Maso solon'ny maso....Atolory azy koa ny takolakao iray

1. niryna ( 13/03/2010 06:26)
Ny teny ao amin'ny soratra masina Testamenta taloha dia manambara fa Eksodosy 21:24 maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tànana solon'ny tànana, tongotra solon'ny tongotra,

Lev 24:20 ... tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy kosa.

Kanefa i kristy dia nampianatra ny mpianany sy antsika hoe Matio 5 38-39
38 Efa renareo fa voalaza hoe: " Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify"...
39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray

Ny teny ao amin'ny TT dia tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy kosa
kanefa eto indray dia hoe na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana ,atolory azy koa ny anankiray ?

Ampio aho fa toa mifanohitra ilay teny sa inona no tiany ho tenenina amin'ireo ?

misaotra mialoha

Misaotra mialoha
(l) niryna
2. hery ( 13/03/2010 06:51)
Matio 22

36 Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? 37 Ary hoy Jeso taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.

Noho izany dia voaravona ao amin'io daholo ny didy taloha rehetra. Tsy mila mitady lavitra INTSONY.

Ny didy taloha sy ny fombafomba madinika dia natao hanatanterahana io didy lehibe io. Ny didy rehetra na taloha na ankehitriny dia natao sy atao mba hahatonga amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana.
3. Djhamhal ( 13/03/2010 13:34)
Matio 22

36 Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? 37 Ary hoy Jeso taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.

Noho izany dia voaravona ao amin'io daholo ny didy taloha rehetra. Tsy mila mitady lavitra INTSONY.

Ny didy taloha sy ny fombafomba madinika dia natao hanatanterahana io didy lehibe io. Ny didy rehetra na taloha na ankehitriny dia natao sy atao mba hahatonga amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana.

tsy azoko tsara ilay izy ra Hery ! dia iza @ reo nosoratan'i niryna reo zany no izy ?? ilay hoe tiava ny tompo .... mantsy tsy voafaritra mazava ny baiko tokony ho tanterahina !na handefitra ! na hamaly ilay olona !
4. ikaretsaka ( 13/03/2010 13:54)
Maso solon'ny maso: mahatonga izao tontolo izao ho jamba hoy i Gandhi izay

An eye for an eye makes the whole world blind.

de hoy ilay Lehiben'ny fikambanan-Drazezo taloha izay hoe:
"Raha lasa ny takolaka 2 .... valanorano sisa tavela"

-> de ny moral an'ilay toriteny de hoe rehefa misy voa ny 1.. de aoka izay!
5. soanja ( 13/03/2010 17:37)
Djhamhal:

Matio 22

36 Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? 37 Ary hoy Jeso taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.

Noho izany dia voaravona ao amin'io daholo ny didy taloha rehetra. Tsy mila mitady lavitra INTSONY.

Ny didy taloha sy ny fombafomba madinika dia natao hanatanterahana io didy lehibe io. Ny didy rehetra na taloha na ankehitriny dia natao sy atao mba hahatonga amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana.

tsy azoko tsara ilay izy ra Hery ! dia iza @ reo nosoratan'i niryna reo zany no izy ?? ilay hoe tiava ny tompo .... mantsy tsy voafaritra mazava ny baiko tokony ho tanterahina !na handefitra ! na hamaly ilay olona !


Izay no olana amin'ny baiboly ka. Misahotaka ny raharaha satria tsy mazava satria ilaozana tsimpotsimponina ilay izy.

Tsotra ny hafatra dia ny lalam-pitiavana ao amin'i Kristy Tompo! Tsy misy mahatra sy manana ary tsy misy ny fetra ifamelana sy ilomanosanao ao anaty filaminana feno fiadanana ao Aminy.


6. Ratoa ( 13/03/2010 22:30)
tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy kosa.

Izay ny sazy lehibe indrindra azonao atao izay meloka taminao. Ny olom-belona dia tsy tonga lafatra ka raha misy manisy ratsy na manao ratsy dia ho saziana izy. Kanefa tsy azo atao ny manara-raotra na enti-po fa tsy maintsy mifehy tena ilay manasazy ka dia no ferana ny sazy tamin'ny andro mbola tsy nisy fitsarana, satria ny lalàna nifehy ny Jiosy dia ao amin'ny Baiboly ihany. Ka raha ratsa-tànana no nesorin'ilay mpanao ratsy dia tsy mahazo manaisotra ny tanany iray manontolo ilay naratra honerana fa ny ratsana mitovy amin'ny azy nesorina ihany noazony alàna.
taty aoriana dia natsarain'i Kristy io (i Kristy dia Mpanatsara, Mpisolo heloka ary Mpamonjy) ka nataony hoe: mana zo ianareo hitaky honotra ianareo noho ny voina natao anareo kanefa tsara kokoa raha tsy mitaky izany ianareo fa mamela heloka. Satria izay mamela izay meloka taminy no ho voa vela ny helony.
7. dadasy ( 14/03/2010 03:42)
ikaretsaka:


de hoy ilay Lehiben'ny fikambanan-Drazezo taloha izay hoe:
"Raha lasa ny takolaka 2 .... valanorano sisa tavela"




milay kosa ity zavatra nambaran'i Ika ity an! hihihi ohatran'ny azoko antsiana le valanorano tsy misy takolaka!
8. nannie ( 14/03/2010 06:44)
Tsy dia hisy Tenin'Andriamanitra firy no hanazavako azy fa asa anefa raha hahazava azy fa ao ny namana hanamafy azy raha izay no marina. Sady ohatran'ny karazana fijoroana vavolombelona koa angamba...

Ilay hoe maso solon'ny maso dia entina hilazana ny fombam-piainana izay tsikaritsika rehetra sy ataon'ny Ntaolo hoe "Ny atao no miverina"

Fa ilay hoe "Raha misy mamely ny takolakao havanana dia atolory azy koa ny havia" dia entina hampianarana antsika kristianina ny amin'ny mety tokony ho fitondrantenantsika raha misy manao ratsy antsika, mifameno amin'ilay hoe (ary nanampy Tenin'Andriamanitra ho azy ihany kay aho) : "raha manao soa izay manao ratsy anao ianao dia toy ny manambatra vainafo eo an-dohany"

Raha fehezina izany ireo Tenin'Andriamanitra roa toa mifanohitra ireo dia :
Aza mamaly ratsy ny ratsy, fa omeo làlana Andriamanitra hanao ny asany izay mifanaraka amin'ny asan'ny natiora hoe "maso solon'ny maso". Tsy anjaranao no mamaly azy fa ao Andriamanitra hamaly azy amin'ny toerana sy ny fotoana mahamety azy.

Ary ity ilay fijoroana vavolombelona ho entiko manamafy izany :
Rehefa izaho no minia mamaly ny ratsy ataon'olona dia manjary izaho indray no enjehin'ny eritreritro rehefa vita ny famaliako, sady tsy vitan'izay fa toa mivadika amiko indray ny tsiny, na eo imason'ny fiaraha-monina, na eo imason'Andriamanitra, eny fa na eo imason'ny tenako aza... ary na dia eo imason'ilay fahavaloko novaliako aza indraindray ! Dia tsy afa-po aho mazàna !
Efa niainako koa anefa, ary vao tsy ela, ny mifanohitra amin'izay :
Tezitra mafy aho noho ny nataon'olona iray ! tsy haiko intsony hoe hovaliako ahoana izy ! Fa ny tohiny rehefa avy eo ??? — Andriamanitra ihany no namaly azy ary tena mafy no zakainy ! fa na izaho aza.... manjary onena azy !!!

Toy izay no tian'Andriamanitra holazaina eto raha ny fahazoako azy.

Misaotra Azy aho aloha raha afaka nizara an'izay androany alahady.

Nannie
9. rahery08 ( 15/03/2010 05:54)
MIARAHABA NY NAMANA REHETRA
HOY JESOSY :
« Efa renareo fa voalaza hÅ“: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao. » (Matio 5:43)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hœ: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, » (Matio 5:44)
« mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. » (Matio 5:45)
« Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va? » (Matio 5:46)
« Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va? » (Matio 5:47)
« Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra. » (Matio 5:48)

Marihina fa ny fototry ny lalàna dia ny FITIAVANA
1 Fitiavana an’Atra
2 Fitiavana ny olona mifanerasera @nao,

Jesosy kosa dia naneho ny tena fitiavana :
« Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany» (Romana 5:10 a)

Isika no ilay fahavalon’Atra, nampihavanina tamin’Atra, Fahavalony isika kanefa notiaviny, nanolorany ny ainy, ilay fahavalo indro fa tonga sakaiza, Ianareo no sakaizako hoy ny Tompo !

Dia avy eo Izy nanao hoe : Didy vao2 no omeko anareo, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa,
Fitiavana mihoatra lavitra noho ilay fitivana ny namana tahaka ny tena, izay no nasehon’Tompo, aoka ho toa izany koa isika !

Zava-doza ny mikitika ny anakadriamason’ny Tompo ! Sarobody @ Tompo ianao raha miray aminy, hany ka raha misy mikitikitika Anao, dia avy ny Tompo ! ary aza azon’ny tanan’Atra velona, ary izay no mahatonga ny Tompo hanao hoe, mivavaha ho an’izay manenjika anareo ! Toy Jesosy teo @ hazo fijaliana nanao hoe : mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony.

Asa raha mazava ilay izy fa izay no fandraisoako azy!
ambava homana, ampo miheritreritra!



10. Mirananirina ( 15/03/2010 10:28)
Ampio aho fa toa mifanohitra ilay teny sa inona no tiany ho tenenina amin'ireo
betsaka tokoa ny teny mifanohitra sy tsy mitombina ao aminy baiboly hany ka manjara miala tsy mino daholo ireo mpino.Efa Kristianina izy ireo taloha,fa dia mahagaga.Ireo ohatra omen'i rahery 08 ireo ohatra dia mahagaga tokoa.efa nahita koa aho tao taloha fa tsy tadidiko hoe tao amin'io:raha misy olona manao ratsy anao dia manao ratsy ahy ka tokony ho vonoina.tsss....
11. rahery08 ( 15/03/2010 11:07)
Mirananirina>>
Tsy mifanohitra mihintsy ireo teny ireo ry Mirana fa mampiseho ny tena fitiavana, dia ny nitiavan'Andriamanitra antsika, ny nitiavan' Jesosy antsika, ary toetra tokony halaintsika tahaka indrindra izany!
12. rahery08 ( 15/03/2010 11:09)
Ary tsy tokony atao hampihemotra amin'ny fanarahana ny Tompo,
13. bor2lais ( 15/03/2010 14:52)
Voalaza ery ambony ery :
"-> de ny moral an'ilay toriteny de hoe rehefa misy voa ny 1.. de aoka izay! "
-------
Miombon-kevitra amin''i Ika hatreto ! :D

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=18&andininy=22-23&dika=
14. ikaretsaka ( 15/03/2010 15:05)
tsy za loatra no niteny an'io rabord fa le rangahy lehiben'ny Fikambanan Drazezo taloha izay ka
http://fr.wikipedia.org/wiki/Pedro_Arrupe
15. bor2lais ( 15/03/2010 15:40)
Ilay hoe "rehefa voa ny 1.. de aoka izay" no iombonako hevitra eto !

Izy Tompo no nanome ohatra amin'ny fampiharana an'io ... ao amin'ilay rohy nomeko io ... :D
16. ikaretsaka ( 15/03/2010 15:44)
ny an'ny Tompo nanao hoe .. voafelaka ny takolaka ilany de hoe--> ity koa ny ilany ka...

fa nen lery hoe voa ny ilany de lasa lery tsisy romoromo :wink:
17. bor2lais ( 15/03/2010 16:02)
Voalaza teo :
"ny an'ny Tompo nanao hoe .. voafelaka ny takolaka ilany de hoe--> ity koa ny ilany ka..."
---------
Tsy izay ilay tantara Ra-Ika raha ny fahazoako azy fa vakio tsara : voafelaka ny takolaka ilany, dia nanontany na nangataka fanazavana Izy fa tsy misy milaza ao fa nomeNY avy hatrany ny ilany an ! :D

Toa misy lesona azo tsoahina eto e ! :D
18. ikaretsaka ( 15/03/2010 16:07)
raha misy mamely ny havanana omeo azy koa ny havia no nolazainy ko.....
ary notsipihin'ilay ramatoa akama mihitsy le andalana 39 sady nampiasainy stylo manga sy mena... :wink:
(jereo ange ao ambony ao e)
19. bor2lais ( 15/03/2010 16:23)
Io ilay efa nanaovako HS teto indray mandeha : raha misy mamelaka ny takolakao havanana dia tonga dia atolory ny havia. Ho hitanao fa tsy ho voa akory io havia io ! Andramo ange ! :D

Noho izany, amiko ilay hoe "ATOLORY ny havia" dia toa midika hoe "AROVY ny havia" !

Ary io rohy nomeko io dia toa manaporofo an'izany an ! (azo tohizana hatrany amin'ny resaka famelan-keloka aza izy io)

Izay ny fandraisako azy ! :D
20. AndriambyII ( 15/03/2010 17:19)
Raha voafetaka ny havanana , dia omena koa ny havia , tsy ho KO total ve ??
Un point simple , tsy misy fikasihan-tànana maharary tsy heloka intsony @ izao vaninandron-tsika izao !! Ambonin' izany dia mandika fa misy tsy fahampianan ' ny saina mandinika sy firefarefan' ny toem-panahy tsy mahay mandray andraikitra @ fisehoan- javatra mipoitra eo @ fiainana hita taratra @ io nolazaina eo ambony io , tsy manenjika ny fieritreretan' ilay olona nandefa ny amboaran-kevitra aho , fa kosa ilaina ny mahafehy ny adim-panahy mifehy ny fiainana @ izao androntsika izao !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081