Ny Fiangonana sy ny vanim-potoana misy azy !

1. bor2lais ( 27/10/2009 13:45)
Miarahaba antsika mpiserana eto.

Mba te-hanontany izay hevitsika mikasika ity lohateny iray ity ny tenako (ho antsika izay liana ny @ izany).

"Inona no azon'ny Fiangonana atao manoloana ny vanim-potoana misy azy ?"

Misy zavatra tokony ajanona na ovaina na ampiana ve saingy tsy manova ny fototra ijoroany amin'ny maha Fiangonana azy ?

- litorjia : bàn-kira sy mozika ampiasaina ohatra
- fomba fitorian-teny : ny fomba fitorian-teny t@ taon-jato lasa ve mbola mandaitra @ izao taon-jato vao² izao ?
- manoloana ireo "sujets d'actualité" isan-karazany (sida, pretra manambady, sns) : ilaina ve ny fiatrehana izany sa ...
- sns

Misaotra amin'ny fandraisanao anjara !
novalian'i rakaroka ny 03/11/2009 16:19
2. ikaretsaka ( 27/10/2009 14:54)
Io ne le hoe ny "fizarana vaovao sy hazavana. Dia ny contact @ realite kalongany e"
3. rakaroka ( 27/10/2009 18:03)
Intéressant ity size nosokafan'i Bor ity ! Satria raha ny marina dia tokony manao mise à jour tokoa ny "fiangonana" manaraka ny vanim-potoana isiany!
Ary il a "interét" raha ny marina manoloana ny "hetsika" maro manodidina mitarika ny tanora ! 'za miresaka toa manahirana io anie "MAHATSAPA TANTERAKA" ny "gahasahiranana misy ary efa nanandrana aza aho raha ny marina nitondra "fanatsarana" na teo @ rindra litorjika na "animasio sy "activités" sy fanatambarana izay tokony hitaizana ny ankizy fa :oops: :oops: tsy tafa izany noho ny toetran'ireo "conservatoire" BBbe !
4. ikaretsaka ( 27/10/2009 20:34)
Misy zavatra tokony ajanona na ovaina na ampiana ve saingy tsy manova ny fototra ijoroany amin'ny maha Fiangonana azy ?

- litorjia : bàn-kira sy mozika ampiasaina ohatra
- fomba fitorian-teny : ny fomba fitorian-teny t@ taon-jato lasa ve mbola mandaitra @ izao taon-jato vao² izao ?
- manoloana ireo "sujets d'actualité" isan-karazany (sida, pretra manambady, sns) : ilaina ve ny fiatrehana izany sa ...
- sns


Ain'ny tantara.. Ain 'ny fotoana ny fiangonana :
ka noho izany de
misy partie ilaina le maha "conservative" azy, fa hazavaina hoe inona ny antony
ohatra hoe ny lamesa latinina ohatra rehefa mamanarana ra mopre dia manao le "ise misa est" (la messe est dite) de betsaka ny tsy kopy akory hoe inona no lazainy... nefa ny hevitra tiana ambara dia hoe mandehana tohizo ny "lamesa" = ny asa maha Misionera anareo!
sy ny hoe ny teny hoe la"mesa' sy 'miss'ion ange iray fototra... ilaina atao fantatry ny olona izany...

ny fitorianteny, tsary nisy kozy mihitsy ange hoe ny atao hoe "toriteny" = mangala versets kely @ ny nokozian-Drapaoly de asio salamo kely de sermonina be adiny 2... non tsy izany! za gaga hoe taiza ary no nahitana ity idee mitsimpona versets ity =mitory teny!
tsy nisy an-drapaoly mihitsy naka salamo de niventy ze nolazain'i jesoa ohatra... fa no baser-ny tao @ tranga misy t@ societe fahizany ny pistiliny fa kosa nitahiry ilay concept fototra
i Jesoa raha niteny heo tahaka ny nanadratan'i Moizy ny bibilava tany an'efitra (tsy niteny izy hoe vakio ny eksodosy toko faha zao de iny aby lo fa mamadika baiboly ny audience.... non!
5. rakaroka ( 27/10/2009 21:10)
'za koa dia isan'ny "mpikaja" ny "fototra isan-karazany" natao hotandrovina !
saingy misy "variables" maro tsapako tokony "heverina" sy apetraka" mihitsy!
Ohatra manoloana ny fitarozoan'ny "fotoana". => Io anie araka ny voalaza tsy ny halavany akory no inn!!! Rahateo aty misy "contraintes" maaaro . Ohatra voafetra ny fem-potoana hanofana ilay trano, na mbola misy étape maro mila atrehina, ohatra rehefa misy maty. Dia ilay manao fotoam-pivavahana anie tsy mitsinjo izany mihitsy fa dia ny "azy ihany no fantany : "TIA TENA BBBBBe tahaka ny inn!" . Amin'ny mariazy koa be ny tia manao kabary tsara lahatra, ary dia efa nisy moa ny manoina ny kabary @ "hetsika hafahafa ny olona! sns
Ka ekeko fa misy "fombafomba de base minimum fa tokony ho hay "fintinina izany satria tsy hoe "olona dia efa votom-pinoana be aby no rantovina eo !
Ohatran'ny hoe "ahatanty hanaraka ny fivavahana Bouddhista na Silamo sns hadin'ny telo ve 'nareo ohatra, dia miharitra ny tsy fantatra eo aloha?????
6. ikaretsaka ( 27/10/2009 21:29)
izay le hoe aza miolakolaka ange de avantano de lazao ny marina tsy filaza fa aza eo no be safary e...
15 minitra ihany fa ny tapany mikobana moa ny erany mavesatra loatra!HO'zy i Tpkl Mompera Morterol izay!
7. Mandefitra ( 28/10/2009 07:24)
Ndeha handray anjara :
1/ Ny Litorjia aloha amiko tsy tokony hiova, fa arak zay notenenin i Ika teo hoe mila hazavaina tsara fotsiny ny antony.
2/Ny filazan-draharaha notokony hafohezina arak zay azo atao. Maninona moa raha imprimer-na mitsy ny filazan-draharaha dia zaraina @ mpiangona, ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra.
Efa misy fanao ihany @ FLM Ambatovinaky ny hoe atao affiche ny filazan-draharaha isaky ny faribohitra ohatra. Saingy ny olona koa mety tsy hahavatra hijery peta-drindrina.
3/Efa mivoatra zao ny teknolojia, raha fiangonan'dehibe tokony efa manana ny site web ny tsirairay,, hahafahan'ny mpino ao aminy na any ivelany manaraka ny actualités .. fa mba atao a jour kosa fa tsy hoe efa dila iray volana vao ....
4/ny Toriteny iny 15 mn antonony, 25 mn max.
5/Ilaina ho fanatsarana ny hisian'ny seminera matetika, ka mahakasika indrindra ny fiainan'ny tanora sy ny vanimpotoana diavina izany. Karazana fampiharana ny filazantsara @ fiainana andavan'andro io
6/Maninona moa, raha asiana fotoana isam-bolana natokana hiderana an'Andriamanitra fotsiny? otr ireny hoe gospel ireny zany







8. bor2lais ( 28/10/2009 09:32)
Misaotra @ fandraisana anjara.

Miombon-kevitra @ voalaza aho fa ny litorjia tokoa dia isan\'ny \"caractéristiques\" hamantarana ny Fiangonana iray ka tsy tokony ovana fa hazavaina misimisy kokoa (ny antsipirihany, filaharany, sns).

Fa ny tiako tsindrina voalohany angamba dia eo @ hira atao mandritra izany litorjia izany :

1. Amiko raha tiana ny hisarika \"tanora\" ho any am-piangonana dia io lafiny hira io no isan\'ny tsara asiana fanamboarana (hevitro manokana izay an) : mety azo eritreretina ve ny fampidirana tsikelikely ban-kira vao² izay hita fa manintona ny tanora tokoa @ izao fotoana izao ao am-piangonana ?

2. Mahatsikaritra koa aho fa ireny noheverina taloha fa ban-kiran\'ny \"mpiandry faty\" ireny (hirana jomaka hoy ny fiteny t@ izany) koa no toa lasa be mpankafy @ izao miampy ny zafindraony !

3. Manaraka izany, tsara heverina koa ny mba hiainan\'ny (na ahazoany fara-faharatsiny) vahoakan\' Andriamanitra ilay tononkira hirainy : mba hafahafa ihany ny mihira hoe \"Endrika sariaka no hanompoako Anao ...\" nefa toa tarehy tsy mifandraika @ izay akory no hita ! :D

Efa miresaka fivoarana ara-teknolojia ihany moa i \"Mandefitra\" etsy ambony, heveriko fa ny \"projection\" ery aloha ny tonony dia mety manampy amin\'izany !

Mba mahaliana ny ahafantatra ny fanatsarana nataon-dRakaroka teo @ lafiny rindra litorjika sy animation sns resahiny etsy ambony io.

Hatreo ihany aloha ...
9. ikaretsaka ( 28/10/2009 12:40)
Le izy koa ra bord de arakaraky ny toerana sy ny emotions koa ny etats d'esprit an... misy fotoana ianao dia satry te hatao zafindraony aby ny hira, misy fotoana ianao te hihaino le orgue a pipes be ireny manao tocatta, misy fotoana ianao mahatsapa fa te hihaino le gregorian be ireny de misy fotoana ianao te ho jeune de te hihaino le rokaroka be ireny
Moanao tao-trano no tena lahasako, ary anisan'izany ny fanorenana sy/na fanavaozana trano fiangonana , fa dia tsapa koa io hoe miovaova araka ny toerana io.
fa ny tena vahaolana angamba raha ny fahitako azy dia ny flexibilite na ny hamaroan'ny ban-kira ary ao @ katolika manokana de anisan'ny hiderako azy ny fisian'ny "messe haute " sy ny "messe basse" sy ny lamesan'ny tanora...

raha manao hira fidirana fotsiny ohatra dia misy karazany maro.. hatrany @ ba gasy be (miantso anao) ka hatrany @ salegy sy jazz.. ka hatrany @ gregorian latinina....

Efa possible ny manao litorjia Rija betsileo zao ohatra na salegy na ba gasy hatr@ farany... ho an'ny zatra hira katolika de afaka homeko lisitra kely vitsivitsy manomboka any @ fidirana ka hatrany @ famaranana dia ba gasy fotsiny ohatra na jazz fotsiny ohatra na ...
10. bor2lais ( 28/10/2009 12:53)
Misaotra an'Ise nizara fa izay aho vao nahafantatra ny fisian'ireo !
11. ikaretsaka ( 28/10/2009 13:01)
rakaroka isaorana fa izy no anisan'ny nanampy @ fandavorariana an"ireo...

ny olana koa ange ra bord @ io resaak fihirana io ka ny fihirana propesta ka "tsary nisy fanampiny" raha tsy ngamba t@ 5 taona lasa izay e!
12. rzakarivola ( 28/10/2009 14:48)
bor2lais:
Inona no azon\'ny Fiangonana atao manoloana ny vanim-potoana misy azy ?

==> \"Personne ne rapièce un vieux vétement avec un morceau d\'étoffe neuve, car la pièce rapportée arracherait une partie du vieux manteau et la déchirure serait pire qu\'avant.
De méme, on ne verse pas dans de vieilles outres du moût qui fermente, sinon le vin nouveau les fait éclater, il se répand et les outres sont perdues. Non, on met le vin nouveau dans des outres neuves. Ainsi le vin et les outres se conservent.
\"

bor2lais:
Misy zavatra tokony ajanona na ovaina na ampiana ve saingy tsy manova ny fototra ijoroany amin\'ny maha Fiangonana azy ?

==> Hiresaka ny Fiangonan\'i Kristy aho, izay vavolombelon\'ny Fiangonan\'ny lanitra, tenan\'i Jesoa Kristy ety an-tany. Ny maha Fiangonana azy (nanorenana azy) dia ny \"finoana an\'i Jesoa Kristy ho Zanak\' Andriamanitra velona\" (io ilay vatolampy). Koa raha Fiangonan\'i Kristy dia io no tsy azo ovàna.
Basé amin\'ny fankatoavana ny baikon\'i Kristy izany ny fiainan\'ny Fiangonana rehetra : ny antom-pisiany (sy fijoroany), ny asany, ny fomba fiasany, ny fiainany manontolo. Ary izao izany baikon\'i Jesoa Kristy izany :
\"1- Ataovy mpianatro ny firenena rehetra
2- Manaova batisa azy amin\'ny anaran\'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
3- Mampianara azy hitandrina izay nandidiako anareo
\".
13. bor2lais ( 28/10/2009 15:53)
Misaotra an\'i rzakarivola mandray anjara eto !

Misaotra ihany koa mampahatsiahy ny fototra maha Fiangonana (izay mazava dia mazava).

Ny fanontaniana iandrasana valiny amintsika izany dia ny hoe : inona no azon\'ny Fiangonana atao manoloana ny vanim-potoana misy azy ?

Ialako tsiny mialoha raha toa ka tsy mifandraika @ tianao ampitaina @ ilay fanoharana ny fahazoako azy, ny fanontaniako dia izao :

- inona no azon\'ny Fiangonana atao mba tsy \"ahatriatra\" azy fa ho \'\"outres neuves\" mandrakariva ? Na koa hoe inona no azo atao mba tsy ho lasa tahaka ilay \"vieux vétement\" ny Fiangonana ?
14. rakaroka ( 28/10/2009 16:51)
Marina BBe ny "fahatsapan'i Bor2lais" hoe "tsy aha-vieux vétement" ny fiangonana . Angamba misy faritra tahaka ny any Dago mety miroborobo be izy,
nefa reko any koa fa be ny voatarika @ zavatra hafa aza! Heu...'za nandia izany fiangonana nifandrirotra niady izany na tany na taty , ary misy fotoana andro niha-vitsy ny mpiangona=> tsapa "MANGATSIAKA E".Dia eo no ahatsapako ny "fahamarinan'ny voalazan'i Bor2 eto!" Tsy dia hoe niraviravy tanana na nanosi-boho-tanana akory aho fa mba niezaka nitondra ny anjara biriky.
Nisy volavolan-kevittra nalefako any @ biraon'ny fiangonana . Hoe tokony omanina tsara mialoha ny fotoam-pivavahana izay ho atrehina!...Tsy ataotao foana sanatria! satria sady manana ny "hasiny no tsy tokony ho fandaniam-potoana sanatria!
15. rakaroka ( 28/10/2009 17:10)
Ny olana @fotoam-pivavahana aty am-pita mantsy dia tsy mahazo teny gasy akory ny ankamaroan"ny ankizy sy tanora. Ka raha ny marina "voafetra" tsy mihaotra ny 20 mn ny "concentration'izy ireo afaka hiharitra séance iray!
(cf mpandinika). Donc ny propo-ako dia efa omanina mialoha ny fotoana dia alefa @ site ny fandaharam-potoana, dia mba "asiana" guide mampianatra an-drizareo ny "zotra" rehetra. Na hira io na vavaka tokony mba ho fantany fara-faharatsiny ny heviny ary possible izany raha misy site.Dia ny liturgie aloha tsy atao mihaotra ny 20 mn . Avy eo ampandraisina anjara vakinteny zareo, ampandraisina anjara hira koa, dia omena ny résumén'ny torinteny dia alefa mivoaka manao "activités" .
Ao @ "activités" hisy fifampahalalana ny tsi1/1, fampahalalana ny vaovaom-piangonana tokony ho fantany koa, fijerena ny zavatra tokony sy afaka "atrehina selon ny famaritan'ny ray @ dreny sy ny animateur eo"
ohatra izao misy thème hoe "kolo vatana saina fanahy" inn ny possible ? fa ho atao . Inn ny zavatra mi-interesse ny tanora ? => encadrementn'ny RAR sy ny animateur ! sns
Dia entanina koa ny zaza sy ny tanora @ participation izay mety vitany ka tsy hoe lafiny "hira ihany fa sehatra be dia be ! Tokony misy sehatra "sport ao anatin'ny fiangonana ! tokony hisy lafiny kolontsaina koa sns...Dia taratry ny hoe 3atra manankarena @ harem-pahasoavana rehetra!
16. rakaroka ( 28/10/2009 17:17)
Ny efa nataoko t@ izany. Nihary sampana Sekoly alahady izay tsy nisy akory t@ ito fiangonana iray.Dia ni-anime ny ankizy 'za. 'za mitendry gitara 'zareo nihira.
Nisy fotoana koa nikolo ny ankizy ara-koltoraly. Tiako ny manoro azy ireo
ny "initiation" @ zava-misy. Natao ohatra ny manao "sortie" dia nentina tetsy sy teroa 'zareo mba ahalala ny misy ! Musée, toerana malaza, sns...dia nilalao
bôl fa bandikely aby moa , saingy bedy nony avy teo :-D :-D :-D , Oufff
nahafinaritra ihany ka!!!
17. ikaretsaka ( 28/10/2009 23:28)
Ka raha ny marina "voafetra" tsy mihaotra ny 20 mn ny "concentration'izy ireo afaka hiharitra séance iray!
(cf mpandinika). Donc ny propo-ako dia efa omanina mialoha ny fotoana dia alefa @ site ny fandaharam-potoana, dia mba "asiana" guide mampianatra an-drizareo ny "zotra" rehetra. Na hira io na vavaka tokony mba ho fantany fara-faharatsiny ny heviny ary possible izany raha misy site.Dia ny liturgie aloha tsy atao mihaotra ny 20 mn . Avy eo ampandraisina anjara vakinteny zareo, ampandraisina anjara hira koa, dia omena ny résumén'ny torinteny dia alefa mivoaka manao "activités"


Izay! io nge le nahatonga le sangisangy zari-tenan'i Mark Twain hoe hoe "20 minutes= c'est tres catholiques.. quand ca prend trop de temps= c'est que tu deal avec un protestant!"
18. bor2lais ( 29/10/2009 10:42)
Misaotra betsaka an'i Rakaroka t@ fizarana !

Dia fanontaniana lojika (mety somary kidaladala ihany ka tsy voatery valiana akory an) tonga avy hatrany ao an-tsaina rehefa avy namaky ny voasoratrao : "est-ce que çà ne te manque pas ?" :D
19. ikaretsaka ( 29/10/2009 10:58)
bor2lais:


Dia fanontaniana lojika (mety somary kidaladala ihany ka tsy voatery valiana akory an) tonga avy hatrany ao an-tsaina rehefa avy namaky ny voasoratrao : "est-ce que çà ne te manque pas ?" :D

Raha zahako manokana no iantefan'ity fanontaniana ity de ataoko hoe zarako aza e... 15 minitra za azoko aby ny hafatra @ ty herinandro ity... vakiako online ny vakiteny @ alahady... tary za nifoha @ 6 miadry toerana avy eo mihaino an drapasy adiny 2 mbola tsy kopy hoe aiza ary ny tian'i dadabe hahatongavana...
Ary za tsary mitondra fihirana tsary mitondra baiboly..nefa hay aby ze tantara sy hira ao....tsy mila mikata rehefa fandraisana...afaka mi solo rehefa mitendry...
20. bor2lais ( 29/10/2009 11:08)
Mikasika ny toriteny indray :

amiko manokana, ny zava-dehibe angamba dia ny hoe : tafita ve sa tsia ilay hafatra ? Ka eo angamba no tsara apetraka ny resaka ! Mety ho 15 mn angamba dia ho tafita nefa koa mety ho lavalava kokoa saingy mahaliana hatrany ...

Mety arakaraky ny olona ampitàna ilay hafatra ihany koa angamba !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086