Inona moa ny faniriantsika Xtianina
21. cutie
(
09/09/2009 13:43)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 09-09-2009 02:50:49
Lohateny : Re : Inona moa ny faniriantsika Xtianina
Hoy i cutie:
Voalaza teo :
Andramo ny hamoram-po, ny fangorahana ary ny fitserana ireo izay solafaka sy tsy mahita mahiratra eto an-tany. Enga anie mba hifoha ny masom-panahiny avy amin'ny alalan'ny modely entintsika fa sanatria tsy hidradradradra isika hoe hisy ny farany ka ho faizaina ianareo.
Misaotra indrindra.
zay le lazaiko taloha we : practice what you preach
Sambatra isika raha mahavita izany foana. Saingy tadidio fa nofo koa isika olombelona. Ny fahalemena tsy maintsy misy eo amin'ny fiainana. Tsy lafatra isika ary izay no tsy afahantsika manome tsiny ny hafa lava. Ny miezaka no zava-dehibe ary avy ao ampo tsy miloaka izany ezaka izany. Andriamanitra mahatsapa satria fantany ny namboariny.
ka matoa iainanao le fitiavan'atra de tokony ho mora aminao ny hizara zany @ hafa :wink:
22. cutie
(
09/09/2009 13:46)
azafady alou fa mitsimpona:
matetika ah misy zavatra efa fantako izao fa izao no lalana mendrika sy tokony ho izy ary fahadisoana ilay eritreretoko atao kanefa dia mbola minia ataoko ihany izany
ohatra @ le unconscious io :)
23. ikaretsaka
(
09/09/2009 14:02)
matetika ah misy zavatra efa fantako izao fa izao no lalana mendrika sy tokony ho izy ary fahadisoana ilay eritreretoko atao kanefa dia mbola minia ataoko ihany izany
izay le maha olona... tsisy tsiny fa nyfahatsapanao izay sy ny fihezahanao tsy hanao azy intsony @ manaraka no zava dehibe
24. simplex
(
09/09/2009 14:13)
:)
ambonin'izany ihany koa dia ny hoe tsy mahatsiaro miaina raha tsy manao fahadisoana :roll:
Na koa hoe raha tsy fay tsy miarina :P
ohatra hoe efa fantatra fa vilia gasy mahamay dia mbola raisina @ tanana ihany :)
tsy andry ny hinana an'le vary sosoa manko ;-)
:^)
25. rzakarivola
(
09/09/2009 14:32)
Ny maha kristiana ahy ?
==> Anarana iombonako @ireo mpivavaka maro milaza fa mino ny baiboly sy Jesosy. Amiko ny kristiana dia : mpanaraka an'i Kristy (tahaka ireo jiosy 2000 taona lasa izay), tsy voatery hino an'i Jesoa daholo ireo, vitsy aza ngamba no tena mino.
Tsy haiko loatra ilay tena fanontaniana eto, fa ngamba famosahana hevitra miresaka fitiavana sy kristiana, dia mba asehoko ny hevitra ekeko fa marina :
"Voici en quoi consiste l'amour : ce n'est pas nous qui avons aimé Dieu, mais c'est lui qui nous a aimés ; aussi a-t-il envoyé son Fils pour apaiser la colère de Dieu contre nous en s'offrant pour nos péchés."[1 john 4:10]

26. ikaretsaka
(
09/09/2009 14:38)
Amiko ny kristiana dia : mpanaraka an'i Kristy (tahaka ireo jiosy 2000 taona lasa izay),
dia ny fanohizana ny 2000 no aoka atao fa tsy ny fananganana sekta atsy sy ary
27. rzakarivola
(
09/09/2009 14:51)
simplex:
Ny tanjoko eo @ fiainana @ maha kristianina?
fandriam-pahalemana eran-tany :roll: utopika be mais bon izay no maha tanjona azy... ny fiezahana no tena manan-danja na dia tsy voatery ho tratra aza.
==> Tena raha tanjona efa azo antoka tsy ho tratra ve dia mbola ezahina ihany? Tsy ohatra ny manao investissement avec assurance de perte ? Fa afaka miombona @ko sy ilay rahalahy anakiray izay i simplex, vavaka ho an'ny fandriam-pahalemana eran-tany, sy ny mba handehanantsika @ fahamarinana isaka ny Alatsinainy maraina.
simplex:
Raha mbola velon'aina aho mety ho mpandresy foana satria mbola misy zavatra azoko atao foana. Eny fa na dia @ situation faran'izay sarotra indrindra ary. ;-)
==> Izao no nolazain'i Jesoa : "Ne vous en étonnez pas : l'heure vient où tous ceux qui sont dans la tombe entendront la voix du Fils de l'homme. Alors, ils en sortiront : ceux qui auront fait le bien ressusciteront pour la vie, ceux qui auront fait le mal ressusciteront pour étre condamnés." [Jean 5:28-29]
28. ikaretsaka
(
09/09/2009 15:22)
rzakarivola:
Ny tanjoko eo @ fiainana @ maha kristianina?
fandriam-pahalemana eran-tany :roll: utopika be mais bon izay no maha tanjona azy... ny fiezahana no tena manan-danja na dia tsy voatery ho tratra aza.
==> Tena raha tanjona efa azo antoka tsy ho tratra ve dia mbola ezahina ihany? Tsy ohatra ny manao investissement avec assurance de perte ? Fa afaka miombona @ko sy ilay rahalahy anakiray izay i simplex, vavaka ho an'ny fandriam-pahalemana eran-tany, sy ny mba handehanantsika @ fahamarinana isaka ny Alatsinainy maraina.
Izay indrindra aza no maha mpino ko.... mahafindra tendrombohitra aza hono
29. ravakamalala
(
09/09/2009 15:30)
dia ny fanohizana ny 2000 no aoka atao fa tsy ny fananganana sekta atsy sy ary
eny ho'aho!....aleo ilay tsy mitampoka fa tonga dia 100% pur jus. :lol:
30. soanja
(
09/09/2009 15:32)
ravakamalala:
Ny helo dia zavatra misy
Efa nahita Helo angaha i Ravakamalala? Mba hazavazavao anie ny hitanao tamin'izany fa mba liana izahay.
31. soanja
(
09/09/2009 15:34)
simplex:
Ny maha kristianina ahy?
indraindray ah rehefa mba mientanentana iny ny foko sy fanahiko (ohatra hoe refa misy olana goavana na fahadisoam-panatenana be) dia mba mieritreritra hoe mba ahoana ary no ho hataon'i jesoa ra izy no @ zao situation izao?
;-)
Tena izay ka. Mipetraka lalandava hoe i Jesoa no modely. Isika tsy nahita maso azy saingy kosa mahatsapa ny fisiany ao amintsika. Isika afaka mierietreritra tsara hoe raha I Jesoa be fitiavana aho inona no tokony ataoko? Misaotra anao.
32. soanja
(
09/09/2009 15:38)
fidinirina:
ikaretsaka:
fa isika no fitaovan antra eto an-tany ry ravakamalala a
Ka raha manaiky fa fitaovan'Andriamanitra ianao maninona no tsy mitory ny teniny ? Maninona no mandà ny voasoratra fa tsy manaiky ny hanao ny sitrapony ?
Fidinirina o, mitory ny teniny tokoa ny fizaram-pitiavana eo amin'ny hafa sy ny tontolo. Io tena io anie hiainana e. Nomeny mba hampiasaintsika ka aminy lafiny rehetra izany fa tsy hoe vakiana sy resahina fotsiny fa io no lalana sady fahamarinana no fiainana. N'inona n'inona ataonao na hamnagy gadralava ianao na hampionona ireo kamboty na hanampy ny manankarena amin'ny asa isankarazany ilany ny fisianao n'inona n'inona ka mitory fitiavana dia izay no fitiavan'Andriamanitra.
33. soanja
(
09/09/2009 15:40)
fidinirina:
ikaretsaka:
fa isika no fitaovan antra eto an-tany ry ravakamalala a
Maninona no mandà ny voasoratra fa tsy manaiky ny hanao ny sitrapony ?
TSY ny voasoaratra no zava-dehibe fa ny TSAPA ao anaty izay miboiboika avy any manentana anao hanao ny sitrapoNy.
34. ravakamalala
(
09/09/2009 16:00)
Efa nahita Helo angaha i Ravakamalala? Mba hazavazavao anie ny hitanao tamin'izany fa mba liana izahay.
raha tsy hita ve dia tsy inoana hoe misy?
36. soanja
(
09/09/2009 19:17)
ravakamalala:
Efa nahita Helo angaha i Ravakamalala? Mba hazavazavao anie ny hitanao tamin'izany fa mba liana izahay.
raha tsy hita ve dia tsy inoana hoe misy?
Raha tsy tsapa sy ahitana porofo ny fisiany dia heveriko fa tsy misy aloha.
Andriamanitra izao TSAPAKO ny fisiany. Ny porofom-pitiavany dia hita ombieny ombieny. Manao miracles amiko amiko matetika Izy. Ny Helo tsy mbola nahatsapa aho ary mbola tsy nahita porofo aho, izay efa nahita mba tantarao ny tsapa sy porofo. Ka asa raha efa nahatsapa ny HELO i Ravaka fa vonona tokoa aho hamaky azy eto.
37. Zina
(
09/09/2009 19:18)
Inona moa ny faniriantsika Xtianina
dia ny manara-dia an'i Kristy... izay no maha kristiana antsika...
manaiky azy ao am-po-tsika, ny mihaina azy ao am-pon-tsika ary manaraka ny didiny... sarotra izany rehetra izany raha voa tsy mi-surrender aminy isika... un point final
38. rakaroka
(
09/09/2009 20:17)
Tsy mahita valinteny mihoatra ny hoe TOKONY ho azo tarafina @ antsoina hoe Xtiana ny image du CHRIST !
´zay monja !
´zay monja !
39. simplex
(
09/09/2009 20:18)
razaka::)
==> Tena raha tanjona efa azo antoka tsy ho tratra ve dia mbola ezahina ihany? Tsy ohatra ny manao investissement avec assurance de perte ? Fa afaka miombona @ko sy ilay rahalahy anakiray izay i simplex, vavaka ho an\'ny fandriam-pahalemana eran-tany, sy ny mba handehanantsika @ fahamarinana isaka ny Alatsinainy maraina.
ka i toi anie efa teneniko hoe mivava hoahy ee ;-)