Vavolombelona fa miaraka amin'i Kristy

1. niryna ( 21/09/2009 14:56)
Raha mieritreritra ny fiainana tokoa isika dia hita taratra ny fijoroana vavolombelona fa miaraka amin' i kristy isika
Ahoana no ilazana izany?
Amiko ?
1 tia Azy ary mampiseho izany fitiavaNy izany amin'ny fitiavana ny hafa
na :arrow:.love God in our heart deeply and also learn to love people deeply na inona no finoany
2 mihaino sy manaraka ny hafany na tsy tonga lafatra aza :arrow: obey faithfully
3 mijoro ny maha hianao anao (living identically) ,na being real ... tsy miraharana izay ataon'ny hafa ohatra hoe miara miasa ,ny iray kamo ,tsy miraharaha izany itsony fa ny ataoko ihany no ataoko fa tsy ahy no mitsara azy ...ohatra io an
4 mahalala an'Atra tokoa,tia ny teniny ,mangetaheta Azy ary mitady azy tokoa,mino ny hafany sy ny teny nampitondrainy
:arrow: knowing God completly ,to know Him is to hear his voice ,to live by faith but not by sight
5 Mino ny teny izay nampitondrainy ary tsy matahotra na inona mitranga amin'ny fiainana satria raha misy varavarana idiny dia mbola misy varavarana vaovao indray misokatra ho ahy :arrow: believing Him constantly ,no fear in anything ....mahasoa sy mahatsara ahy avokoa ny zavatra mitranga amin'ny fiainako ary ny fametrahako izay finoana azy izany dia efa tena zava-dehibe

ahoana ny anareo ?
misaotra mialoha

Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho ao amintsika avy.
(l) niryna
novalian'i ni81 ny 17/10/2009 19:42
2. soanja ( 21/09/2009 15:02)
niryna:

knowing God completly ,to know Him is to hear his voice ,to live by faith but not by sight

ahoana ny anareo ?
misaotra mialoha

Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho ao amintsika avy.
(l) niryna


How can one hear God's voice but won't accept what he or she sees through Him????


3. simplex ( 21/09/2009 15:11)

nyrina:
Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho ao amintsika avy.
amen :P

(l) simp
4. ikaretsaka ( 21/09/2009 15:12)
Finding God tru all things
AMDG
5. ikaretsaka ( 21/09/2009 15:14)
"Mihaino ny feony" hono..... nefa "maso no hamakiana tsimpona"
Man oooh man!
6. cutie ( 21/09/2009 20:37)
tsy azoko we manin no asiana separation between you and God?? Ohatran'ny we ary ambony ary God de ny oul aty ambany aty. De nefa ahona no ahalalana fa mahita azy nareo, maheno azy sns??????/
7. ikaretsaka ( 21/09/2009 22:43)
Nena ry cutie tsy any ambony any ny Atra ko a..fa eo amiko sy ny manodidina ahy... tadidinao le hiran le bassist iry?
8. cutie ( 22/09/2009 13:14)
9. bobone ( 22/09/2009 14:18)
Niryna: karakôry akia njy an! :D :D
mahasoa sy mahatsara ahy avokoa ny zavatra mitranga amin\'ny fiainako ary ny fametrahako izay finoana azy izany dia efa tena zava-dehibe
tena manaiky zany tanteraka akia zaho zoky malala an!
fijorona vavolombelona anie tena ilay e! ary mampiorina sy manamafy ilay finoana ao anaty io an! vao maika mahazo hery zany !!! ary mamelona indray ilay fanantenana mila hirefarefa ;misaotra akia an! bà njy
10. ikaretsaka ( 22/09/2009 15:00)
fr mila ijoroana sy hitatatatana ve izany fa tsy ny fiainanao no atao tsara
11. niryna ( 22/09/2009 15:04)
simplex:


nyrina:
Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho ao amintsika avy.
amen :P

(l) simp


elaela simplex tsy ita a
:-* :-*
12. ni81 ( 22/09/2009 15:18)
fr mila ijoroana sy hitatatatana ve izany fa tsy ny fiainanao no atao tsara
ie , @ zay fantatry ny namana rehetra knou! :)
13. niryna ( 22/09/2009 15:21)
Ity ary misy vaovao iray vao nitranga tany amintsika ka ho zaraiko anareo eto
Ahoana izany fiasan'ny Tompo izany ?
nita lakana nakany Madirovalo ! Ambananongo snsn e! tena nahafinaritra ny tany , maro ny olona resy lahatra ny hanatona sy hanaraka an'i Jeso ary tena tsy hadinoko mihitsy dia ity ! nisy tamin'ireo ankizy chorale ireo no gaga @ fiasanay mpiandry satria an! nisy olona irey narary beeee! nalemy ny tongony ary misy 4 izahay mpiandry ao @ io chorale nay io dia niasa t@ io olona io zahay ny chorale moa mihira hatrany ary isaorana ny Tompo fa nitsangana ilay mararay ary ny namanay tao owwwahhh nidanaka sy gaga hoe kay tena miracle be ity asana mpiandry ty ary betsaka ny ankizy hirotsaka ary nanolontena tokoa hoe tena hanompo an'Atra

=D> =D> ^:^ ^:^
14. niryna ( 22/09/2009 16:50)
soanja:

[quote=niryna]
knowing God completly ,to know Him is to hear his voice ,to live by faith but not by sight

ahoana ny anareo ?
misaotra mialoha

Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho ao amintsika avy.
(l) niryna

to live by faith but not by sight
satria maro no mampianatra fa tsy maintsy manao izao vao mahazo famonjena
ny tenin'Atra anefa dia manambara mazava tsara fa fahasoavana no namonjena anareo ,izay avy amin'Atra ary avy amin'ny alalan'i kristy tompontsika, tsy avy amin'ny asa anefa izay fa sao hisy hirehareha
for by the grace we are saved,it is gift from God ,through Jesus Christ our lord, it is not from our work so no one can boast it
dia ho avy indray ny fanontaniana hoe ny finoana tsy arahin'asa naman'ny maty :arrow: tsy ny fanaovana asa no mahavonjy fa ny finoana,asa resahina eto dia torio ny tenin'Atra ,zarao izay teny nomena anao,misy ny mihaino ary misy ny mandaha ,tsy ho tampitra izany mandra-pihavin'ny Tompo saingy tsy anjarantsika izany fa mizara fotsiny no andraikitra nampanaovina antsika dia tanterahana ny teniny :arrow: ho tanteraka anie ny teny izay voavaky !
soanja:

How can one hear God's voice but won't accept what he or she sees through Him????
ny ondriko mahafantatra ny feoko hoy Izy ary mbola manana ondry any amin'ny vala maro izy koa aho ary izay mitady ahy dia ahita tokoa
raha mahafantatra ahy hianareo ,raha tia ahy hianareo dia manaraka ny didiko tsimpona fa azavaiko .Raha tsy manana azy tsy ahafantatra azy tokoa
tsimpona
Jaona 13
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
:arrow: raha nomena azy ny teny izay nozaraina teto dia aheno ny feony tokoa izy
tsy mi-accept izy satria tsy mino izay nirahina na mino zavatra maro ka misavoritaka ilay finoana dia tsy itany izay arahina Jaona 14

6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

7 Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.


:arrow: teny nomeny antsika io kanefa mbola lavintsika ihany indraindray ,mbola misy milaza fa mbola misy lalan-kafa ,misy mampianatra fa mbola misy mpanelanelana antsika amin'i kristy dia mitsimpotsimpona izay eritreretiny izy fa tsy voamarika ao anaty ny baiboly ny heviny , dia tsy mi- accept ilay teny izay nasaina nomena izany ilay olona
izay no azoko ambara,asa raha mahavaly ny teninao na tsia :D
15. niryna ( 22/09/2009 16:51)
ikaretsaka:

Finding God tru all things
AMDG


mba azavao hoe azafady io teninao io ,teny nitsimponinao mantsy e
:D
16. niryna ( 22/09/2009 16:53)
ikaretsaka:

"Mihaino ny feony" hono..... nefa "maso no hamakiana tsimpona"
Man oooh man!


ha,ha, mahafantatra hoe inona no tsimpona mifanaraka ny sujet ry ika ny olona ,jereo ny an'ika ,hafa dia hafa no tsimpotsimpona nalefa tao amin'ny sujet ny olona
=)) =)) tsy maninona ka lavo foana ny tenin'Atra fa hianao no izaka ny vokany ka :arrow: aza ampitahorina indray ny olona hoe ,hay moa tsy misy satana aminao ka dia mandria eo ivohon'ny vato ry sakaiza malala a :-* :-*
17. ikaretsaka ( 22/09/2009 16:59)
Ka raiso kosa ny lojikanao fa tsy mitombona mihitsy
18. niryna ( 22/09/2009 17:06)
cutie:

tsy azoko we manin no asiana separation between you and God?? Ohatran'ny we ary ambony ary God de ny oul aty ambany aty. De nefa ahona no ahalalana fa mahita azy nareo, maheno azy sns??????/


ny fahotana no manasaraka antsika amin'Atra cutie a>
izay mahafantatra fa tsy mety ny ataony ka mibebaka dia ho voavonjy izy fa ny fahafatesana no tambin'ny ota :arrow: tsimpona ao amin'ny Romana 3 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,
23 for all have sinned, and fall short of the glory of God;
:arrow: raha isika rehetra dia tsy mendrika akory na dia hiantso ny anaran'ny ray aza saingy noho ny fitiavany antsika,noho ny famonjeny izay nomeny antsika dia afaka miantso azy ho Ray isika ary tsy matahotra sy tsy kivy isika miantso azy sy mino azy satria efa nomeny antsika ilay fitiavany :arrow: tsimpona Jaona 14 15 Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.

16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,

17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
:arrow: dia io voalaza io ilay hoe fa ahoana no kristiana mino an'i kristy irery ihany no omeny ny fanahy masina? na iza na iza izany ka mino Azy sy mitady azy dia ahita sy omeny ny fanahy masina itari-dalana aminy

Andriamanitra dia miaraka amitsika mandrakariva ary tsy lavitra izy



inona no mampisaraka antsika amin'Atra ? ny ota raha mibebaka dia ho voavela izany ota izany, indraindray tsy dia misy dikany fa indraindray misy mamatotra mihitsy ka mila an'Atra foana isika mba amaha ny fatotr'i satana ,satana izay efa resy fa dia mitetika ny animba ny fiainan'ny olona foana no asany isa -minitra :arrow: tsimpona izay ita ao amin'ny Romana 6

23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
23 For the wages of sin is death; but the free gift of God is eternal life in Christ Jesus our Lord.


19. ikaretsaka ( 22/09/2009 17:55)
Ny mampisaraka antsika @ Atra ry niryna... sy ny hoe fototry ny "ota" tabatabainao io dia ny tsy fahatsampantsika (awareness) ny reality sy ny zavatra mitranga manodidina an'io a

St Augustin:
Many think it is: "Does God exist?" Wrong! Many think it is "Is there a life after death?" Wrong! Nobody seems to be grappling with the problem of: Is there a life before death? Yet my experience is that it's precisely the ones who don't know what to do with this life who are all hot and bothered about what they are going to do with another life. One sign that you're awakened is that you don't give a damn about what's going to happen in the next life. You're not bothered about it; you don't care. You are not interested, period.


Do you know what eternal life is? You think it's everlasting life. But your own theologians will tell you that that is crazy, because everlasting is still within time. It is time perduring forever. Eternal means timeless-- no time. The human mind cannot understand that. The human mind can understand time and can deny time. What is timeless is beyond our comprehension. Yet the mystics tell us that eternity is right now. How's that for good news? It is right now. People are so distressed when I tell them to forget their past. They're crazy! Just drop it! When you hear "Repent for your past," realize it's a great religious distraction from waking up. Wake up! That's what repent means. Not "weep for your sins.": Wake up! understand, stop all the crying. Understand! Wake up!
20. cutie ( 22/09/2009 20:12)
Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,

17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. dia io voalaza io ilay hoe fa ahoana no kristiana mino an'i kristy irery ihany no omeny ny fanahy masina? na iza na iza izany ka mino Azy sy mitady azy dia ahita sy omeny ny fanahy masina itari-dalana aminy

Andriamanitra dia miaraka amitsika mandrakariva ary tsy lavitra izy

tsy haiko mitsy we manin aza no asarotina be le teny ao @ baiboly fa tsy mba tonga de direct.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0459