Misitery ny fiainanao ra-Malagasy
21. Bazily
(
03/09/2009 13:44)
FA IANAREO VE MINO INONA EEEEEEE§ (comme noue e!!!) mino anan'ANDRIAMANITRA sa mino mistery????? Efa 2009 ve dia mbola be doute daholo ihany hoe handeha hino an'iza sy iza fa tsy mahalala na dia nianatra sy nandalo tanana maro aza???? avelako eo izany raha izany fa ny finoanoampoana dia tsy handaitra amiko velively!!!!
TSY MANDAITRA AMIKO IREO NA DIA HANDEHA HATR@ LOHAaza!!!!!
Tsy azoko le olana eo aminao ry xxx , io efa tsy fahaizanao mandray dinika hatraty ka hatrary. Eto anie eritreritra miainga e! dia samy mitantara ny efa henony sy hitany hoe misy manao an'izao hono. Tsy midika finoana na fatahorana ny ho voany fa mba mitantara. Efa zatra manenjika resaka ary @ politika dia aty koa no mivatravatra.
25. ravonjison
(
03/09/2009 15:13)
Papoose:
andrebabe!
Tena tsy tadidiko ry papoose, Andrebabe sa Andrebakely ilay izy ? Ny iray @ ireo tanána normal , fa ny iray no tanána misy zavamiafina ( araka ny filazan' ny olona aloha e, fa izaho tsy mino izany mihintsy e ).
28. Papoose
(
03/09/2009 18:18)
ravonjison, rehefa avy nanaraka an le sonema gasy iny za vao koboko koa aza io!!!
32. soanja
(
04/09/2009 01:07)
Ny Njarinintsy dia mitovitovy fiseho amin'ny Ambalavelona ihany. Ody ratsy ataony olona hono no azahoana azy. Raha misy olona te hanisy ratsy olona iray dia mankany amin'ny mpanao ody izy, dia io mpanao ody io no mametraka ilay ody eo amin'ny lalan'ilay olona asian-dratsy. Matetika dia tovovavy no voany satria ireo no matetika tsy manaiky hiaraka amin'ny lehilahy izay mila azy. Tezitra ity farany dia manisy ratsy ilay tovovavy.
Ny fisehony:
Somary mahatsiaro mangatsiaka ilay olona, avy eo mangovitra, dia mihamena ny masony no miherikerika, somary mitomany moramora avy eo amin'izay mikiakiaka ka iny dia rifatra tsy tana intsony. Indraindray na tokotany avo be aza dia vitany ny mihoatra an'iny. Ny tenako dia efa nahita fa trano misy rihana telo tonga dia itsambikinany avy any ambony nefa tsy tapaka izy ary tsy potraka fa lasa ihany mitady toerana ivoahana. Aiza ny tiany aleha? any an-dranomasina hono. Ka raha vao manitsaka ranomasina hono ilay olona dia maty. Efa be hono ny maty nanitsaka ranomasina fa tsy mbola nahita aho aloha.
Matetika dia misy manenjika ilay zaza rehefa voan'izany ary matetika dia tratra ihany raha ny tao ampianaranay no resahiko. Avy eo felahana mafibe izy dia taitra ary folahana mafy ny ankihibeny. Mihena ny fikiakiahana ary mitomany moramora izy dia milamina amin'izay. Matory toy ny tsy teo indray, ka rehefa tairany dia toy ny ankizy rehetra ihany. Tsy mahatadidiy izay nanjo azy.
Mankany amin'ny tromba hono no fanalana azy. Ary be no tany fa sitrana tokoa satria tsy mihetsika intsony izay nilaza fa tany. Matetika dia miara mihetsika ilay izy ka ankizy iray no voa dia mihetsika daholo ny an'ny hafa, eo vao tena sarotra ny raharaha satria tsy misy fianarana vita moa samy enjehina daholo ny babaiso rehetra.
Mampalahelo e. Izay no tany. Taty afara raha nanao fanadihadihana aho dia nilaza ny olona fa karazana trade ihany io na varotra. Misy ny mpampiditra njarinintsy ary misy ny mpanala azy mahay ary samy mahazo vola daholo izay antokon'olona izay.
Atao akory fa olombelona isika!

33. crasoa
(
04/09/2009 06:12)
za ry reto mino fa misy ny sasany amnio a za aty amfartany zao no mpetraka fa ny ahy de hoe andriamanitra no mehefa ny zavatra rht .ka tsy zay zavatra vitany tanany any no hantenainy hitaridalana azy tsy haoako .
lay njarinintsy io toy ny ambalavelo ao tana le hoatrany adala iny fa misy aty amnay sambava. koa misy ireo fa miaankina amtoetsainao fotsiny .tsy ny gasy rery nge no manao fa na i japon efa mandroso be io aza e! ok.

34. soanja
(
04/09/2009 06:29)
Bazily:
BadriiIo Badrii io toa ody gasin'ny kômorianina izy io kou!
Aty Majungà tena bdb ny manao an'io, vao misy fananana kely very dia efa anaovana badrii
Al badir angamba no nahatongavan'io teny badrii io raha tsy diso aho satria ny al badir dia teny arabo. Ny dikany mety hoe arovan'ilay avo raha tsy diso aho.
35. ni81
(
04/09/2009 06:36)
Io Badrii io toa ody gasin'ny kômorianina :lol: izy io kou!tokony hoe: odin'ny komorianina fa tsy ody gasy
Aty Majungà tena bdb ny manao an'io, vao misy fananana kely very dia efa anaovana badrii
36. Bazily
(
04/09/2009 07:49)
tokony hoe: odin'ny komorianina fa tsy ody gasy:-D :-D :-D
Io le kisangisangin'ny ankizy ry ni81 hoe : mba manao ody gasy koa ve ny vazaha? Efa hay fa vazaha mbola ody gasy. Isika gasy manko mankalaza tena @ fahaizana ody io.