Mangataka aminao aho ry raiko:mba iraho Lazarosy

1. niryna ( 09/03/2010 06:06)
Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan-andro tamin'ny fahafinaretana.

20 Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;

21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avyka nilelaka ny feriny.


22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;

Eto no manomboka ny tantara

23 ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra
, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.


24 Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
Valiny:

25 Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalina aty, ary hianao kosa no fadiranovana.
Mitohy ny tantara

26 Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny.


27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko

Inona no antony?

28 (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy,
fandrao mba ho tonga aty amin'ity fijaliana ity koa izy.

Valiny:

29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.

30 Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.

Valiny:

31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.

Inona no hevitra tian'ny baiboly azavaina amintsika ?
novalian'i hasiniony ny 15/11/2013 18:32
2. bor2lais ( 09/03/2010 14:28)
Misaotra an'i niryna mizara !

Amiko, ny lesona azo tsoahina dia ny hoe : dieny mbola velona no atao izay mety fa tsy misy azo atao intsony rehefa maty ! :D
3. ikaretsaka ( 09/03/2010 14:49)
io nge le lazaiko fooona hoe manomboka ety an-tany ny paradisa eeee

«L’autre jour j’ai révé que je me trouvais devant les portes du paradis. Et saint Pierre me disait : «Retourne sur Terre, il n’y a pas de bidonville ici».»

La parole à dire, la vérité à faire connaître. Le chemin à parcourir. La lumière à diffuser. La vie à vivre. L'amour à aimer. La joie à répandre. Le sacrifice à offrir. La paix à donner. Le pain de vie à manger. L'affamé à nourrir. L'assoiffé à rassasier. L'étre nu à vétir. Le sens abri à loger. Le malade à guérir. L'isolé à aimer. L'indésirable à accueillir. Le lépreux pour laver ses plaies. Le mendiant pour lui sourire. L'ivrogne à écouter. Le malade mental à protéger. Le tout-petit à embrasser. L'aveugle à guider. Le muet pour parler à sa place. L'estropié pour marcher avec lui. Le drogué à secourir. La prostituée à sortir du danger et à secourir. Le prisonnier à visiter. Le vieillard à servir. Pour moi: Le paradis

(Mere Teresa, L'evangile de la Vie)
4. bor2lais ( 09/03/2010 16:12)
Voalaza teo :
"io nge le lazaiko fooona hoe manomboka ety an-tany ny paradisa eeee"
--------
Ika ihany kosa ange no nilaza hoe mora tenenina io fa sarotra tanterahina a ! :D
5. ikaretsaka ( 09/03/2010 17:01)
bor2lais:

Voalaza teo :
"io nge le lazaiko fooona hoe manomboka ety an-tany ny paradisa eeee"
--------
Ika ihany kosa ange no nilaza hoe mora tenenina io fa sarotra tanterahina a ! :D



marina! fa azo tanterahina tsikelikely... @ alalan'ny fanovana ny fomba fijery aloha... ohatra hoe ny fahatsapana sy ny fiasana avy hatrany @ realite toy ny ataon'ilay vazaha be volombava atsy atsinanan'A/rivo sy ilay tompokovavy tany Calcutta (nolazaiko io ambony io)
fa tsy ny fi wawawa ana boky amin'arivo pejy izay efa fantatry ny olona stt ny gasy hoe: ny tantaran-i Ralavavolo indray no averin'ity
6. bor2lais ( 09/03/2010 17:18)
Voalaza teo :
"fa tsy ny fi wawawa ana boky amin'arivo pejy izay efa fantatry ny olona stt ny gasy hoe: ny tantaran-i Ralavavolo indray no averin'ity"
---------
Ka laozanao mifampiandry andraso sy mitsikera ny hafa kosa ange izy izany fa tsy ny mifanitsy anao no atao tsara ! Mifameno ireo amiko ! :D
7. ikaretsaka ( 09/03/2010 17:37)
Mifameno ireo saingy amzao fotoana izao de tsapa fa ny "recitation" no betsaka de lasa miasalaka tanana sisa no ataon'ny olona sy miandry sy manofy fotsiny... "tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any io" anefa, dia izay no ampatsiahivina!

de misy ny "mampivavaka ny pokona sao sitrany ahay" hoy i samoela izay (araho hatr@ farany le tononkiran'i lery fa aza tsimponina fotsiny ;-) fa njary mitolika tsy any @ hevi dehibe tiany hahatongavana no voatsimpona)

de mi remarque sy mampilaza ary milaza sy mi conscientiser ireo olona manao izany sy manaiky ataon'ny olona an-zany no ataoko fa tsy hoe mi kritika be akory.,..

-ny mi kritika de milaza hoe "tsy zao" fotsiny
-fa ny mi conscientiser manao hoe "tsy zao satria zao no antony .. de andramo ny zao"!

fa @ ny raha tahak'itony moa rehefa avantana sy tsorina na misy taindelo izao aza ny oron' ilay olona tenenina hoe misy taindelo ny orony fa ahitany avantage io dia betsaka no misendaotra avy hatrany hoe ... "aoka ny oroko"! (azon-drabord ngamba le metaphore)
8. bor2lais ( 09/03/2010 18:18)
Sao dia Ika kosa no diso fijery ka manafangaro "grain de beauté" amin'ny zavatra hafa an ! :D
9. ikaretsaka ( 09/03/2010 19:03)
mora kosa ny manavaka an reo e
10. bor2lais ( 10/03/2010 09:55)
Miverina amin'ilay lohateny aho.

Ny lesona hitako azo tsoahina amin'ilay tantara ihany koa dia ny hoe :
- tsy afaka hamonjy ny velona intsony ny maty !

Fomba fijeriko io an ! :D
11. Mandefitra ( 10/03/2010 10:07)
Raha io tantara io dia marina zay ... ary ny velona ve afaka mamonjy ny efa maty? (afo fandiovana) :D
12. bor2lais ( 10/03/2010 10:53)
Mandefitra:

Raha io tantara io dia marina zay ... ary ny velona ve afaka mamonjy ny efa maty? (afo fandiovana) :D

--------
Raha io tantara io aloha no jerena dia ny samy efa maty aloha no miresaka eto ary toa tsy nieritreritra ny hila vonjy amin'ny velona (ny rahalahiny) akory ilay "mpanankarena" (efa maty) hatreto !!

Fomba fijeriko azy aloha io an ! :D
13. Mirananirina ( 10/03/2010 11:38)
Ny lesona hitako azo tsoahina amin'ilay tantara ihany koa dia ny hoe :
- tsy afaka hamonjy ny velona intsony ny maty
zany ary hoe maty sy velona ko :) izao no mahagaga ahy,rehefa maty ilay olona dia iza no nahita azy teo antratran'i Abrahama???
Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
nefa hoe samy maty izy 2.
Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina
izany hoe ny mpanoratra ny tantara koa nahita ny fiainana any andanitra ka nahita ireo niresaka :)
14. bor2lais ( 10/03/2010 12:29)
Fampianarana nataon'i Jesoa izy io ry mirananirina a !
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=16&andininy=1-31&dika=
:D
15. ikaretsaka ( 10/03/2010 14:06)
bor2lais:

Miverina amin'ilay lohateny aho.

Ny lesona hitako azo tsoahina amin'ilay tantara ihany koa dia ny hoe :
- tsy afaka hamonjy ny velona intsony ny maty !

Fomba fijeriko io an ! :D

Ok azoko le fijerinao.... fa aza adino fa io tantara io moa karazana fanoharana sy tantara fictif ihany no nanaovan'i Jesoa azy satria na Izy nitantara aza tsy nanatri maso... fa nataony hi prouver ny ilay point hoe afaka atomboka ety an-tany ny fanampiana ny majinika sy ny asa soa..sy/na hoe misy valiny ny zavatra rehetra ary tsy hijanona @ io toerana misy anao eto antany io foana ianao

16. Mandefitra ( 11/03/2010 06:48)
Amiko ndray nefa dia izao no hafatr'i Kristy ao anatin'io fanoharana io : Ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra, ny finoana ary ny fibebahana no hahazoana ny paradisa.
17. Mirananirina ( 11/03/2010 09:47)
Fampianarana nataon'i Jesoa izy io ry mirananirina a
tsy hita fa efa ela no tsy namaky izany baiboly izany.Saingy ny mivavaka amin'Andriamanitra dia tsy adinoko isan'andro an!
18. bor2lais ( 12/03/2010 11:11)
Mandefitra:

Amiko ndray nefa dia izao no hafatr'i Kristy ao anatin'io fanoharana io : Ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra, ny finoana ary ny fibebahana no hahazoana ny paradisa.

--------
Ny andininy 29, 30, 31 tokoa aloha manamafy io hafatra lazainao io e !
Misaotra nizara ! :D

19. ikaretsaka ( 12/03/2010 20:03)
bor2lais:


Amiko ndray nefa dia izao no hafatr'i Kristy ao anatin'io fanoharana io : Ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra, ny finoana ary ny fibebahana no hahazoana ny paradisa.

--------
Ny andininy 29, 30, 31 tokoa aloha manamafy io hafatra lazainao io e !
Misaotra nizara ! :D



Misaotra @ le hevitrareo mitsam ..
fa indro kely fotsiny ny ahy:

1) fa eto koa no ahitana ilay mitsimpona andininy sy mandray azy araka ny contexte: efa nohazavain'i Fody taloha be tany moa io ho an'izay nahatadidy ilay akama iny Ra bord, fa ahiako ho tsy mbola mazava, ka avelao mba ho raisiko @ karazana fanoharana fotsiny le izy hoe: raha ny andalan-teny 3 (supposons hoe tsimpona) hoe "1 fantany hoe manga ny lanitra" sy ny hoe "2 ka handeha hivoaka kely Razay" ary ny hoe "3mba hijery " ohatra no nalainao tsy ara contexte.... sia possible hoe!
a)ilay toetr'andro no lazaina.
b) afaka raisina koa hoe somary fohy ny zipon-Razay dia lasa nandeha tany @ WC izy nijery fitaratra sy nanararaotra nanamboatra izany :wink: (Miala tsiny @ ze mora tohina aloha!


20. ikaretsaka ( 13/03/2010 04:07)
da dia averintsika fivavahana ny resaka... fa amiko dia tahak'izay io rehefa ny tsimpona no alaina tsy hita ny contexte...

tsy misy hafa amin'ilay tantara tena nisy avy @ hoe "mankanesa aty amiko ianareo izay mavesatr'entana" ho'zy ny tsimpona
dia misy le votom-pinoana be ireny nandeha avion indraipa.. somary bebe entana ihany le Ramatoa, ary natahotra ny handoha vola extra, dia io no naverimberiny! Aty moa betsaka ny latino miasa @ comptoirs an'ireny zotram-piaramanidina ireny no manana anarana hoe "Jesus" dia teo @ jesus ilay ramatoa no nandeha (noheveriny hoe coincidence koa le izy @ io an) .... kanjo nihoatra tokoa ny entana dia nandoa vola...
an'iza ny tsiny? :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1007