Tsy misy fitaka mihoatra ny ....finoana kristiana

1. tsimiandravola ( 01/09/2009 20:54)
niryna tatsy ambadika:
Inona no efa nitranga taminareo ,ny ahy izany an ....!
Mety misy namana efa nisy zavatra nitranga taminao angamba ...
Ny ahy indray izany dia tsy dia tena hoe zava-dehibe akory fa mba nahavariana ahy fotsiny ilay fomba ataon'ny olona andresena lahatra anao amin'ny lainga toa nitombona kanefa tena fitaka.
......Nony tonga tany an-trano koa izahay ity, dia nosokafana ilay fonony fa hoe tonga dia ambolena.Inona no teo,tsy nisy fakany na iray aza.Ireo notenenina hoe atao ao anatin'ny rano dia hoe hisy fakany rehefa herinandro mahery,nasiso be ary nariana fotsiny.
Aza mieritreritra isika fa ho faty antoka amin'ny fitapitaka madinika.Na dia maro aza ireny dia antenaina fa tsy manindroa matetika loatra.Fa ny tena loza dia ilay fitaka be vava izay mandany ny andron'ny "citoyen":tsy inona izany fa ny finoana.Lany ao amin'ny finoana fotsiny ny energie rehetra ,ny harena sns...dia ry Mahiol no manana 4x4 miisa maherin'ny 70, ohatra fotsiny io fa mbola aiza ny harenan'dry zareo atsy firenen-kely tsy tononina aty Italia atsy!

Ny ahy aloha dia izany no fitaka mba tena tsy matiko lolo ,ary tena mifandraika mihitsy anmin'io filazan'i Niryna azy io manao hoe:

"fa mba nahavariana ahy fotsiny ilay fomba ataon'ny olona andresena lahatra anao amin'ny lainga toa nitombona kanefa tena fitaka."

Ny nahasamihafa azy fotsiny dia tsy variana fotsiny aho donafako mihitsy fa dia ialan-tsiny.
novalian'i Fody ny 09/09/2009 20:59
2. soanja ( 02/09/2009 00:36)
Amiko dia ny saintsika ihany no mamitaka antsika.

Maro tokoa ny olona mahazo fahasoavana amin'io finoana io ary ao koa ireo izay mijaly noho io. Izany rehetra izany no mitranga dia ny ao anatintsika mampifandray antsika amin'ny ety ivelany ny olana fa tsy ny zavamisy eo amin'ny manodidina.

Nisy ireo finoana satria misy olombelona mila azy!
3. cutie ( 02/09/2009 02:39)
Izany rehetra izany no mitranga dia ny ao anatintsika mampifandray antsika amin'ny ety ivelany ny olana fa tsy ny zavamisy eo amin'ny manodidina.

ekena

Tsy misy fitaka mihoatra ny ....finoana kristiana
:)
tsy le finoana loatra ny olana fa le olona mampiasa azy sy mandika vilana azy handrebirebena oul fotsiny :-D
4. Veloo ( 02/09/2009 03:20)
tsy le finoana loatra ny olana fa le olona mampiasa azy sy mandika vilana azy handrebirebena oul fotsiny

aleo valin'i cutie tsara :-* :-* :-* :-*
5. majesty ( 02/09/2009 04:19)
Tsy ny finoana an'Andriamanitra no ratsy fa ireo olona izay mi-commercialiser azy ho fitadiavana ny tombotsoan'ny tenany manokana.

Tsy hoe koa olona iray no nangalatra akoho tao Alasora dia ny vahoakan'Alasora renivohitra no lasa mpangalatra akoho daholo,ary ny fahendrena malagasy ary dia milaza hoe ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha,ary ny saonjo iray lohasaha tsy ilazaon'izay anankiray hamarara.

Fa tsy misy fitaka mihoatra ny hoe tsy nisy nanamboatra izao tontolo izao fa tongatonga ho azy sy ny hoe ny nampisy ny olona dia avy amin'ny fivoarana miandalana avy @ rajako.

Fa tsy misy fitaka mihoatra ny hoe ....tsy misy Andriamanitra. Hoy ilay olona anankiray izay hoe raha vao mijery an'ireny trano lehibe maro rihana ireny aho dia fantatro fa tsy tongatonga ho azy teo io fa nisy namorona,ary toy izany koa izao tontolo izao,ny tendrombohitra,ny lohasaha,ny zava-maniry sns tsy isalasalana fa nisy Atra namorona ireo.
6. niryna ( 02/09/2009 06:05)
majesty:

marina izany

Fa tsy misy fitaka mihoatra ny hoe ....tsy misy Andriamanitra. Hoy ilay olona anankiray izay hoe raha vao mijery an'ireny trano lehibe maro rihana ireny aho dia fantatro fa tsy tongatonga ho azy teo io fa nisy namorona,ary toy izany koa izao tontolo izao,ny tendrombohitra,ny lohasaha,ny zava-maniry sns tsy isalasalana fa nisy Atra namorona ireo.

=D> =D> ^:^ ^:^ manan-karena am-panahy izy ireo no voa maika manan-karena koa satria miroborobo ny fahasoavana nomen'Atra azy ireo.
tsy mino an'Atra izy satria tsy mbola tonga ny antsony no sady manamafy ny fony koa izy ka ,raha misy Atra maninona no misy ny ratsy,io dia efa fanaporofo fa tsy mino izy ,ny tenin'Atra anefa manambara fa na dia kely toy ny voatsimperifery aza ny finoana dia ho ngeza tokoa izany
Inona no olana hoy majesty? tsy manan-kalahatra ry zareo dia mitady zavatra anaporofoana an'Atra foana satria tsy hery ,tsy tanjaka,tsy fahalalana ,tsy fahaizana fa fahasoavana nomena antsika io ka mino azy isika dia hiroborobo izany fahasoavana izany
7. rakapy ( 02/09/2009 08:24)
Hoy Majesty

Fa tsy misy fitaka mihoatra ny hoe tsy nisy nanamboatra izao tontolo izao fa tongatonga ho azy sy ny hoe ny nampisy ny olona dia avy amin'ny fivoarana miandalana avy @ rajako.

Ka tsy mitovy ihany ve izany e! samy mpamitaka! fa farafaharatsiny ilay fivoaran'ny olona avy @ rajako mba misy fanam-porfona mazava? Toy izay ity resaka Adama sy Eva sy ny voakazo voarara ity! Tsy fantatra hoe taiza ho aiza ilay saha, tsy nahitana trace na dia kely aza ny momba azy ireo.
Tsy hoe koa olona iray no nangalatra akoho tao Alasora dia ny vahoakan'Alasora renivohitra no lasa mpangalatra akoho daholo,ary ny fahendrena malagasy ary dia milaza hoe ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha,ary ny saonjo iray lohasaha tsy ilazaon'izay anankiray hamarara

Tsy hoe i Alasora iray tanana no lazaina fa mpangalatra akoho angamba no fanoharana tsara . Tsaratsara aminao angamba ny manao firavaka volamena mirenireny eo Analakely dia ho fantatrao ny tiana ambara. Nefa tsarovy fa tsy Analakely iray vohitra anie no mpanendaka e! misy mpitory baoboly an-tsena koa ao!

Ny tian'ny mpamorona dinika ahatongavana angamba dia ny hoe maro be ireo mpitatavana haren'olona tsy manan-tsiny avy @ anaran'i jesosy sy A/tra.

8. tsimiandravola ( 02/09/2009 09:39)
majesty:

Tsy ny finoana an'Andriamanitra no ratsy fa ireo olona izay mi-commercialiser azy ho fitadiavana ny tombotsoan'ny tenany manokana.

Tsy hoe koa olona iray no nangalatra akoho tao Alasora dia ny vahoakan'Alasora renivohitra no lasa mpangalatra akoho daholo,ary ny fahendrena malagasy ary dia milaza hoe ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha,ary ny saonjo iray lohasaha tsy ilazaon'izay anankiray hamarara.

Fa tsy misy fitaka mihoatra ny hoe tsy nisy nanamboatra izao tontolo izao fa tongatonga ho azy sy ny hoe ny nampisy ny olona dia avy amin'ny fivoarana miandalana avy @ rajako.

Fa tsy misy fitaka mihoatra ny hoe ....tsy misy Andriamanitra. Hoy ilay olona anankiray izay hoe raha vao mijery an'ireny trano lehibe maro rihana ireny aho dia fantatro fa tsy tongatonga ho azy teo io fa nisy namorona,ary toy izany koa izao tontolo izao,ny tendrombohitra,ny lohasaha,ny zava-maniry sns tsy isalasalana fa nisy Atra namorona ireo.

Efa nomarihiko teto ity fiheverana ity tny aloha tany,fa saingy efa ela,ka hadinonareo angamba.

Raha dinihina ny valitenin'i Majesty dia tsapa fa mieritreritra izy (i Majesty) fa ATHÉE i Tsimiandravola,ary koa EVOLUTIONISTE.
Miala tsiny fa diso be.Tsy athée aho ,fa Sceptique.Mety misy angamba ny Andriamanitra (Singulier na pluriel) fa tsy misy afaka milaza fa itsy no Atra na iroa.Ny zavatra azo porofoina fotsiny dia ity (ary n'iza n'iza dia afaka manaporofo an'izany):TSY NY ANDRIAMANITRY NY MONOTHEISTE NO ANDRIAMANITRA, tsy i JEHOVA no izy. Ary tsy i JESOA koa no izy.Tsy i MAHOMET,..Ary eo ny FITAKA bevava no mipetraka fa tsy aiza akory.

Ny mampalahelo dia maro no manampi-tsofina,manampi-maso..(..mba tsy ahitana amin'ny intelligence humaine ny fahamarinana) amin'ny alalan'ny obscurantisme mystique sy ny sophisme isankarazany.Vao manokatra baiboly fotsiny ianao dia tsapanao izany raha sokafanao ny masonao.

Misaotra antsika!

9. ni81 ( 02/09/2009 09:47)
tsy i JEHOVA no izy. Ary tsy i JESOA koa no izy
dia iza ilay anarany?
10. tywa68 ( 02/09/2009 10:41)
Tsimiandravola > fitaka hoy ianao ? aza adino kely ry namana f'io finoana an'Atra io d fanomezana avy any Aminy, fa matoa enao mandà mandray zany d safidinao zay. Mivavaka ho anao ihany zahay satria tsy misy olona tiany haka sisiny zany fa tiany dhl isika n'inn2 anarana omenao Azy. Ny ety an-tany no ezahina mba ho fifaliana sy fitiavana satria fandalovana ihany...ho an'ny kristianina d ny fiarahana @ i Tompo any aoriana no tena tsinjovina satria zay lay nampanatenàny, fa kosa tsy maintsy manaiky aloha hoe mino azy sy ny fampindra-pò-ny ary mibebaka sy manova ny tsy mety mandra-pahatongan'zay fotoana zay.

Homba antsika mianakavy anie ny Tompo :wink:
11. rzakarivola ( 02/09/2009 12:06)
rakapy:
Ka tsy mitovy ihany ve izany e! samy mpamitaka! fa farafaharatsiny ilay fivoaran'ny olona avy @ rajako mba misy fanam-porfona mazava? Toy izay ity resaka Adama sy Eva sy ny voakazo voarara ity! Tsy fantatra hoe taiza ho aiza ilay saha, tsy nahitana trace na dia kely aza ny momba azy ireo.

==> Ho ahy anefa dia mazava ny famoronana tantarain'ny Baiboly, ary manazava ny ahiahy siantifika rehetra : Rehefa nihinana ny voankazo voarara i Adama sy Eva dia (maty ary) fepetra roa no noraisin' Andriamanitra (hamerenana aminy sy ny taranany ny fiainana efa very) :
1- NampitafiaNy hodi-biby (vétus de corps animaux) ... izay no mahatonga ny olombelona hanana vatana toy ny biby, ary ny rajako ngamba no manakaiky izany vatana izany. -- Raha rajako no nivoatra ... maninona no ny sasany ihany no nivoatra fa ny sasany, na dia ny fitenin' olombelona aza tsy hainy hatr@izao ? --
2- NoroahiNy hiala tao @ Saha Edena : dikan'izany, ivelan'ny Saha Edena no misy ny olombelona ankehitriny. Tsy ety @ity misy antsika ity mihitsy izany.
Tsy manery anao hino ny Baiboly akory aho, fa manazava aminao izay noraisiko tamin'i Jesosy.

rakapy:
Ny tian'ny mpamorona dinika ahatongavana angamba dia ny hoe maro be ireo mpitatavana haren'olona tsy manan-tsiny avy @ anaran'i jesosy sy A/tra.

==> Marina ihany izany, nefa ny olona mkatsaka an' Andriamanitra @ fony dia hahita an'i Jesosy. Omeko ohatra vitsivitsy ianao :
1- Misy ny vola sandoka, saingy tsy mahasakana ny olona tsy hampiasa vola izany.
2- Misy miangatra ny arbitre matetika, saingy tsy mahasakana ny olona tsy hijery baolina izany.
3- Misy manendaka eny an-tsena, saingy tsy mahasakana olona tsy ho any an-tsena izany.
4- T@ grevy teto @ tanàna ireny, nisy ny kitifitifitra, nisy foana ny naratra be, maty, saingy tsy nahasakana ny olona tsy handeha higrevy izany, na dia ireo mpivarotra aza efa sady miferin'aina, kanefa tsy nahasakana azy ireo tsy hivarotra izany.
Raha mikatsaka ny marina @ fony ny olona, tsy mahasakana azy hitady an' Andriamanitra ny fisian'ireo mpamitaka maro. Ary moa tsy efa nampitandrina ny amin'izany i Jesosy ? Tsy vao mainka ve porofo izany fa marina ny teniNy ? Ary ny TeniNy dia Izy mihitsy.
12. bichette ( 02/09/2009 12:11)
:^)
13. rzakarivola ( 02/09/2009 12:16)
tsimiandravola:
Tsy athée aho ,fa Sceptique.Mety misy angamba ny Andriamanitra (Singulier na pluriel) fa tsy misy afaka milaza fa itsy no Atra na iroa.Ny zavatra azo porofoina fotsiny dia ity (ary n'iza n'iza dia afaka manaporofo an'izany):TSY NY ANDRIAMANITRY NY MONOTHEISTE NO ANDRIAMANITRA, tsy i JEHOVA no izy. Ary tsy i JESOA koa no izy.Tsy i MAHOMET,..Ary eo ny FITAKA bevava no mipetraka fa tsy aiza akory.

==> Afaka omenao ve ilay porofo. Izaho na dia fony tsy mbola nino an'i Jesosy aza dia efa nino fa tsy possible ho betsaka izany Andriamanitra izany fa iray ihany, ny tiako tenenina eto dia ny hevitra tahaka ny mythologies greco-romaine. Voasoratry ny Baiboly ihany hoe "ELOHIM", saingy notion hafa io fa tsy tahaka ireny.
Izaho koa mba sceptique tahaka anao taloha, fa ankehitriny dia ananako porofo ny maha Andriamanitra an'i Jesosy.

tsimiandravola:
Ny mampalahelo dia maro no manampi-tsofina,manampi-maso..(..mba tsy ahitana amin'ny intelligence humaine ny fahamarinana) amin'ny alalan'ny obscurantisme mystique sy ny sophisme isankarazany.Vao manokatra baiboly fotsiny ianao dia tsapanao izany raha sokafanao ny masonao.

Misaotra antsika!

==> Masom-panahy no tianao tenenina eto e? Jesosy efa niteny fa mila tonga tahaka ny zaza izay vao afaka handray ny fanjakàn'ny lanitra (= fahafantarana an' Andriamanitra sy Jesosy). Mety ho hoy ianao hoe : "izany ve tsy fandemen-tsaina sy fanerena?", fa izhao hilaza hoe, milaza ianao fianarana na inona na inona eto an-tany, raha nisy tonga dia nazavaina taminao ny zavatra rehetra, fa tsy maintsy noraisinao sy nekenao fotsiny aloha tany am-boalohany, fa rehefa zatra nampiasa azy ianao dia nanomboka nahazo. (Ohatra ny alphabet, ny fanisana, ny table d'addition, division, ... sns). Dia tahaka izany ny fahalalana an' Andriamanitra, mila manaiky izay fampianarana nomena anao aloha ianao @ voalohany, pratikenao araka izay nampianarana anao, fa ianao ihany no hahatsapa avy eo na fahamarinana na tsia izany.
Tsy maninona koa raha scepticisme nenao, fa meteza hitsara marina : il faut étre sceptique sur ton scepticisme aussi!
14. simplex ( 02/09/2009 12:27)
Bedabe ny antony hanaovana zavatra iray na tsia. Fa rehefa izay no tanjona dia mahita ho lazaina foana ny ol.
Ny an'i Tsimiandravola zao dia hoe tsy mino an'A/tra. Ny hoe krisitianina sy ny sisa dia resaka manodidina fotsiny :)

ka zao ary,
ra mila lojika tsotsotra toi @ hoe manina no mino dia izao: Eny zon'ny tsirairay ary fientanam-po manokana an'ny tsirairay ny hoe mino fa misy A/tra. Tsy misy profo ara-tsiantifika koa hoe tena misy A/tra satria raha misy phenomene tsy voazava ara-tsiantifika mitranga (antsoin'ny mpino hoe miracle mon ami) dia azo lazaina ara-tsiantifika koa fa mbola tsy fantatra fotsiny ny antony fa tsy midika izany akory fa hoe tsy misy antony ao. Ny fanaporofoana avy @ baiboly moa dia tsy mandaitra avy hatrany ra tsy mino hoe tenin'i A/tra no ao @ baiboly.

Tsy mino koa i toi fa mety misy ny fiainana ao arinan'ny fahafatesana, tsy voatery hoe fiainana toy izao iainantsika izao fa na izany aza misy zavatra mitranga ee. Satria mbola tsisy ol jokotra,niverina avy any hoe otran'zao no tena fandehany. Na nisy aza, tsy afaka nanaprofo.

Ekena, marina doly izany fa ny tena marina alohan'zany koa dia mande @ sens inverse koa le ilay tsy fahalalana. Hoe ra toa ka tsy misy profo fa tsisy A/tra, tsisy ny paradisa, tsy midika izany fa tsy misy izy ireo.
Ny lojika izany dia hoe aleo mipetraka @ "safe side", na malina aza mifehy hazo tokana. Raha mino toi, mety mba ho any @ ilay paradisa raha misy tokoa izany. Raha tsy misy moa dia efa tsy misy raha teo ka.

Izay anie no tena difference @ ol agnostika sy atheist e. Ny iray miteny hoe mbola tsy fantatra doly ny zavatra rehetra ka aleo manaiky ny hita ary mino ny tsy hita. Ny iray tonga dia bontolo be fotsiny hoe tsy misy an'zany.

Ny difference @ agnostika sy ny ol mpino (Xana, bodista, hinduista,...) indray dia ireo mpino manana besoin hanaraka ideolojia iray, hanaraka rituelle sy ny hoe hande hivavaka isak'alahady na andro hafa. Zany hoe manana besoin hanao tro be loatra an'le fanompoana le mpino.

Eto indray dia safidy manokana an'ny tsirairay io. Tsy voatery miditra ampiangonana i toi. Za zao tsy mande mivavaka rehefa misy zavatra ataoko na hoe misy antony goavana na hoe tsy tafafoha... Sinon, ra tsisy atao, in no manakana tsy ande, na dia ny hoe miova rivotra fotsiny aza.

Tsy voatery mandrotsaka rakitra ihany koa. Raha mahita clochard eny andalana dia iny tonga dia omena vola na sakafo na akanjo.

Tsy voatery mivavaka mintsy koa ary. Fa raha ohatra ka mahatsapa toi fa misy zavatra tsy voazava na hoe misy possibilite hoe misy etre ambony noho ny ambony mety afaka nanao an'zao. Raha mihaino ahy izy, in no mba ho lazaiko azy?

mazava ve? :P

;-)
15. cutie ( 02/09/2009 12:32)
Izaho koa mba sceptique tahaka anao taloha, fa ankehitriny dia ananako porofo ny maha Andriamanitra an'i Jesosy

omeo aza ny porofo :wink:
16. ni81 ( 02/09/2009 12:47)
fa mbola aiza ny harenan'dry zareo atsy firenen-kely tsy tononina aty Italia atsy
Ilay firenena kely lazainao io indray tsy ahantra mihitsy ka! vao maika hitombo aza ny hareny...( )
Tsimiandravola > fitaka hoy ianao ? aza adino kely ry namana f'io finoana an'Atra io d fanomezana avy any Aminy, fa matoa enao mandà mandray zany d safidinao zay. Mivavaka ho anao ihany zahay satria tsy misy olona tiany haka sisiny zany fa tiany dhl isika n'inn2 anarana omenao Azy. Ny ety an-tany no ezahina mba ho fifaliana sy fitiavana satria fandalovana ihany...ho an'ny kristianina d ny fiarahana @ i Tompo any aoriana no tena tsinjovina satria zay lay nampanatenàny, fa kosa tsy maintsy manaiky aloha hoe mino azy sy ny fampindra-pò-ny ary mibebaka sy manova ny tsy mety mandra-pahatongan'zay fotoana zay.

Homba antsika mianakavy anie ny Tompo
^:^
17. ikaretsaka ( 02/09/2009 12:56)
Mitovy fijery @ simplex.... ary alain lety foana ny isnpiraka an...mba amelao kely za
18. simplex ( 02/09/2009 13:01)

:-P
19. Mirananirina ( 02/09/2009 14:27)
Fitaka,dia mamitaka io indray dia na aiza na aiza na inona na inona dia tsy maintsy misy foana.Jereo ange ireo tantara ao aminy baiboly ireny.Amboariny ny olona dia avy eo vonoiny....Iza no mamitaka eto.Andriamanitra ve sa ny mpanoratra eh..tsy mazava mihitsy. :roll: :roll: :roll:
20. soanja ( 02/09/2009 15:40)
tsimiandravola:

Ny mampalahelo dia maro no manampi-tsofina,manampi-maso..(..mba tsy ahitana amin'ny intelligence humaine ny fahamarinana) amin'ny alalan'ny obscurantisme mystique sy ny sophisme isankarazany.Vao manokatra baiboly fotsiny ianao dia tsapanao izany raha sokafanao ny masonao.

Misaotra antsika!

Marina tokoa izany. Tsy ifanomezantsiny anefa izany satria NY TAHOTRA no nasesika voalohany tao an-tsain'izy ireo ka na mba te hanokatra maso aza izy ireo dia tonga ao an-tsaina ihany ilay resaka hoe " aleo asiana aro fanina" zany hoe ilay aro fanina izany tsy zavatra miainga avy ao amin'ny fo, mijery mahatsapa fa ny tahotra no mameno azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1307