aza miolakolaka

41. niryna ( 19/10/2009 16:16)
LazaDaddy:

mahavariana isika "namana" eto :)



:-*
42. niryna ( 19/10/2009 16:18)
ikaretsaka:

de tazony ho anap ny "fahazendananao"



:roll: =)) =)) :-D
43. rakaroka ( 19/10/2009 17:28)
[quote=Mandefitra]
Izao no voasoratra Rakaroka :
37 Dia hoy Jesosy taminy: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" ( Deo.6.5).
38 Izany no didy lehibe sady voalohany.
39 Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" ( Lev.19.18).
Ny equivalence resahinao eto dia ny didy fa tsy ny contenu-ny.
:

Interéssant tokoa ny fandalinana ny teny eto roll: :-w :-w :-$
Ary ny fandalinana toa izao no mety ahatakantsika kokoa ny heviteny marina.
Ny zavatra "équivalent" izany anie "MITOVY LENTA":-w :-$
Raha toa [A] [B] : NY dikany mazava dia [A] mitovy lenta @ [B]

Ka raha équivalent ilay didy dikany ["Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra"]
dia mitovy lenta @ hoe ["Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" ( Lev.19.18).

Fehiny tsy natao ho négligé-na tahaka izay fihevitr'i Mandefitra eto (ary izay tokoa angamba ny maha Mandefitra anao) ny deuxième proposition fa mitovy lenta @ iry voalohany ny nadidian'Atra mba iainantsika ! Aza Be 19 @ Atra!
Fa ny antoniny angamba no sitrany ! cf "Izay efa nataonareo t@ ireny madiniko ireny no efa nataonareo tamiko koa
Na raha ny marina équivalent ireo satria "applicationn'ny fitiavana an'Atra ny fitiavana ny mpiara-belona CQFD
44. niryna ( 20/10/2009 04:34)
maikha:

ny zavatra voamarika rehefa miresaka fivavahana dia misy ireo tsy mahazaka adihevitra , finoana ange no resahina, tsy voatery zavatra hita maso foana izany ilay izy, sarotra ohatra ny handa hoe tsy misy Andriamanitra, IZY no nahary izao tontolo izao ,namorona ny TSARA rehetra IZY.Matoa misy ny tsy mety mino dia satria nanao zavatra RATSY izy ireny ka MATAHOTRA NY HOTSARAIN'Andriamanitra ny amin' ny fahotana nataony dia manenjika ny feon'ny fieritreretana ' raha manana ny ratsy fanahy ). Aza miolakolaka fa rehefa nanota dia mibebaha sy aleo mifona handraisana famelan-keloka, amin'izay voavela heloka, tsy misy fanamelohana intsony sady tsy misy mampahatahotahotra intsony....izay ilay izy... :)



:roll: marina izany fa tsy zakany ny fahamarinana fa toheriny foana ,manenjika points kosa angamba ry zalahy koa,raha toa ka mangetaheta anefa dia omeny ranovelona tsy mety ritra tokoa. :D saingy mbola tsy tonga ny fotoana fa ny fatra mpandaha ihany no anaiky any aoriana any
45. Mandefitra ( 20/10/2009 12:09)
ika:
tsy hoe Tiava loatra intsony angamba ny olana eto fa hoe " ahoana ny fomba hitiavana"....

Andriamanitra : tiavina @ fo, saina hery rehetra
Namana: tiavina tahaka ny tena.

Rakaroka> Mitovy lenta ny didy, ekena,
Ka ny hoe :
Matio 10:37 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.

Dia midika hoe ndrao ny fitiavanao ny rar na ny zanaka no hanakona ny fitiavana an'Andriamanitra (Jesosy dia Andriamanitra). Zay no tiako lazaina tany ambony tany.
Tsy mifanohitra velively @ ilay didy 2 mitovy lenta io voalaza ao @ Matio 10:37 io, fa maika manamafy aza (a condition ka ekenao ny maha-Andriamanitra an'i Jesosy bien sur).
46. ikaretsaka ( 20/10/2009 12:33)
de inona amin zay ny tsy mampitovy an'io fa tsy eo ty no laozan ty miolakolaka eo

Dia midika hoe ndrao ny fitiavanao ny rar na ny zanaka no hanakona ny fitiavana an'Andriamanitra

nga adinon'inanona fa ireo no endrik'Atra voalohany eo aminao?
47. Mandefitra ( 20/10/2009 12:41)
Tsy any ady hevitra mr Ika a. Tsy nisy niresaka mitsy hoe aiza tiavina ny rar.
Jereo le message rakaroka 13 de hazava aminao ny resaka.
48. ikaretsaka ( 20/10/2009 12:49)
ka io nge le nolazaiko hoe explicit le izy fa tsy implicit e...
hoe ahoana ny fitiavana an'Atra? @ alalanan'ny fitiavana sy fanaovana asa @ manodidina...
Ianona hoa aza miolakolaka... inona @ zany no mbola contesten'ity?
49. rakaroka ( 20/10/2009 19:24)
Oui marina ny fiheveran'i Ika fa ny "sehatra natao hanamparana ny fitiavana an'Atra dia tsy inn fa ny manodidina anao" Izany no nahatonga ny teny hoe
"Ataonao ahoana no ho fitia an'Atra izay tsy hita?..."
Raha nanoratra ny taty "afara" satria "efa nisy ny "fiangonana" endrika "apolosy" sy tsy "apolosy" donc no-"influencén'izany ny fomba fanoratra mba handratoana olona hanaraka an'i Apolosy ohatra, ka tsy hisintonana ny olona dia nilaina somary asintaka @ izay mety ifikirany izy. Fa 'za tsy mino hoe "sitraka Atra ny handrafy ny mpianankavy toa izao!" satria tsy Atry ny fampirafesana Izy!" Ny fisaraha hafa fa tsy fandrafesana,. Ny "fandrafesana izany dia "endrika tsy fitiavana. Tsy ho Atra "FITIAVANA velively no hivoy izany!
50. Mandefitra ( 21/10/2009 11:19)
Tsara vakianao ny Matio 10: Hoy Jesosy
"32 Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.
33 Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.
34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozanivavy;
36 ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.(Mik 7.6)
37 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.
38 Ary izay tsy mitondrany hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.
39 Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy."

Dia hangataho ny Fanahy Masina hanazava ny Tenin'Andriamanitra Aminao.
51. rakaroka ( 21/10/2009 12:08)
O ry Mandefitra a!
Averiko indray fa tsy ara-pahariana, ary voamarin'ny "tantara maaaro nisy hatrizao ny "fitiavan'ny reny ny zanany" sns... Ka "IALAN-TSINY indrindra fa ny "baiboly aloha amiko dia "boky ihany!" , rahateo efa "nahitsy im-be dia be anie izy iny raha ny marina e!=> Izany hoe "TSY AZOKO ANTOKA NY FAHAMARINANY" sady inoako hoe "ampaham-piainana kely ihany no voalaza ao ka tsy afaka hanankinako ny fiainako manontolo! Raha "panne sanatria ity ordi ity 'taoko tsy misy mekanisma manazava ny "tokony ataoko ao?
Donc tsy mahavita ahy mihitsy iny :wink: ! Ny mety aminao an , aza terena hety @ hafa, samy manana ny lalany ny olona ary tsy manohintohina anao @ finoanao koa ny hafa rehefa tsy manao sesimontotra mi-impose ny finoanao @ hafa ianao!
Ny Atra "inoanao no mahavanin-doza" toa izany fa tsy ny Atra inoako akory!
Aoka hazava! Tsy ny "teny rehetra amiko no "fino" satria nomena saina mandinika isika! aha tsy izany dia tsy misy dikany ny saina sy fanahy nomena antsika!
52. Mandefitra ( 21/10/2009 12:37)
Hay ve e.
Ka tsy takatrao ny tian'i Jesosy ambara ... dia lazainao fa Izy no mahavanon-doza.

ARy zay no ilana ilay toriteny ... sy Ilay Fanahy Mpanazava.
53. rakaroka ( 21/10/2009 12:54)
Tsy "loza aminao ny "fifandrafian'ny mpianankavy , ny fhm izany ?...
Mila fanamarinan'ny fanahy masina sy ny teny vao afaka hanakatra fa "loza izany?..." dia tsy mahagaga izay miseho any Dago @ izao fotoana ,n ary 'za io nomena sahy misafidy fa "aleoko lavitra aloha ilay "Fihavanan'ny Ntaolo taloha e!" Toa masina kokoa ny "Zanaharin-drizareo" k'ity. Ka raha Atry ny fifandirana tokoa no "tompoina" dia hifanditra lava tsy hisy fiainana ho vanona tokoa ka. Ary raha "torinteny hitarika ho @ "fifandirana =>AOKA ihany ka! :wink: Inn ny "tombontsoa ho azo na eto an-tany na any an-danitra raha mifanditra ny mpinankavy => TSY MISY !
54. fidinirina ( 21/10/2009 12:57)
Mampalahelo ahy tokoa ny olona toa anao rakaroka. Izany no mba andraisako anjara manoratra eto ahitan'ny olona mbola tsy nihaona t@ Andriamanitra sy Jesoa Kristy teo @ fiainany. Mivavaka ho anao aho mba hampahiratin'ny fanahy masina tokoa ny masonao ahitanao ny Mazava sy ny Marina izay mbola lavitranao ankehitriny io.
Ny Atra "inoanao no mahavanin-doza" toa izany fa tsy ny Atra inoako akory!
Aoka hazava! Tsy ny "teny rehetra amiko no "fino" satria nomena saina mandinika isika! aha tsy izany dia tsy misy dikany ny saina sy fanahy nomena antsika!

Dia ekenao izao ve fa nisy nanome saina anao izay tsy iza fa Andriamanitra, nefa dia izany no hireharehanao ary sahinao hatramin'ny miampanga ratsy Azy ho mahavanin-doza. Na dia reconnaissance fotsiny aza ve tsy vitanao t@ nanomezany anao ny aina sy saina ka tokony hideranao Azy. Mitandrema lahy.
Fitiavana Andriamanitra ary tia ahy sy ianao foana Izy.
55. rakaroka ( 21/10/2009 13:34)
[quote=fidinirina]
Mampalahelo ahy tokoa ny olona toa anao rakaroka.
:wink:
'za anefa faly afa-patotra tao anaty gezan'ny fampianarana sandoka nibeazana ahy taloha dia tahaka izay ataonao eto! ary aza malahelo ny amiko satria
tsy dia ny "fadiranovana indrindra mbola hitserana 'za io! Ny gasy maro any an-tanindrazana miraparapa noho ny hasarotam-piainana aloha no hitsero!
Izany no mba andraisako anjara manoratra eto ahitan'ny olona mbola tsy nihaona t@ Andriamanitra sy Jesoa Kristy teo @ fiainany.

Dia nisy kaloko izay "Efa..."
"Teny ho eny...tany ho any!
Nisehoany avokoa... f'isika no tsy nanampo!"

Mivavaka ho anao aho mba hampahiratin'ny fanahy masina tokoa ny masonao ahitanao ny Mazava sy ny Marina izay mbola lavitranao ankehitriny io.

Ny angatahiko, raha manana fotoana ivavahana ho ahy ianao, dia atokany izay "fotoana izay mba hiatrehanao ny zavatra miandry anao manoloana, manodidina"! mbola be hany ny soratra tokony ho natrehantsika fa tsy nisy ny fotoana satria lasan'ny vavaka. Ohatra "mahazoa fahalalana sy fahendrena ary tsy voafetra hoe ireto monja!

Dia ekenao izao ve fa nisy nanome saina anao izay tsy iza fa Andriamanitra, nefa dia izany no hireharehanao ary sahinao hatramin'ny miampanga ratsy Azy ho mahavanin-doza. Na dia reconnaissance fotsiny aza ve tsy vitanao t@ nanomezany anao ny aina sy saina ka tokony hideranao Azy. Mitandrema lahy.
Fitiavana Andriamanitra ary tia ahy sy ianao foana Izy.

Ka efa voalazako teo fa ny Atra inoako dia tsy mahavanon-doza! Fa ny anareo no lazainareo ho izany!

56. ikaretsaka ( 21/10/2009 15:12)
rakaroka:

Tsy "loza aminao ny "fifandrafian'ny mpianankavy , ny fhm izany ?...
Mila fanamarinan'ny fanahy masina sy ny teny vao afaka hanakatra fa "loza izany?..." dia tsy mahagaga izay miseho any Dago @ izao fotoana ,n ary 'za io nomena sahy misafidy fa "aleoko lavitra aloha ilay "Fihavanan'ny Ntaolo taloha e!" Toa masina kokoa ny "Zanaharin-drizareo" k'ity. Ka raha Atry ny fifandirana tokoa no "tompoina" dia hifanditra lava tsy hisy fiainana ho vanona tokoa ka. Ary raha "torinteny hitarika ho @ "fifandirana =>AOKA ihany ka! :wink: Inn ny "tombontsoa ho azo na eto an-tany na any an-danitra raha mifanditra ny mpinankavy => TSY MISY !



ka ilay concept an'ny Fanahy masina mihitsy ny an'ny sasany no andrasany fotsiny hoe hilatsaka maina @ zao fa izy hitango lalitra eo fotsiny de hilamina ny rehetra... TSIA DIA TSIA
amin-jareo mpanao Mazii mazii sy maziii maziii aby ny fiainana...
lasa adino le hoe Atra tsary manampy izay tsary manampy ny tenany
Miala aminao ny fanampian"Atra anao fa tsy heo ianao tsary hanao lilil de eo fotriny
57. Mandefitra ( 22/10/2009 07:50)
Rakaroka> Tena tsy miolaka tokoa Jesosy fa nivantana nilaza ny zava-misy.
Izay tsy inona fa ny ao ampon ny olona : tsy maintsy hisy ny fifandirana, ny fialonana, ny fifankahalana, ny fiheveran-tena ho mahalala ny zavatra rehetra, ny tsy fetezana hahitsin'ny Tenin'Andriamanitra.
Tsy zava-baovao akory ireo, na hoe Jesosy no nampiditra azy ao ampon'ny olona, fefa zava-misy niainana hatrizay.
Ka rehefa tonga ny Mazava, dia vao maika hiharihary ny fahaloton'ny fon'ny olona.

Ary na le fihavanana lazaina ho reharehan ny malagasy aza dia malaza tsy hihinanana toa vilin-tsahoana iahany, fa ny toe-tsaina ory hava manana, raha maty aho matesa rahavana, manan jara zay havako herin andro etc ... no tena manjaka ka maha kizo fara ny firenena ankehitriny.

Saingy "tsy zakan'ny olombelona no vesaran'ota ny Marina, ka dia novonoiny i Kristy" hoy ny hira Katolika.
58. fidinirina ( 22/10/2009 07:59)
ikaretsaka:
lasa adino le hoe Atra tsary manampy izay tsary manampy ny tenany
Miala aminao ny fanampian"Atra anao fa tsy heo ianao tsary hanao lilil de eo fotriny

Io le pbn'ny fampianarana ifikiranao ry ika. Taiza ary aiza @ tenin'Andriamanitra no misy milaza fa Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany izany.
Ireny foto-pisainana ireny no mbola tena mibahana betsaka ao @ fiaianan'ny olona.ohatra : Ny vola no maha-rangahy, Ny vola no hozatry ny fiainana, Andriamanitra nanome fa Balita no tsy ambinina sns marobe.

Nefa dia tsy misy marina na dia iray akory aza araky ny soratra masina.

59. bor2lais ( 22/10/2009 08:07)
Mandefitra:

Hay ve e.
Ka tsy takatrao ny tian'i Jesosy ambara ... dia lazainao fa Izy no mahavanon-doza.

ARy zay no ilana ilay toriteny ... sy Ilay Fanahy Mpanazava.

----------
-> miombon-kevitra tanteraka amin'i "mandefitra" aho eto.

Mety ho gravy tokoa ange io fandraisana ara-bakiteny ny voasoratra io an !
Tsy mahagaga anefa izany raha toa ka raisina toy ny boky hafa rehetra ihany ny Baiboly !

Izany hoe tsy ny Fanahin'ny Teny no jerena fa ny soratra ...

60. rakaroka ( 22/10/2009 16:20)
Driiiyyy f'angaha moa tsy boky izy iny?... :roll: :roll: :?: Dia iza aza no tena mpandray ara-bakiteny?... :roll: :roll: :?: => Ireo mpitsipona!...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0088