Maso solon'ny maso....Atolory azy koa ny takolakao iray

21. ikaretsaka ( 15/03/2010 18:34)
bor2lais:

Io ilay efa nanaovako HS teto indray mandeha : raha misy mamelaka ny takolakao havanana dia tonga dia atolory ny havia. Ho hitanao fa tsy ho voa akory io havia io ! Andramo ange ! :D

Noho izany, amiko ilay hoe "ATOLORY ny havia" dia toa midika hoe "AROVY ny havia" !

Ary io rohy nomeko io dia toa manaporofo an'izany an ! (azo tohizana hatrany amin'ny resaka famelan-keloka aza izy io)

Izay ny fandraisako azy ! :D

ha gaga aho fa efa nanomboka nifoha sy en contact @ realite koa i bord... itovizana le fijery ary io no voiziko eto foana

22. bor2lais ( 16/03/2010 07:18)
ikaretsaka:

ha gaga aho fa efa nanomboka nifoha sy en contact @ realite koa i bord... itovizana le fijery ary io no voiziko eto foana

-------
Izaho indray faly satria manomboka azonao amin'izay ny tiako ambara teto efa ela be nifaneraserana teto izay ! :D

Mirary soa e ! :D
23. ikaretsaka ( 16/03/2010 12:47)
tsy hoe tsy azoko ange e.. fa nahiako fa le mpanaraka ambokony ara-bakiteny ireny fotsiny ianao hoe "atolory" no voalaza de zay zany fa iny fa hanolotra de rehefa hanontaniana de hoe ka zay aza ny voalaza koh!
24. fijo ( 16/03/2010 22:11)
sahala amin'ny voasoratra maro ao amin'ny boky malaza ihany,dia mifanohitra tanteraka ireo "didy"roa ireo.

ny hijereko azy ,dia ny vaninnadro aloha.
tsy nitovy ny vaninadron'ny testamenta taloha sy ny vaovao.tamin'ny andron'ny testamenta taloha,mbola tena nanjakan'ny ady an trano ry israely.hany ka ita taratra ny fisainana mbola mifono valinady.

tamin'ny andron'i ralavavolo,efa niray ry zareo,saingy ady anatiny no nisy,ka mba tsy hitaran'io ady anatiny io,dia ilaina ny mifandefitra;
Le fandeferana ,no itako tian'i lery lazaina eto."hoe aza mandany andro eo"rehefa namely anao anie ilay olona,ka tsy namaly enao,dia rava hoazy ny ady e.
matoa misy ny ady,dia misy olona roa farafahakeliny,tsy mifamela,ka mifampitady valifaty.fa rah any iray ihany no mitady izany,ny ilany tsy mamaly ,dia rava hoazy ny ady.

io di afilozofia japone indray hoe,raha misy te hiady aminao,ka tsy novalianao izao,dia efa resy sahady izy"
25. ravonjison ( 17/03/2010 16:09)
...Misy tokoa ireo hevitra mifanohitra ao @ baiboly, miharihary izany.Ka na inona na inona interpretation nao, dia hita fa samy hafa ilay filozofie. Tsy ny hevitra sy voalaza ihany anefa no misy mifanohitra fa matetika ny toetra koa. Ny toetran\' i Jesoa dia matetika nifanohotra t@ toetra lazaina fa tsara t@ izany fotoana izany.
Io dia miankina @ vanimpotoana tokoa.Ny testamenta taloha dia olona talohan\' i Jesosy no nanoratra azy ary ny filozofia nisy t@ izany no voarakitra ao ( matetika filozofia jiosy). Ny testamenta vaovao kosa dia mikasika ny fiainan\' i Jesosy sy ny filozofiany no hita ao ( matetika filozofia kristianina).
Tsikaritra anefa fa misy tokoa ny filozofie mifanohitra, talohan\' i Jesosy sy toriany.
I jesosy mantsy dia tsy olona tsotra sy tsara fanahy be araka ny fahazoan\' ny sasany azy. Jesosy dia \" REBELLE = olona mpanohitra \" araka ny tantara, saingy tsy nampiasa sabatra sy antsy izy fa kosa filozofie sy fahaizana no nampiasainy. Hita taratra tokoa izany araka ny fampianarana nataony sy ny toetra nananany : ohatra: milaza izy zavatra mifanohitra @ zavatra efa voalaza taloha ( voir etsy ambony).Fetsy anefa izy , tsy mi-contre direct izy fa ataony fotsiny hoe: ...fa izao kosa no lazaiko anareo. Tsy miantso ady direct izany izy , nefa ezahiny avahina nihitsy ny filozofia taloha ( araka ny jiosy) sy ny fampianarana vaovao ataony ( kristianina).
Toy izany koa ny toetra: niditra tao @ tempoly t@ toerana tsy tokony hisy zaza izy , dia hoy izy hoe : tsy fantatrareo va fa tsy maintsy mitoetra ao antanon\' ny raiko aho.
Noho izany rehetra izany dia nisy tokoa ny tsy fitovian-kevitra , azo tsotsorina hoe : jiosy versus kristianina.
Noho io toetra sy fampianaran\' i Jesosy somary hafa noho ny efa mahazatra io anefa nahatonga ny jiosy sasany nankahala sy natahotra azy ( toa tsipahiny daholo ny zavatra efa mahazatra), ary io koa no nahatonga ny olona sasany voasarika hanaraka azy ( toa mahery sy manantsaina be lery @ ilay fampianarana), ka nampiteraka ny sekte \" kristianina ( sekte izy io t@ voalohany), avy eo dia ny fivavahana kristianina.
Izany toetrany rebelle izany koa no nahatonga ny romain( ireo mpanao politika tao antoerana) ho mailo sao hitarika ny olona hanongam-panjakana izy.Eto indray izany dia vahoaka jiosy versus fanjakana (= mpanjanaka versus voazanaka).
Ireo hevitra sy fampianarana mifanohitra ireo dia nohezahina nitadiavana \"inerptretation \" mba hampifanaraka azy ireo. Dia ny fanazavana izany dia ny hoe : arakaraka ny fihetsemponao, ny toerana misy anao , ny condition misy eo antoerana..., no handaraisanao na ilay hevitra voalohany na ilay faharoa, ary ezahina foana ilay hoe : mifameno sy mifanaraka izy ireo.

Fa mazava dia mazava fa misy hevitra mifanohitra maro ao.
26. ikaretsaka ( 17/03/2010 16:38)
mitovy fijery @ ravonjison
27. niryna ( 17/03/2010 16:41)
niryna:

Ny teny ao amin'ny soratra masina Testamenta taloha dia manambara fa Eksodosy 21:24 maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tànana solon'ny tànana, tongotra solon'ny tongotra,

Lev 24:20 ... tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy kosa.
ao amin'ny Testamenta Taloha izany dia manambara fa izay zavatra atao amin'ny olona no avaly aminao koa
Toy ny tantaran'ireo olona nandevozona ohatra ka raha manimba ny masony ilay mpanompony dia afaka madiodio tsy ho mpampo azy intsony izy
Raha misy manao ratsyizany dia valiana ilay izy ka ny maso ho solon'ny maso .Mazava ho azy kosa anefa fa tsy maintsy mandalo fitsarana daholo ny olona manao ratsy .Raha tsy ohatra angaha ka efa voavidy vola ny mpitsara ankehitriny dia asaina mandainga ka tsy manameloka ilay ratsy .
28. niryna ( 17/03/2010 16:46)
hery:

Matio 22

36 Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? 37 Ary hoy Jeso taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.

Noho izany dia voaravona ao amin'io daholo ny didy taloha rehetra. Tsy mila mitady lavitra INTSONY.

Ny didy taloha sy ny fombafomba madinika dia natao hanatanterahana io didy lehibe io. Ny didy rehetra na taloha na ankehitriny dia natao sy atao mba hahatonga amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana.
misaotra Hery a

:-* :-* :-*
29. niryna ( 17/03/2010 17:03)

Djhamhal:

tsy azoko tsara ilay izy ra Hery ! dia iza @ reo nosoratan'i niryna reo zany no izy ?? ilay hoe tiava ny tompo .... mantsy tsy voafaritra mazava ny baiko tokony ho tanterahina !na handefitra ! na hamaly ilay olona !

toa resaka fitiavan'Atra no resahiny eto ka.

30. niryna ( 17/03/2010 17:06)
ikaretsaka:

Maso solon'ny maso: mahatonga izao tontolo izao ho jamba hoy i Gandhi izay

An eye for an eye makes the whole world blind.

de hoy ilay Lehiben'ny fikambanan-Drazezo taloha izay hoe:
"Raha lasa ny takolaka 2 .... valanorano sisa tavela"

-> de ny moral an'ilay toriteny de hoe rehefa misy voa ny 1.. de aoka izay!

misaotra ika a

31. niryna ( 17/03/2010 17:11)

Djhamhal:

Matio 22

36 Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? 37 Ary hoy Jeso taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.

Noho izany dia voaravona ao amin'io daholo ny didy taloha rehetra. Tsy mila mitady lavitra INTSONY.

Ny didy taloha sy ny fombafomba madinika dia natao hanatanterahana io didy lehibe io. Ny didy rehetra na taloha na ankehitriny dia natao sy atao mba hahatonga amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana.

tsy azoko tsara ilay izy ra Hery ! dia iza @ reo nosoratan'i niryna reo zany no izy ?? ilay hoe tiava ny tompo .... mantsy tsy voafaritra mazava ny baiko tokony ho tanterahina !na handefitra ! na hamaly ilay olona !
soanja:

Izay no olana amin'ny baiboly ka. Misahotaka ny raharaha satria tsy mazava satria ilaozana tsimpotsimponina ilay izy.
raha toa ka toy ny boky rehetra ilay izy dia mety hisahotaka fa ho an'ireo izay mangataka amin'Atra mba ampianatra azy dia tsy hisahotaka velively na rahoviana
Ka maninona koa soanja no mitsimpona,izay no mahavoa anareo e,avelao ny olona hitsimpona fa matoa izy mitsimpona dia efa ao anatiny ilay izy ary mifanaraka ny sujet omen'ny olona fa tsy zavatra hafa, sa allergie toa ilay rangaha iray koa hianao ,hi,hi

Tsotra ny hafatra dia ny lalam-pitiavana ao amin'i Kristy Tompo! Tsy misy mahatra sy manana ary tsy misy ny fetra ifamelana sy ilomanosanao ao anaty filaminana feno fiadanana ao Aminy.
amin'ny fomba ahoana ?

[/quote]

32. niryna ( 17/03/2010 17:40)
tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy kosa.
Ratoa:

Izay ny sazy lehibe indrindra azonao atao izay meloka taminao. Ny olom-belona dia tsy tonga lafatra ka raha misy manisy ratsy na manao ratsy dia ho saziana izy. Kanefa tsy azo atao ny manara-raotra na enti-po fa tsy maintsy mifehy tena ilay manasazy ka dia no ferana ny sazy tamin'ny andro mbola tsy nisy fitsarana, satria ny lalàna nifehy ny Jiosy dia ao amin'ny Baiboly ihany. Ka raha ratsa-tànana no nesorin'ilay mpanao ratsy dia tsy mahazo manaisotra ny tanany iray manontolo ilay naratra honerana fa ny ratsana mitovy amin'ny azy nesorina ihany noazony alàna.
misaotra Ratoa ,vao avy namaky ny TT taloha tokoa aho fa be fomba maro anie izany e,hatramin'ny mpampiasa manao tsinontsinona ny andevo ka mandratra azy ireny dia miala tsy ho andevony intsony.Ny omby mandripaka ka mahafatsy olona tonga dia vonoina ary tsy mahazo hohanina saingy omena fampitandremana ny tompony ka raha mbola misy omby manao izany dia vonoina ary miakatra voasazy amin'izay ilay tompony .Maro be e

taty aoriana dia natsarain'i Kristy io (i Kristy dia Mpanatsara, Mpisolo heloka ary Mpamonjy) ka nataony hoe: mana zo ianareo hitaky honotra ianareo noho ny voina natao anareo kanefa tsara kokoa raha tsy mitaky izany ianareo fa mamela heloka. Satria izay mamela izay meloka taminy no ho voa vela ny helony.
mazava be fa misaotra Ratoa a.
Dia misy koa aza ny hoe tsy tokony amaly ratsy ny ratsy isika satria Ahy ny fifamaliana hoy ny Tompo

33. niryna ( 17/03/2010 17:43)
ikaretsaka:

de hoy ilay Lehiben'ny fikambanan-Drazezo taloha izay hoe:
"Raha lasa ny takolaka 2 .... valanorano sisa tavela"

:D
Dia ahoana indray ilay hoe raha ny tananao hankavia no manembatsembana anao dia tapao any iny fa tsra ho anao no kilemaina toa izay manana tanana roa any amin'ny afobe ? toa izany koa ny tongotra ?

34. fijo ( 17/03/2010 22:10)
marina izany ravonjy,i ralavavolo anie ka tsy nanda ny filozofia jiosy ,fa nikasa kosa izy hanova sy hanatsara ilay izy,satria efa noarann'y toetr'andro.ka izay no ahitana ilay fifanoherana,ary izay no nilazako hoe arakarak'ilay vanimpotoana io.
35. ikaretsaka ( 17/03/2010 23:30)
niryna:

de hoy ilay Lehiben'ny fikambanan-Drazezo taloha izay hoe:
"Raha lasa ny takolaka 2 .... valanorano sisa tavela"

:D
Dia ahoana indray ilay hoe raha ny tananao hankavia no manembatsembana anao dia tapao any iny fa tsra ho anao no kilemaina toa izay manana tanana roa any amin'ny afobe ? toa izany koa ny tongotra ?

tsy azonao tanteraka le resaka dia lasa mivoana be le resaka satria tsisy ifandraisany @ lohahevitra intsony

36. ravonjison ( 18/03/2010 08:42)
fijo:

marina izany ravonjy,i ralavavolo anie ka tsy nanda ny filozofia jiosy ,fa nikasa kosa izy hanova sy hanatsara ilay izy,satria efa noarann'y toetr'andro.ka izay no ahitana ilay fifanoherana,ary izay no nilazako hoe arakarak'ilay vanimpotoana io.

Izay voalazanao izay mihitsy ilay izy Rafijo a.
37. fijo ( 18/03/2010 21:50)
tsara marihina io,satria maro no diso fandray ny zavatra nataon'i lery
38. ikaretsaka ( 19/03/2010 14:02)
iombonako fijery ko io
39. niryna ( 19/03/2010 17:07)

niryna:

de hoy ilay Lehiben'ny fikambanan-Drazezo taloha izay hoe:
"Raha lasa ny takolaka 2 .... valanorano sisa tavela"

:D
Dia ahoana indray ilay hoe raha ny tananao hankavia no manembatsembana anao dia tapao any iny fa tsra ho anao no kilemaina toa izay manana tanana roa any amin'ny afobe ? toa izany koa ny tongotra ?

ikaretsaka:

tsy azonao tanteraka le resaka dia lasa mivoana be le resaka satria tsisy ifandraisany @ lohahevitra intsony

hi,hi dia azavao aza fa aza manao copy io fotsiny toi e heviny io fa tsy an'i toi

40. soanja ( 20/03/2010 15:50)
niryna:

Djhamhal:

Matio 22

36 Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? 37 Ary hoy Jeso taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.

Noho izany dia voaravona ao amin'io daholo ny didy taloha rehetra. Tsy mila mitady lavitra INTSONY.

Ny didy taloha sy ny fombafomba madinika dia natao hanatanterahana io didy lehibe io. Ny didy rehetra na taloha na ankehitriny dia natao sy atao mba hahatonga amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana.

tsy azoko tsara ilay izy ra Hery ! dia iza @ reo nosoratan'i niryna reo zany no izy ?? ilay hoe tiava ny tompo .... mantsy tsy voafaritra mazava ny baiko tokony ho tanterahina !na handefitra ! na hamaly ilay olona !
soanja:

Izay no olana amin'ny baiboly ka. Misahotaka ny raharaha satria tsy mazava satria ilaozana tsimpotsimponina ilay izy.
raha toa ka toy ny boky rehetra ilay izy dia mety hisahotaka fa ho an'ireo izay mangataka amin'Atra mba ampianatra azy dia tsy hisahotaka velively na rahoviana
Ka maninona koa soanja no mitsimpona,izay no mahavoa anareo e,avelao ny olona hitsimpona fa matoa izy mitsimpona dia efa ao anatiny ilay izy ary mifanaraka ny sujet omen'ny olona fa tsy zavatra hafa, sa allergie toa ilay rangaha iray koa hianao ,hi,hi

Tsotra ny hafatra dia ny lalam-pitiavana ao amin'i Kristy Tompo! Tsy misy mahatra sy manana ary tsy misy ny fetra ifamelana sy ilomanosanao ao anaty filaminana feno fiadanana ao Aminy.
amin'ny fomba ahoana ?

[/quote]

Malalaka ny olona raha hitsimpona an'io teny ao amin'ny baiboly io amiko. Malalaka ny olona amiko hino izay inoany ao koa. Raha tsy hihinana henakisoa izy ohatra dia mety amiko izany. Tsy izaho no hitsara hoe izay ilay izy na tsia. Tsy mitovy isika rehetra amin'ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra. Tiako raha liana amin'ny tenin'Andriamanitra ny olona iray ary izay fomba itiavany sy manamora ny fandraisany azy dia hajaiko avokoa. Ao aza ny tsy voatery hamaky baiboly dia efa maheno ny feon'Andriamanitra.

Ny fitsimpitsimponana anefa amiko dia mampisahotaka tokoa ny raharaha. Ahy anefa io fa tsy ny hafa. Satria nahoana? satria manjary tapatapahana ilay hevitra mivaingana entin'iny taratasy nosoratana iny. Manimba ilay hafatra. Rehefa handray zavatra dia izy tontolo atrehina sy henoina. Io ambony io izao dia ohatra mivainga. Lasa mifanipaka ny tiany hambara, nefa raha mamaky ny baiboly tontolo ianao dia ahita fa tsy mifanipaka ny raharaha fa endrika fitiavana no asehony.

Ny hafatra entin'ny baiboly dia ny fitiavan'Andriamanitra antsika zanany. Tsy misy tombo sy hala. Rehefa voavaky ny boky dia fantatra ny hafatra, raha olona misaina . Ndeha indray hamaky boky hafa mitory fitiavana ihany....

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008