Miteraha, mamenoa ny tany. Anjakao ny zava-boahary

61. Mandefitra ( 08/03/2010 06:38)
Soanja> raha tsy nisy ny fahotana tao Edena, tsy nandefa ny Zanany hatao sorona hamonjy ny olona akory Andriamanitra.
ARy ny Apostoly Paoly ao @ epistily ho an'ny Romana no mampifandray tsara ny fidiran ny ota t@ lehilahy iray, sy ny fanadiovana ny ota t@ Lehilahy Iray kosa.
Romana 5 :
12 Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
13 fa hatrany alohan'ny lalàna aza dia nisy ota tamin'izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna;
14 fa ny fahafatesana nanjaka hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia tamin'izay tsy nanota tahaka ny nanotan'i Adama aza, izay tandindon'Ilay ho avy.
15 Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny Olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa.
62. rakapy ( 08/03/2010 06:51)
Ka ilay resaka edena sy adama sy eva mihintsy anie no angano e!Tsy dia tena marim-pototra loatra ilay tantara.
63. rakapy ( 08/03/2010 06:56)
Hoy I ratoa
ianao koa provoquer dia misindina

message
Ilay lazain'i rakapy ho taingina koa dia teny nataoko hanairana (provocation) izay misera eto

:-D :-D :-D tsy misidina aho fa mihomehy fotsiny @ ilay toetra tia mi-provoque ka!!!! efa fantatra efa ela:-D :-D :-D
64. soanja ( 09/03/2010 01:20)
rakapy:

Ka ilay resaka edena sy adama sy eva mihintsy anie no angano e!Tsy dia tena marim-pototra loatra ilay tantara.


Io koa no fahitako azy avy aty. Angano entina hanome fandinihana ny olombelona sy ny momba azy ary ny fahaizana mamakafaka ny atao hoe Finoana an'Andriamanitra.


65. ikaretsaka ( 09/03/2010 02:57)
Amiko indray de zavatra mety nitranga ihany fa no "fictionner'na, mba hanomezana vahana perceptions bedebe...
66. Ratoa ( 09/03/2010 16:54)
mifanaraha ianareo
67. ikaretsaka ( 09/03/2010 17:03)
aleo aloha samy hilaza ny fahitany azy
68. fijo ( 10/03/2010 21:40)
toa ny ankamaroan'ny tantara ao anaty baiboly,dia mety resaka nitarina io.mety ten amisy na nisy io toerana io,saingy tsy dia hoe (kanto )toa ny nanamasahana azy ao anaty baiboly.
mety toerana kely mahafinaritra io,fa nitarina le tarogna,hampisy hasiny azy
69. rakapy ( 11/03/2010 08:25)
Hoy i Fijo
toa ny ankamaroan'ny tantara ao anaty baiboly,dia mety resaka nitarina

Io aloha dia itovizako hevitra @Rafijo. Ary ny ankamaroany dia lovan-tsofina sy tantara noforonina ka araka ny maha lovan-tsofina azy izay dia miova ny dikany taty aoriana.

2.4 millions taona anie raha ny fikarohana no nahitana ny trace-n'ny olombelona voalohanany e! Ary na ireo aza dia tsy nahafantarana izay tantara marina ny momba azy. Mety niahitana vakim-bilany sy vilia tany sns... teny @ manodidina ny nahitana ny taolam-balon'izy ireo fa ny tena tantaran'ny fiainany dia tsy fantatra marina.

Dia raha jerena ny momba ny tantaran'i Edena dia mbola talohan'io 2.4 millions taona io izany no nisian'izy ireo? Ka jereo @zany ilay lojika hoe @ fomba ahoana no ahafantarnatsika sy hanaporofon-tsika fa nisy izany Adama sy Eva izany? Ary ilay tantara ao anaty baiboly anefa dia milaza dia voalaza @ antsipirihiny mihintsy.
Marihina etona fa t@ 2.4 millions taona lasa dia tsy mbola nanana firanketana an-tsoratra ny zanak'olombelona, mety nisy ny sary sns... fa tsy afaka ny hanambara ny tantara marina izy ireny.


70. fijo ( 11/03/2010 22:50)
izay mantsy,tsy nisy rakitsoratra teo,fa "indray andro hono"de nitatra ny resaka ,dia mba hampisy hasiny ilay resaka ,dia tsimaintsy atao izay ahatsara ny tantara,raha tao paradisa ve no lazaina fa voay be sy liona no maro tao,hisy te hoany?????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1217