Basy Kristianina misy soratra avy ao @ baiboly

41. fijo ( 25/01/2010 22:12)
rakapy,izay extrem izay no nanaovako ilay hoe (ben)laden/kakely.ary izay no manahirana ny hametrahana ny filaminana eto an tany
42. benkakely ( 25/01/2010 22:26)
ho an-dRakapy manokana ;misaotra anao nangataka tamimpanajana hiady hevitra amiko noho ireo fisian\'ny andriamanitra maro rehefa avy tany anefitra 40 andro JEsosy dia nentin\'ny devoly teny ambony tendrombohitra avo dia avo ;nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin\'izao tontolo izao sy ny voninahitr\'irenyfanjakana ireny(tsy namaritra izy hoe Amerika rery na i afganistan eto)dia hoy izy taminy:\"omeko anao ireo rehetra ireo raha miankohoka eo anatrehako ianao\"MATIO4:1-11ka raha araka ny hevitrao Rakapy iza no andriamanitra mitondra an\'izao tontolo izao?tsy milaza anefa izany fa hamela antsika ohatrizao foana ilay JEHOVAH Andriamanitra any andanitra fa nampianatra antsika nivavaka toy izao Jesosy hoe....HO TONGA ANIE NY FANJAKANAO KA NY ETY ANTANY HO TAHAKA NY ANY ANDANITRA...tsy hamela antsika ho toy izao foana izy ;rahoviana hoy ianao ary no anatanterahany ny fandraisany anio fanjakana io?raiso ny baibolinao dia vakio DANIELA 2:44 fa hahazo valiny mahafapo ianao ary farany dia mba tiako sy manasa anao aho hamaky ny MATIO24:7 faminaniana nomen\'i Jesosy hoe ary hisy firenena hitsangana hamely firenena,ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana ary hisy mosary sy HOROHORONTANY any amin\'ny toerana samy hafa ka araka ny fijerinao mbola ho avy ve izany sa efa tanteraka ankehitriny?fa ny tena mahaliana anao izao de ny momba ireo andriamanitra maro be eny aman\'alina tokoa ireo anjely tany andanitra no nisafidy ny hanaraka an\'i satana devoly ka tonga demonia maro izay samy manana ny andraikiny sy ny asa ataony avy izy ireo baal de peor ohatra dia dieu de la sexualité;gadh dieu de la chance zany hoe rehefa andeha hanao pmu ianao ohatra na andeha hiloka de io demonia io no mikarakara anao,misy koa ny atao hoe meni dieu du destin donc raha mino ny destin enao de izy ko no milalao an\'izany fa Andriamanitra tsy nandahatra ny fiainantsika fa nomeny libre arbitre isika tamin\'ny andron\'ireo babyloniana mpanompo sampy dia nomeny ny anaran\'ny planete ireo andriamaniny ohatra:mardouk nitondra ny anarana jupiter andriamanitra lehibe indrindra tao babylone fahhiny Ishtar deesse de l\'amour naka venus ninourta na saturne déesse de la guerre et de la chasse nebo na mercure ets....ireo fijangajangana maro sy teny koa dia mila fantarina ohatra ny teny hoe aphrodisiaque dia avy amin\'ilay andriamanibavyni fijangajangana hoe Aphroditeetc.....
43. ikaretsaka ( 25/01/2010 23:35)
Ho. An'i bena... tadidio fa t@ tantara dia nisy fotoana natao hoe "dark ages"... de ny mahagaga dia t@ io vanim-potoana "maizina" io dia nanjakazaka ny religion anefa...indrindra ny extremisme be ohatran'ny anao....
->mainka nge zany nanamaizina le fivavahana rehefa raisina a l'extreme dy ahiliika any aby hatr@ stupiditen-draolombelona e
Jereo akaiky ihany
44. rzakarivola ( 26/01/2010 12:34)
ikaretsaka:

de aiza no hidiran ny basy @ io wawawa be an drazaka io le

==> Ny dikan'io dia izao, ny olona mety manana ny heviny sy ny tanjony raha nanoratra versets teo @ basy, ary ny olona mety manao erreur, fa Andriamanitra tsy mba manao erreur. Andriamanitra Ray dia Tsitoha, ka matoa navelany hiseho ireny rehetra ireny dia manana ny heviNY izay hitondra fiadanana fa tsy loza Izy.
Ny zavatra mety hataon'ny olona dia ny mamantatra ny hevitr' Andriamanitra, mangataka amiNy mba hahalala ny heviNy, ary omeNy izany, sady efa nomeNy rahateo.

Ny mpamono olona (hoy ny namana eto) no mampiasa ireo basy ireo, mpifampitifitra. Koa hainao ve raha @ alalan'ireny versets nataon'olona ireny no hahitan'ireo ondry very an'i Jesoa Kristy ka hampibebaka azy ?
Ianao milaza fa Andriamanitra tsy azo ferana, ary marina izany!
45. rakapy ( 26/01/2010 13:05)
Hoy Rzakarivola
Ny dikan'io dia izao, ny olona mety manana ny heviny sy ny tanjony raha nanoratra versets teo @ basy, ary ny olona mety manao erreu

Ny mpamono olona (hoy ny namana eto) no mampiasa ireo basy ireo, mpifampitifitra. Koa hainao ve raha @ alalan'ireny versets nataon'olona ireny no hahitan'ireo ondry very an'i Jesoa Kristy ka hampibebaka azy

Izay anie no mahagaga ahy @ nareo e! Basy, dia natao hitifirana na ampihorohorona olona na biby ary mety mahafaty mihintsy aza. Nefa dia ankasitrahanao ny fanoratana teny avy ao @ baiboly eo aminy.

Dia ahoana no mba fihevitrao Rzakarivola raha ohatra ka eo @ lohatenin'ny magazine pornographique iray no asiana titre na teny avy ao @ baiboly? Tsy mahafaty olona toy ny basy io magazine io nefa ahoana no fihevitrao raha misy manao izany?
46. benkakely ( 26/01/2010 13:09)
marina mihitsy ny anao ry karetsaka fa nisy fotoanan\'ny fahamaizinana naharitra ela dia ela tokoa izao anefa efa tapitra izany vanimpotoana izany satria vao maty kelikely jesosy dia nisy ireo kristianina tamin\'ny taonjato voalohany izay nivadim-pinoana ka namadika ny tenin\'Andriamanitra ho fampianarandiso toa an\'i aleksandra;hymeneo;ets....(1timoty1:20)tsy ho adinoantsiaka koa ny tantara nisy teo amin\'ireo fivavahana lazaina fa kristiana dia ny ady teo amin\'ny protestant sy catholique izay nahafatesana olona maro be tokoa koa tsy ny fivavahana rehetra ary no marina fa ny voany no ahafantaranareo azy hoy Jesosy ;ireo fomba amampanao ao amin\'ireo fivavahana lazaina fa kristiana rehefa mandeha mivavaka ianao moa mba mahaliana anao ve ny mba te hahalala ny hevitrireo zavatra hitanao ao toy ny hoe:andeha hiangona aho anio fa krismasy ny andro?inona marina moa ny atao hoe krismasy(andro nahaterahan\'i Jesosy hoy ianao mamaly angamba)25decembre marina ve jesosy no teraka?efa mba nanadihady ny tamin\'izany ve ianao?sao dia voafafy lainga ary isika moa hisy mpiandry ondry va eny BEtlehema izay misy la neige be rehefa andro toy izany;rehefa tonga ao ampiangonana ary isika moa tsy hitady sakafompanahy va no alehantsika ao, indro i dadabe noely no mitsena antsika ao sy ny hazo noely mialatsiny aho fa toa tsy nisy anio dadabe noely io tao amin\'ny baiboly ka na dia i jesosy aza angamba ho gaga TITOSY1:14ka tsy hihaino angano jiosy sy didy nataon\'olona izay miala amin\'ny fahamarinana ka raha hihaino angano no aleha any aleo mifono eo ampandriana hihaino angano am radio ary jesosy tonga mba ho faty fa tsy jesoa zaza foana akory;ary aza taitra nareo raha misy soratra avy ao amin\'ny baiboly ny basiny fa samy manao izay tiany atao ireo fivavahandiso ireo mandra pahatongan\'ny faran\'izao zava-miseho izao izay efa tena akaiky ary aza maminany sandoka hoe 2012eo fa na ny zanaka aza(jesosy io ) dia tsy mahalala ny andro sy ny ora fa efa vonona eo ambavahady fotsiny izy hatramin\'izao
47. ikaretsaka ( 26/01/2010 14:05)
Tsy nivadi mpinoana izy fa no attibuer ny t@ Atra aby izao rehetra izao..vo tsy nahazo zaza ze mpanota ianao....vo nisy ny peste. Sy habokana de sazin'atra (nefa izy no voretra) tsy mahavokatra (nefa ny tany no tsy ampy zezika) dia Atra...
Tsy ny hitady fanafana sy fika hafa no natao fa ny hanilika azy @ entite hafa (eto=Atra sy devoly)
Mainka dia nihamaizina any ny tany mandra pahatongan'ny renaissance .... (tsy born again io a)
48. fijo ( 26/01/2010 20:04)
ben kely izany koa manao tsimpona fotsiny ko.tena nianatra sekoly alahady ben,fa eto ny saina no ampiadiana fa tsy ny baiboly no averina tanisaina.raha izay mantsy samy mahay isika
49. rzakarivola ( 27/01/2010 13:28)
rakapy:

Izay anie no mahagaga ahy @ nareo e! Basy, dia natao hitifirana na ampihorohorona olona na biby ary mety mahafaty mihintsy aza. Nefa dia ankasitrahanao ny fanoratana teny avy ao @ baiboly eo aminy.

==> Tsy ny fankasitrahako na tsifanekeko no inona. Fa izay ankasitrahan' Andriamanitra dia tsy manohitra ny sitrapoNy izany.

rakapy:
Dia ahoana no mba fihevitrao Rzakarivola raha ohatra ka ...

==> Ny fihevitro ve no anontanianao ? "Ny fihevitro tsy fihevitrareo, hoy Jehovah". Ny fihevitr' Andriamanitra no tokony hanontanianao fa tsy ny ahy. Satria raha ny anaraNy no voahoso-potaka dia Izy no hamaly, ary na dia voahoso-potaka aza ny anarako, dia aoka Izy no hamaly raha hitaNy fa mety. Ary mamaly tokoa Izy : "Raha misy mamely ny takolakao havanana, atolory azy koa ny ilany"

rakapy:
... eo @ lohatenin'ny magazine pornographique iray no asiana titre na teny avy ao @ baiboly? Tsy mahafaty olona toy ny basy io magazine io nefa ahoana no fihevitrao raha misy manao izany?

==> Marina ihany ny nosoratanao, mahafaty olona io na dia tsy toy ny basy aza.
Zavatra niainako no hotantaraiko anao. Fony aho mbola tsy nahafantatra an'i Jesoa (efa kristiana fa nisalasala ny aminy), surtout tamin'ny nianatra informatik, dia tena tia ni-télécharge an'ireny film X ireny. Rehefa nino an'i Jesoa aho, ny nofoko tia sady nitady foana satria efa zatra (drogué) mazava ho azy, saingy tsy tahaka ny fahiny ny fivavako nanomboka teo, fa isaka ny nivavaka aho dia t@ fanahy, ary izay mivavaka @ fanahy dia mifanatrika @ Andriamanitra. Menatra an' Andriamantira aho satria izaho mba kristiana, miantso hoe "Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao", kanefa ny fitondran-tenako mahamenatra raha aseho vahoaka. Nisy fotoana aho tsy nahatsiaro intsony hoe mety mbola ho voavela heloka ve ? Satria na dia mifona isanandro aza aho dia mbola nataoko indray ilay zavatra nifonako. Isaka ny niatrika ilay toe-draharaha kosa anefa aho dia tena te tsy hanao ilay izy intsony, kanefa ... tahaka ny olona drogué te hiala ireny e! Mahatsiaro voageja ... Tsaroako in-2 niseho izao zavatra izao, iny le izaho irery no tao am-piasana iny (izany hoe tsy nisy olona nahita), ny asa betsaka nefa te hiala voly be, nanomboka nijery ireny site hahafahako mi-télécharge vidéo X sy hamakiana tantara kisoa ireny aho, eo aho no tonga saina, te hijery mafy no sady mahatsapa ny fahamarinan'ny tenin'i Jesoa hoe "izay rehetra mijery vehivavy ka mila azy dia nijangajanga taminy tao am-pony", ary fantatro fa hametraka sakana amin'ny fifandraisako @ Tompo indray izay satria tsy ho sahy hiatrika Azy aho. Ady mafy ny ahy, ary dia raha izaho no miady dia resy tokoa, fa teo aho no nangataka hoe "Andriamanitra ô vonjeo aho" ... par deux fois hoy ah no nitranga tamiko izany, azoko tsara ilay film fa tsy afaka novakiako avy teo. Rehefa nitranga izany dia nisy alahelo kely tato anatiko satria tsy nahita an'ilay niriako (faniriana!!), fa avy teo fiadanana satria mba tsapako ho tsy sahirana indray ny fifandraisako t@ Andriamanitra, ary nampiseho tamiko an'izany hoe "Jehovah no Mpamonjy" (=Jesosy) izany.

Ka tsy fantatro na mety ho olona drogué @ resaka pornographie (tahaka ahy t@zany) kanefa mety mahatsiaro te hiala, no mahita an'i Jesoa miteny aminy hoe "raha ny Zanaka no manafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo". Izay no nahitany ny lalana hahafahana @ fahotana rehetra, ary izay afaka amin'ny fahotana dia mahazo ny fanjakàn'ny lanitra, afaka hanome voninahitra an' Andriamanitra marina.
... Mety koa olona respectable (hoy isika), manana sens de la morale, saingy mba manana péché mignon @ fahavetavetana, ary mihevitra fa rehefa tsy hitan'olona dia ça va ... Raha ny olona toy izany no mahita an'i Jesoa miteny hoe : "Tsy misy ny takona izay tsy ho hita, ary tsy misy nafenina izay tsy hitranga", "mifalia ry zatovo dieny mbola tanora ianao, ... kanefa aoka ho fantatrao, fa hoentin' Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany", mety mba hibebaka izy ka hiaiky, hahazo ny famonjena ho afaka amin'ny fahotany rehetra, ary izany no tena fiainana, miseho ny voninahitr' Andriamanitra.

Soa kokoa izany noho ny olona miezaka miseho ho tsara eny imason'ny olona sy ny mpiara-mivavaka kanefa ny ao anaty fo feno loto.

Raha ny verset ao @ Baiboly na hitany any am-piangonana no entin'ny olona hanoanana ny asa ratsiny, dia tsy avy amin' Andriamanitra izany, ary izay manao izany dia tahaka ny olona nandavaka ary ny tenany ihany no hilatsaka ao.

Raha ny verset ao anaty magazine pornographique, na misoratra eo @ basy no hahatonga ny olon-dratsy hahita an'i Jesoa mba hovonjena, dia ho fanomezam-boninahitra an' Andriamanitra izany. "Fa ny sitrapon'ny Raiko, dia mba hanana fiainana mandrakizay izay mijery ny Zanaka ka mino Azy, ary izaho hanangana Azy amin'ny andro farany".

Lava be ny resako, fa ity no farany. Tadidio fa tsy ny cellules velona no mitondra fahafatesana ho an'ny tena, fa ny cellules maty. Tahaka izany, matoa mamono olona ny olona iray, dia satria izy no efa maty voalohany. Kanefa "Izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray, ary izay velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay" hoy i Jesoa.
50. fijo ( 27/01/2010 22:07)
sao dia mino fotsiny kosa ary nareo izany fa tsy mandinika intsony ry zakarivola????fanontaniana ny ahy io fa tsy manadala akory
51. rakapy ( 28/01/2010 09:48)
Hoy Rzakarivola
Tsy ny fankasitrahako na tsifanekeko no inona. Fa izay ankasitrahan' Andriamanitra dia tsy manohitra ny sitrapoNy izany.

Ny fihevitro ve no anontanianao ? "Ny fihevitro tsy fihevitrareo, hoy Jehovah". Ny fihevitr' Andriamanitra no tokony hanontanianao fa tsy ny ahy

Ekena ny teninao tompoko. Amin'ny maha seraseran'olombelona ny eto moa dia olona no ametrahana fanotaniana ary dia mbola tsy maintsy ho valitenin'olombelona hatrany no ho hita sy andrasana eto.
Ka tsory sy ataovy mazava ny resaka raha toa raha tsy tianao intsony ny ametrahana fanotaniana aminao Rzakarivola. Satria raha any @ jesosy A/tra avy ny valiny dia tsy tokony misy antony hidirantsika eto intsony fa samy tokony hiresaka aminy any @ izay toerana itiavany azy avy isika mianakavy.
52. fijo ( 28/01/2010 20:53)
ie marina mihintsy izany.aza manaotsianjery eto,fa ny hevitrao avoaka.
53. rzakarivola ( 29/01/2010 14:17)
rakapy:
Amin'ny maha seraseran'olombelona ny eto moa dia olona no ametrahana fanotaniana ary dia mbola tsy maintsy ho valitenin'olombelona hatrany no ho hita sy andrasana eto.

==> Raha mino marina ianao fa misy Andriamanitra, dia tokony hino ianao fa afaka mamaly Izy, na dia amin'ny alalan'ny olombelona aza. Ianao afaka mamaly olona anakiray amin'ny alalan'ny olon-kafa irahinao.
Tahaka izany Andriamanitra raha naniraka ny ZanaNy Lahitokana hilaza ny teniNy tety ambonin'ny tany, tsy nafenina izany teny izany fa miseho miariary amintsika, indrindra izay mamaky Baiboly.
Koa afaka hitondra valin-teny aminao aho, fa ianao kosa, mila mihaino an' Andriamanitra ny fonao. Ny soratro @ maha rzakarivola ahy no tsy maintsy hitanao eto, na ny an'i niryna, na ny an'i fidinirina, na i bor2lais amin'ny maha izy azy ny tsirairay. Kanefa mety hahita an'i Jesoa @ ireny soratray ireny ianao, ary izay no soa.
Mety hahafinaritra ny hevitr' olombelona, fa ny hevitr' Andriamanitra no mitondra fiadanana. Koa fantaro ny hevitr'Andriamanitra ao amin'izay teny entin'olombelona aminao. Mangataha aminy dia handre Azy tokoa ianao.

rakapy, sy ny hafa:
Ka tsory sy ataovy mazava ny resaka raha toa raha tsy tianao intsony ny ametrahana fanotaniana aminao Rzakarivola.

==> Tsy mampaninona ahy ny ametrahana fanontaniana, indraindray aza tiako koa satria misy amin'ireny fanontaniana apetrakareo ireny misy tsy mbola fantatro ny valiny koa mitondra izany eo @ Tompo aho mba hovaliaNy. Fa adidiko ny mamerina fa valin-teny avy amin'Andriamanitra irery ihany no tokony katsahin'ny olona, ary i Jesoa no Tenin' Andriamanitra Velona (fa tsy maty) ka Izy no tokony henoina.

Farany, misaotra aho noho ny fanontanianareo sasany, fa mampitombo ny fahalalako an'i Kristy sy ny finoako ny fitondrako ireny eo amiNy, dia @ teniNy izany.
54. rzakarivola ( 29/01/2010 14:22)
fijo:

sao dia mino fotsiny kosa ary nareo izany fa tsy mandinika intsony ry zakarivola????fanontaniana ny ahy io fa tsy manadala akory

==> Ny Tenin'Andriamanitra milaza fa ny tena mandinika dia izay mino marina. Ny mino mantsy dia ny mampiditra ao am-bava, ary ny mandinika dia ny mitsakotsako ilay natelina. Tsy afaka handinika raha tsy mino.
Samy mino sy mandinika na ny mino ny marina ary mitsakotsako izany ka mahazo hery sy mitombo, na ny mino ny fitaka ka mitsako ary mandoa avy teo.
Ny alika no miverina amin'ny nalohany hoy ny Malagasy.
"Les insensés pensent : « Dieu n'existe pas. »Ils sont corrompus, leurs actions sont dégradantes, et aucun ne fait le bien."
55. ikaretsaka ( 29/01/2010 17:51)
Hoy i rakapy, sy ny hafa:
Ka tsory sy ataovy mazava ny resaka raha toa raha tsy tianao intsony ny ametrahana fanotaniana aminao Rzakarivola.

==> Tsy mampaninona ahy ny ametrahana fanontaniana, indraindray aza tiako koa satria misy amin'ireny fanontaniana apetrakareo ireny misy tsy mbola fantatro ny valiny koa mitondra izany eo @ Tompo aho mba hovaliaNy. Fa adidiko ny mamerina fa valin-teny avy amin'Andriamanitra irery ihany no tokony katsahin'ny olona, ary i Jesoa no Tenin' Andriamanitra Velona (fa tsy maty) ka Izy no tokony henoina.

Farany, misaotra aho noho ny fanontanianareo sasany, fa mampitombo ny fahalalako an'i Kristy sy ny finoako ny fitondrako ireny eo amiNy, dia @ teniNy izany.


De rehefa ianao no anontanianay fa tsy Izy de aoka ho Ianao @ maha ianao azy no hamaly fa aza ahilika any aminy

Raha Izy no tianay hamaly dia Izy no nanontanianay voalohany fa tsy ianao satria zahay koa mahay manontany Azy!
'Azo?
56. fijo ( 29/01/2010 20:27)
rzaka,toa tsianjery sy famerenandesona mantsy no tsapako eto fa azafady
57. ikaretsaka ( 29/01/2010 22:09)
ka izay mantsy ry fijo... tsy fanaovana "recitation de tsimpona" no atao hoe "forum" fa fiadiana hevitra, midinika fa tsy mamerina sy mitsimpona ny efa voadinika
58. fijo ( 30/01/2010 22:24)
ka ny sasany anie te hampiseo fa namaky boky e,eo le olana.
59. ikaretsaka ( 31/01/2010 17:15)
Tsy namaky izy fa nitsimpona ze tiatiany ihany rehefa tena dinihina ka..de ze tiany na ny nasain'ny pasiterany notadidiany no ataony drindrangilo...
Firifiry moa teo le mpitsimpona ireny no nitanaka fotsiny rehefa iny fa taterin'ny olona sasany toa andry soanja ny zavatra fanahy iniany na tsy nampianarina azy sy tsy natao ho hitany tao @ io baiboly io...
Efa impiry impiry izay no niseho raha tadidin le fijo tsara
60. fijo ( 31/01/2010 17:58)
tadidiko ka,fa ireo tsy hiova izany fa de izay tiako ihany e.izay mampetipety ny zaferako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083