin' farany.Izay no afahako milaza fa na ho aiza ianao na ho aiza, na hitady fahamarinana hoaiza ianao na ho aiza dia manamarina foana ny ao amin' Baiboly.Noho izany, io HERY io izay tsy voamarin' siansa hoe iza, nefa fantany fa misy no manamporofo fa marina ny ao amin' Baiboly.IZY no mihazona izao rehetra izao, IZY no mampisy sy tsy mampisy.
Inona izany no tokony hatao? Tsy tokony ampiasana ve izany ilay saina nomen'ilay nahary fa aleo mamaky baiboly sy mivavaka fotsiny?
34. ikaretsaka
(
22/03/2010 19:59)
izay mantsy...
hanampiako azy kely fotsiny:
Natao Vaksiny ve i RD, mihinana fanafody, mankany @ doko ve rehefa marary dia mihinana fanafody ? efa nodidiana sy tapaka ve? manao solomaso ve?efa nampiasa zavatra mandeha @ herin'ny masoandro, pile sns... ve?
Mino ve i Rijadoly fa mety tsy ni existe ianao raha tsy nisy ny fikarohana ara-tsiansa? Ekena fa voajanahary ny fahaterahana fa ny fahafatesana sy ny fahavelomana kosa dia tsy voatery ho voa-janahary. Maro ny aina no izay avotry ny siansa
hanampiako azy kely fotsiny:
Natao Vaksiny ve i RD, mihinana fanafody, mankany @ doko ve rehefa marary dia mihinana fanafody ? efa nodidiana sy tapaka ve? manao solomaso ve?efa nampiasa zavatra mandeha @ herin'ny masoandro, pile sns... ve?
35. rakapy
(
22/03/2010 20:23)
Hoy Ika
Ka io izy eto @ internet io ko lazain'Ika fa tsy mampiasa siansa :-D Sa rehefa baiboly @ internet dia tsy koi fa rehefa fitadiavana ny marina mombamomba ny olombelona sy ny voahary dia defi???
Aza matahora ianareo xana fa tsy hosintomin'ny mpanao siansa @ tady avy any an-danitra any izany A/tra izany ka azerany eto ambonin'ny tany e!

36. hery
(
22/03/2010 22:11)
rakapy> Tsy misy manely hoe MARINA ARA-BAKITENY ny baiboly. Ny olona manao izany dia na tsy tena mpino na mpandray an-tendrony. Raha toa ka naheno izany ianao dia tsy omeko tsiny raha toa izao sisa no fieritreretanao ny baiboly.
Averiko indray, ny Fiangonana Katolika dia mampianatra hoe mirakitra Fahamarinana ny baiboly fa tsy miteny hoe Marina ara-bakiteny sy ara-tantara daholo ny baiboly. Satria ny baiboly dia tsy bokin-tantara fa bokim-pinoana.
Mirakitra Fahamarinana ny baiboly satria tenin'Andriamanitra. Andriamanitra sy ny sitrapon'Andriamanitra no voalazany. Raha tsy mahita izany nefa ianao dia tsy omena tsiny koa satria amin'ny maha bokim-pinoana azy dia olona efa mino no mamaky baiboly fa tsy olona tsy mino.
Mandainga ve ny baiboly sa ianao no tsy mahazo izay voalazany? Miverina amin'io resaka etsy ambony etsy io ihany aho. Matoa ianao miteny hoe mandainga ny baiboly dia satria noraisinao ho toy ny bokin-tantara izy. Ianao izany no diso fa tsy ny baiboly.
Raha manao ny tononkalony momba ilay "ombintsarety sy ny olona" ao amin'ny bokiny ve i Rado dia holazainao hoe mandainga satria tsy nisy akory izany? Satria tsy miteny ny omby? Ianao no diso raha miteny izany satria i Rado akory tsy nanoratra tantara tena nisy fa ny votoatiny no tiany havoaka.
Fa aza matahotra fa tahaka izany fametrahanao fanontaniana izany no niatombohan'ny fibebahan'ny olomasina maro tahaka andry Md. Augustin, Md. Paoly sns.

38. rijadolly
(
23/03/2010 04:50)
za:Manaporofo izany fa tsy mandaha ny fivoarana (fahalalana) aho
Zavatra mahagaga ahy anefa dia ny tsy mpino no maka hevitra any amin' siansa mba hanoherana ny Baiboly.Kanefa rehefa tonga any amin' faratampony ny fahamarinan' siansa dia mety, eny tsy maintsy mihitsy aza manamarina ny voalazan' Baiboly.
ny hoe baiboly sy siansa.. raha tiana dia afaka atao mifampiankina, ary raha tiana koa dia afaka atao mifanohitra tanteraka..Iraisako hevitra mihitsy, nefa eo amin' ilay tapany faharoa dia tiako ihany ny manindry fa manohitra izy nefa mirona mankany amin' fahamarinan' ny Baiboly amin' farany rehefa mahita ny TENA MARINA.
Tsy ny fandavana ny siansa akory ny ady hevitsika eto, fa ny hevitry ny siansa izay entina manohitra ny Baiboly.
Misaotra betsaka amin' fanamarihana sasany. :-*
39. rakapy
(
23/03/2010 05:43)
Hoy i Hery
Hery.> tsy hoe vao izao aho no nahalala io voalazanao io fa efa hatramin'ny ela. Io hevitra voalazanao io no hevitra voiziko matetika eto. Amiko dia boky mirakitra fahendrena sy filozofia ilay boky nefa moa maro ny milaza azy eto fa boky milaza ny tantaran'izao tontolo izao sy ny hoaviny io boky io.
Hoy i Hery
Ny antony nilazako hoe mandainga ilay boky dia satria misy mihizingizina fa tena nisy ary zava-niseho ireo voalaza ao, toy ny tantaran'i Edena sy ny famoronana izao tontolo izao sns...
Hoy i Hery
Ka eo mihintsy no tsy hitovizako hevitra @ xana maro izay misera eto. Ainga-panahy toy ny ainga-panahy rehetra no nahatonga ireo mpanoratra nanoratra ny baiboly, ary nolazaina fa teny avy t@ A/tra satria ny momban' A/tra no tian'izy ireo ahatongavana . Ny ainga-panahy nefa dia avy @tsika olombelona ary ny olombelona dia avy @ A/tra na ilay Nahary.
Noho izany dia mitovy @ ainga-panahin'i Rado ihany koa ny ainga-panahin'ireo nanoratra ny baiboly. Ny tsy itovizany dia ny iray miresaka momba an'A/tra ary ny iray kosa milaza ny zavatra tsapany eto an-tany. Nefa dia samy @ alalan'ny "metaphor" na sarin-teny no ilazany izy ireo azy.
rakapy> Tsy misy manely hoe MARINA ARA-BAKITENY ny baiboly. Ny olona manao izany dia na tsy tena mpino na mpandray an-tendrony
Averiko indray, ny Fiangonana Katolika dia mampianatra hoe mirakitra Fahamarinana ny baiboly fa tsy miteny hoe Marina ara-bakiteny sy ara-tantara daholo ny baiboly. Satria ny baiboly dia tsy bokin-tantara fa bokim-pinoana.
Hery.> tsy hoe vao izao aho no nahalala io voalazanao io fa efa hatramin'ny ela. Io hevitra voalazanao io no hevitra voiziko matetika eto. Amiko dia boky mirakitra fahendrena sy filozofia ilay boky nefa moa maro ny milaza azy eto fa boky milaza ny tantaran'izao tontolo izao sy ny hoaviny io boky io.
Hoy i Hery
Mandainga ve ny baiboly sa ianao no tsy mahazo izay voalazany? Miverina amin'io resaka etsy ambony etsy io ihany aho. Matoa ianao miteny hoe mandainga ny baiboly dia satria noraisinao ho toy ny bokin-tantara izy. Ianao izany no diso fa tsy ny baiboly.
Ny antony nilazako hoe mandainga ilay boky dia satria misy mihizingizina fa tena nisy ary zava-niseho ireo voalaza ao, toy ny tantaran'i Edena sy ny famoronana izao tontolo izao sns...
Hoy i Hery
Raha manao ny tononkalony momba ilay "ombintsarety sy ny olona" ao amin'ny bokiny ve i Rado dia holazainao hoe mandainga satria tsy nisy akory izany? Satria tsy miteny ny omby? Ianao no diso raha miteny izany satria i Rado akory tsy nanoratra tantara tena nisy fa ny votoatiny no tiany havoaka.
Mirakitra Fahamarinana ny baiboly satria tenin'Andriamanitra. Andriamanitra sy ny sitrapon'Andriamanitra no voalazany. Raha tsy mahita izany nefa ianao dia tsy omena tsiny koa satria amin'ny maha bokim-pinoana azy dia olona efa mino no mamaky baiboly fa tsy olona tsy mino
Ka eo mihintsy no tsy hitovizako hevitra @ xana maro izay misera eto. Ainga-panahy toy ny ainga-panahy rehetra no nahatonga ireo mpanoratra nanoratra ny baiboly, ary nolazaina fa teny avy t@ A/tra satria ny momban' A/tra no tian'izy ireo ahatongavana . Ny ainga-panahy nefa dia avy @tsika olombelona ary ny olombelona dia avy @ A/tra na ilay Nahary.
Noho izany dia mitovy @ ainga-panahin'i Rado ihany koa ny ainga-panahin'ireo nanoratra ny baiboly. Ny tsy itovizany dia ny iray miresaka momba an'A/tra ary ny iray kosa milaza ny zavatra tsapany eto an-tany. Nefa dia samy @ alalan'ny "metaphor" na sarin-teny no ilazany izy ireo azy.
40. ikaretsaka
(
23/03/2010 12:17)
Raha manao ny tononkalony momba ilay "ombintsarety sy ny olona" ao amin'ny bokiny ve i Rado dia holazainao hoe mandainga satria tsy nisy akory izany? Satria tsy miteny ny omby? Ianao no diso raha miteny izany satria i Rado akory tsy nanoratra tantara tena nisy fa ny votoatiny no tiany havoaka.
Ho an'ny olona nitsimpona be fahantany isan'andalana ... sy nandray tsy ara contexte sy tsy nandany fotoana ny handinika lalina ny hoe "fa naninona ilay omby no niteny" na hoe "aiza no tian-Drado hahatongavana"
dia mety ho izany tokoa no handraisany azy ra Hery a
Hitako atsy ambadika atsy manko izany hoe tsy hay intsony manavaka ny fanoharana @ tranga tena niseho marina t@ fiainan'i jesoa...
i Rado vao 10 taona lasa izay d'efa misambodika ny olona ... mainka fa i Jesoa efa amin'arivo taona?