Inona moa ny faniriantsika Xtianina

61. rzakarivola ( 11/09/2009 15:09)
Soanja >>>
Asa aho na diso fijery fa ny image hitako @ hevitra avoakanao eto dia olona tena feno fitiavana an\' Andriamanitra, ny mpiara-belona, ianao no mahatanteraka ny Didy hoe :
\"tiava an\'i JEHOVAH Andriamanitrao @ fonao rehetra, ny sainao rehetra, ny herinao rehetra, ny fanahinao rehetra\", sy ny hoe
\"tiava ny namanao tahaka ny tenanao\". Ianao izany tsy mila an\'i Jesoa satria izy \"tsy avy hiantso ny marina, fa ny mpanota hibebaka\".

Ianao tsy mino ny afobe, satria tsy tsapanao hoy ianao. I Jesoa milaza hoe : \"Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin\'ny helo.\".

Ianao tsy mbola nahatsapa ny afobe. I Jesoa milaza ny afobe ho fijaliana, fanenenana, fitomaniana : \"ary raha nijaly tao amin\'ny fiainan-tsi-hitaizy ka niandrandra, dia nahita an\'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.\"

Ianao toa faly lalandava, i Jesoa manao hoe : \"Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina\".

Ianao milaza mahatsapa ny Fanahy Masina tonga tao aminao sy ao aminao foana. I Jesoa milaza \"Fa raha tonga ny Fanahin\'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin\'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.\"

Tsy fantatro ilay Jesoa inoanao, fa tsy mitovy @izay inoako. Ary raha mino Azy aho, dia tsy noho ny nanoratana Azy tao @ Baiboly, fa satria izaho tenako no nandre Azy namaly ny fanontaniako, ary mbola mino aho satria izay ambaraNy rehetra, sy anambaran\'ny Baiboly Azy dia marina mandraka ankehitriny, tsapako sy niainako.
62. rzakarivola ( 11/09/2009 15:57)
soanja:
Amiko ny tsy ekeko ry Rijadolly dia ny handringana ny Fanahy/ misary vatana Andriamanitra dia atsipy any anaty farihy mirehitra afo-tsolifara.

==> Andriamanitra koa tsy handefa ny sariNy any @ izany. Ny fanontaniana dia hoe : tena sarin\' Andriamanitra tokoa ve ? Maninona i JK niteny t@ Jiosy hoe \"ianareo zanaky ny devoly rainareo\" ? Tsy hitaona anao hino devoly aho akory, satria tsy ny finoana ny devoly no heveriko ho mahavonjy fa ny finoana an\'i Kristy. Mampitaha fotsiny an\'ilay Jesoa inoako sy inoanao aho, ary miezaka mijery hoe mitovy ve ? Hitako fa raha ny hevitrao dia tsy misy ilàna akory an\'izany Jesoa nitondra hazo fijaliana, na Andriamanitra tonga nofo sy nonina tamintsika izany. Izany hoe fotoana lany fotsiny ny inoana an\'i JK sy ny Filazantsara.

soanja:
Ny hoe ho Fanahy Very dia ho ekeko tokoa nefa izany aza amiko tsy hoe very eo anatrehan\'Andriamanitra akory fa hanana ny asany manoloana ny zavabitany teto an-tany.

==> I Jesoa manao hoe \"Fa hampamoahina ny olona @ teny foana naloaky ny vavany\".

soanja:
Raha tsoriko izany dia mitory fitiavana ny hafa isika ary raha feno io dia samy hanana ny anjara andraikiny avy isika. ... ka hifono fampitahorana ny zavatra voizintsika dia mandiniha tena daholo satria tsy Ampitiavana ny zavamitranga fa ny Tahotra no manjaka.

==> Raha fintiniko dia izao, ireo zavatra lazainao rehetra ireo dia marina saingy mandingana, ary izay ambaran\'i Jesoa no zavatra iray dinganinao, dia izao : \"Raha tsy ateraka indray [Na: ateraka avy any ambony.] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan\'Andriamanitra.\"
63. Veloo ( 11/09/2009 16:39)
Kristy dia jiro fahazavana,izay mitady jiro dia mitady azy ary izay manana jiro dia mizara izany jiro izany amin'ny hafa,na misy manapina aza ny jironao ,mazava eny foana foana iny satria kristy no ao aminao

ekena tanteraka nirina a... :-*
64. rzakarivola ( 11/09/2009 16:41)
ikaretsaka:
ka hitan-drakaroka: ny \"image\" du christ eritreretin\'ny be sy ny bobaka de le hoe nitory teny ... de hoe mitory teny izany no izy ...

==> Fa bobaka koa no mamorona image ny Kristy an. Milaza fa ireny olona 4mi ireny, na ny mpigadra, na ny marary, ... pauvre, comme si Jesus était malade ou pauvre! Misy manome sarin\'i Jesoa mpanao asa soa izany. Kanefa dia tsy mbola nahita an\'izany Jesoa izany ho mpanao asa fiantrana (oeuvre caritative) aho, indray mandeha aza nisy Jodasy nimenomenona hoe \"tokony homena ny mahantra\", namaly i Jesoa hoe \"Ny mahantra ho eo @nareo mandrakariva ka afaka manome ianareo na oviana na oviana sitraponareo, fa izaho tsy ho eo aminareo mandrakariva\".

ikaretsaka:
adinony nefa le tena vain-doha-ny nahatongavany hoe hampanjaka fitiavana sy fanokafana perception vaovao momba ilay Ray

==> Izao no lazain\'i Jesoa : \"satria izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon\'izay naniraka ahy. 39 Ary izao no sitra-pon\'izay naniraka ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny ahy, fa ny mba hananganako azy amin\'ny farandro. 40 Satria izao no sitra-pon\'ny Raiko izay naniraka ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino azy, ary izaho hanangana azy amin\'ny farandro.\" [Joany 6]
65. soanja ( 11/09/2009 16:46)
rzakarivola:

Soanja >>>
Asa aho na diso fijery fa ny image hitako @ hevitra avoakanao eto dia olona tena feno fitiavana an\' Andriamanitra, ny mpiara-belona, ianao no mahatanteraka ny Didy hoe :
\"tiava an\'i JEHOVAH Andriamanitrao @ fonao rehetra, ny sainao rehetra, ny herinao rehetra, ny fanahinao rehetra\", sy ny hoe
\"tiava ny namanao tahaka ny tenanao\". Ianao izany tsy mila an\'i Jesoa satria izy \"tsy avy hiantso ny marina, fa ny mpanota hibebaka\".

Ianao tsy mino ny afobe, satria tsy tsapanao hoy ianao. I Jesoa milaza hoe : \"Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin\'ny helo.\".

Ianao tsy mbola nahatsapa ny afobe. I Jesoa milaza ny afobe ho fijaliana, fanenenana, fitomaniana : \"ary raha nijaly tao amin\'ny fiainan-tsi-hitaizy ka niandrandra, dia nahita an\'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.\"

Ianao toa faly lalandava, i Jesoa manao hoe : \"Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina\".

Ianao milaza mahatsapa ny Fanahy Masina tonga tao aminao sy ao aminao foana. I Jesoa milaza \"Fa raha tonga ny Fanahin\'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin\'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.\"

Tsy fantatro ilay Jesoa inoanao, fa tsy mitovy @izay inoako. Ary raha mino Azy aho, dia tsy noho ny nanoratana Azy tao @ Baiboly, fa satria izaho tenako no nandre Azy namaly ny fanontaniako, ary mbola mino aho satria izay ambaraNy rehetra, sy anambaran\'ny Baiboly Azy dia marina mandraka ankehitriny, tsapako sy niainako.

Ie ireo voalazanao ireo tokoa hevitra omeko eto.

Ny TSAPA fa miasa amin'ny tena no inoana. Izay tsy miresaka na tsy miasa na tsy manome n'inona n'inona ahy dia tena taimboraka tokoa manoloana ahy.

Ka izay i Jesoa dia mamaly ny fanontaniana apetrako aminy indraindray. Ary tena hitako maso ny asany eo amin'ny fianako. Izy hoy aho manao miracles amintsika/ amiko aloha no tena assurer-ko fa efa hitako. Io rehetra io dia mitondra lalindalina kokoa amin'ny fiainako aminy izay ezahiko ho fahamarinana raha possible tokoa amin'ny vatana osa ahy indraindray.

Ny ankoatr'izay tsy henoko sy tsapako na mandalo miserana ato anatiko akory aza ny tsapako aminy dia miala tsiny fa tsy IZY izay! Finoana amiko dia miasa ary miasa amin'ny hatsarana lalandava fa tsy amin'ny faharatsiana indrindra ka hanimbana ny hafa.

66. soanja ( 11/09/2009 16:50)
rzakarivola:

Ianao toa faly lalandava, i Jesoa manao hoe : \"Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina\".

Io hafaliana lalandava io angamba no katsahiko fa tsy hoe izay tokoa ny tenako isanandro. I Razaka anie tsy Soanja e!

:)

Amiko hafa mihitsy ny andraisako io ory lazaina eto io fa raha toa moa ka ny hahazo fifaliana amin'i Jesoa Kristy no tanjona dia hilaza aminao aho fa naman'ny ory ihany mahita ny Fanahy be dia be matory manoloana ny hatsaran'Andriamanitra.
67. ravakamalala ( 11/09/2009 18:05)
soanja > nop, nop, nop, jugement facile nyandry hoe lavage de cerveau ny mahazo ny kristianina mino izay ampianarin ny fiangonana azy, raha izany mantsy dia afaka miteny koa aho hoe "religion de supermarché" ny an i Soanja, satria ny fomba entindry anehoana ny finoandry dia ohatran ny mandeha any am supermarché dia izay metimety amindry ihany no alaindry ao, izay tsapandry amin ny fiainan dry manokana moa izany, fa izay tsy tsapa dia tsy tiana.

tsy ratsy io resaka fahatsapana io hoy aho fa hitako hoe tsy ampy.

zavatra telo no fototry ny fivavahana ,( aleo ataoko hoe ny fivavahako mba tsy hanaovako ho mpanome lesona be eto , za mantsy tsy mpitory teny)
finoana
fanantenana
fitiavana

tsy azo sarahina
68. soanja ( 11/09/2009 19:18)
ravakamalala:

Tena azo lazaina hoe religion de supermarche tokoa ny ahy raha atao ara-tsary satria zah tokoa aloha tsy hihinana junk mihitsy raha hitako fa misy lo ny sasany amin'ny paoma amidy ao dia mbola hohaniko ve nefa hita fa tsy hahasalama no sady tsy hitondra mankaiza amin'ny vatako.

Ny finoako dia tena marina mihitsy ny voalazan-dry hoe izay mety amiko satria mandaitra amiko no hinoako. Ny ankoatr'izay dia mety ho fanandevozana ara-tsaina ihany no hakako azy raha hanaiky aho satria sady tsy tsapako no tsy ho ilaiko no tsy miasa amiko. Ho an'iza moa ny finoana fa tsy ho an'ny tsirairay avy , fa ny asany kosa dia misandrahaka amin'ny rehetra.

69. ikaretsaka ( 11/09/2009 19:45)
Soanja..dia tsy mety izay raha miteny ianao fa mino an'atra
Raha izay metimety aminao momban'Atra ihany mantsy no alainao fa izay tsy mety odianao fanina na lavinao..dia tsy. Atra intsony no inoanao fa ny tenanao

"About God. If you only take what you like about him and reject what you do not like,then it's no more him you believe..but yourself ( st Augustin)
70. cutie ( 11/09/2009 20:04)
ka le izy hon mbola tsy tsapany na nihatra taminy koa, ahona aza ny hinoany zavatra tsy mbola tsapany? :roll: ny finona nge tsapa ao anaty e, fa tsy we refa iny no voalazan'ny baiboly de tsy maintsy arahina na tsy misy azo akory aza ny ao anatiny, ohtran'ny robot mandehandeha fotsiny zany :-D
71. fahamarinana ( 11/09/2009 20:04)
:arrow: ehe !dia samy manana ny Finoany tokoa e !Lalina ny fahasamihafany nefa samy Andriamanitra no resahantsika rehetra ireo ! :? (l)
72. ikaretsaka ( 11/09/2009 20:20)
cutie:

ka le izy hon mbola tsy tsapany na nihatra taminy koa, ahona aza ny hinoany zavatra tsy mbola tsapany? :roll: ny finona nge tsapa ao anaty e, fa tsy we refa iny no voalazan'ny baiboly de tsy maintsy arahina na tsy misy azo akory aza ny ao anatiny, ohtran'ny robot mandehandeha fotsiny zany :-D

nena lo tsapaiko ety ivelany e...@ le katrami sy marary sy solafaka sns... jereo ny paragraphe faran'ny # 1 fa voafehy ao aby
73. cutie ( 11/09/2009 20:21)
ka zay zany koa :)
74. ikaretsaka ( 11/09/2009 20:28)
Andramo ny hamoram-po, ny fangorahana ary ny fitserana ireo izay solafaka sy tsy mahita mahiratra eto an-tany. Enga anie mba hifoha ny masom-panahiny avy amin'ny alalan'ny modely entintsika fa sanatria tsy hidradradradra isika hoe hisy ny farany ka ho faizaina ianareo.

io ko
75. cutie ( 11/09/2009 20:39)
tsapa ivelany daholo reo a :-D
76. ikaretsaka ( 11/09/2009 21:12)
ko hahavita inona ianoa raha any anatiny fotsiny io..
action not words madama a
77. cutie ( 11/09/2009 21:27)
maso mijery tsy mitondra mody :-D
78. cutie ( 11/09/2009 21:44)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 11-09-2009 21:45:42
Lohateny : Re : Inona moa ny faniriantsika Xtianina
Soanja..dia tsy mety izay raha miteny ianao fa mino an'atra
Raha izay metimety aminao momban'Atra ihany mantsy no alainao fa izay tsy mety odianao fanina na lavinao..dia tsy. Atra intsony no inoanao fa ny tenanao

"About God. If you only take what you like about him and reject what you do not like,then it's no more him you believe..but yourself ( st Augustin)

mbola tenin'oul tsy fantapatatra any koa io fa tsy tenin'i God lol
79. soanja ( 11/09/2009 22:15)
ikaretsaka:

Soanja..dia tsy mety izay raha miteny ianao fa mino an'atra
Raha izay metimety aminao momban'Atra ihany mantsy no alainao fa izay tsy mety odianao fanina na lavinao..dia tsy. Atra intsony no inoanao fa ny tenanao

"About God. If you only take what you like about him and reject what you do not like,then it's no more him you believe..but yourself ( st Augustin)

Izay mety tsy hoe io no tadiaviko sy katsaiko dia tonga amin'io fa izay mety amiko dia satria mahatsapa Azy aho ary miasa ao amiko Izy. Blank slate ny momba ahy amin'ny voalohany rehefa nihalehibe aho ka nahay nanavaka ny TSAPA sy TSY TSAPA, ny MIFOHA sy ny Matory. Ary raha nahatsapa aho fa misy zavatra manentana ahy ao avy any anatiko, manampy ahy ahita ny mazava/ fahamarinana izay katsahiko dia hitako izany fa ilay Andriamanitra satria ny fivoakany rehetra dia mitory fitiavana avokoa ary miezaka lalandava ny hanao ny soa na ho ahy na ny mpiarabelona amiko.

Donko conclusion- Izay tsy TSAPAKO sy TSY MIASA AMIKO ho amin'ny fahasoavana sy fitiavana dia heveriko fa zavapoana avokoa.

Zany hoe miasa ny Finoana fa manana an'Andriamanitra aho ary hitako manerana ny asany na amin'ny soratra na ny hevitra entin'olona na ny traikefa hiainan'ny olona sns sns ireo no zavatra sady TSAPAKO no IAINAKO. Tsy ny soratra no manome ahy ny finoako fa avy any anaty mivoitra manakety ivelany. Asa azonao tenenina mihitsy hoe tsy ilay Andriamanitrao io, tsy manahy satria isika samy manana ny fahatsapantsika izany asan'Andriamanitra izany. Azonao tenenina koa hoe manompo tena aho, tsy maninona koa izany satria tsapako fa tempolin'Andriamanitra aho noho izany manao fanompoana tokoa ny hafa sy ny tenako amin'ny alalan'ny fitiavany aho. Misy tsy hanaiky hoe Andriamanitra hafa no tompoina Soanja, ka tsy manahy ny hevitry ny hafa momba ahy ka. Amiko dia Fantatro ilay nametrahako ny Fitiavako! Tsy ao anaty honohono aho fa TENA MAHATSAPA tokoa.

80. soanja ( 11/09/2009 22:24)
cutie:

ka le izy hon mbola tsy tsapany na nihatra taminy koa, ahona aza ny hinoany zavatra tsy mbola tsapany? :roll: ny finona nge tsapa ao anaty e, fa tsy we refa iny no voalazan'ny baiboly de tsy maintsy arahina na tsy misy azo akory aza ny ao anatiny, ohtran'ny robot mandehandeha fotsiny zany :-D

Namaste Cutie!

Io Fitiavan'Andriamanitra io dia tena mibaribary mihitsy ao anaty rehefa miseho. Mangoraka ianao, malahelo ny hafa ianao, te hanao izay rehetra matetika aza tsy tokony ho vitanao dia vitanao satria misy manesika ao anaty dia tsy iza fa ilay Fanahy Manazava sy Mankahery. Rehefa mamaky tenin'Andriamanitra ianao dia tsy hay fa misy zavatra mivoitra avy any ary manome anao hery miavaka tokoa , indraindray tsy tandrintandrinao, ka ahavitanao asa goavana tokoa. Midera an'Andriamanitra lehibe aho amin'izany.

Raha mbola tsy izay no TSAPANAO dia manontania tena hoe Vakiana fotsiny ve izany ilay raha fa tsy misy fiantraikany any anaty akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0777