Miteraha, mamenoa ny tany. Anjakao ny zava-boahary

41. rakapy ( 05/03/2010 06:32)
Hoy i Fijo

samy mampiasa ny ala ny indianina ao amazone sy ny mpitrandraka ala vaventy.izany hoe samy manjaka ao,fa ny iray manimba,ny iray mikajy


Ohatra iray tena mazava ity nasehon'i Fijo ity. Ny an'ny zareo indian mbola misy fiheritreretana ny ampitso sy ny taranaka fa ny an'ny zareo mpitrandraka ala vaventy kosa dia ny vola androany ihany no maty ao an-tsainy. Efa voasesika ao an-dohany mantsy ilay hoe" fandalovana ny tany" fa any am-paradisa no tena ho mandrakizay.
Hoy Ratoa
mohomehy be aho rakapy amin'ity
Voalaza teo :
Izao ilay fomba fisainana extremiste.
ka raha mihinana daholo anie isika dia atahorana ho ripaka ny biby é!!!
ary Atra mihitsy anefa no manao hoe hano!

Ye tena mampihomehy mihintsy ka, izaho aza mba nihomehy nanoratra an'io nefa dia izay no marina.
Metetika mantsy ny olona sasany raha ilazana fampitandremana dia raisiny ho fandrarana izany. Ary raha omena fahalalahana dia raisiny ho toy ny izy no tompony ka izay tiany anaovany azy.
Tsy mba manana ilay fisainana eo am-povoany (an'ivo) fa na avia na avanana na mainty na fotsy na ratsy na tsara.
Hoy i ratoa
ka raha mihinana daholo anie isika dia atahorana ho ripaka ny biby é!!!
ary Atra mihitsy anefa no manao hoe hano!

Fa angah re ry tony tsy mba mahalala ny antoniny sy tsy mba mahalala ny hikarakara na hikajy ireo biby mba tsy ho lany taranaka ry ratoa a???Aoka marina, tena atahoranay nareo izany !!!
Izay ry ratoa no nahatonga ahy iteny ilay hoe toa fomba fisainana extremiste raha tsy mazava aminao.
42. Mandefitra ( 05/03/2010 07:00)
Ka manjaka @ zava boary ny olona sa tsy manjaka ary e?
Azon ny olona hatao ve zay tiany @ zava-boahary eto an tany sa tsia?
Fa ny manam pahendrena mampiasa azy @ tsara, ny very fanahy mbola velona manao zay danin'ny kibony.
Ka ny Tenin'Andriamanitra mitoetra sady marina ... fa ny olombelona no mandrirotra azy any @ tsy izy rehefa tsy manaiky hiasan'ny Fanahy Masina.
43. rakapy ( 05/03/2010 08:22)
Hoy i Mandefitra
Ka ny Tenin'Andriamanitra mitoetra sady marina ... fa ny olombelona no mandrirotra azy any @ tsy izy rehefa tsy manaiky hiasan'ny Fanahy Masina.

Ka eo mihintsy anie no mipetraka ny olana e! Ilay fandikana ilay teny no samy manao izay saim-patany ny olombelona. Izay no nahatonga ahy nilaza hoe
Metetika mantsy ny olona sasany raha ilazana fampitandremana dia raisiny ho fandrarana izany. Ary raha omena fahalalahana dia raisiny ho toy ny izy no tompony ka izay tiany anaovany azy.
Tsy mba manana ilay fisainana eo am-povoany (an'ivo) fa na avia na avanana na mainty na fotsy na ratsy na tsara.
44. ikaretsaka ( 05/03/2010 22:20)
Ny dikan'ny hoe "manjaka " amge ry ,andefitra tsy hoe exploiteo au max ny zavaboahary na hoe ataovy ze tianao atao e.. fa hoe mifanasoava nareo 2 tonta
45. Ratoa ( 05/03/2010 23:27)
Ny a dala tsy mahafantatra mihintsy hoe marary saina izy, .
Izay aloha dia tsy fantatro mazava satria efa nanao stage tamin\'ny hopitaly psychiatrique aho. Misy izy ireo mahalala tsara fa voa amin\'ny sainy izy.
ny mpanimba zavatra tsy mahafantatra mihintsy hoe nandripaka ala
ity indray dia tsy inoako mihitsy. Tena mahatsapa ny fandripahana izy ireo saingy minia tsy miraharaha izany. Ny vola azony no ambony aminy noho ny rantsakazo ipetrahany kanefa tsofainy ( ils scient la branche sur laquelle ils sont assis). Adinony hatraminy ny ainy noho ny vola.
ary ny mpamosavy tsy mahafantatra mihintsy fa nivoaka alina izy
io indray dia tsy aiko valiana satria tena tsy fantatro noho izaho mbola tsy namosavy.
Mila mahafantatra ny hadisony ny olona iray vao afaka ny handeha @ lalana mahitsy
tsy ekeko mihitsy io. Izany hoe tsy misy olona tsara hatrany ampiandohana mihitsy izany? Aiza kosa....

Ary raha izao indray aza no heverina: nanana fikasana tsara dia tsara ho antsika Atra. Namorona santionany voalohany Izy aloha (specimen). Dia hitany fa tsara. Dia niriany ireo hameno ny tany (1° miteraha sy mamenoa) dia niriana koa ireo hiaina am-piadana sy amin\'ny harenan\'ny tany rehetra; dia hoy Izy hoe \"manjakà\" (2°). Ary nomaninY tsy ho ritra mihitsy (4°) izay ilain\'ny olombelona mba ho sambatra tokoa izy ireo satria afa-po tamin\'ny asanY Izy. Dia satria izy ireo nataonY mitovy endrika Aminy sy nomenY fanahy sy ny Fanahy Masina ka nomeny \"safidy\" (5°).
Raha izay , dia tena programa manja be mihitsy izany satria tiany Ra-olombelona ary Izy koa dia tsara ary fitiavana.
Ka naninona ary no tsy tanteraka ilay programa manja be?
46. Ratoa ( 05/03/2010 23:32)
izaho mbola tsy namosavy.
ary sady tsy mbola nahita no tsy maniry hifanena amin'ny mpamosavy! :D :D :D
47. fijo ( 05/03/2010 23:41)
io toa ny paoma eo antokotany e,rah anoana ianao ka mihinana tsy olana,fa raha hotazana aby le izy ,nefa olona 3 no ao an trano,lo fotsiny eo le izy,nefa ny mbola manta aza efa nalaina fa hoe hoanina amn'ny sakay sy sira
48. Ratoa ( 06/03/2010 00:02)
nefa ny mbola manta aza efa nalaina fa hoe hoanina amn'ny sakay sy sira
Ka tsy maninona mihitsy raha haninao izy ka!!!fa raha entinao ho lo ao an-dakozia fotsiny dia ratsy. Na rofinao nefa ianao tsy hinana kanefa misy olona hafa mila azy.
message
49. rakapy ( 06/03/2010 04:50)
Ary raha izao indray aza no heverina: nanana fikasana tsara dia tsara ho antsika Atra. Namorona santionany voalohany Izy aloha (specimen). Dia hitany fa tsara. Dia niriany ireo hameno ny tany (1° miteraha sy mamenoa) dia niriana koa ireo hiaina am-piadana sy amin'ny harenan'ny tany rehetra; dia hoy Izy hoe "manjakà" (2°). Ary nomaninY tsy ho ritra mihitsy (4°) izay ilain'ny olombelona mba ho sambatra tokoa izy ireo satria afa-po tamin'ny asanY Izy. Dia satria izy ireo nataonY mitovy endrika Aminy sy nomenY fanahy sy ny Fanahy Masina ka nomeny "safidy" (5°).
Raha izay , dia tena programa manja be mihitsy izany satria tiany Ra-olombelona ary Izy koa dia tsara ary fitiavana.
Ka naninona ary no tsy tanteraka ilay programa manja be?
:-D :-D :-D Aoka marina fa tena mapihomehy be ilay hevitra taingina.
50. rijadolly ( 06/03/2010 05:45)
Izaho indray dia tena gaga mihitsy amin\' ilay ady hevitra, Isika mino an\' Andriamanitra indray no ohatrany hoe mifanipaka, Nefa tsy mifanipaka fa mitovy ny hevitra hatrany amboalohany.

Tsy midoka an\' Zoky Fijo za fa jereo tsara sy vakio fotsiny izay lazainy dia teneno eto izay tsy mitovy hevitra azy. Ataoko fa tsy misy na iray aza.Tena mampihomehy marina e!
51. rijadolly ( 06/03/2010 06:57)
Soanja22:
Amiko dia Andriamanitra ihany no tokony hanjaka eto an-tany, izay tsy inona na ahoana na iza fa amin\'ny endrika FITIAVANA ihany.
Mitovy hevitra
Soanja22:
Izay tsy tianao atao aminao dia aza atao amin\'ny hafa olona, biby, zavamaniry sy ireo izay manome ny mahaolona antsika.
IO dia nahatonga an\' Mandefitra nilaza hoe:
Tokony tsy hohanina nge zany ny biby sy zava maniry ...
Marina raha ilay notenen\' Soanja no alalinina sy arahina satria tsy tiana hoanin\' hafa aho dia tsy hoaniko ilay biby na zavamaniry, tsy tiako ny ho vonoin\' hafa dia...
Rakapy:
Izao ilay fomba fisainana extremiste.
Marina satria tsy izay ny tiana tenenina hoe tsy mahazo mihinana fa mba ilazana fa manandanja ny zava-boary.
Raha hiverenako anefa ilay ady hevitra dia betsaka tokoa ato amin\' ity no \"extrémiste\" satria aolana fotsiny izao ilay teny hoe \"Mpanjakan\' zava-boary\" fa tsy ilay heviny tian\' Andriamanitra lazaina no hitany; noho ny inona? FANDAVANA NY BAIBOLY sy HOE TSY TENIN\' ANDRIAMANITRA NO AO.
Izany dia mitarika ahy tsy hanaiky ny tenin\' ravonjison
ravonjison=33 :
Ka ny sens n ilay mot no efa tokony hiova, toy ny zavatra sasany ao @ baiboly izay namifanarahana @ zavamisy ankehitriny ny heviny
Ilay interpretation izany dia tokony adapter @ zavamisy;
Tsy ny sensn ilay teny no efa tokony hiova ka, fa isika mihitsy no tokony hanova ny fomba handraisatsika azy. Izany hoe isika no manomboka miala ny hevitr\' ilay teny, dia tokony isika no miverina( amin\' teny an, sao misy mandika vilana indray hoe salaka).
52. ikaretsaka ( 06/03/2010 16:57)
de lasa @ le ze revirevintsika izy @ izay ry ravonji sy RD ..lasa tsy Atra intsony no inoantsika @ zay fa ny tenantsika
53. rijadolly ( 06/03/2010 20:14)
za:
Raha hiverenako anefa ilay ady hevitra dia betsaka tokoa ato amin' ity no "extrémiste" satria aolana fotsiny izao ilay teny hoe "Mpanjakan' zava-boary" fa tsy ilay heviny tian' Andriamanitra lazaina no hitany; noho ny inona? FANDAVANA NY BAIBOLY sy HOE TSY TENIN' ANDRIAMANITRA NO AO.
ika:
de lasa @ le ze revirevintsika izy @ izay ry ravonji sy RD ..lasa tsy Atra intsony no inoantsika @ zay fa ny tenantsika
:roll: :roll: :roll:
54. ikaretsaka ( 06/03/2010 22:37)
Ka interpretevanao araka ze irevesanao azy le hafatr' Atra ko. Raha vao izay anefa de tsy Atra intsony no inoanao sy ankatoavinao fa ny tenanao
55. fijo ( 06/03/2010 22:53)
aza raisina arabakiteny ny resaka fa manjary tsy misy zavatra azo atao sy mety eto an tany.
io dia ny fahaizana mandanjalanja ihany,fa ny ntaolo dia efa nilaza fa na io vary io aza ratsy raha hanaovana adalana ny fihinanana azy
56. soanja ( 07/03/2010 16:21)
Mandefitra:

soanja:
Izay tsy tianao atao aminao dia aza atao amin'ny hafa olona, biby, zavamaniry sy ireo izay manome ny mahaolona antsika.


Tokony tsy hohanina nge zany ny biby sy zava maniry ... :wink:




Tsy tahak'izay ny fijeriko ny hoe " Anjakao" ny zavatra iray na olona iray sns sns... raha toa ka baiboly dia mitory ny omaly, androany ary ny ho avy.

Ny vatantsika na ny mahaolombelona antsika dia namboarin'Andriamanitra hisakafo sy hiteraka ary hieritreritra izay hanatsarana ny zavamisy eo amintsika mba hanana fiaraha-miaina milamina amin'ireo zavaboary hafa koa manodidina antsika.

Raha mikarakara sakafo ho an'ny zanako aho dia endrika fitiavana izany raha toa ka mahasalama, ampy fa tsy mihoatra ary feno fiahiana izay nakana ny sakafo ny tenako, indrindra mahatoky fa tsy nanararaotra izany fahafahana izany, ka zary hanimba ny hafa. Niasa aho, nitsemboka ; miala maraina na ao anaty hatsiaka na ao anaty fangirifiriana mba hahafahako mamelona, manampy ny ankohonako sy ny manodidina ahy, azoko lazaina aza ny firenena ipetrahako. Mihinana ny enerjia amin'izany ary tena mandany tokoa rondoha ny tenako mieritreritra izay hahasoa. Endrika fitiavana izany. Andriamanitra no miasa ao anaty ary manjaka ao anaty. Endrika fitiavana no anomezako ny faramandimby fanabeazana ho azy ireo , mba tsy hanao izany fanararaotana izany izy reo indray andro rehefa eny an-tanany ny fahafahana manome ny hafa izany.

Ireo biby sy ny zavamaniry dia nataon'Andriamanitra koa hifandray sy hifangia fiainana amintsika. Samy novelarinan'Andriamanitra amintsika rehetra ity tontolo planeta tany ity iriariavana ary ifamelomana, saingy tsy natao hifanararaotana velively. Io teny io no teny fahendrena amiko. Mifamelona isika rehetra na dia faran'izay bitika aza. Tsy mifanjaka izany fa miara-mifofotra manao izay nanaovan'Andriamanitra antsika avy.

Ny mpanjaka dia matetika raha ny hitantsika dia manana ny fombafomba fiainany. Tsy miasa fa mandidy ary manana ny hafa manao ny zavatra tadiaviny mahelomany ny tenany sy izay manodidina tiany hovelomina ary zary manome ny hafa tsy ananany antra fijaliana na fiafiana na zara raha miaina. Misy ny fanararaotana. Amin'izao fotoana dia manjaka tokoa amin'ny zavaboary ny olombelona. Tsy misy afaka hilaza fa tsia izany.

Amiko dia azo jerena amin'ny lafiny hafa ny atao hoe " anjakao" saingy satria amin'izao fotoana dia misy dia misy tokoa ny mampiasa an'io teny " anjakao ny zavaboary " io amin'ny fanazavana ataoko etsy ambony dia hitako fa n'iza n'iza nanoratra io teny io dia tsy afaka naminany tokoa ny ho fivadik'izany teny izany ho lasa "mpanimba" noho izany dia tsy azoko lazaina fa tenin'Andriamanitra io satria ny tenin'Andriamanitra dia voarindra sy voakajy ary voahevitra hitory fahendrena dia tsy inona fa ny " FITIAVANA"


57. fijo ( 07/03/2010 22:41)
aza hadino koa ,fa ny lalanan'ny natiora dia ny hifamelona.

ny ahitra mitroka ny tany hivelomany,de hoan'ny omby,ary omby hoan'ny olona.de ny olona mamoaka azy ,efa voavadika,ary dia alain'ny ahitra indray;de eo ihany.

fa ny fahaizanao mandanjalanja ilay hoalainao no mila hofantarina.raha olona 2 tsy ahandro vary iray damozana
58. Ratoa ( 08/03/2010 00:02)
Ny vato hono asondrotry ny tany.
Fa angaha re ry tony tsy mba mahalala ny antoniny sy tsy mba mahalala ny hikarakara na hikajy ireo biby mba tsy ho lany taranaka ry ratoa a???Aoka marina, tena atahoranay nareo izany !!!
Izay ry ratoa no nahatonga ahy iteny ilay hoe toa fomba fisainana extremiste raha tsy mazava aminao.
ianao koa provoquer dia misindina. teny entiko anairana izay misera eto io: ny tiako hambara dia raha manjakazaka isika dia tsy hisy horaisintsika intsony eto an-tany. Fa raha manjaka isika dia manazary satria ny mpanjaka dia natao handamina ny androany sy hitsinjo ny ho avy, eny na dia ny ho avina irery monja ihany aza.
dia tsy azoko lazaina fa tenin'Andriamanitra io satria ny tenin'Andriamanitra dia voarindra sy voakajy ary voahevitra hitory fahendrena dia tsy inona fa ny " FITIAVANA"
ao anaty Baiboly anefa io teny io. Teny avy aiza izany io? Ivereno vakiana ny boky Genesisy.
Ilay lazain'i rakapy ho taingina koa dia teny nataoko hanairana (provocation) izay misera eto .
Raha Atra aza ny Alpha sy Omega, dia tsy hahafantatra ny fiandohana sy ny fiafaranav e Izy ary tsy hahay hitsinjo ny farany?
Nanana fikasana ho an'ny olombelona izy: vakio Genesisy. nataony tsy ho lany ary tsy ho levona ny soa ary ny olombelona tsy horin'inoninona sy tsy ho faty.
Saingy tafiditra tao Edena i Satàna ka tsy nahatohitra azy i Eva ary Adama tsy tonga saina ka niaraha - nihinana ilay voankazo mahafaty, kanefa nomen'Atra safidy izy, izany hoe azony natao ny nandà na namela an'i Eva irery hihinanana ilay paoma. Nandika ny lalàna ny razmbentsika é!!.
Atra tsy mpanjakan'izao tontolo izao fa mpanjakan'ny lanitra sy ny paradisa . tadidio ilay teny ao amin'ny faneke_ mpinoana "niakatra ho any an-danitra ary mipetraka eo an-kavan'Atra Ray (Tsitoha)".
Mahavariana ahy ihany ny fandehan'ny ady hevitra eto fa tsy tena manaraka sy miankina amin'ny Baibol fa samy milaza ny fiheverany azy daholo (interprétation). Ny sasany amin'izany dia manitatra be sy misidina.
59. ikaretsaka ( 08/03/2010 02:34)
fijo:

aza hadino koa ,fa ny lalanan'ny natiora dia ny hifamelona.

ny ahitra mitroka ny tany hivelomany,de hoan'ny omby,ary omby hoan'ny olona.de ny olona mamoaka azy ,efa voavadika,ary dia alain'ny ahitra indray;de eo ihany.

fa ny fahaizanao mandanjalanja ilay hoalainao no mila hofantarina.raha olona 2 tsy ahandro vary iray damozana



izay mantsy
60. soanja ( 08/03/2010 04:21)
Ratoa:


Saingy tafiditra tao Edena i Satàna ka tsy nahatohitra azy i Eva ary Adama tsy tonga saina ka niaraha - nihinana ilay voankazo mahafaty, kanefa nomen'Atra safidy izy, izany hoe azony natao ny nandà na namela an'i Eva irery hihinanana ilay paoma. Nandika ny lalàna ny razmbentsika é!!.




Ka izay ilay olana e. Nahoana no nasiana izany vaonkazo mahafaty izany ny saha tsara tarehy notefena ho an'ireo olon-tianao sy koloinao, sady natao mihitsy izay mahamena miraviravy azy!!! Aoka tompoko o!!! Andriamanitra dia tia antsika! Tsy izy no haka fanahy sy hamery antsika. Isika no mamery ny tenantsika raha misy izany. Lazao fa tsy maharaka ny zava-namboariny koa Andriamanitra! I Satana no resahiko eto. Ohatra hoe tampoka tamin'Andriamanitra tsy nampoiziny izany no fisian'ilay io!!! Mahavarina ny Andriamanitra lazainareo ka ny ahy aloha dia Fitiavana Andriamanitra. Tsy misy resaka kiverivery fa dia izay mitia azy sy maneho fitiavana amin'ny manodidina azy sy ny tenany ary ny tontolony dia ahita azy tokoa sy hiaina azy na amin'izao na mandrakizay! Izay mbola tsy tapa-kevitra amin'izany kosa dia mbola hanana anjara atolotra azy Andriamanitra hanoro azy izany fitiavana izany. Misy fotoanany ny zava-drehetra.

Tsy ny teny rehetra ao amin'ny baiboly no tenin'Andriamanitra amiko ary tsy voafetra ao anaty baiboly irery koa ny tenin'Andriamanitra. Ny forum dia natao hifampizaran-kevitra toy ny voankazo an'ala ihany. Tsy iray lasitra isika rehetra na dia natao hitovitovy aza ny fahitana azy ety ivelany.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1592