Basy Kristianina misy soratra avy ao @ baiboly

21. fijo ( 23/01/2010 20:33)
ka mitady hiparitaka ny kil rakapy an,tsimaintsy sarihan asao mihena ny tsena ko,
ny fitaovam piadian akoa tsimaintsy hamidy ka tsy azo atsahatra ny ady.
22. benkakely ( 24/01/2010 13:13)
betsaka ny Andriamanitra fa tsy iray ny demonia koa dia andriamanitra misy ny atao hoe andriamanitry ny ady;nyandriamanitry ny fambolena;ny fijangajangana sy ny sisa(zeus;neptune;etsetra.....)fa ny antsiaka angamba no inoantsika malagasy dia i JEHOVAH naYAVEH(mitovy ireo)sy JESOSYzanany ilay mpanavotra antsika koa avelao ny basin-dry zareo ataony amize ilavany azy fa lozan'izay mandoto ny teniny
23. fijo ( 24/01/2010 20:28)
BEN(laden/kakely)hummm misy fakitera hiraisana izy izany an
24. rakapy ( 25/01/2010 08:40)
Hoy iBenkakely
betsaka ny Andriamanitra fa tsy iray ny demonia koa dia andriamanitra

ny antsiaka angamba no inoantsika malagasy dia i JEHOVAH naYAVEH(mitovy ireo)sy JESOSYzanany ilay mpanavotra antsika koa avelao ny basin-dry zareo ataony amize ilavany azy fa lozan'izay mandoto ny teniny

Mba velabelaro hoe hodinihina raha tsy mahadiso fa mahaliana!
25. rzakarivola ( 25/01/2010 09:40)

Resabe io fa "In God we lie" no tena marina

==> Izay niteny an'io dia mampiseho @ teniny fa tsy mahafantatra an' Andriamanitra.
"God is truth, and there is no lie in Him, So whoever is in God cannot lie".
26. ravonjison ( 25/01/2010 09:44)
Efa betsaka loatra ilay voalaza fa mba tsotsoriko kely ny hevitro : ny Amerikana dia firenena efa lasa lavitra mihitsy @ lafiny rehetra. Ny antony ? Satria hain \" izy ireo ny mampifandrindra ireto zavatra 4 ireto : ny finoana, ny demokrasia, ny siansa, ny liberté ( @ lafiny isankarazany ).
Ny mahatara sy ny olana eo @ pays sasany dia ny tsy fahaizana mandrindra ireo zavatra efatra ireo : ny sasany be finoana loatra ary miraika @ demokrasia sy siansa, ny sasany materialiste loatra ka tsy miraharaha finoana, ny sasany indray mba misy finoana sy siansa fa sakanany ny liberté ....sns.

Ny maha-super puissance an \" i Amerika dia ny fahaizana mampifandanja ireo zavatra efatra ireo satria samy ilaina daholo eo @ fiainan\" ny olonambelona, araka ny efa voalazan ny sasany etsy ambony ( Voir Soanja :.... \"Ny fahafahana mino izay inoana aty dia tsy miala lavitra an\'izany satria tany Eoropa ry zareo dia nenjehina noho ny finoany ka aty izy afaka namorona lalana manakana izany....\"


Ka raha hiverenako ilay lohaevitra : basy misy soratra avy ao @ baiboly. Io dia milaza amintsika mazava fa ao daholo ireo zavatra efatra voalazko etsy ambony, satria samy ilaina:
- FINOANA: mino izy ireo ( na ilay miaramila na ilay namorona ilay basy ) fa finoany an\" Andriamanitra izay tsiaviny matetika @ alalan\" io soratra io dia hahavitany ny \" mission \" ataony ( ady, fampandriantany, fanalána mpitondra dictature sns...)
- DEMOKRASIA : io mission natao io anefa dia tsy maintsy nekena tao @ chambres de representants ambony sy ambany.Ireo indray anefa dia fidian\" ny lona
- LIBERTé :ireo miaramila dia afaka mifidy tanteraka, na hitana ilay basy misy soratra izy na tsia . Izany hoe na handeha hiady izay sa tsia. Rehefa tsy mifanaraka @ eritreriny ilay soratra dia azony atao ny tsy mandeha any.
- TECHNOLOGIE :ny fanatanterahana mission n\" ady dia mila technologie mahery lavitra noho ny adversaire @ resaka fitaovam-piadina, fa tsy vitan\" ny finoana fotsiny. Ireny basin\" ny amerikana ireny dia basy efa tena milay be mihitsy.

Ka tsy dia mahataitra ahy loatra ny fisian\" ilay soratra.
27. rakapy ( 25/01/2010 09:56)
Ravonjison> Ka tsy lasa extremist koa ve izany ilay xnisme any Amerika raha izany no jerena? Ry zareo silamo moa etsy andaniny efa maro no extremist. Ka raha samy extremist izany no hifanadrina, dia toa tsy ho tanteraka intsony izany ilay teny hoe "Mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo".
28. rakapy ( 25/01/2010 10:04)
Hoy Rzakarivola

Resabe io fa "In God we lie" no tena marina

==> Izay niteny an'io dia mampiseho @ teniny fa tsy mahafantatra an' Andriamanitra.
"God is truth, and there is no lie in Him, So whoever is in God cannot lie"

Izaho, Rakapy no nilaza io teny io Rzakarivola! Satria dia hitako fa maro ny lainga afafy avy @ anaran'A/tra mba ahazahoan'ireo mpitono-tena fahefana eto an-tany.
29. ravonjison ( 25/01/2010 11:19)
rakapy:

Ravonjison> Ka tsy lasa extremist koa ve izany ilay xnisme any Amerika raha izany no jerena? Ry zareo silamo moa etsy andaniny efa maro no extremist. Ka raha samy extremist izany no hifanadrina, dia toa tsy ho tanteraka intsony izany ilay teny hoe "Mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo".



Tsy dia hitako aloha izay maha-extremist izany e.Ny mifanohitra , ny fahaizana mandanjalanja ireo zavatra efatra voalazako ireo dia manakana ny fisian" ny extremisme.

Fa hono oa ry Rakapy , handalo ao Dago mandritra ny 3 semaine aho, tsy ho ela , ka mba maniry ny hiady hevitra tsotsotra aminao, na miresadresaka ny zava-misy fotsiny. Ny hevitrao mantsy dia toa hitako misy mahaliana tokoa , fa tsy misavoamboana toy ny an" ny sasany ?
30. ANARIM ( 25/01/2010 11:21)
hay va re!
31. rakapy ( 25/01/2010 11:36)
Hoy Ravonjison
Fa hono oa ry Rakapy , handalo ao Dago mandritra ny 3 semaine aho, tsy ho ela , ka mba maniry ny hiady hevitra tsotsotra aminao, na miresadresaka ny zava-misy fotsiny. Ny hevitrao mantsy dia toa hitako misy mahaliana tokoa , fa tsy misavoamboana toy ny an" ny sasany ?

Hoy Anarim
hay va re!
:-D :-D :-D
Ny fahitako azy indray dia misavaombaona ho an'izay tsy mahatakatra azy fa mahalina kosa ho an'izay mahatakatra azy,ka isaorana anao makatakatra ny hevitro.
Ny hoe handalo aty M/car ianao dia mahafinaritra tokoa ary zavatra mahaliana ahy ny mifanakalo hevitra @ olona manana fijery hafa ankoatra izay efa fahitako an-davan'andro nefa dia miakina @ fotoananao sy ny toerana alehanao no ahafahantsika mihaona. Ny tany koa moa ity tsy hita fa tsy dia mandry fehizay ka ho hita eo e!
32. ravonjison ( 25/01/2010 12:32)
rakapy:

Hoy Ravonjison
Fa hono oa ry Rakapy , handalo ao Dago mandritra ny 3 semaine aho, tsy ho ela , ka mba maniry ny hiady hevitra tsotsotra aminao, na miresadresaka ny zava-misy fotsiny. Ny hevitrao mantsy dia toa hitako misy mahaliana tokoa , fa tsy misavoamboana toy ny an" ny sasany ?

Hoy Anarim
hay va re!
:-D :-D :-D
Ny fahitako azy indray dia misavaombaona ho an'izay tsy mahatakatra azy fa mahalina kosa ho an'izay mahatakatra azy,ka isaorana anao makatakatra ny hevitro.
Ny hoe handalo aty M/car ianao dia mahafinaritra tokoa ary zavatra mahaliana ahy ny mifanakalo hevitra @ olona manana fijery hafa ankoatra izay efa fahitako an-davan'andro nefa dia miakina @ fotoananao sy ny toerana alehanao no ahafahantsika mihaona. Ny tany koa moa ity tsy hita fa tsy dia mandry fehizay ka ho hita eo e!



Nandefasako hafatra ianao any ka jereo ( ao @ namana serasera )!
33. rakapy ( 25/01/2010 12:48)
HS/Ravonjison>Voaray ary efa any koa ny valiny.

Mitohy ny ady hevitra!
34. Mirananirina ( 25/01/2010 14:05)
izaho aloha dia tsy mahatakatra ilay hevitra mihitsy
35. rzakarivola ( 25/01/2010 14:33)
rakapy:

Ka nahoana no ireo mitono-tena ho mpanara-dia an'i kristy no manao zavatra mifanipaka @ izay nataony?

==> Dikan'izany tsy izay mitonona rehetra ho mpanara-dia an'i Kristy no tena mino Azy marina. Izy efa nilaza hoe "izay mino ahy, ny asa ataoko no hataony koa, ary hanao asa lehibe lavitra noho izany aza izy".
Fa ny fisian'izany rehetra izany tsy mahafoana na mahadiso velively an'i Jesoa Kristy.
Misy ny mpanao vola sandoka, misy ny vola sandoka ... Raha ny fisian'ny mpanao vola sandoka no mahatonga anao tsy hitady vola intsony intsony, na tsy handray, dia tsy hahazo vola intsony ianao. Ny fahalalana an'i Jesoa Kristy dia sarobidy lavitra noho ny vola.

rakapy:

Ary tsy mahagaga raha mbola misy ary mbola hiisy hatrany ny ady eto ambonin'ny tany.

==> Tsy mahagaga raha mbola misy ary hisy hatrany ny ady eto ambonin'ny tany, satria ny fiadanana marina (sady maharitra mandrakizay) dia ao amin'ny fanjakàn' Andriamanitra ihany, ary tsy eto izany, fa ny tany dia ho levona, fa ny tenin' Andriamanitra tsy ho levona.
36. rzakarivola ( 25/01/2010 14:56)
rakapy:

...Noho izany dia tsy mahatsapa-tena intsony izy ireo ny @ hafatra napetrak'ilay niandohany ka basy entina amonoana olombelona avy no asiana soratra avy ao @ baiboly.
Izay ve ilay hoe "tiavo ny fahavalona?". Afabaraka i jesosy sy mohameta

==>
fifaninanana ho be partisans : Efa niteny i Jesosy hoe "Raha tsy miray amiko ianareo dia tsy hahay hamoa, fa halazo tahaka ny sampana ...".
manala baràka an'i Jesosy : Raha misy manala baràka an'i Jesosy (blasfema) ankehitriny, dia ho afa-baraka izy rehefa hiseho Jesosy.
tiava ny fahavalonao : Izao no tenin' Andriamanitra milaza ny fitiavana : "tsy ny nitiavantsika an' Andriamanitra, fa ny nitiavan' Andriamanitra antsika ka nanolorany ny ZanaNy mba ho avotra noho ny fahotantsika".
37. rzakarivola ( 25/01/2010 15:02)
rakapy:

Izaho, Rakapy no nilaza io teny io Rzakarivola! Satria dia hitako fa maro ny lainga afafy avy @ anaran'A/tra mba ahazahoan'ireo mpitono-tena fahefana eto an-tany.

==> Ilay filazana fa "anaran' Andriamanitra" kanefa tsy avy amin' Andriamanitra akory dia lainga. Hatramin'ny voalohany ny Devoly no nandainga, ary izay lainga izay no nahafaty ny olona, izay no mahafaty anao koa, kanefa "Izay mino ahy, na dia maty aza dia ho velona indray, ary izay velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay, mino izany ve ianao ?" hoy i Jesosy.
38. rzakarivola ( 25/01/2010 15:12)
"Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, ary tsy misy hazo ratsy mamoa voa tsara".
Fa raha tiana hamoa voa tsara ny hazo ratsy, dia mila ovaina ny natiorany, ovaina ho hazo tsara.

Nisy lehilahy anakiray nanan-janaka roalahy, ilay zandry naditra, niaraka tamin'ny naman-dratsy, ka ny niafarany dia lasa jiolahy tahaka an'ireny. Nalahelo ny zanany ilay rainy ka niteny tamin'ny mpanompony hitondra taratasy any amin'ilay zanany fa vonona ny hamela ny helony rehetra ilay ray raha toa ka manaiky hody ilay zanany. Tsy nisy sahy nandeha ireo mpiasa satria "mission dangereuse", fa ilay zanaka lahimatoa kosa, izay tia ilay zandriny tahaka ny fitiavan'ny rainy azy no nanolo-tena handeha hitondra ilay hafatra @n-jandriny. Rehefa teny an-dalana dia nifanehatra tamin'ireo jiolahy ilay zanaka ary novonoin'izy ireo, iray tamin'ireo jiolahy ireo ilay zandriny. Nialoha ny ho faty dia hoy ilay lahimatoa hoe "vita", fa vita ny mission-ny hitondra ny hafatra famelan-keloka any amin'ilay zandry. Fantatr'ilay zandry ilay zokiny, ary hitany teny an-tanany ny taratasy mihosin-drà misy ny soratanan'ny rainy vonona hamela heloka raha manaiky hody io, nanenina ilay zandry ka lasa nody tany amin'ny rainy.

Tsy fantatro izay hevitr'ireo olona nanoratra izany t@ basy, fa Andriamanitra kosa "manana ny hevitra hiheverako anareo, dia hitondra fiadanana fa tsy loza". Faly aho raha mba misy amin'ireo lian-drà no mahita izany andinin-tSoratra Masina izany, ka mahitonga azy hahita an'i Jesosy ary hibebahany, hiala amin'ny famonoana olona fa ho voavonjy ary ho mpamonjy koa avy eo.

Farany, efa fantatsika fa izay rehetra mamono olona dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana, fa hoy i Jesoa hoe "Izay rehetra tezitra @ rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana"
39. ikaretsaka ( 25/01/2010 18:10)
de aiza no hidiran ny basy @ io wawawa be an drazaka io le
40. rakapy ( 25/01/2010 19:32)
Hoy iKa
de aiza no hidiran ny basy @ io wawawa be an drazaka io le

Aoka letsy marina fa sao dia mi-derapy eo lery! :{ :{ :{
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085