Maso solon'ny maso....Atolory azy koa ny takolakao iray

41. niryna ( 22/03/2010 02:05)
bor2lais:

Voalaza teo :
"ny an'ny Tompo nanao hoe .. voafelaka ny takolaka ilany de hoe--> ity koa ny ilany ka..."
---------
Tsy izay ilay tantara Ra-Ika raha ny fahazoako azy fa vakio tsara : voafelaka ny takolaka ilany, dia nanontany na nangataka fanazavana Izy fa tsy misy milaza ao fa nomeNY avy hatrany ny ilany an ! :D

Toa misy lesona azo tsoahina eto e ! :D

marina tokoa izany ny tenin'Atra dia misy lesona azontsika ho tsoahina foanafoana ary manampy antsika sy ireo manodidiny antsika
misaotra bor2lais a

:-*
42. niryna ( 22/03/2010 02:47)
soanja:

Tsotra ny hafatra dia ny lalam-pitiavana ao amin'i Kristy Tompo! Tsy misy mahatra sy manana ary tsy misy ny fetra ifamelana sy ilomanosanao ao anaty filaminana feno fiadanana ao Aminy.
niryna:
amin'ny fomba ahoana ?

soanja:


Malalaka ny olona raha hitsimpona an'io teny ao amin'ny baiboly io amiko. Malalaka ny olona amiko hino izay inoany ao koa. Raha tsy hihinana henakisoa izy ohatra dia mety amiko izany. Tsy izaho no hitsara hoe izay ilay izy na tsia.
marina tanteraka izany tsy mitsara isika fa miteny ny ao anatin'ny baiboly,ny baiboly no mitsara izay mizara vilana sy tsy mifanaraka ny ao anatin'ny baiboly ka.Raha miteny kristy hoe izay sakafo rehetra miditra ny vavantsika dia madio avokoa fa tsy maloto akory fa izay rehetra mivoaka ny vavantsika dia avy amin'ny fo-tsika ary no lazaina hoe maloto. Raha milaza isikafa diso izany ilay tenin'i kristy dia manao azy ho mandainga isika fa mihevitra ny tenintsika ho marina ary manamaritena dia tsy tian'Atra amintsika tokoa
Tsy mitovy isika rehetra amin'ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra.
-misy ny misotro ronona ,misy ny mihinana ventikanina amin'izany noho izany dia tsy hijanona hisotro ronona eo foana kosa aloha fa tsy maintsy manitatra ilay tenin'Atra ka
-Eny tsy mitovy tokoa isika satria misy no mandray azy ary misy no efa fantany fa tsy mandray azy ka dia hohamafisiny ny fony ( tenin'Atra io fa tsy afaka hitsara olona isika fa ny baiboly no mitsara antsika)
-raha ny finoana an'ilay kristy tonga teto an-tany amonjy antsika ,nanafaka antsika tamin'ny fahotana,mpanavotra ny fanahintsika dia tokony hitovy satria raha Atra iray ihany no hinoana ary raha fanahy masina mitovy no ao anaty dia tokony itovy tokoa raha tsy mitovy ny fanahy ao anaty dia miombokevitra tanteraka aminao tokoa aho aho
Tiako raha liana amin'ny tenin'Andriamanitra ny olona iray ary izay fomba itiavany sy manamora ny fandraisany azy dia hajaiko avokoa. Ao aza ny tsy voatery hamaky baiboly dia efa maheno ny feon'Andriamanitra.
hi,hi ka na olona milaza mahay anglais na math aza ve tsy hila boky sy tsy anao pratique sa tonga dia hoe tsy ho voatery, hafakely indray izany an , mila boky daholo ny fianarana ny taranja rehetra ka maika fa ilay tenin'Atra izay mbola tao anatin'ny maizina avokoa ny olona vao nandray azy ? olona efampolo no nomeny tsindrimandry dia ho tonga fotsiny ao anatin'ny fo fotsiny amin'izao ? aoka re :D
hafa ny olona efa voatendrin'Atra ka tsy nila nianatra baiboly satria izy no nanendry azy fa kosa avy eo izy mandalina ny baiboly fa tsy tonga dia hijoro eo amin'ny pilipitra iteniteny izay tandrifin'ny sainy an,mbola misy fotoana aza izy mivavaka mangataka ny fanahy masina mba izy no anondro ny teny izay aloakan'ny vavany k'nou

Ny fitsimpitsimponana anefa amiko dia mampisahotaka tokoa ny raharaha.
ho anao izany ka dia hajaiko ny teninao
Ahy anefa io fa tsy ny hafa.
marina tanteraka,nomena safidy tokoa isika an
Satria nahoana? satria manjary tapatapahana ilay hevitra mivaingana entin'iny taratasy nosoratana iny.
ndry ,ny pasitera na olon'Atra mitory teny ve tonga dia safombemantsina fotsiny izao? maka ohatra izy , resaka fitiavan'Atra fotsiny no zaraina dia mifanaraka amin'izany ny toriteniny fa raha mivoana izy dia mahafantatra koa ny olona fa tsy any mihitsy satria ahoana,izay manana ny fanahy masina no mahalala ny fanahy izay mifanaza na resahiny eo ary raha tsy mahalala aza izy fa mangetaheta dia ny fanahin'Atra no manokatra ny fony ary dia miova fo eo izy,izay ilay izy ary anjaran'ny mpihaino koa no maka izay tandrifiny sy hifanaraka izany fitiavan'Atra izany amin'ny fiainany raha iny no fotoana tian'Atra hisokafan'ny fony. Zarainy tsikelikely ary dia asehony ny mpino rehetra sy ny mpihaino rehetra ny teny mifanaraka amin'izany ohatra ity Fa toy izao no nitiavan'Atra an'izao tontolo izao,nomeny ny Zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy ary mampiseho izany avy amin'ny alalan'ny tenin'Atra tokoa izy [b] na izany aza mbola misy matory sy tsy miditra ilay izy fa mbola tsy tonga ny fotoana k'nou ka maika fa ny baiboly iray manontolo.Toy ny fianarana rehetra io amiko e,tsikelikely ary ny fanahy masina no mampianatra ny tsi11 izay mangetaheta an'izany ary dia mbola ampiany ihany koa hizara an'izay ho an'ireo izay mangetaheta koa
Manimba ilay hafatra. Rehefa handray zavatra dia izy tontolo atrehina sy henoina. Io ambony io izao dia ohatra mivainga. Lasa mifanipaka ny tiany hambara, nefa raha mamaky ny baiboly tontolo ianao dia ahita fa tsy mifanipaka ny raharaha fa endrika fitiavana no asehony.
ka na ny baiboly aza dia misy mametraka teny hoe ity no vakiana androany ka maika fa ny baiboly iray manontolo tsy vao maika ho kivy tanteraka ireo olona ? aoka hoy aho ,hevitrao tokoa ilay izy ka dia hajaina e

Ny hafatra entin'ny baiboly dia ny fitiavan'Andriamanitra antsika zanany. Tsy misy tombo sy hala. Rehefa voavaky ny boky dia fantatra ny hafatra, raha olona misaina . Ndeha indray hamaky boky hafa mitory fitiavana ihany....
soanja a anampiko dia tsy vakiana fotsiny fa manomboka alalininy amin'izay ary toy ny misotro rano io rehefa mangetaheta isika dia misotro rano ary dia ho afaka ny hetahetantsika ary vao maika azy isika mampitombo ilay fahalalano nomeny antsika
misaotra nizara


:-*
43. ikaretsaka ( 22/03/2010 12:53)
[quote=niryna]



de hoy ilay Lehiben'ny fikambanan-Drazezo taloha izay hoe:
"Raha lasa ny takolaka 2 .... valanorano sisa tavela"

:D
Dia ahoana indray ilay hoe raha ny tananao hankavia no manembatsembana anao dia tapao any iny fa tsra ho anao no kilemaina toa izay manana tanana roa any amin'ny afobe ? toa izany koa ny tongotra ?


tsy azonao tanteraka le resaka dia lasa mivoana be le resaka satria tsisy ifandraisany @ lohahevitra intsony




hi,hi dia azavao aza fa aza manao copy io fotsiny toi e heviny io fa tsy an'i toi




ka ny mahagaga ny olona rehetra nahazo aby fa ianao tsa nahazo na nohazavaina aza...
44. niryna ( 15/04/2010 18:16)
ikaretsaka:


ka ny mahagaga ny olona rehetra nahazo aby fa ianao tsa nahazo na nohazavaina aza...


hi,hi

45. ikaretsaka ( 15/04/2010 22:50)
fa miverina @ le sujet isika.. somary asiako sira kely fa samia mamisavisa

nampatsiaro anahy ilay pasitera voaharona paosy tao anaty taxi be indray andro izay ity....

ajanony ny bus sofera ho'zy lery fa misy nangarona ny paosiko! sady nikorapaka be razoky

kay efa fantatr'ilay sofera sy receveur fa le bandy efa malaza mpitory teny be ao anaty taxi be efa feno hipoka ireny lery.

de ho'zy le Gol (receveur) hoe taoko vao toriteninao teo ny hoe "raha misy mangarona ny paosinao havanana... hatolory koa ny havia pasitera a" fa hehy be saika tsy tapitra tao anaty Taxi be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0675