Hoy i Jesoa hoe fahotana mahafaty ny tsy finoana Azy
22. soanja
(
14/10/2009 04:47)
LazaDaddy:
soanja:raha araka ny hevitr'i Soanja manokana izany dia diso na nandainga i Jesoa niteny hoe "Izaho no lalana, ary TSY MISY mankany amin'ny Ray AFA-TSY amin'ny alalako"?
Tsy Jesoa akory no vahaolana fa izy no nanoro ny lalana amiko
Raha io tenin'i Jesoa io mantsy dia tsy nanoro lalana fotsiny Izy fa Izy mihitsy ilay "lalana" ary tsy misy lalan-kafa afa-tsy izy irery.
Hoy ilay Mpaminany isan'izay ankafiziko tokoa izay hoe " Aza lazaina hoe hitanao ny lalana na ilay fanahy, fa lazao hoe nahita lalana IRAY ianao ary nihaona tamin'ny fanahy Iray tao amin'ny fanahy be dia be. Aza lazaina hoe ity ny fahamarinana fa kosa hoe nahita fahamarinana iray ianao tao anatin'ny fahamarinana maro."
Tsy anjarako ny mitsara an'i Jesoa. Goavana loatra ny momba azy ka tsy takatro saingy hilaza aho raha ny momba ahy Soanja dia tsy ao amin'i Jesoa irery ny lalana sy fahamarinana fa misandrahaka tokoa manerana ny Universe ka ny tenako bitika aza mbola tsy tojo ny azo atao ho ampahany ilavoamena amin'izany.
23. soanja
(
14/10/2009 04:49)
LazaDaddy:
Marihina fa i Jesoa niteny an'io tamin'ny olona tsy nino Azy.
Dia averiko sy velabelariko ilay fanontaniana hoe:
Diso ve i Jesoa niteny an'io? Tsy miankina amin'ny hevitra na finoan'olona ny maha diso na maha marina an'io. Arosoy ary ny resaka :)
Ka raha izay dia tsy tokony nipetraka teto ny fanontaniana satria hevitr'olona no eto ary finoan'olona fa tsy fihevitry ny biby na zavatra hafa.
24. soanja
(
14/10/2009 04:56)
LazaDaddy:
soanja:i Soanja izany eto aloha dia mampiseho mazava tsara fa izy dia mitsipaka tanteraka ny apostoly Jaona na Joany.
Dia hoy aho hoe TSY FAHOTANA izay tsy mino an'i JesoaJaona:
Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka raheteo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy
Sarotra ny milaza hoe mitsipaka satria fantatro ny fomba namondronana ny baiboly ka raha ny fijeriko aza no tianao hanontaniana dia ny Jaona voalaza ao anaty baiboly dia tsy Jaona olona iray ihany no nanoratra fa mety ho olona telo karazana. Hita izany amin'ny fomba fanoratana sy ny isehon'ny tantara tantaraina. Koa ny hoe hitsipaka dia hoy aho hoe TSIA ny mety aminao mety tsy mety amiko saingy izay akory tsy hanadisoako olona iray na nabatiako ny asa nisasarany.
Nomen'Andriamanitra ny saina isika handinika ary isany fitaovana ao anatin'io atidoha/ saina io ny mifidy ny lalana tian-kaleha sy ny mahatsara ny Fanahy izay isany mahaolombelona antsika. Raha misafidy an'i Jesoa ny Xtiany isanisany avy dia faly aho ary raha hifidy an'i Mohometa ka hamonjy an'i Allah ny Silamo dia ho faly aho. Raha hisafidy ny razana ny Malagasy dia ho ketrika aho. Izay mety aminao mahafaly ahy raha toa ka tsy helingeleninao ny hafa anasesehanao ny momba anao nefa tsy vonona ny handray izy ireo.
Ny adidy tsy an'olon-dratsy hoy ny fiteny Malagasy. Manao ny adidy izay heverintsika fa mifanaraka amintsika isika saingy misy fetra izany raha toa ka hanimbana ny hafa sy ny tontolo iriariavana. Misaotra tompoko!
25. LazaDaddy
(
14/10/2009 04:58)
Jesoa:izany hoe tsy misy vahaolana na lalan-kafa afa-tsy i Jesoa
Izaho no lalana, ary tsy misy mankany amin'ny Ray afa tsy amin'ny alalako
soanja:
Tsy Jesoa akory no vahaolana fa izy no nanoro ny lalana amiko
raha araka ny hevitr'i Soanja manokana izany dia diso na nandainga i Jesoa?
soanja:tsy te hitsara mivantana an'i Jesoa i Soanja izany dia nindraminy ilay "mpaminaniny" hitsara an'i Jesoa 8O
Hoy ilay Mpaminany isan'izay ankafiziko tokoa izay hoe ....
1) Tsy anjarako ny mitsara an'i Jesoa
soanja:
Dia hoy aho hoe TSY FAHOTANA izay tsy mino an'i Jesoa
Jaona Apostoly:
Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy
2)manana ny "mpaminaniny" manokana tokoa i Soanja ka izany angamba no mampifandipatra ny teniny sy ny fampianarana nomen'ny Apostoly
26. soanja
(
14/10/2009 05:12)
LazaDaddy:
Jesoa:izany hoe tsy misy vahaolana na lalan-kafa afa-tsy i Jesoa
Izaho no lalana, ary tsy misy mankany amin'ny Ray afa tsy amin'ny alalako
soanja:
Tsy Jesoa akory no vahaolana fa izy no nanoro ny lalana amiko
raha araka ny hevitr'i Soanja manokana izany dia diso na nandainga i Jesoa?
soanja:tsy te hitsara mivantana an'i Jesoa i Soanja izany dia nindraminy ilay "mpaminaniny" hitsara an'i Jesoa 8O
Hoy ilay Mpaminany isan'izay ankafiziko tokoa izay hoe ....
1) Tsy anjarako ny mitsara an'i Jesoa
soanja:
Dia hoy aho hoe TSY FAHOTANA izay tsy mino an'i JesoaJaona Apostoly:
Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy
2)manana ny "mpaminaniny" manokana tokoa i Soanja ka izany angamba no mampifandipatra ny teniny sy ny fampianarana nomen'ny Apostoly
Ka raha vao forcer-nao ny karatra dia tsy hety e. Tsy natao hitsara ny tenako fa natao handinika ny misy ary hilaza ny mety amiko.
Tsy handiso n'iza n'iza aho fa kosa hampiasa izay mety amiko noho ny fitarihan'ny fanahy. Manana mpaminany be dia be aho ary azoko lazaina fa maminany ny ho avy ny tenako koa aza aho raha izay no tianao ho fantatra. Io tsy misy hoe fotsy sy mainty fa izay fitarihan'ny fanahy eo dia atrehiko ampanetre-tena sy ampilaminana. Soava ny aligna ianao fa ndeha hatory amin'izay aho.
:-* :-* :-*
27. LazaDaddy
(
14/10/2009 05:18)
:) tsy handiso n'iza n'iza hono i Soanja kanefa ilay teniny manohitra ankitsirano ny tenin'ny Apostoly Jaona. :)
:) tsy natao hitsara hono i Soanja nefa asehony fa mino ny fahamarinan' ilay fampianarana nolazain'ilay "mpaminaniny" izy, izay mifanohitra amin'ny tenin'i Jesoa :)
:) tsy natao hitsara hono i Soanja nefa asehony fa mino ny fahamarinan' ilay fampianarana nolazain'ilay "mpaminaniny" izy, izay mifanohitra amin'ny tenin'i Jesoa :)
28. cutie
(
14/10/2009 12:29)
tsy reraka ve njy ry soanja miady hevitra @ laza fa ny azy efa hainy ny valiny fa mody manodina oul eo fotsiny hanamafisany ny heviny :-D
29. ikaretsaka
(
14/10/2009 13:33)
rijadolly:
Salama Laza Daddy a!
Za tsy mbola amaly fa ametraka fanontaniana ihany koa mba hanazava bebekokoa ny lazain'Laza Daddy ra azoko tsara ny fanontaniany.
voavonjy ve izay tsy mino an'Jesoa ho Kristy???
Ny hoe voavonjy sy tsy voavonjy dia sarotra ho antsika ny mamaritra izay satria tsy mbola nisy tany @ ze paradisa (na izay toerana mety iantsoanao ny misy ireo voavonjy) ka nanao concesus izya olona tany hoe nino an'i Jesoa ve no naha taty anao na ahoana?
30. cutie
(
14/10/2009 13:55)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 14-10-2009 15:33:16
Lohateny : Re : Hoy i Jesoa hoe fahotana mahafaty ny tsy finoana Azy
Hoy i rijadolly:
Salama Laza Daddy a!
Za tsy mbola amaly fa ametraka fanontaniana ihany koa mba hanazava bebekokoa ny lazain'Laza Daddy ra azoko tsara ny fanontaniany.
voavonjy ve izay tsy mino an'Jesoa ho Kristy???
Ny hoe voavonjy sy tsy voavonjy dia sarotra ho antsika ny mamaritra izay satria tsy mbola nisy tany @ ze paradisa (na izay toerana mety iantsoanao ny misy ireo voavonjy) ka nanao concesus izya olona tany hoe nino an'i Jesoa ve no naha taty anao na ahoana?
voavonjy @ iny moa izy ty e . Nga moa tsy efa vita ny famonjena??? Na mino enao na tsy mino tsy misy idiran'ny resaka we voavonjy ve zay tsy mino tsony io :)
33. rijadolly
(
14/10/2009 19:23)
Iza marina moa ny olom-boavonjy ? izay mino an'i Jesoa Kristy ho mpanavotra AZY ve sa izay minomino,sa izay tsy mino,sa izay manao azy hoe Tompoko Tompoko nefa ny tongotra àry?
Mbola tsy fantatra foana zany hatramin'izao an!
Aleoko mandini-tena ry Kristianina malala ô...,sa ny resaka ny tiana atavy,sa ny hafa taritina hananao foana fa efa vita ny famonjena ka samy tsy maintsy ho voavonjy? :roll:

35. cutie
(
14/10/2009 20:04)
Mpandefa : rijadolly [ Valio ] 14-10-2009 21:23:09
Lohateny : Re : Hoy i Jesoa hoe fahotana mahafaty ny tsy finoana Azy
Iza marina moa ny olom-boavonjy ? izay mino an'i Jesoa Kristy ho mpanavotra AZY ve sa izay minomino,sa izay tsy mino,sa izay manao azy hoe Tompoko Tompoko nefa ny tongotra àry?
Mbola tsy fantatra foana zany hatramin'izao an!
fa nahona kay no tsy fantatra e :)
36. ikaretsaka
(
14/10/2009 20:36)
ko efa hoe aza mitompo teny fatratra fa tsy mbola tany ianao ka afaka manambara hoe hitako any ambohimboavonjy ra anona sy ra anona...
fa ny hafatra kely aminareo dedaka ny te hahalala ny any sahady ireo de hoe aza gaga sy zendana raha le olona tsary ampoizinareo mihitsy no lasa deba tampoka any :-D
fa ny hafatra kely aminareo dedaka ny te hahalala ny any sahady ireo de hoe aza gaga sy zendana raha le olona tsary ampoizinareo mihitsy no lasa deba tampoka any :-D
37. cutie
(
14/10/2009 20:40)
le we ho any @ paradisa ve zany lazainareo voavonjy zany fa tsy azoko mitsy e sa le mankany an-danitra ? :)
38. rakaroka
(
14/10/2009 20:42)
8O 8O 8O
Manahirana raha ny marina ny mifanakalo hevitra @ olona tsa mahafantatra afa-tsy loko iray monja , raha toa hilaza ny marina ianao fa tsy loko iray monja anie ny fisiana! tahaka izany koa eo @ niavian'ireo "Christ"
Eto dia "Teren'i Laza tsotra izao i Soanja "hibaradaka fa hoe "Jesoa no "Izy!"
'Za io koa ry Laza nilazan'ny olona fa nisy t@ ireo "Christ" nanao mission teto
an-tany , dia mbola nisy "nahahoitra" an'i Jesoa aza ny "niveau spirituel et perfectionnement-ny" , ary io "Christ" io tsy nametra ny fijerin'ny olona tahaka izao mba ifantoka aminy monja, satria ny hary rehetra no natao hanana ny maha-Izy azy, sy hiatrika ny fiainana koa. Tsy lazaiko ny anarany satria na izy aza dia nametraka fa tsy natao ivavahana izy fa tonga "ampianatra ny olona ftsn ny lalam-piainana!
Ary raha milaza ny "misy" toa izao aho, samby "fahatsapana" tahaka ny "fahatsapanao ireo "mpaminany hafan'ny olona" na Mesia hafan'ny olona.
Fa ny mizana dia manondro eo afovoany "tsara" raha handanja ny "Mesianareo" @ Mesian'olon-kafa koa ianareo. Ny tombony @ hafa, toa efa
miatrika ny fiainan-tany koa fa tsy tonga dia "lasany avokoa!"

40. cutie
(
14/10/2009 20:48)
Manahirana raha ny marina ny mifanakalo hevitra @ olona tsa mahafantatra afa-tsy loko iray monja , raha toa hilaza ny marina ianao fa tsy loko iray monja anie ny fisiana! tahaka izany koa eo @ niavian'ireo "Christ
miampy 1 :)