Inona avy no tokony ho hain'ny lehilahy?

1. sitlo ( 04/09/2009 22:58)
Mety ho lava be valiny fa ny farafaharatsiny fotsiny angamb dia ampy. Mety hiankina amin'ny toerana koa ilay izy fa ndeha ho atao hoe lehilahy gasy.

Ireto no takatry ny saiko:
Mahay mitondra teny: indrindra famangiana manjo.
Mahalala toerana fitsangatsanganana vitsivitsy: Ampefy, Mantasoa, Ambatofitsy...
Somary maharaka politika sy tantara.

Ireo angamba tsy maintsy ananana an. Mety misy hafa tsy maintsy ve any?
novalian'i soanja ny 20/09/2009 13:22
2. ikaretsaka ( 04/09/2009 23:04)
misy passion koa... ohatra hoe tia bol na sports, mahay ireny karakaratra ireny (tsy voatery hoe loka fa le mna misy atokona) , mahay mikitika zava-maneno na mekanika kely na fakantsary na raha tahaka izany e, na biby na zava maniry fara faharatsiny...
3. simplex ( 04/09/2009 23:47)

mahay mikarataka, genre debrouillard...
4. ndyfanie ( 05/09/2009 06:30)
za tsy lehilahy fa vehivavy a!
ny lehilahy dia tokony ho clé molety raha ny fahafantarako azy
nefa ny lehilahy tena mahafinaritra dia sportif
5. peta83 ( 05/09/2009 07:03)
dia ahoana zany ny lehilah'anay otran tsy de tia sport lotra :( :( :( de ratsy ve ????? 8O 8O
6. Envy7 ( 05/09/2009 08:38)
Raha mipetraka ny blem,manana solution 10 farafahakelezany.
7. ari.malala ( 07/09/2009 07:08)
mahay mahandro :-P
8. Mirananirina ( 07/09/2009 09:14)
Ny lehilahy anie mahay ny rehetra eh!afatsy ny raharaha ao antrano ihany.Manasa vilia sns....,misy koa anefa ny tena mahay an!Ary ianareo ve mahay mampiaraka??hihihi :lol:
9. xxx ( 08/09/2009 10:58)
Mirananirina:

Ny lehilahy anie mahay ny rehetra eh!afatsy ny raharaha ao antrano ihany.Manasa vilia sns....,misy koa anefa ny tena mahay an!Ary ianareo ve mahay mampiaraka??hihihi :lol:


Na ny raharaha ao an-trano aza tokony ho hainy fa tsy te-hanao fotsiny izy

Ny mitomany ihany no tokony tsy ho hainy
10. crasoa ( 08/09/2009 12:11)
ny lehilahy mahay ny rht fa kamo fa ny tokony ho ainy lhl de reto:
manasa silipo ,ba kiraro, mikarakara ny vatany fa tsy miandry olona
ny hoe manamboatra zavatra toy ny rafitra ny mahandro de hainy lhl fa tsy te hanao izy zay . ny resaka oe famangina manjo indray tsy voatery ahay izany ny lhl fa arakarak io. ny vadiko zao le lohana mbandy be reny de tsy te hisatimaka amzany. nefa ny elanelantaonanay be fa mbola za no mteny refa misy ale oh oe: namangy ny namany teraka zay de za no mteny fa ny azy tonga de oe aona zany le bandikely ao na hoe niampy ndray zany ny sipa kotina hihihi :-D :-D :-D :-D
11. booboo ( 08/09/2009 14:26)
- mahatsindry fo sy tony raha sendra sanatria misy voina, loza tampoka n'aiza² eny am-pandehana eny ( na ao an-trano aza ).
12. ni81 ( 08/09/2009 16:27)
Ny mitomany ihany no tokony tsy ho hainy
:lol: :lol: :lol: Aleo izy mba hitomany koa!
13. Papoose ( 08/09/2009 17:27)
mba mahay manan ko :D
14. ikaretsaka ( 08/09/2009 18:04)
fa rehefa tena tonga tokoa ny tokoa ka tsy maintsy hatao de hain ny lehilahy ho azy ihany ny rehetra ka :-D m,ba kozy e.. fa matoa izy izay tsary mbola manao de misy hafa manao azy eo @ place-ny eo

par contre ny vehivavy misy ny sasany mahay...misy ny sasany minanaka rehefa tokoa ny tokoa...
ohatra hoe asaivo manolo pneu vaky any an-tampon'i Horombe @ andro alina anie ny vehivavy raha tsy tsimponina@ ratsantanana ny hanao sy ny hahavita e
fa ny lahy raha asam-behivavy ka tsy maintsy hoe atao.. vitany iny fa a sa facon :-D
15. Papoose ( 08/09/2009 20:09)
anjay kosa ry ika, ny manikiranay natao lafo be ary veeee dia ho ruinena @ fanoloana pné. :-P nefa aia ko moa ahatongavako any an-tampon-kavoana any! :^)
16. ikaretsaka ( 08/09/2009 23:07)
azo atao tsara izany ka.. ohatra hoe rehefa any tana de mandeha vam de rehefa tonga any de degonfleko ny pneu 1 de lasa aho de eo ianao.. jereko raha mahavita tena
17. Papoose ( 08/09/2009 23:16)
dia hijery an'izay fotsiny ve no handehananao hanaraka ahy any? tssss :-D tsy aleo vitaina etsy an-tampom-piakarana??? :lol:
18. soanja ( 09/09/2009 02:52)
sitlo:

Mety ho lava be valiny fa ny farafaharatsiny fotsiny angamb dia ampy. Mety hiankina amin'ny toerana koa ilay izy fa ndeha ho atao hoe lehilahy gasy.

Ireto no takatry ny saiko:
Mahay mitondra teny: indrindra famangiana manjo.
Mahalala toerana fitsangatsanganana vitsivitsy: Ampefy, Mantasoa, Ambatofitsy...
Somary maharaka politika sy tantara.

Ireo angamba tsy maintsy ananana an. Mety misy hafa tsy maintsy ve any?


Ny zavatra tena hitako tsy maintsy hain'ny lehilahy dia ny fahafantarana/ mamaky hoe inona no mety ho hafaliam-po/ manome fahafaham-po ny vehivavy izay vadiny na ho tiany ho vadiana, satria miankina amin'io ny fampisosana ny tokatrano raha hanorina na manana tokatrano ilay olona: ohatra lehilahy mahay mitady vola, manana passion eo ambony fandriana, tia zavakanto, tia karokaroka fahalalana manitatra sy mikirakira fitaovana ilaina andavanandro ao an-trano, maharaka ny zavamisy ary mahay mitsinjo ny ho avy.

Isan'ny zava-dehibe tokony hananan'ny lehilahy koa dia ny fahafahana miaro ny tokatrano na ny olona ao anatiny raha sanatria ka misy fahatampohana na voina na herisetran'ny hafa. Lehilahy manana fahasihiana ho faty ho an'ny taranany. Noho izany dia tokony hahay iray amin'ireny arts martiaux ireny izy na mahalala mampiasa fitaovana entina hiarovana ny tokatranony.

Ary farany avy amiko dia lehilahy tia zaza. Rehefa tianao ny zanakao dia hainao ny miezaka manala ny fitiavan-tena isankarazany izay mianjady tokoa amin'ny fianakaviana Malagasy maro.


19. Envy7 ( 09/09/2009 11:08)
mahay mapiteraka and-Ramato,raha sendra ny patsa iray tsy homby vava,fa tsy laozana torakovitra,mipararetra eo fotsiny. :-w
20. Mirananirina ( 09/09/2009 11:15)
mahay mapiteraka and-Ramato,raha sendra ny patsa iray tsy homby vava,fa tsy laozana torakovitra,mipararetra eo fotsiny.
Enga anie ho tanteraka izany.Fa tena tsara tokoa no mahafinaritra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4477