Mangataka aminao aho ry raiko:mba iraho Lazarosy
101. niryna
(
19/04/2010 19:17)
ikaretsaka:mipetsopetsona sy mitsimpotsimpona ,tenin'olo-kendry ve izany
vakio tsara lo vao mipetsopetsona sy mitsimpotsimpona izay tiana sy manao copy paste @ manaraka an
misaotra! :wink: :wink:
=)) =)) inona no zavatra azoko hianarana amin'izany re ry ikaky sy neny O
102. ikaretsaka
(
19/04/2010 23:04)
izany no ataonao...
za mba miteny fotsiny fa ianao no sady tsy mamaky no mitsimpotsimpona.. (\
io no azonao hianarana =>mamaky sy mandinika fa tsy mitsimpona sy mipetsona fotsiny..
ampiasao ny betro be rty niryna a

103. hasiniony
(
15/11/2013 18:32)
.....
Samy misy fahamarinany izay voalazanareo, saingy mba hitondra ny fijeriko mikasika ny dikany araka ny fanahy ato amiko kosa aho:
Ao amin'ny tontolon'Andriamanitra, ny mandrafitra ny olombelona dia: "Vovoka + Fanahy"
Ary voasoratra hoe:
Mpitoriteny 12:7/ ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny.
- Rehefa maty anefa ny olona, dia ny tenany mety lo iny maty iny, fa ny Fanahiny kosa dia velona mandrakizay, saingy izao, "misy ny HELO ho an'ireo izay mpanohitra an'Andriamanitra; ary nisy kosa ny PARADISA ho an'izay voafidy ho amin'izany"!
- Maro anefa ireo olona nino an'Andriamanitra izay nodimandry, ka ahoana ny momba azy ireo?
* Eto dia Raisintsika ohatra ny tranga nisy an'i Abrahama izay voaresaka etsy ambony!
--> Ny tian'ny Soratra Masina hampitaina dia izao: Misy ny atao hoe FIAINAN-TSY HITA, ary raha mbola tsy tonga ny famonjena izany hoe: NY ZANAK'ANDRIAMANITRA, izay rehetra maty dia samy nidina tao amin'ny fiainan-tsy hita avokoa na ny ho very na izay hovonjena, saingy nisy ny hantsana mampisaraka azy ireo:
Lioka 16:26/ Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny.
--> Noho io tranga io dia manizingizina Andriamanitra Ray fa sarobidy aminy loatra ny Zanany izay nirahiny hanambara Azy, ka namoaka lalàna toy izao Izy:
Jaona 14:6/ Hoy Yahobold textshuah taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
Izany hoe, na iza na iza milaza fa mahalala ary mino an'Andriamanitra Ray, dia tsy tafiditra ao am-paradisa na hoviana na hoviana izy raha tsy mino ny Zanaka!
Koa satria i Abrahama dia olon'ny finoana, saingy raha mbola tsy tonga ny Zanaka; rehefa maty izy dia nidina tao amin'ny fiainan-tsy hita, ary toy izany izay rehetra maty talohan'ny famonjena.
- Tonga anefa ny Zanaka nitondra ny famonjena ary tsy diso anjara tamin'izany ireo izay tao amin'ny fiainan-tsy hita "olon'ny finonana" kanefa mbola tsy natao tanteraka:
* IPetera 4:5-6/ nefa hampamoahin'Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty izy. 6Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza: mba ho tsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy, fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.
IPetera 3:19/ izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-trano-maizna,
Hebreo 11:40/ fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, maba tsy hatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eo koa isika.
Rehefa vita kosa izany asa magaga nataon'Andriamanitra izany, dia izay voavily ho any amin'ny fahaverezana ihany sisa no mankany amin'ny fiainan-tsy hita "dia ao amin'ny helo"; fa reo izay voavonjy kosa dia mipetraka eo ambany alitaran'Andriamanitra ny fanahiny:
Apok 6:9/Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.