Ny Fiangonana sy ny vanim-potoana misy azy !

21. rakapy ( 29/10/2009 11:14)
Ka izay ilay hoe ilana fianarana sy fandalinana ny fitorina fa tsy hoe ho entin'ny ainga-panahy dia hitoritory be fahatany. Na tsara aza ny zavatra torinao nefa lava loatra na miolakolaka dia tsy hotafita any @ mpiahino mihintsy e!
22. ikaretsaka ( 29/10/2009 11:25)
Izay; aza miolakolaka fa tonga de avantano ... lazao mazava hoe "zao nareo (isika) satria zao ka tokony hanao an zao satria zao..." raha manaraka io formule io tokoa de 15-20 minitra de vita
Fa tsy hoe "nareo aloha de tsy zao satria voalaza fa zao...saingy zao nareo fa voalaza fa zao..nefa nareo koa zao..ka araka ny voalaza ao @ zao de zao..nefa koa hoy izao hoe...de manambara an zao zany....de blablabla eo"
23. rzakarivola ( 29/10/2009 14:34)
bor2lais:

Ny fanontaniana iandrasana valiny amintsika izany dia ny hoe : inona no azon\'ny Fiangonana atao manoloana ny vanim-potoana misy azy ?

==> Somary tsy azoko ngamba ilay fanontaniana, nefa hamaly araka ny fahazoako aho. Ny Fiangonana dia natao hihaino ny lohany, ka izay asain'ny lohany atao no tokony hataony, satria i Jesoa Kristy izay lohany mahafantatra mihoatra ny olona ny vanim-potoana rehetra.
Amin'izany, Jesoa nanome modely, mbola maizimaizina dia mitokana mivavaka Izy, ary rehefa vita ny zavatra rehetra dia lasa indray Izy mitokana mivavaka.

Anio dia nisy torohevitra hitako : si tu veux sauver les Chinois, il faut s'identifier à eux d'abord. S'habiller comme eux, apprendre leur langue, leur façon de vivre et faire comme eux dans la mesure du possible.
Inona io mesure du possible io ?
Hoy ny marins anakiray hoe : un marins n'a que 2 directives :
1- Survivre
2- obéir aux ordres, sauf si c'est à l'encontre de la première.
Ataoko fa tsy misy hafa amin'izany ny "miaramilan'i Kristy", 2 ny no fitsipika :
1- Velona (miray amin'i Jesoa Kristy, mino Azy)
2- Mankato ny baikoNy ... ary ny baikoNy dia tsy hanimba mihitsy io voalohany io.
Condition nécessaire et suffisante izay firaisana amin'i Jesoa Kristy izay. Raha miray amin'i Jesoa Kristy ianao dia i Kristy no hiasa amin'ny alalanao, fa tsy ianao, ka tsy atahorana mihitsy ho rovitra ny lamba.

Fanamarihana : Iza no olona tsy mazoto hijery film feno fa prochainement fotsiny ihany?
Ataoko fa tahaka izany ny hoe tokony ho 15 na 20 mn fotsiny ny toriteny, ho an'ny olona liana dia na 3 andro any an-tendrombohitra aza dia ndao foana, fa ho an'izay tsy mahatsiaro tena ho voakasika ny fiainany, na tsy tia hokasihina ny fiainany, na 5 mn aza efa adiny iray aminy. Rehefa ny Tompo no miteny, tsy misy anenenana velively ny halavan'ny teny na ny hafohiny.

Ilay Pasitera nampianatra anay nanome ny Isaia 6 izay maneho ny litorjia ampiasain'ny FJKM.
a- Fiderana an' Andriamanitra : Ny Anjely midera an' Andriamanitra hoe : Masina, Masina, ... sns
b- Fiaiken-keloka : Nanoloana ny fahamasinan' Andriamanitra, hoy ny Mpaminany : lozako fa olona maloto molotra aho ary mipetraka @ firenena maloto molotra.
d- Teny famelan-keloka : Efa nikasika tamin'ny vavanao ity ka voavela ny helokao
e- Raharaham-piangonana : Iza no hirahinay ? Inty aho, iraho aho
f- Toriteny : Lazao amin' ....sns

Voamariko tao anatin'io toko anakiray io fa ny antsasany dia ny tenin' Andriamanitra ampitaina amin'ny vahoakan' Andriamanitra.
24. bor2lais ( 29/10/2009 14:48)
Iombonako tanteraka ny hevitra milaza fa mila fianarana manokana ny fitorianteny saingy tsindriko manokana angamba hoe toriteny any am-piangonana (satria izay no toa mifandraika kokoa @ ity lohateny ity).

Ny lanjan\'izany toriteny izany no tiako itarihana ny saintsika kely eto.

Araka ny voalaza ery ambony ery dia ny litorjia no isan\'ny mampiavaka ny Fiangonana tsi11. Ny tsara fantatra angamba izany dia mety samihafa ny lanjan\'ny toriteny eo @ protestà sy ny katô !

Raha ny fahafantarako azy ho an\'ny protestà dia io toriteny io no ivon\'ny litorjia : ny hira atao, ny teny vakiana, sns dia \"mizotra\" @ io toriteny io daholo. Izany hoe, raha ny tokony ho izy, matoa ny protestà mandeha mankany am-piangonana dia hiaino an\'io toriteny io no anton-dia. Izay no mahatonga ahy hilaza fa tsy dia ny halavany loatra no zava-dehibe fa ny hoe \"tafita ve sa tsia\" ilay hafatra.

Ho an\'ny katô indray (ahitsio raha diso aho) raha ny fahazoako azy dia toa ny fandraisana ny kominio angamba no ivon\'ny litorjia ! Izay no mahatonga ahy miteny hoe mety tsy dia mitovy loatra ny lanjan\'ny toriteny @ protestà sy ny katô !

Fa na izany na tsy izany dia tokony mba mahalasa saina ihany (na ho an\'ny mpiteny an\'izany na ho an\'ny Fiangonanna) ny maheno ny filazana fa lava loatra ny toriteny na ny fotoam-pivavahana :

Amin\'ny lafiny iray, toa ny lalàn\'ny \"time is money\" no manjaka (vanim-potoana no mahatonga izany) ? Sanatria toa miteny hoe tsy manam-potoana firy atokana ho Anao aho fa mbola be ny ierehana (1h ihany no omeko Anao farafahabetsany !) fa sarotra ny fiainana !!!

Izany hoe toa lasa niova mihitsy (sa tsy fantatra ?) ilay \"motivation\" andehanana any am-piangonana raha ny fahitako azy

Amin\'ny lafiny ilany kosa dia toa misy andraikitry ny Fiangonana ihany angamba ny mahatonga izany : ny fampianarana na ny fitaizana omeny no toa tsy tafita !

Ka eo indrindra isika izao ! Ny fomba fampitana ve no tsy mety intsony ?

Mazava ho azy fa miankina @ toerana (tanàna na firenena) misy anao tokoa ny fisian\' ireo tranga ireo !

Hatreo indray aloha fa sao lasa lava loatra ... :D
25. rakapy ( 29/10/2009 15:01)
Hoy bor2lais

Amin'ny lafiny iray, toa ny lalàn'ny "time is money" no manjaka (vanim-potoana no mahatonga izany) ? Sanatria toa miteny hoe tsy manam-potoana firy atokana ho Anao aho fa mbola be ny ierehana (1h ihany no omeko Anao farafahabetsany !) fa sarotra ny fiainana !!!

Ka tsy maintsy ho izay no miseho na anao ahoana ianao na anao ahoana.
"Miteraha ,mamenoa ny tany" hoy ny baiboly. Dia nanao tokoa ra olombelona.

Vokany: Lasa betsaka ny olombelona, ary ifandrombahana ny fitadiavana. Samy mba te hanana sy havita ny tandrify azy ara-pitadiavana, ara tsosialy sy ny adidy hafa ny rehetra ,hany ka na ilay andro "Fahafito" aza dia efa tsy ampy intsony.

Izay no antony iray mahatonga ny olona tsy tia raha lava loatra ny fitaom-pivavahana.

Diso ve izy ireo??? anjaran'A/tra no mitsara antsika.
26. bor2lais ( 29/10/2009 15:06)
Mamerina ny fisaorana anao mandrakariva rzakarivola @ fanazavana entinao.

Hoy ianao etsy ambony :
"2 ny no fitsipika :
1- Velona (miray amin'i Jesoa Kristy, mino Azy)
2- Mankato ny baikoNy ... ary ny baikoNy dia tsy hanimba mihitsy io voalohany io."
-----------
Ka eo indrindra anie isika izao ry rzakarivola e :
ny fomba fanajan'ny Fiangonana an'ireo fitsipika ireo t@ taon-jato fahafolo ve ohatra dia mbola mety mahomby ihany @ izao taon-jato misy antsika izao sa mba tokony hisy ihany ny "fanamboarana" ?
27. bor2lais ( 29/10/2009 15:44)
Hoy Rakapy etsy ambony :

\"Diso ve izy ireo??? anjaran\'A/tra no mitsara antsika\"
--------
Misaotra anao @ fandraisana anjara.

-> Mazava ho azy fa tsy antsika tokoa ny fitsarana ny amin\'izany. Ary ampiako aza hoe tsy an\'ny Fiangonana akory !

Ka izay ange no anton\'ity lohateny ity Rakapy e : eo anoloan\'ireo tranga lazainao ireo (izay tsy dia nisy loatra t@ vanim-potoana teo aloha), inona no azon\'ny Fiangonana atao ?

Ny tiako lazaina tetsy ambony ange dia ilay \"motivation\" ankanesana any am-piangonana mihitsy no toa niova (mba tsy hilazana fa nihena) e ! Mety diso angamba ny fijeriko !

Voalaza etsy ambony :

\"Ka tsy maintsy ho izay no miseho na anao ahoana ianao na anao ahoana.
\"Miteraha ,mamenoa ny tany\" hoy ny baiboly. Dia nanao tokoa ra olombelona.

Vokany: Lasa betsaka ny olombelona, ary ifandrombahana ny fitadiavana. Samy mba te hanana sy havita ny tandrify azy ara-pitadiavana, ara tsosialy sy ny adidy hafa ny rehetra ,hany ka na ilay andro \"Fahafito\" aza dia efa tsy ampy intsony.\"
------
-> Ka raha io lazainao eo ambony io no jerena akaiky dia mety ho lasa au 2ème plan mihitsy Andriamanitra izay mifanohitra tanteraka @ fitaizam-piangonana !

Mety ho diso ihany koa aho angamba !
28. rakapy ( 29/10/2009 16:10)
Hoy i Bor2lais
-> Ka raha io lazainao eo ambony io no jerena akaiky dia mety ho lasa au 2ème plan mihitsy Andriamanitra izay mifanohitra tanteraka @ fitaizam-piangonana !

Mety ho diso ihany koa aho angamba

Ny hoe lasa 2eme plan aloha A/tra dia tsy misy mahafantatra iza ao am-pon'ny tsy1/1 avy fa raha ny zava-misy no jerena dia hita fa tsy mitovy t@ taloha intsony ny fomba fankanesan'ny olona any am-piangonana.
Lasa tery dia tery ilay fiainan'ny zanak'olombelona ka tsy afaka ny ivalapatra firy @ fiangonana intsony eny na dia tia ny hanao izany aza izy.

Amiko dia tokony hivoatra sy hampifanaraka @ vanim-potoana misy ny fiangonana.

Ohatra : Any amin'ny tany misy ady dia tsy voatery hampaneno lakolosy na koa hoe tsy maintsy vita ny toriteny na dia efa mipoaka aza ny baomba sns...

Izany hoe tokony anjaran'ny fiangonana no mi-s'adapta @ toetr'andro.
29. rakaroka ( 29/10/2009 20:24)
bor2lais:

Misaotra betsaka an'i Rakaroka t@ fizarana !

Dia fanontaniana lojika (mety somary kidaladala ihany ka tsy voatery valiana akory an) tonga avy hatrany ao an-tsaina rehefa avy namaky ny voasoratrao : "est-ce que çà ne te manque pas ?" :D

Non ! Ka ny "blem"-ko anie sahala @ voambary latsaka ao anaty tsilo izany
'za sy ny ankizy ao anaty fiangonana! Ka tsy ny fiangonana monja anie no sehatra afaka isiana e! => ny fhm sy ny manodidina mihantsy anao avokoa!
'za 'ndray aza ity no sahirana @ fitaomana hoe 'ndeha hiara-miasa aminay, rahateo misy "projets maro tsapako "fiatrika koa e!" . Fa teo vao tsapako hoe mijanona @ cellule limité aho raha mifetra @ fiangonana sy ny limitation be dia be misy @ rizareo.Heu...Dia ny zavatra saiky nataoko tao mbola tohizako @ zanako sy by tsy mialon-jafy indray kosa! tsy ho voafetran'ny rindrin'efatry ny fiangonana ny fisiana ! 'za anie tsy hoe olona natao hihaino torinteny fahatany ftsn fa "mahatsapa fa misy "ezaka" plus tokony atrehina plus, anefa BBBe loatra ilay fotoana lany any am-piangonana. Tsy voatery hoe "times is money" satria na tsy tao am-piangonana aza i Jesoa rehefa misy zavatra nilaina ny présence ; tsy voatery ho vola dia nijoro t@ izany izy!

Izany hoe miangona aho rehefa te hiangona fa tsy "automatique sahala @ hafa !

30. rakaroka ( 29/10/2009 20:46)
Raha mijery ny "approchen-dRazaka aho dia toa mahatsiahy ilay hajofijaliana
mijidina miakatra ftsn/ Toa tsy te ahalala mihitsy ny zava-misy, ny réalité,sns.
Fa dia ny fibanjinana an'i Jesoa monja no tena imasoana !
8O 8O 8O Dia asa raha hiafara fa Jesoa ny lohany dia ianao sisa no ho tenany eo fa tsy hisy fiangonana 'tsony koa! Mba fantatrao moa Razaka fa misy tranofiangonana efa "avadika ho zavatra hafa anie aty fa tsy misy mpiangona intsony e :roll: :?: :?: :oops: :oops: :oops: 8O
31. ikaretsaka ( 30/10/2009 01:52)
Io ne le lazaiko hoe. Ny salaka latsaka..ny rafozana lavo ankavì ny ronono mandroatra..razezo manao hoe mandehana...mbola hoe iooooo razezoooo ihany no wawawazana
32. rzakarivola ( 30/10/2009 12:34)
Ka eo indrindra isika izao ! Ny fomba fampitana ve no tsy mety intsony ?

==> Missiologie :
- Hoy ilay rahalahiko anakiray izay : Ianao raha manome gâteaux faran'izay tsara indrindra président ny repoblika kanefa sachet ratsy kely no asianao azy, tsy handray an'iny izy.
- Hoy ilay iray hafa : na ataonao tsara be aza ny fonony nefa gâteau masiso no ao, na gâteau misy poizina, dia loza ny anao.
- Hoy indray ilay anakiray : Indray andro, nisy indiana anakiray safotry ny hetaheta, nokosikosehina izy, ka rehefa nahatsiaro saina, dia nila nomena rano. Indro ilay eoropeana, tamin'ny fo nangoraka nitondra rano teo aminy, saingy tsy nety nisotro io satria vera eoropeana no nentiny, nahita izany ny anakiray, dia naka ilay rano teny amin'ilay eoropeana ary namindra azy tao anaty vera indiana, dia nomeny ary dia nisotro izy.
==> Raha irahin'ny Tompo ho any amin'ny katolika ianao ho vavolombelona, na amin'ny fiteny (ohatra hoe anarana : Yaveh, Jesoa, Masindahy sy Masimbavy, ...), na amin'ny fitafy, na amin'ny fijoro, dia ampiasao ny azy. Raha any amin'ny patekotista, dia tahaka izany koa, raha any à FPVM, aza manao hoe "Jesoa" fa ataovy hoe "Jesosy". Raha ho any amin'ny traditionnaliste tsy mahazo mitehaka sy mangingina, dia izay atao, raha mankany amin'ny fifohazana, dia ny hirany atao, miampy ny tehaka, ... Ity tenin'ny Apostoly Paoly ity no amintinako ity voalohany ity : "Car, bien que je sois un homme libre à l'égard de tous, je me suis fait l'esclave de tous, afin de gagner le plus de gens possible à Jésus-Christ.". Ataoko fa tsy misy ny règle figée amin'io, fa ny vavaka ataonao vao maizimaizina dia anoroan'ny Tompo izay tokony hambaranao rehetra.
Témoignage : Indray andro aho alina be vao nody. Te hijoro vavolombelona tamin'ilay saoferana taxi aho. Nivavaka aho, nangataka dia izao no resaka notarihiko : "Ianao ve mino an' Andriamanitra ...", somary nangina aloha izy dia nampiako : "Tahaka an'ilay zokinay izay izao ... ny vadiny misy tromba dia ...". Tsy mba mpiteny an'izany tantara izany aho, fa tonga dia liana ilay rangahy satria kay izy niresahako, ny vadiny koa dia olona misy tromba. Izay no ilazako hoe, amin'ny vavaka sy fangatahana dia omen'ny Tompo anao izay ilainao fantatra. Ka ataoko fa tsy resaka règle loatra io, fa vavaka, fankatoavana, fanetren-tena.

Farany : Ny Tompo tena modely amin'izany, raha nanatona ilay vehivavy teo am-pantsakana Izy, dia nahay ny zavatra nampangetaheta an-dravehivavy, ary nanana ny vahaolana tamin'ny fiainany rahateo koa. Vokany : tsy nanery an-dravehivavy hitory Izy fa io no tsy nahatana ka lasa nandeha nanatona ireo olona izay tsy sahiny natrehina hatrizay hanambarana an'i Jesoa Kristy. [Jaona 4]
33. bor2lais ( 30/10/2009 14:14)
rzakarivola > ianao ihany ange no niresaka ilay fitsipika 2 e ! ( jereo valinteny 25).

Voalaza etsy ambony :

"Izay no ilazako hoe, amin'ny vavaka sy fangatahana dia omen'ny Tompo anao izay ilainao fantatra. Ka ataoko fa tsy resaka règle loatra io, fa vavaka, fankatoavana, fanetren-tena."
----
:D
34. bor2lais ( 30/10/2009 14:35)
rakaroka >> misaotra namaly (na dia tsy voatery aza :D) !

Azo lazaina ange izany fa "en mission" ianao e !

Ahatsiarovako ilay fiteny hoe : "une Eglise non missionnaire est démissionnaire !" :D

Dia mahavità be @ izay atao eo ambany fahasoavaNY ! :D
35. rzakarivola ( 30/10/2009 15:45)
rakaroka:
Raha mijery ny \"approchen-dRazaka aho dia toa mahatsiahy ilay hajofijaliana
mijidina miakatra ftsn/ Toa tsy te ahalala mihitsy ny zava-misy, ny réalité,sns.
Fa dia ny fibanjinana an\'i Jesoa monja no tena imasoana !
Dia asa raha hiafara fa Jesoa ny lohany dia ianao sisa no ho tenany eo fa tsy hisy fiangonana \'tsony koa! Mba fantatrao moa Razaka fa misy tranofiangonana efa \"avadika ho zavatra hafa anie aty fa tsy misy mpiangona intsony e

==> Midina miakatra fotsiny hoy ianao.
Tamin\'izay fiainana vitsy nandalovako, nisy ny fotoana naherezako niezaka ny ho tsara, fitondran-tena mendrika, fanaovana asa soa, ... sns, saingy nahatsiaro ho navesatra kokoa mandrakariva aho. Tsy maintsy nisy foana point tsy nahafehezako ny hatezerana, na ny fitsiriritana vehivavy tsara tarehy, ary raha ny amin\'ny fanaovana soa, nahatsapa foana aho fa je ne donnais pas assez, malgré tous mes efforts, ni mon temps ni mon argent. Il me fallait des mois pour me laisser convaincre par Dieu qu\'il n\'y a que tout le tralala de l\'évangélisation est fait, rien que pour partager cette assurance de la communion avec le Père (et par là, avec les hommes) qui ne se peut étre vraie que par la croix de Jesus.
On ne peux pas comprendre la force inépuisable dans la foi en Jesus mis sur la croix pour le pardon du péché, versé son sang pour la purification, ressuscité des morts pour authentifier ces deux assertions, et les trois ne font qu\'une seule, appelée : évangile.

C\'est incompréhensible pour celui qui ne vit pas et n\'expérimente pas la chose. Impossible à comprendre pour celui qui ne commence pas par croire en Jesus (comme envoyé de Dieu, ou Fils de Dieu, ou Parole de Dieu).
la parole de Paul dans [1Corinthiens 1] se vérifie bien.

Niainako :
Indray andro rehefa avy teo amin\'ilay ramatoa mpangataka aho, avy nanome zavatra sady niresaka taminy nitory sy nampahery, dia niantso ahy ny tovolahy anakiray tao anaty minibus. Nilaza ny hetahetany hanana izany \"pureté\" izany, hoy izy :
\"Izaho izany efa tao amina fiangonana anakiray, dia tena akaiky kely ny mpitarika an\'io Fiangonana io, saingy diso fanantenana aho nahita ny nataon\'ilay mpitarika an\'ilay fiangonana\". Nahasarika azy ny zavatra nataoko.
Tsy nanana hambara taminy mikasika ny fahadiovana (pureté) aho teo, fa ny hany fantatro no nolazaiko taminy : \"ny nandrenesako an\'i Jesoa Kristy, ka tsy manao afa-tsy mankato ny tenin\'i Jesoa aho io\", nilaza taminy aho, sans méme le savoir, fa \"ao amin\'i Jesoa no afaka hahitanao an\'izany pureté izany\". Naka ny numéroko ilay ranamana saingy tsy nety hitako intsony mandraka ankehitriny, satria ngamba aho tsy naka ny numéro-ny mba ho porofo aminy fa vonona ny handray azy ho rahalahy aho.
Ankehitriny aho manna antoka an\'izay zavatra nolazaiko taminy, on ne peut pas étre pur par nous méme ni par nos bonnes oeuvres, étant mauvais nous-méme, un mauvais arbre ne peut produire de bons fruits, méme en y donnant tous ses efforts.
On peut étre pur, uniquement quand DIEU nous purifie et qu\'on reste attaché à Lui.
Et le seul moyen offert à nous pour celà, c\'est Jesus mis en Croix, mis à mort, et ressuscité afin de sceller cette promesse de purification.
Voilà sur quoi tien toutes mes prédications, toute ma vie méme.
Alors, si je surf sur le net, si je vais au boulot, si je mange, si je vais à l\'église, si je passe du temps avec ma femme et mes enfants, si je gronde, si je fais quelque projet que ce soit ... c\'est uniquement dans cette promesse qu\'un jour, malgré mon état de pécheur (dont je suis témoin à la lumière de la Parole de Jesus Christ), ce jour-là, je serai purifié de tout, vraiment tout et en plus je ne pécherai plus du tout.
36. rakaroka ( 30/10/2009 21:40)
rzakarivola:

[quote=rakaroka]Raha mijery ny \"approchen-dRazaka aho dia toa mahatsiahy ilay hajofijaliana
mijidina miakatra ftsn/ Toa tsy te ahalala mihitsy ny zava-misy, ny réalité,sns.
Fa dia ny fibanjinana an\'i Jesoa monja no tena imasoana !
Dia asa raha hiafara fa Jesoa ny lohany dia ianao sisa no ho tenany eo fa tsy hisy fiangonana \'tsony koa! Mba fantatrao moa Razaka fa misy tranofiangonana efa \"avadika ho zavatra hafa anie aty fa tsy misy mpiangona intsony e

==>
Midina miakatra fotsiny hoy ianao.

Oui, en basant de tes écritures !
On ne peux pas comprendre la force inépuisable dans la foi en Jesus mis sur la croix pour le pardon du péché, versé son sang pour la purification, ressuscité des morts pour authentifier ces deux assertions, et les trois ne font qu\'une seule, appelée : évangile.

Incompréhensible car "INJUSTE" !

C\'est incompréhensible pour celui qui ne vit pas et n\'expérimente pas la chose. Impossible à comprendre pour celui qui ne commence pas par croire en Jesus (comme envoyé de Dieu, ou Fils de Dieu, ou Parole

Mais on force pas les gens à croire ce qui est incompréhensible!
ao amin\'i Jesoa no afaka hahitanao an\'izany pureté izany
:.
Nisy hafa koa nanana pureté ka . I Bouddha, dia ilay zaza tsy manan-tsiny ireny!wink:
37. bor2lais ( 31/10/2009 10:43)
Hoy i Mandefitra ery ambony ery (valinteny faha-6) :

"5/Ilaina ho fanatsarana ny hisian'ny seminera matetika, ka mahakasika indrindra ny fiainan'ny tanora sy ny vanimpotoana diavina izany. Karazana fampiharana ny filazantsara @ fiainana andavan'andro io"
------------
-> Miombon-kevitra tanteraka aminao aho eto ary mahakasika tokoa ity lohateny ity !

Voalaza ihany ery ambony ery :

"6/Maninona moa, raha asiana fotoana isam-bolana natokana hiderana an'Andriamanitra fotsiny? otr ireny hoe gospel ireny zany "
----------
-> "à l'américaine" ve no tian'i Mandefitra resahina eto ? ... Alaiko an-tsaina ilay Mpitandrina mandehandeha ery aloha ery dia ny mpiangona etsy an-daniny ... :D

Antsam-panahy amin'ny endriny vao² tokoa ange izany e !

Voalaza teo ihany :
"3/Efa mivoatra zao ny teknolojia, raha fiangonan'dehibe tokony efa manana ny site web ny tsirairay,, hahafahan'ny mpino ao aminy na any ivelany manaraka ny actualités .. fa mba atao a jour kosa fa tsy hoe efa dila iray volana vao .... "
----
-> efa maro tokoa ny Fiangonana manaraka io teknolojia vao² io !

Fa azo eritreretina ve ny hanaovana "PrédiAO" na Prédication Assistée par Ordinateur (isaky ny alahady) : mety mifantoka kokoa angamba ny mpihaino sady manampy ihany koa @ fampitana ny hafatra !! :D

Mazava ho azy fa ho an'izay mahavita izany no iantefan'ny tolokevitra ! Ny Baiboly aza moa efa tafiditra ao anaty finday ?
38. ikaretsaka ( 31/10/2009 22:47)
tsara @ ndrabord ny manatrika lamesa indray alahady eny @ Akamasoa eny @ pedro raha izany le :wink:
efa izany foanany ambiansa eny nandritra ny 20 taona

/Ilaina ho fanatsarana ny hisian'ny seminera matetika, ka mahakasika indrindra ny fiainan'ny tanora sy ny vanimpotoana diavina izany. Karazana fampiharana ny filazantsara @ fiainana andavan'andro io

marina.. io no hitan'i JP2 sy tohizan'i Benoa hatr@ zao anmie http://fr.wikipedia.org/wiki/Journ%C3%A9e_mondiale_de_la_jeunesse
39. niryna ( 02/11/2009 05:27)
rzakarivola:

==> Hiresaka ny Fiangonan'i Kristy aho, izay vavolombelon'ny Fiangonan'ny lanitra, tenan'i Jesoa Kristy ety an-tany. Ny maha Fiangonana azy (nanorenana azy) dia ny "finoana an'i Jesoa Kristy ho Zanak' Andriamanitra velona" (io ilay vatolampy). Koa raha Fiangonan'i Kristy dia io no tsy azo ovàna.
Basé amin'ny fankatoavana ny baikon'i Kristy izany ny fiainan'ny Fiangonana rehetra : ny antom-pisiany (sy fijoroany), ny asany, ny fomba fiasany, ny fiainany manontolo. Ary izao izany baikon'i Jesoa Kristy izany :
"1- Ataovy mpianatro ny firenena rehetra
2- Manaova batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
3- Mampianara azy hitandrina izay nandidiako anareo
".

=D>
miampy ihany koa dia arakaraky ny fiangonana izay ahafantaranao fa misy fanahy masina ao na tsia,nahazo vatsim-panahy ve hianao? nanome fifaliana ve ilay nandehanana tany am-piangonana sa toy ny efa mahazatra fotsiny hoe mandeha ny olona dia mba iny koa no mandeha?
Inona no azoko raisina ka zaraiko ny manodidina ahy tamin'iny toriteny iny
Raha mikasika ny hira indray dia afaka atao karazany ilay izy fa tsy ireny hira mampatory lava ireny fotsiny akory ary raha mikasika ny tanora dia efa voalazako tany aloha tany fa satana tsy kely lalana ary ny tanora no tena lalana aingana andringanany ny fanjakan'ny lanitra ary dia maro no zavatra mahatonga ny tanora tsy te andeha hiangona intsony,anjaran'ny ray aman-dreny no mitarika ny zanany miangona,mianatra sekoly alahady na ny tenin'Atra ,mianatra mamaky ny baiboly fa na dia lehibe aza izy dia mitsiry ao am-pony ihany izany fitadiavana an'Atra izany raha toa ka mifototra amin'ny tena tenin'Atra tokoa no nampianarana azy sy ampianarina mba ahay hivavaka an-torampo amin'izay fa tsy anao tsianjery na hamerimberina fotsiny.Maro tokoa mantsy ny olona raha asiana hijoro mba hivavaka alohan'ny anaovana zavatra ohatra no kenda fa milaza fa tsy mahay mivavaka fa manao vavaka lavareny fotsiny sy miverimberina fotsiny ilay izy
Na ny fandalinana ny tenin'Atra toa izao ataontsika izao aza dia azo raisiny ka ampiharina amin'ny fiainana fa anjarantsika fotsiny no mandray sy mamakafaka hoe mifanaraka ny teny izay voasoratra tokoa ve no omen'ny olona sa avy amin'ny herin'ny fieritreretany sy ny fisainany fotsiny
40. ikaretsaka ( 02/11/2009 13:13)
Ireo zavatra 3 notsimponin drazaka irep sy ny rafitra @ litorjia ve misy ifandraisany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.265