Ny fitsarana farany...
41. ikaretsaka
(
09/09/2009 16:05)
Dia aminao izany de zazakely isika? Tsy maintsy tantanana foana? De rahefa toy ny inona na sh'ovena vao tsary tantanana tsony?
42. ravakamalala
(
09/09/2009 17:58)
an an an, tsy zazakely ny sasany amintsika ka, misy ny mola zaza mbola miana mandeha dia matahotra ho bedy, fa misy kosa ny efa lehibe, ireo izay efa nandalina, sy namakafaka tsara ka tsy ny tahotra ny ho bedy tsony no mibahana ao aminy fa ny fitiavan tena fitiavana,
izay no mahatonga ahy miteny hoe tsy maninona aloha raha tahotra ny sazy no mahatonga hanao ny ratsy fa avy eo io miova eny ihany, ....raha ohatra koa ka te ho lehibe,....misy mantsy indrisy ny olona na dia efa 60 taona aza, ny age mental 6 ans.
:�)

43. cutie
(
09/09/2009 21:26)
Ny ahy aloha [rakapy), tena aleoko mieritreritra ny fiainako mandrakizay toy izay izao fiainana mandalo feno ota sy faharatsiana izao a!
de in fotsiny no ataonao eto an-tany :roll: :roll: :roll:
44. soanja
(
09/09/2009 22:33)
cutie:
Ny ahy aloha [rakapy), tena aleoko mieritreritra ny fiainako mandrakizay toy izay izao fiainana mandalo feno ota sy faharatsiana izao a!
de in fotsiny no ataonao eto an-tany :roll: :roll: :roll:
Izegny bohka e.
Io no olana goavana eto amintsika eto an-tany tamin'ny nisian'ny finoana Xtiana io na hafa; nomena laharam-pahamehana be loatra ny any ankoatra dia zary tsy hibanjina ity fiainana ity ho sombim-pitiavan'Andriamanitra isika. Ity fiainana ity no ilain'Andriamanitra hanaovantsika ny zavatra rehetra nandefasany antsika aty: hanaovantsoa, hizarana fitiavana, hiainana ara-pamendrehana ary hanomanana ny ho avy soa ny taranaka any aoriana. Ity fiainana ity no mila imasoana aloha satria rehefa milamina ny eto dia mandeha milamina ny manaraka. Io no efa averimberiny Ranadahy Ikaretsaka fa dia betsaka no mbola tsy mahita mahiratra e!
45. ikaretsaka
(
09/09/2009 22:57)
cutie:
Ny ahy aloha [rakapy), tena aleoko mieritreritra ny fiainako mandrakizay toy izay izao fiainana mandalo feno ota sy faharatsiana izao a!
de in fotsiny no ataonao eto an-tany :roll: :roll: :roll:
ko efa hoe mitsingongona sy mandrevirevy ny any andanitra any no atao eto ko
48. cutie
(
10/09/2009 00:08)
Io no efa averimberiny Ranadahy Ikaretsaka fa dia betsaka no mbola tsy mahita mahiratra e!:-D :-D :-D :-D
49. ikaretsaka
(
10/09/2009 00:36)
Cutie sy soanja ... misy le hira manao hoe..... miara miasa @ Jesoa zahay...manomana tany sy lanitra vao
51. Mandefitra
(
10/09/2009 10:10)
ika:
miara miasa @ Jesoa zahay...manomana tany sy lanitra vao
Toa tsy dia izay loatra ny tenin'i Jesoa ka, hoy Izy ao @ Jaona 14:
1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.
2 Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
Efa namboarin'i Jesoa ny fitoerana, ny adidiko sy ny adidinao dia ny mizotra mankany, ary mitaona ny namana ho any ....
52. fidinirina
(
10/09/2009 10:13)
cutie:
de in fotsiny no ataonao eto an-tany
Ny atao eto ambonin’ny tany dia ny manao ny sitrapon’Andriamanitra.
Raha mahatsiaro ianao fa tombony ho anao ny androm-pahavelomanao dia tsy ho lanilanianao foana izany fa entinao midera sy manompo an’Andriamanitra ary mizara @ hafa ; izany no antom-pisianao.
Romana 12.1 Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy "Na:fanompoam-pivavahana" mety hataonareo izany.
12.2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. "Gr, tanteraka"
12.3 Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
12.4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
12.5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
12.6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika; raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
12.7 raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana;
12.8 raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana.
12.9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsarambelatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
12.10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha làlana amin'ny fifanomezam-boninahitra.
12.11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
12.12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
12.13 Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
12.14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
12.15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
12.16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavona, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena hianareo "Na:manetre tena amin'ny malahelo". Aza manao ny tenanareo ho hendry.
12.17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra
12.18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
12.19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah" (Deo.32.35).
12.20 Fa raha noana ny fahavalonao omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha.25.21.22).
12.21 Aza mety ho resin'ny ratsy hianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
Matio 28.18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
28.19 koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
28.20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
53. ikaretsaka
(
10/09/2009 13:42)
le izy hoa ry fidy tsy ny fitanisana sy fanaovana pli vava kozin'i Paoly @ pokona tany @ renivohitr'italia tamin'izany andro izany akory no hoe fika fi recrutena "mpianatra"
Fa ny fizaranao hafaliana aminy na tsiky kely 1 aza sy ny fanokafanao ny valan-tsainy hianatra sy hamantatra zava baovao... any ny fiatombohany!
Tsary nitanisa pli vava tsimpona t@ testamenta taloha (satria izay no "baiboly" t@ izany) i Jesoa t@ naka ireo apostoly na eran'ny vavany aza. fa ny "Avia" no nolazainy , ary ny sasany aza no nanontany hoe "aiza ianao no mitoetra"!

55. soanja
(
11/09/2009 00:45)
ikaretsaka:

Namaste!
Mampatsiahy ahy ny tenin'i Rakoraka ity resakao eto ity ry Ika, hoy Rakaroka mantsy raha ny fahazahoako azy dia aza dia modely lava hoe olona iray iny dia iny no tanisaina fa mba ianao koa mamorona sy mampiseho ary mihetsiketseha: azo atao ny maka ohatra amin'ny hafa tsy voatanisa samy tsara aby ireo rehetra ireo matoa voafantina sy tiavina. Ianao aza isany amin'izay voafantina izany koa.
I Jesoa dia naka lalana hafa mihitsy nony nahafantatra ny fikan'i Jiosy momba ny finoana ary nanamboatra lalana vaovao ho antsika Izy hahafahantsika mivoatra sy mijery amin'ny lafiny isan-karazany ny fiainana.
56. cutie
(
11/09/2009 00:59)
tena tonga za de kivy be @ le tsimpona bdb ery ambony :-D :-D :-D
tokony ho io de vita ny valim-panontaniana :)
Mpandefa : fidinirina [ Valio ] 10-09-2009 12:13:43
Lohateny : Re : Ny fitsarana farany...
Hoy i cutie:
de in fotsiny no ataonao eto an-tany
Ny atao eto ambonin’ny tany dia ny manao ny sitrapon’Andriamanitra.
Raha mahatsiaro ianao fa tombony ho anao ny androm-pahavelomanao dia tsy ho lanilanianao foana izany fa entinao midera sy manompo an’Andriamanitra ary mizara @ hafa ; izany no antom-pisianao
tokony ho io de vita ny valim-panontaniana :)
57. cutie
(
11/09/2009 01:00)
Mampatsiahy ahy ny tenin'i Rakoraka ity resakao eto ity ry Ika, hoy Rakaroka mantsy raha ny fahazahoako azy dia aza dia modely lava hoe olona iray iny dia iny no tanisaina fa mba ianao koa mamorona sy mampiseho ary mihetsiketseha: azo atao ny maka ohatra amin'ny hafa tsy voatanisa samy tsara aby ireo rehetra ireo matoa voafantina sy tiavina. Ianao aza isany amin'izay voafantina izany koa.
I Jesoa dia naka lalana hafa mihitsy nony nahafantatra ny fikan'i Jiosy momba ny finoana ary nanamboatra lalana vaovao ho antsika Izy hahafahantsika mivoatra sy mijery amin'ny lafiny isan-karazany ny fiainana.
tokony asiana fijoroana vavolombelona zany eto raha zany :)
58. niryna
(
11/09/2009 05:05)
cutie:
de in fotsiny no ataonao eto an-tany
fidinirina:
Ny atao eto ambonin’ny tany dia ny manao ny sitrapon’Andriamanitra.
Raha mahatsiaro ianao fa tombony ho anao ny androm-pahavelomanao dia tsy ho lanilanianao foana izany fa entinao midera sy manompo an’Andriamanitra ary mizara @ hafa ; izany no antom-pisianao.
Romana 12.1 Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy "Na:fanompoam-pivavahana" mety hataonareo izany.
12.2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. "Gr, tanteraka"
12.3 Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
12.4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
12.5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
12.6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika; raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
12.7 raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana;
12.8 raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana.
12.9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsarambelatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
12.10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha làlana amin'ny fifanomezam-boninahitra.
12.11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
12.12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
12.13 Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
12.14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
12.15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
12.16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavona, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena hianareo "Na:manetre tena amin'ny malahelo". Aza manao ny tenanareo ho hendry.
12.17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra
12.18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
12.19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah" (Deo.32.35).
12.20 Fa raha noana ny fahavalonao omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha.25.21.22).
12.21 Aza mety ho resin'ny ratsy hianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
Matio 28.18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
28.19 koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
28.20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
misaotra fidy nizara an :-*
Tsy mora ny manaraka ireo fa ny finoana aminy sy ny fametrahana ny fiainana ho tantanany dia efa zava-dehibe izarana izany ny hafa
59. fidinirina
(
11/09/2009 09:53)
ikaretsaka:
le izy hoa ry fidy tsy ny fitanisana sy fanaovana pli vava kozin'i Paoly @ pokona tany @ renivohitr'italia tamin'izany andro izany akory no hoe fika fi recrutena "mpianatra"
Fa ny fizaranao hafaliana aminy na tsiky kely 1 aza sy ny fanokafanao ny valan-tsainy hianatra sy hamantatra zava baovao... any ny fiatombohany!
Tsary nitanisa pli vava tsimpona t@ testamenta taloha (satria izay no "baiboly" t@ izany) i Jesoa t@ naka ireo apostoly na eran'ny vavany aza. fa ny "Avia" no nolazainy , ary ny sasany aza no nanontany hoe "aiza ianao no mitoetra"!
Raha ny fahazoako ny foto-kevitr’i [ika] (mety ho diso aho) dia toa mametraka hoe sanatria efa lany andro ny baiboly ; satria tsy natao ho an’ny olona ankehitriny fa ho an’izay ao anaty baiboly ihany. Dia lasa koa ny eritreritro, fa maninona no mitombo ny olona liana @ io baiboly io ary araka ny fantatro dia io no boky be mpanana indrindra eto ambonin’ny tany.
Raha nampitahaiko @ boky nosoratan’olona, ohatra hoe Pythagore na Descartes na hafa koa, fa maninona koa ary ireny no mbola ampiasaina any am-pianarana nefa efa an-jato taonany lasa izao no efa nanoratana azy.
Dia mba nataoko ny famintinanaa ary hitako fa tsy misy boky lany andro fa izay voasoratra dia mitoetra mandrakizay. Ary satria marina no nosoratana dia Marina foana io mandrakizay - na any Italia na eto Madagasikara, na rahoviana na rahoviana ary na ho an’iza na ho an’iza.
Tamin'izany fotoana izany no nisafidian’Andriamanitra fa hanomezany ny teniny t@ alalan’ny mpaminany, nampidinany ny zanany hanatanteraka ny teniny, nanomezany hery ny mpianatra hampita ny teny @ olombelona rehetra. Tsarovy fa nandritry ny arivo taona mahery no fotoana nanoratana ny baiboly. Diniho fa nandritr’izany taona maro be izany tsy niova ny fahamarinana voalazan’io boky io hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Koa ankehitriny ve; satria ianao efa manana fahalalana hafa koa; dia heverinao fa efa diso ny voasoratra rehetra ao. Tsia
Tadidiko izahay fony tany am-pianarana nianatra hoe : avy any atsinanana no miposaka ny masoandro. Fa tsy hiova mihitsy izany mandrakizay satria marina !
Noho izany, araka ny voalazan’ny soratra masina :
Matio 24.35 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. (hoy Jehovah)
Salamo 119.160 Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. (Hoy Davida)
Jaona 8.51 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.
Efesiana 1.13 Ao aminy koa hianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,--eny, ao aminy koa hianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.
Kolosiana 1.5 noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,
Ary jereo fotsiny isika eto @ serasera, mety izaho sy ika no mifamaly resaka fa tsy midika akory izany fa natao ho antsika irery izy ity, misy olon-kafa mahita ny fifanakalozan-kevitra eto nefa dia mahatsapa koa izy, fa miatraika aminy ny teny ifampizarantsika. Ka tsy voalaza mihitsy hoe natao ho an'ny jiosy irery ihany ny baiboly, ka rehefa tsy hitanao ao ny anaranao dia tsy miantefa aminao ny teny
60. soanja
(
11/09/2009 10:02)
cutie:
Mampatsiahy ahy ny tenin'i Rakoraka ity resakao eto ity ry Ika, hoy Rakaroka mantsy raha ny fahazahoako azy dia aza dia modely lava hoe olona iray iny dia iny no tanisaina fa mba ianao koa mamorona sy mampiseho ary mihetsiketseha: azo atao ny maka ohatra amin'ny hafa tsy voatanisa samy tsara aby ireo rehetra ireo matoa voafantina sy tiavina. Ianao aza isany amin'izay voafantina izany koa.
I Jesoa dia naka lalana hafa mihitsy nony nahafantatra ny fikan'i Jiosy momba ny finoana ary nanamboatra lalana vaovao ho antsika Izy hahafahantsika mivoatra sy mijery amin'ny lafiny isan-karazany ny fiainana.
tokony asiana fijoroana vavolombelona zany eto raha zany :)
OA manja be ky njy!
:D :-* :-*