NY FITIAVAN'NY RAY - NY FITIAVAN'I NENY

1. niryna ( 25/02/2010 20:52)
Nanoratra ity taratasy ity izaho satria somary hoatry ny navesabesatra ny tapak'andro maraina. Nisy orin'asa niantso ahy izay aty Nanambara ry zareo fa afaka miatrika asa avy hatrany izaho, raha vantany vao tonga aty. Tena nampihetsi-po ahy ny fahitako ny fitotototoan'i neny @ fikarohana vahaolana hoan'ity maditra keliny ity. Nahita ihany nony farany .
Tsy misy hatokona ao an-trano, sadaikatra ihany izaho nandray ilay vola. Namerenako ilay vola ary nolazaiko i neny fa be loatra ilay vola nomeny ahy. "Tsia,hoy izy. Raiso fa anay mitady eto ihany". Tohina ery ny foko raha nahare ilay fiteniny azy. Endre ny fitiavan'i neny ahy e!!! Fitia tena sarobidy loatra, tsy voavidy vola akory. FItiavana mihoatra lavitra noho ny vola aman-karena aza. Fa nadia tsy hahita hohanina aza izy, dia foiny izany fara-fananany mba hamonjeny ilay mamikelin'ny ainy. Te-hitomany izaho zoky mandinika ny zavatra niseho,
Lesona ngeza be no azoko: hafa ihany i neny. Na dia faran'izay maditra sy tsy ilain'ny fiaraha-monina aza hianao, dia lehibe sy sarobidy indrindra eo imasony; na dia efa aloan'ny fiaraha-monina aza hianao, i neny tsy mba mahafoy ary ny fitiavany tsy miofo, tsy miova loko.

Raha nivavaka izaho teny an-dalana dia nahateny ity fehezan-teny ity:"Tompo ô, matoky izaho fa tsy hovery foana @izao ny fitiavan'i neny!!! matoky izaho fa tena hody ventiny ny rano atsakaina noho ny amin'i neny."Amen

Toy io fijoroan'ny zandry iray vavolombelona ny fitiavan'i neny io ihany koa n fitiavana lehibe nasehon'Atra antsika rehetra , Fa toy izao no nitiavan'Atra izao tontolo izao,nomeny ny Zanani-lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay Jaona 3:16

Ny vaovaoa mahafaly:
17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.

18 Izay mino Azy dia tsy helohina; [Gr. tsaraina] fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] reheteo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy.


16 For God so loved the world, that he gave his only begotten Son, that whosoever believeth on him should not perish, but have eternal life.

17 For God sent not the Son into the world to judge the world; but that the world should be saved through him.

18 He that believeth on him is not judged: he that believeth not hath been judged already, because he hath not believed on the name of the only begotten Son of God.



16 Car Dieu a tant aimé le monde qu`il a donné son Fils unique, afin que quiconque croit en lui ne périsse point, mais qu`il ait la vie éternelle.

17 Dieu, en effet, n`a pas envoyé son Fils dans le monde pour qu`il juge le monde, mais pour que le monde soit sauvé par lui.

18 Celui qui croit en lui n`est point jugé; mais celui qui ne croit pas est déjà jugé, parce qu`il n`a pas cru au nom du Fils unique de Dieu.

=D> =D> ^:^ ^:^
(l) niryna
novalian'i niryna ny 15/04/2010 18:08
2. naritsimba ( 26/02/2010 05:23)
Faly miarahaba an\'i niryna.
marina tokoa ny voalazanao hoe hafa ny fitiavan\'ny Neny, hoy ny voalaza: Fa toy izao no nitiavan\'Atra izao tontolo izao,nomeny ny Zanani-lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay Jaona 3:16
Mazava tsara fa lehilahy ilay zanak\'Andriamanitra ary lehilahy Andriamanitra satria rehefa namorona olona izy dia toy ny endriny:
\"Ary vovo-tany no namoronan\'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.\" Gen 2 : 7-8


Araka izany dia lehilahy na Dada no taloha, nanaraka vao vehivavy na i Neny, mazava ho azy izany fa mba hisian\'ny fitoviana eo @ fanehoam-pitiavana dia tsy maintsy miezaka i Neny hitovy @ Dada satria i dada dia efa toa an\'Andriamanitra satria ny fitiavana izay ananan\'Andriamanitra dia tokony ho efa ao anatin\'ny Dada hatrany am-panombohana.
Saingy noho ny fisainan\'ilay atao hoe Dada, sy ny noho ny fatahorany ny ho voasaongon\'ny neny dia lasa nivaona ilay fitiavan\'ny Dada ka ankehitriny dia lasa fitiavana hafahafa, ka manjary i dada indray no mampiseho fitiavana diso tafahoatra @ zanany, ka lasa manao firaisana ara-nofo @ zanany naterany, izay ilay hoe fitiavana diso, ary fahotana lehibe eo imason\'Andriamanitra.

isika olombelona dia efa voararan\'Andriamanitra na ny ray, na ny reny , na ny zanaka nateraka, efa hatrany @ bokin\'ny genesisy no efa voasoratra izany:
Genesisy 19:32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin\'ny raintsika.

5 Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin\'izany izy: Izaho no Jehovah.
6 Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy hianareo: Izaho. no Jehovah.
7 Aza mandry amin\'izay nandrian\'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
8 Aza mandry amin\'ny renikelinao; fa nandrian\'ny rainao izy.
9 Aza mandry amin\'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
10 Aza mandry amin\'ny zanakavavin\'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin\'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian\'izy roa.
11 Aza mandry amin\'ny zanakavavin\'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
12 Aza mandry amin\'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
13 Aza mandry amin\'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
14 Aza mandry amin\'izay nandrian\'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin\'ny rahalahin-drainao izy.
15 Aza mandry amin\'ny vinantovavinao; fa vadin\'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
16 Aza mandry amin\'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian\'ny rahalahinao izy.
17 Aza mandry amin\'ny vehivavy sy ny zanani-vavy; aza maka ny zanakavavin\'ny zanani-lahy, na ny zanakavavin\'ny zanani-vavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
18 Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin\'ny rahavaviny izay mbola velona.
19 Ary aza mila vehivavy mararin\'ny fadimbolany handry aminy.
20 Ary aza mandry amin\'ny vadin\'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
21 Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an\'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran\'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
22 Aza mandry amin\'ny lehilahy tahaka ny fandry amin\'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
23 Ary aza mandry amin\'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian\'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
24 Aza mandoto ny tenanareo amin\'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan\'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
LEVITIKOSY 18:5-24

3. naritsimba ( 26/02/2010 05:46)
Mazava arak'io zavatra io fa samy miezaka mampiseho ny fitiavany na ny ray na ny reny: saingy samy manana ny fanehoany izany ny tsirairay.
Zaro @ lalana tokony alehany ny zaza...!
4. Mirananirina ( 26/02/2010 07:45)
Endre ny fitiavan'i neny ahy e!!! Fitia tena sarobidy loatra, tsy voavidy vola akory. FItiavana mihoatra lavitra noho ny vola aman-karena aza. Fa nadia tsy hahita hohanina aza izy, dia foiny izany fara-fananany mba hamonjeny ilay mamikelin'ny ainy. Te-hitomany izaho zoky mandinika ny zavatra niseho
marina mihitsy izany,toy izany koa ny fitiavan'ny kato ny renin'i jesoizay tsy tian'ny finoana hafa.Nefa reny ihany koa izy iny Masina Maria,resaka efa ela tao izay.Hoy aho hoe rehefa mivavaka aho hoa dia i Maria no hivavahako sy angatahako,ka nahazo tsikera maro be.Mino an'i maria aho fa tsy i Kristy.
5. Mirananirina ( 26/02/2010 14:03)
Mino an'i maria aho fa tsy i Kristy.
hazavaiko fa ny olona no niteny ahy io fa tsy za,raha mivavaka amin'i maria dia tsy mino an'i Kristy :? :? nefa reny sy zanaka ihany,tsy mitombona ny filazana fa tsy mino an'i kristy aho,eny fa na dia manambady musulman aza.
6. rijadolly ( 27/02/2010 05:47)
Andriamanitra saro-piaro ny Andriamanitsika.
7. ikaretsaka ( 27/02/2010 14:38)
Ny Atrao sy ny Jiosy irery..ny anay Atra fitiavana sy mpamindra fo...

Ny tsy mety azo..fa fanahy iniana tsy azon'ny olona sasany koa @ resaka mariologie sns dia ny fanavahana ny "venerer" sy ny "adorer"
8. rijadolly ( 27/02/2010 21:53)
Ny Atrao sy ny Jiosy irery..ny anay Atra fitiavana sy mpamindra fo...
Mitovy ny antsika ka!samy Fitiavana tena marina
fa saingy ny anay zany no tsy mahazaka hampirafesina fa ny anareo mahazaka. Sa samy tsy mahazaka koa ny antsika.
9. Ratoa ( 27/02/2010 22:08)
Marina fa reny Maria ary mety hanome maimai-poana tokoa izy noho ny maha reny azy.
Izaho dia tsy mivavaka aminy na dia renin'i Jesosy aza izy.
Ny antony dia tsotra: I Kristy no nomen'i Jehovah Andriamanitra ho Mpanelanelana sy Mpanavotra ary Izy no itondran-tsika ny anarana hoe "kristiana" , mpanaraka an'i Kristy.
izay ny fenitra entiko ary tsy manome tsiny ny olona mivavaka amin'ny olona Masina aho. Tsy ahy ny fitsarana fa Azy izay namorona ahy.
10. ikaretsaka ( 28/02/2010 01:17)
rijadolly:

Ny Atrao sy ny Jiosy irery..ny anay Atra fitiavana sy mpamindra fo...
Mitovy ny antsika ka!samy Fitiavana tena marina
fa saingy ny anay zany no tsy mahazaka hampirafesina fa ny anareo mahazaka. Sa samy tsy mahazaka koa ny antsika.



ka Atra tia tena izany anareo izany ko
11. niryna ( 28/02/2010 02:38)
naritsimba:

Faly miarahaba an'i niryna.
izaho koa torak'izany.Faly nahita anao ato amin'ny fivavahana indray e

marina tokoa ny voalazanao hoe hafa ny fitiavan'ny Neny,
ny fitiavan'i dada koa toa izany ka,mizara ny fitiavan'ilay reny kely mananontena izy,tsy mba misy mpiahy,tsy misy mpamelona fa ny hatsembohan'ny tavany no amelomany ity menaky ny ainy ity. Mafy ary maro tokoa no tonga eto antany noho ny sitrapondry zareo kanefa dia avelany hitoreo,tsy jereny akory.
hoy ny voalaza:
Fa toy izao no nitiavan'Atra izao tontolo izao,nomeny ny Zanani-lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay Jaona 3:16

dia isika rehetra io tsy misy ankanavaka fa omeny fitiavana avokoa

Mazava tsara fa lehilahy ilay zanak'Andriamanitra ary lehilahy Andriamanitra satria rehefa namorona olona izy dia toy ny endriny:
"Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny." Gen 2 : 7-8


Araka izany dia lehilahy na Dada no taloha, nanaraka vao vehivavy na i Neny, mazava ho azy izany fa mba hisian'ny fitoviana eo @ fanehoam-pitiavana dia tsy maintsy miezaka i Neny hitovy @ Dada satria i dada dia efa toa an'Andriamanitra satria ny fitiavana izay ananan'Andriamanitra dia tokony ho efa ao anatin'ny Dada hatrany am-panombohana.
mazava tanteraka

Saingy noho ny fisainan'ilay atao hoe Dada, sy ny noho ny fatahorany ny ho voasaongon'ny neny dia lasa nivaona ilay fitiavan'ny Dada ka ankehitriny dia lasa fitiavana hafahafa, ka manjary i dada indray no mampiseho fitiavana diso tafahoatra @ zanany, ka lasa manao firaisana ara-nofo @ zanany naterany, izay ilay hoe fitiavana diso, ary fahotana lehibe eo imason'Andriamanitra.
mety misy ohatra toa io fa tsy ny dada rehetra kosa e.Mety izay no andraisanao azy fa ny fitiavana dia tokony itovy na i dada na i neny amin'ny zanaka na amin'izy ireo eo amin'ny zanany,saingy misy kamboty velon-dray na velon-dreny ka izay mikolokolo sy miahy azy no fantany fa tia azy ka.Misy anie reny na ray mamela ratra ny zanaka e,mamono vady,manitsakitsa-bady,mamotoaka,mifoka,tsy miditra an-trano ratsy mamo sns.toa izany koa ny reny,misy tsy miraharaha ny zanaka ary mety misy koa aza manao fitiavana mitanila noho ny antony maro samy hafa izay izy ihany no mahalala azy kanefa ny ankizy tsy anaiky izany na anazava in-jato eo aza izy.

isika olombelona dia efa voararan'Andriamanitra na ny ray, na ny reny , na ny zanaka nateraka, efa hatrany @ bokin'ny genesisy no efa voasoratra izany:
Genesisy 19:32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
ahoana tokoa io- izay no nahatonga an'Atra nanimba an'i sodoma sy gomora anie e,noho ny fahavetavetana maro tao.Jereo fa ireo anjelin'Atra tonga tao amin'i Lota dia tadiavin'ireo lehilahy tao an-tanana ho vadiana ary rehefa notenen'ireo anjely hiala tao sodoma i lota sy ny zanany roa vavy ary ny vadiny(izy moa dia lasa nivadika ho vongatsira rehefa nierika nijery an'i sodoma sy gomora nirodana) ,
Araky ny tantara Gen 19:30 Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra,dia izy sy ny zanany roa vavy, fa natahotra hitoetra toa Zoara izy,dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy
31 Ary hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny.Efa antitra izao ny raintsika,ary tsy misy lehilahy ambon'ny tany hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra

Satria i Lota olon'Atra,ny zanany anefa dia niaraka ireo olona nivadika tamin'Atra ka dia nanota teo anatrehan'Atra izy roa vavy,nampisotro divay ny rainy sy nandry tamin-drainy
Dia mbola miverina indray izany eritreritra izany ao amin'ny
34 Ary nony ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny.Indro efa nandry tamin'ny raintsika aho halina ,aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina,dia midira hianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika
Zavatra azo tsoahina amin'ny fiainanan'ny mpino rehetra koa io,raha tsy mijoro ,miambina,mampianatra ny fianakaviany atahotra an'Atra sy ametraka ny fiainany amin'Atra izy fa izy tenany irery ihany no eritreretiny ho mpino dia mety hiafara amin'ny fanarahan'ny fiainan'izao tontolo izao koa ny vady aman-janany.




12. niryna ( 28/02/2010 02:41)
naritsimba:

5 Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah.
6 Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy hianareo: Izaho. no Jehovah.
7 Aza mandry amin'izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
8 Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy.
9 Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
10 Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian'izy roa.
11 Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
12 Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
13 Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
14 Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy.
15 Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
16 Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy.
17 Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zanani-vavy; aza maka ny zanakavavin'ny zanani-lahy, na ny zanakavavin'ny zanani-vavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
18 Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona.
19 Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadimbolany handry aminy.
20 Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
21 Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
22 Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
23 Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
24 Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
LEVITIKOSY 18:5-24
misaotra nizara


13. niryna ( 28/02/2010 02:45)
naritsimba:

Mazava arak'io zavatra io fa samy miezaka mampiseho ny fitiavany na ny ray na ny reny: saingy samy manana ny fanehoany izany ny tsirairay.
Zaro @ lalana tokony alehany ny zaza...!


izany tokoa e ary anjarantsika zanaka no tsy misahatra misaotra ireo rar nahitana masoandro. Hoy ilay tovovavy iray izay hoe raha mba nanana fotoana aho na dia niteny hoe tiako hianao ,dia efa afa-po aho,saingy tsy mba niteny ny raiko izany aho kanefa izy dia nandao ahy mandrakizay .
Mila misaotra ireny olona rehetra nahavita soa antsika ireny isika,na dia tsy afaka mamaly ny soa vitany aza,toa izany koa ny zanaka,misaotra ny rar fa tsy mora ny mahalehibe zanaka
Hoy ny fiteny raha zanaka tsy tia ray aman-dreny miteraha mba ahita

:cry:
14. rijadolly ( 28/02/2010 02:55)
rijadolly:
Andriamanitra saro-piaro ny Andriamanitsika.
ika:
Ny Atrao sy ny Jiosy irery..ny anay Atra fitiavana sy mpamindra fo...
rijadolly:
Mitovy ny antsika ka!samy Fitiavana tena marina
fa saingy ny anay zany no tsy mahazaka hampirafesina fa ny anareo mahazaka. Sa samy tsy mahazaka koa ny antsika.
ika:
ka Atra tia tena izany anareo izany ko
Izany hoe Andriamanitra azo ampirafesina, ary mampirafy AZY izany ve ny tokony ho mpino Kristianina ( tsindriko aloha fa Andriamanitry ny Jiosy koa ny Andriamanitsika )
15. niryna ( 28/02/2010 03:11)
niryna:
Endre ny fitiavan'i neny ahy e!!! Fitia tena sarobidy loatra, tsy voavidy vola akory. FItiavana mihoatra lavitra noho ny vola aman-karena aza. Fa nadia tsy hahita hohanina aza izy, dia foiny izany fara-fananany mba hamonjeny ilay mamikelin'ny ainy. Te-hitomany izaho zoky mandinika ny zavatra niseho
marina mihitsy izany,
Mirananirina:

toy izany koa ny fitiavan'ny kato ny renin'i jesoizay tsy tian'ny finoana hafa.
asa aloha mirana fa reniny nahitany masoandro ve tsy ho tiany.
Mirananirina:

Nefa reny ihany koa izy iny Masina Maria,resaka efa ela tao izay.Hoy aho hoe rehefa mivavaka aho hoa dia i Maria no hivavahako sy angatahako,ka nahazo tsikera maro be.
dia tsy tokony hitsikera anao ny olona fa tokony anazava aminao hoe araka ny filazan'ny soratra masina dia kristy no mpanelanelana antsika amin'Atra ,ary kristy no lalana mankany amin'ny ray fa tsy misy lalankafa na iray aza.Manaza fotsiny aho ary ny baiboly no itondrako aza fa tsy manana teny avy aty amiko manokana aho hanazava aminao an
Jaona 17 3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.

Ny fahafantarantsika hoe miaraka amintsika i kristy,mitoetra ato anatintsika ny fanahiny ary miaraka amintsika isan'andro izy raha mino azy isika dia zava-dehibe eo amin'ny mpino an'i kristy izany: Hoy kristy amintsika rehetra hoe
Jaona 10:10
10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana;
Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.

Omeko tsimpona i mirana dia anjaranao no mandray azy ,mangataha ny fanahy masina hanazava aminao ny marina fa izy no miaraka amintsika isan'andro raha mino an'ilay kristy isika.
Salamo 25:4-5
4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.

5 Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.


4 Show me your ways, Lord . Teach me your paths.

5 Guide me in your truth, and teach me, For you are the God of my salvation, I wait for you all day long.


4 Eternel! fais-moi connaître tes voies, Enseigne-moi tes sentiers.

5 Conduis-moi dans ta vérité, et instruis-moi; Car tu es le Dieu de mon salut, Tu es toujours mon espérance.



16. niryna ( 28/02/2010 03:21)
Mirananirina:

Hoy aho hoe rehefa mivavaka aho hoa dia i Maria no hivavahako sy angatahako,ka nahazo tsikera maro be.Mino an'i maria aho fa tsy i Kristy.

Raha manana hetaheta ao anaty hianao ka mino fa i kristy no mpanafaka anao amin'ny fahotana rehetra,izay no Mpamonjy sy Tomponao ( accept Jesus as your Savior and Lord) dia anjaranao no mivavaka ary mangataka amin'Atra mba ampianatra anao ny Teniny
1- isika rehetra dia samy mpanota avokoa Romana 3:23
2- Ny fiainana mandrakizay dia fahasoavana nomeny maimaimpoana avy amin'ATra Romana 6:23
3- Noho ny fitiavan'ilay Ray antsika.Kristy dia maty noho ny fahotantsika,nisolo ny helontsika Romana 5:8
4- Mino an'i kristy fa izy no tompo ary matokia fa Atra efa nanangana azy tamin'ny maty Roma 10:9-10
5- Mivavaha amin'Atra hamanojy anao ary dia ataony tanteraka tokoa izany Romana 10: 13
ataovy ny andrana ,vakio ny tsimpona ary mivavaha mba ny fanahy masina no ampianatra anao amin'ny fahamarinana





:-*
17. niryna ( 28/02/2010 03:28)

Mino an'i maria aho fa tsy i Kristy.
Mirananirina:
hazavaiko fa ny olona no niteny ahy io fa tsy za,raha mivavaka amin'i maria dia tsy mino an'i Kristy :? :? nefa reny sy zanaka ihany,tsy mitombona ny filazana fa tsy mino an'i kristy aho,eny fa na dia manambady musulman aza.
izaho anie mba gaga e
=D> =D> ^:^

hay ny olona no niteny izany taminao.Tss! aza vakiana loha koa izany,rehefa fantatrao ny inoanao dia efa zava-dehibe izay.
Atra mihaino antsika,Izy irery no mahalala ny ao ampontsika fa tsy izay rehetra miteny hoe izao dia ho marina avokoa,rehefa ao aminao izy dia ao izy izay ka aza manadino ny mivavaka aminy isaky ny misy zavatra ataonao anie ,ataovy ny fanandramana dia ho fantatrao ny tiako tenenina raha mbola tsy nanandrana hianao e

(l) (l)
18. niryna ( 28/02/2010 03:29)
rijadolly:

Andriamanitra saro-piaro ny Andriamanitsika.


Dia ahoana ny tohiny? na inona no tian'i rija ho tenenina e
misaotra mialoha
:D
19. niryna ( 28/02/2010 03:32)
ikaretsaka:

Ny Atrao sy ny Jiosy irery..ny anay Atra fitiavana sy mpamindra fo...
mba azavao hoe azafady ry ika ny tianao tenenina ,misaotra


Ny tsy mety azo..fa fanahy iniana tsy azon'ny olona sasany koa @ resaka mariologie sns dia ny fanavahana ny "venerer" sy ny "adorer"
dia tsy azon'ny olona izany io ka mba afaka azavanao aminay ve,fa izaho koa anisany tsy mahazo io teneninao io :D


20. ikaretsaka ( 28/02/2010 05:49)
mots 2 samihafa aloha ny "To worship" sy ny "to venerate"
Na ny hoe "manompo' sy ny "manolotra fanajana"

Ny Atry ny jiosy no saropiaro sy manasazy raha be vinany...fa ny Atry ny kristianina mbola niala nenina foana satria sitrany ny haha lavorary antsika ka na ny zanany aza nafoiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1263