SAMIA MANDRAY IZAY TANDRIFY AZY AVY

1. antimpanahy ( 03/12/2009 11:07)
Raha mbola tianareo rankizy ny hanohizako sy hitantarako izay zavatra fantatro rehetra teo amin'ny fotoana niasàko tamin'ny orinasa TIKO dia mbola vonona aho
-ho tohizako kely ary ny tantarako
Teo amin'ny fotoampiasàna :matetika no mitondra tampoka mpiasa 3 na 4 mivoaka ao amin'ny orinasa i Ravalomanana mba ho any Andranomanelatra Antsirabe, misy olona atao hoe Radavida vao miditra an'Andranomanelatra ,mpimasy sady mpilalao ody lozantany io rangahy io , betsaka angamba isika no mahalala azy raha avy any amin'iny faritra iny ,sarotra kosa anefa ny mandainga fa tsy fantatray izay tena ataony miditra ao fa maharitra eo amin'ny adiny sy sasany eo izy no miditra ao , ary mitondra saronankarona i J.M koumba avy ao, tsy azo hanotaniana mo izany fa mijery fotsiny, misy fotoana koa mankany amin'ny doanin'i Mahajanga ao Tsararano ambony, na Doanin'Andranoro eo Ambohibao, alina indray no fandehanana any ary tsy midina izy fa izahay no asainy miantso ny mpiandry doany sy manome ilay vola azy dia miverina ,tsy hitan'ilay mpiandry doany ny tarehiny eo .
-raha mbola misy tia ny hanohizako ny tantara dia mbola vonona aho fa mbola ny ampahafolony izay .


misaotra tompoko
2. kidoropamba ( 03/12/2009 11:09)
Tohizo fa mahaliana e. J.M.koumba koa moa niteny tamiko ny loza-be an-dra8 fa tena mahatsiravina. Tsy kisendrasendra hoa no nankanesany any Swaziland fa tena mahery Ody io mpanjaka swaziland io.
3. Rajakoo ( 03/12/2009 11:14)
Rediredin'olona adala :twisted: :twisted: :twisted:
4. maryline ( 03/12/2009 11:19)
Angano angah ity tantarain'i antimpanahy ?????
5. antimpanahy ( 03/12/2009 11:20)
mbola misy averiko kely ity ,ny eo amin'ny marika izany ,

--Ny devoly na ny Satana dia mangalatra ny isan'Andriamanitra foana nefa ny azy dia isa tsy tonga volana no fampiasany !
-ny isa 7 sy ny 3 dia isan'i Jehovah Andriamanitra, isan'ny fahafenoana izany .
-ny isa 6 kosa dia isan'ny devoly ,isa tsy feno .

Ka eo no hitodiako amin'ilay resaka hoe nahoana ary no fito(7) taona i Ravalomanana no niala teo amin'ny fitondrany ? sendrasendra ve ? nahoana no mitondra ny marika 7 daholo ny fiarany ? sendrasendra ve ? maninona no fito ireo osy ompiana ao ? sendrasendra ve ? maninona no isaky ny fito andro izahay no mankany amin'ny Doany rehefa Tsinambolana ? sendrasendra ve ?

-Misy fanamarihana ho ataoko ity : hevitro manokana : "matoa tsy nitohy iny Fitondrana Fito taona dia nidoboka iny dia nisy Fangatahana zavatra tsy tanteraka nilain'ilay devoly tao , minoa ahy hianareo ,izy tsy mila afatsy rà'olotiana ,mangataka rà aloha izy ràn'olona fa mety daholo , rehefa miakatra ny zavatra tadiavinao dia mila ny ràn'ny olotiana amin'izay izy , toy ny rahalahy , anabavy , zanaka , vady , reny , ray ... eo no mipetraka ny olana satria mamy ireo , dia eo koa no mifarana ilay harena na zavatra nampanantenainy ary mbola arodany mihitsy ny paix sy ny honneur , richesse tonga taminao satria avy aminy ireny ,
-fa minoa ahy hianareo fa raha nataondravalomanana ny zavatra nangatahiny dia mbola nitondra teo izy !
-raiso amin'ny saina tsy miangatra ny fitiavan'olona azy hatramin'izao , tokony hiala teo ve izy ?
-mbola be no ho tantaraina
6. antimpanahy ( 03/12/2009 11:22)
rajakoo , maryline
-vakio aloha dia mieritrereta fa aza mbola manome hevitra ,tsy misy terena ny rehetra fa mandray izay tandrify azy fotsiny
7. ifiona ( 03/12/2009 11:25)
ny ahy zao fotsiny, raha hanokatra dinika toy izao dia tsy aleo nalefa tany @ rubrique hafa, fivavahana, finoana, antson'ny fo, sns...

ka miantso an'i hery mba haka ny fepetra momban'izany.
8. antimpanahy ( 03/12/2009 11:27)
Aza entin'ny fo sendaotra rankizy fa ny soavaly no tokana izorana rehefa voatapi-maso
vakio aloha dia mieritrereta fa aza mbola manome hevitra ,tsy misy terena ny rehetra fa mandray izay tandrify azy fotsiny nafaka tsy mamaky koa anefa raha voatonotonona ny olona tohananao
9. maryline ( 03/12/2009 11:29)
da sha hitako arô! ny hidiran'ity zakanao @ity sehatra arô!
10. antimpanahy ( 03/12/2009 11:30)
Raha azo hatao azafady dia aleo asiana fifanajana sy fahamatorana ny famaliana izay voalaza ato mba tsy hisian'ny fahatezeran'ny namana hafa
11. antimpanahi ( 03/12/2009 11:33)
zà kidorompamba ihany no misandoka antimpanahy eto ,tsy hitanay intsony mantsy izay lazaina de gafy sisa no ataonay
12. antimpanahy ( 03/12/2009 11:36)
pikatti

Raha azo hatao azafady dia aleo asiana fifanajana sy fahamatorana ny famaliana izay voalaza ato mba tsy hisian'ny fahatezeran'ny namana hafa
13. ifiona ( 03/12/2009 11:37)
nahazo mailaka avy @ antimpanahy aho vao teo:
"Manahoana hianao anaka !
aza manoratra amin'ilay hevitra natsangana hianao raha tsy mety aminao ilay texte fa afaka mamaly amin'ny hafa kosa ;Tsy maintsy havoakako ny fahamarinana na toherinao mafy aza ,satria betsaka no ho voa ! misaotra anao

antimpanahy lehibe !"

Ka aoka hazava fa tsy mbola nilaza mihitsy aho hoe toheriko ny zavatra lazainao, saingy tsy ato fotsiny ny toerany! tsy sakanana ianao hilaza zay tinao lazaina, fa inona moa no maharatsy an'ny hamindràna an'ity dinika ty any @ tokony misy azy?
14. AndriambyII ( 03/12/2009 11:40)
Efa voatapa-doha ireo olona nolazainao fa nanompo sampy ireo raha t@ andro taloha ,soa fa angano ihany ilay izy !!! :lol: :lol:
15. antimpanahy ( 03/12/2009 11:41)
misaotra anao ifiona ! ny antony tsy hamindrana azy dia satria ilay olona voalaza dia mpanao poliitika ary fihitarana poliitika no arosoko
16. ifiona ( 03/12/2009 11:45)
fa rehefa tsy politika kosa ny votoatin'ilay resaka dia tokony tsy ato no hametrahana azy araky ny hevitro, eny na dia mpanao politika aza ilay olona.
17. antimpanahy ( 03/12/2009 11:47)
satria ho voatarika any amin'ny Antoko politikany ny ankizy raha tsy voabahana mialoha na lazaina izay fahamarinana hita
18. Rajakoo ( 03/12/2009 12:11)
Nahoana no izao tampoka no mody mamoaka hoe nisy an'izao e, zany no porofo fa mandrovi-tsihy ny HAT efa tsy mahita izay ho lazaina fa dia io resaka angano io sisa no voizina
19. kidoropamba ( 03/12/2009 12:30)
Izay izany no nahafaty an'i Rabarimanana, zokin-dra8 kanefa tsy narary ary mbola salama vatana tsara.
Izay ihany koa no nahafaty ilay madama mpitaiza an-dra8 mbola kely.

Dia mety nangataka an'i Josoa na i sarah angamba ilay devolin-dra8 ka tsy nanaiky ny anao lahy. hinhinhinhin milay kosa ilay devoly an. mahay milalao ny olombelona.
Na dia nataondra8 7 ny isa eran'ny varavarana dia mbola vitan'ilay devoly foana lery raha tsy nanome ny fon'ny sarah na taolam-pe-an'i Josoa. Tssssss!!!!!!!

Rariny mihitsy ny nanendren-dRajoelina an"i Richard Ravalomanana ho an'isan'ny mpanapotika an'i le8 satria raha misy fanafihana ataon'ny devoly dia Richard (satria Ravalomanana) no hiantefany fa tsy Noel sy André. tsy din din din, dadany kosa izany politika avo lenta izany.
20. antimpanahy ( 03/12/2009 12:36)


Nahoana no izao tampoka no mody mamoaka hoe nisy an'izao e, zany no porofo fa mandrovi-tsihy ny HAT efa tsy mahita izay ho lazaina fa dia io resaka angano io sisa no voizina


Izay no nilazako hoe vao hanigana loatra izany i Rajakoo no teto amin'ny forum politika fa efa nandefa an'io dinika io aho hoy aho heritaona latsaka kely teo izao ,
-mba tsy ahatafalatsaka indray mandeha indray ny Malagasy no antony hamoahako "fanindroany"indray ity resaka pactes Satanique ity"
-izay ko no hilazako fa tokony ho tony tsara isika mamaky ity diniko ity fa tsy hoe voakitika fotsiny ilay olona tohanana dia izay fotsiny no mampisendaotra mafy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0473