Ny fitsarana farany...

1. fidinirina ( 08/09/2009 10:11)

Mpitoriteny 12.14 Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.

Rehefa ho avy Jesoa Kristy, hiverina ka hiseho eny @ rahon’ny lanitra, dia hitsara ny olona rehetra Izy miaraka @ anjely. Io ny fitsarana ny olona farany ka hananganany ny fanjakana ety an-tany, tahaka izay efa any an-danitra, ary hamongorana ifotony ny devoly sy ny asa ratsiny rehetra izay mibodo ny tany. Ny bokin’ny Apokalypsy no mitantara efa ho @ antsipirihany ny zavatra hitranga rehetra.
Raisoko manomboka eo @ Apokaplyspsy 20 :12
20.12 Ary nahita ny maty aho (hoy Jaona), na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky araka ny asany.
20.13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita (Gr, Hadesy) namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.
20.14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita (Gr, Hadesy) dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.
20.15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.

21.1 Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
21.2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny.
21.3 Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra (Gr, hitoetra an-day) eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.
21.4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
21.5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty: fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.21.6 Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta.
21.7 Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.
21.8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.

Fanazavana :
Rehefa maty voalohany ianao dia midina any @ fiainan-tsi-hita ny fanahinao. Rehefa tonga Jesoa Kristy dia havoaka daholo ny rehetra handalo fitsarana araka ny asany avy. Raha nino an’i Jesoa ianao t@ androm-pahavelomanao dia omena endrika vaovao ny fanahinao, hitsangana, hoentiny miaraka Aminy ka hiara-manjaka Aminy ary miaina mandrakizay (vivre éternellement). Raha tsy nino sy nanaiky an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy zanany ianao dia efa maty ianao fa ho faty mandrakizay tokoa ary azera any @ farihy mirehitra afo (io no fahafatesana faharoa).
Anjaranao no misafidy (misafidiana ny fiainana) fa tsy nambaranao dieny mialoha ny andro sao manao kajy indray ny olombelona ka raha fantany ny fotoana dia hanao izy hoe : hatreto izahay manota ary rehefa eto izahay vao hibebaka. Araraoty ny ora ary manapaha-hevitra, raha mbola tsy mino, fa izay voasoratra tsy maintsy ho tanteraka satria tsy misy Andriamanitra mandainga sanatria.
novalian'i cutie ny 24/09/2009 19:00
2. rakapy ( 08/09/2009 11:32)
Ity misy fanotaniana.
Midika ve izany fa izay tsy KRISTININA (ireo mpino hafa) dia ho faty any @ ilay farihy afo?
3. cutie ( 08/09/2009 12:54)
rakapy
efa we ho an'Xstiana ihany reo koa, ze nanaiky ho xstiana sy nino sy nanaraka an'i Kristy no tsaraina tsara raha tena zay ny nataony t@ fiainany lol
4. rakapy ( 08/09/2009 13:14)
Cutie> Efa fantatro io valiteninao io fa mba te ahafantatra ny valitenin'i fidinirina aho @ maha xana azy.
5. cutie ( 08/09/2009 13:17)
efa hainao koa ny valin-teniny :-D
6. rakapy ( 08/09/2009 13:19)
Mety ho haiko nefa tsy ny xana rehetra dia mitovy fijery.
7. cutie ( 08/09/2009 13:23)
ngamba :D
8. rakapy ( 08/09/2009 13:32)
Raha hoe angamba ve tsy mampalahelo satria izy ireo dia nomen'A/tra saina handinika fa tsy hanara-drnirano toy ny trondro maty fotsiny? :-D
9. cutie ( 08/09/2009 13:53)
ka za ve mahalala :-D
10. ikaretsaka ( 08/09/2009 14:06)
Hoy I md augustin hoe ny lona tsy manan-katao @ ity fiainana ity no manahy sahady ny @ izany
11. rakapy ( 08/09/2009 15:38)
:-D Tena marina izany ry Ika! Misy ny olona sasany dia tena miandry sy maniry mafy dia mafy ny fiafaran'izao tontolo izao ity mihintsy ka manao ny fianana eto ho tsy misy dikany. Asa angaha ,natahon'izy ireo hoe tsy misy plan angamba A/tra raha nametraka antsika teto ambonin'ny tany.
12. ikaretsaka ( 08/09/2009 16:14)
Amiko manokana dia tsy ho be fanahiana ianao ary tsary hikorapaka @ zany raha toa ka vitanao sy ezahinao Ho lafatra araka izay tratry ny herinao ny lahasa sy izay tokony ataonao androany
13. ni81 ( 08/09/2009 16:24)
Tena marina izany ry Ika! Misy ny olona sasany dia tena miandry sy maniry mafy dia mafy ny fiafaran'izao tontolo izao ity mihintsy ka manao ny fianana eto ho tsy misy dikany. Asa angaha ,natahon'izy ireo hoe tsy misy plan angamba A/tra raha nametraka antsika teto ambonin'ny tany.
:) na andrasany io na tsia dia tsy maintsy misy fiafarany ny zava-drehetra.
14. rakapy ( 08/09/2009 16:35)
na andrasany io na tsia dia tsy maintsy misy fiafarany ny zava-drehetra

Fantatra fa samy ho faty avokoa ny olombelona rehetra. Nefa ny anareo dia atao sy irina ary dradradradraina fantratra ny andro ahafatesan' ilay olona.
Dia toy izany ity fiandrahandrana ny apokalipsy ity.
15. ikaretsaka ( 08/09/2009 16:36)
Fa tsy hoe nohon'ny tahotra an'io fiafarany io loatra no voatery hanatanterahana zavatra 1. Fa rehefa vitanao ara pitiavana sy mandry konsiansy ny raha 1..farany ou pas... avelao ho avy ze ho avy
16. ni81 ( 08/09/2009 19:03)
Fantatra fa samy ho faty avokoa ny olombelona rehetra. Nefa ny anareo dia atao sy irina ary dradradradraina fantratra ny andro ahafatesan' ilay olona.
Dia toy izany ity fiandrahandrana ny apokalipsy ity.
Tsy ho faty daholo izany ny olombelona rehetra e! Aiza ho aiza ao @ baiboly no misy milaza fa ho faty avokoa? :lol: Lazainareo sy dradrainareo fa be tsimpona mantsy dia aleo tsy maka toko sy andininy aloha.
Fa tsy hoe nohon'ny tahotra an'io fiafarany io loatra no voatery hanatanterahana zavatra 1. Fa rehefa vitanao ara pitiavana sy mandry konsiansy ny raha 1..farany ou pas... avelao ho avy ze ho avy
Fa maninona no tsy maintsy hatahotra moa? Fa angaha hitanao avokoa ny tao andohan'ny olona tsirairay? :)
17. ikaretsaka ( 08/09/2009 19:27)
amiko aloha ry ni matoa dradradradraina ny zavatra 1 de ao raha.. anisan'izay 'ao raha izay" ny tahotra ilay zavatra
18. ni81 ( 08/09/2009 19:35)
amiko aloha ry ni matoa dradradradraina ny zavatra 1 de ao raha.. anisan'izay 'ao raha izay" ny tahotra ilay zavatra
samy manana ny toe-piainany ny olona tsirairay fa tsy mitovy daholo ka! Misy ny katahotra, misy ny kanosa, misy ny mpaniratsira, misy ny mafy loha sns tsy ho tanisaina eto; dia toy izany koa ny karazan'olona mihaino sy mamaky an'io. Fa angaha moa io irery no zavatra dradraina anaty baiboly? Marobe dia marobe, fa misy odiana tsy re sy tsy vakiana koa aza.
19. ikaretsaka ( 08/09/2009 19:38)
ka matoa le izy tenenina hoe farandro farandro... tsy misy hafa @ le taxi borosy mitonddra toaka gasy de hoe misy zandarma ao misy zandarma ao
20. ni81 ( 08/09/2009 19:45)
ka matoa le izy tenenina hoe farandro farandro...
dia inona no olana raha tenenina foana? Mba lazaina @ olona tsy mahalala!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0462