Famelan-keloka ... @ fomba ahoana?

1. rzakarivola ( 21/08/2009 07:49)
Voalaza atsy ambadika fa tsy maintsy mamela ny heloky ny hafa rehetra izay vao mahazo famelan-keloka ny tena.
Samy nahatsapa angamba ny rehetra fa nisy ny heloka hay ny nandefitra taminy, nisy ny hay navela, fa misy koa (ary io no mety ho tena betsaka) no tsy haintsika avela. Ahoana ary no atao araka ny finoanao ? (na kristiana, na bodista, na silamo, ... na inona dia lazao ny finoanao momba ny hery entina mamela heloka, nefa angatahiko mba ny finoanao no lazainao fa tsy ny an'ny hafa)
2. simplex ( 21/08/2009 12:43)

ny anah tsy misy idiran'ny resam-pinoana ny famelan-keloka fa par principe fotsiny hoe:

* ra tsy mifona enao tsy mamela ah... mazava wazy.
* ra mifona enao ka tsapako fa tena manenina tokoa, fa tsy hoe mihatsaravela-tsihy, dia mamela ah eny fa misy olona tsy ho faly @ izany aza.
* ra mifona enao kanefa tsapako fa mihatsaravelatsihy fotsiny... raha misy interet hafa hitako ao dia mihatsaravelatsihy mamela koa ah. Sinon, tsy mamela ah. Na iza faly na iza tsy faly. Mais bon, mety ho anisan'le interet koa aloha izay ee hoe isian'ny fandriam-pahalemana ee... ca depend an'le cas.

;-)
3. cutie ( 21/08/2009 12:53)
ny anah tsy misy idiran'ny resam-pinoana ny famelan-keloka fa par principe fotsiny hoe:

* ra tsy mifona enao tsy mamela ah... mazava wazy.
* ra mifona enao ka tsapako fa tena manenina tokoa, fa tsy hoe mihatsaravela-tsihy, dia mamela ah eny fa misy olona tsy ho faly @ izany aza.
* ra mifona enao kanefa tsapako fa mihatsaravelatsihy fotsiny... raha misy interet hafa hitako ao dia mihatsaravelatsihy mamela koa ah. Sinon, tsy mamela ah. Na iza faly na iza tsy faly. Mais bon, mety ho anisan'le interet koa aloha izay ee hoe isian'ny fandriam-pahalemana ee... ca depend an'le cas

miampy 1
4. fidinirina ( 21/08/2009 13:46)
AHOANA NY FOMBA AMELANA HELOKA

1- Fantaro ny tenanao : mihavàna amin’ny tenanao, izany hoe raha mahatsapa fa manana olana ianao ka na ny tenanao aza mahasosotra anao dia diovy mihitsy aloha ny fonao. Tiava ny tenanao
2- Matokia an’Andriamanitra sy ny tenin’Andriamanitra fa raha niteny Izy fa tsy hisy ho voavela heloka izay tsy mba mamela ny hafa dia raiso fa marina izany. Rehefa manomboka manaiky ianao fa marina izany dia mianatra mitady hevitra ianao hanandramana azy;
3- Ataovy mitoetra betsaka ao am-po ny fitiavana satria didy lehibe indrindra io nomen’Andriamanitra ary nasainy ho tandremana : tiava an’i Jehovah Andriamanitrao, tiava ny namanao ary tiava na dia ny fahavalonao aza. Tsy maintsy tia ny olona rehetra isika tsy an-kanavaka ary tsy an-kifidy.
4- Mivavaha ho an’izay manenjika, miareta @ finoana, mandefera, manetre-tena. Marina fa didy ireo kanefa didy tsy hanameloka na sanatria hiampanga anao. Raha mandinika tsara isika dia nomena ireny mba ahasoa antsika sy toe-pontsika. Andriamanitra tsy mitady afa-tsy izay hamonjena antsika.
5- Mianatra tsikeliky mamela heloka. Sarotra tokoa fa tsy vita raha tsy atao. Izany no ilantsika hery dia avy @ fanahy masina mpanazava.
6- Raha ny marina izany, ny voalohany indrindra dia ny fandraisana an’i Jesoa kristy ao am-po satria izao : Izy no manadio antsika ary rehefa ao anatintsika koa Izy sy ny fanahy masina dia manampy antsika hanana fitiavana ary afaka hamela ny heloka tsikelikely. Izany hoe raha olona tsy manana an’Andriamanitra ao ao am-po dia mbola tsy manana hery izy hanoherana ny fahatezerana ao anaty, mbola mandeha @ tenany samirery izy ka sarotra ny fanetren-tena.
7- Raiso mandrakariva ny tenin’Andriamanitra ary ataovy fiainana : vakiana sy dinihina isaky izay mahatsiaro ary ekena ny teny rehetra hampahery.
8- Ny olona afaka mamela heloka dia manana «paix intérieur»

II Petera 1.3 Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny teo-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany ('Na: tamin ny voninahitra sy ny fahatsarana) ;
1.4 ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna;
1.5 koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
1.6 ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,
1.7 ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
1.8 Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
1.9 Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany fahiny izy.
1.10 Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo: fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
1.11 fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.

Averiko indray : tandremo ny miteny ratsy ny fanahy masina

Matio 12.32 Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
5. cutie ( 21/08/2009 13:52)
lave be :(
6. rzakarivola ( 21/08/2009 14:04)
simplex >>> tsy ekenao izany ilay teny hoe "tsy maintsy mamela heloka izay vao mahazo famelan-keloka".

cutie >>> mitovy hevitra @ simplex ve no dikan'io ?

Fidinirina >>> Ohatra ny misy azoko ihany nefa raha azo atao, na dia tsy ho ahy irery aza, dia aleo azavaina tsikelikely.

Izao no tiako hanazavana ilay fipetraky ny olana.
Manomboka manao ny installation rehetra, ao am-piangonana (ohatra), tsara sy matanjaka tsara daholo ny fitaovana rehetra : micro raitra, baffle matanjaka, table de mixage, ampli ... sns! Pbm iray sisa no mipetraka : aiza no ahitana courant ampy hampandeha ireo zvt installé ireo ? Rehefa fantatra hoe, aiza ny misy courant mety, ahoana no fomba hangalana ilay courant, ary ahoana no fomba hahatongavany, farany ahoana no fomba hizarana azy @ireo fitaovana.
7. cutie ( 21/08/2009 14:14)
amiko tsy misy resaka idiran'ny finoana ny famelan-keloka. Refa zavatra tsy tinao atao @ tenanao aza atao @ hafa. Raha ny mifanohitra @ zay no mitranga de anjaranao no mandini-tena. :D
8. ari.malala ( 21/08/2009 14:52)
cutie:

amiko tsy misy resaka idiran'ny finoana ny famelan-keloka. Refa zavatra tsy tinao atao @ tenanao aza atao @ hafa. Raha ny mifanohitra @ zay no mitranga de anjaranao no mandini-tena. :D



+1
9. ikaretsaka ( 21/08/2009 15:22)
Izay voalazan cutie izay. Ny principen ny mamela heloka na fivavahana na tsia ....ny fivavahana. Nanisy larony araka ilay. Isantokony fotsiny
10. simplex ( 21/08/2009 17:28)
razakarivola:
simplex >>> tsy ekenao izany ilay teny hoe "tsy maintsy mamela heloka izay vao mahazo famelan-keloka".
Amiko manokana, tokony atao misy tanjona ny famelan-keloka fa tsy hoe ataotao fahatany fotsiny.
Raha mihatsaravelantsihy ve enao, dia misy dikany ve ny famelan-keloka?

Ny facteur adino eto koa dia ny "temps". Raha tsy mamela izao aho tsy misy milaza fa rahampitso aho tsy hamela ihany koa... miankina @ tena intention anao ihany koa le izy...

:)
11. niryna ( 22/08/2009 05:32)
fidinirina:

AHOANA NY FOMBA AMELANA HELOKA

1- Fantaro ny tenanao : mihavàna amin’ny tenanao, izany hoe raha mahatsapa fa manana olana ianao ka na ny tenanao aza mahasosotra anao dia diovy mihitsy aloha ny fonao. Tiava ny tenanao
2- Matokia an’Andriamanitra sy ny tenin’Andriamanitra fa raha niteny Izy fa tsy hisy ho voavela heloka izay tsy mba mamela ny hafa dia raiso fa marina izany. Rehefa manomboka manaiky ianao fa marina izany dia mianatra mitady hevitra ianao hanandramana azy;
3- Ataovy mitoetra betsaka ao am-po ny fitiavana satria didy lehibe indrindra io nomen’Andriamanitra ary nasainy ho tandremana : tiava an’i Jehovah Andriamanitrao, tiava ny namanao ary tiava na dia ny fahavalonao aza. Tsy maintsy tia ny olona rehetra isika tsy an-kanavaka ary tsy an-kifidy.
4- Mivavaha ho an’izay manenjika, miareta @ finoana, mandefera, manetre-tena. Marina fa didy ireo kanefa didy tsy hanameloka na sanatria hiampanga anao. Raha mandinika tsara isika dia nomena ireny mba ahasoa antsika sy toe-pontsika. Andriamanitra tsy mitady afa-tsy izay hamonjena antsika.
5- Mianatra tsikeliky mamela heloka. Sarotra tokoa fa tsy vita raha tsy atao. Izany no ilantsika hery dia avy @ fanahy masina mpanazava.
6- Raha ny marina izany, ny voalohany indrindra dia ny fandraisana an’i Jesoa kristy ao am-po satria izao : Izy no manadio antsika ary rehefa ao anatintsika koa Izy sy ny fanahy masina dia manampy antsika hanana fitiavana ary afaka hamela ny heloka tsikelikely. Izany hoe raha olona tsy manana an’Andriamanitra ao ao am-po dia mbola tsy manana hery izy hanoherana ny fahatezerana ao anaty, mbola mandeha @ tenany samirery izy ka sarotra ny fanetren-tena.
7- Raiso mandrakariva ny tenin’Andriamanitra ary ataovy fiainana : vakiana sy dinihina isaky izay mahatsiaro ary ekena ny teny rehetra hampahery.
8- Ny olona afaka mamela heloka dia manana «paix intérieur»

II Petera 1.3 Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny teo-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany ('Na: tamin ny voninahitra sy ny fahatsarana) ;
1.4 ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna;
1.5 koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
1.6 ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,
1.7 ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
1.8 Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
1.9 Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany fahiny izy.
1.10 Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo: fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
1.11 fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.

Averiko indray : tandremo ny miteny ratsy ny fanahy masina

Matio 12.32 Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.



misaotra betsaka nanazava anay :D
ny mikasika ny hoe tsy afaka amela ny helontsika Atra raha tsy mamela ny helon'ny hafa isika dia ao amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo ny mpianany tokoa io " Rainay izay any an-danitra,ho hamasinina anie ny anaranao,ho tonga anie ny fanjakanao, ...... omeo anay anio ny hanina sahaza hohaninay ary mamela ny helokay,tahaka ny namelanay izay meloka taminay
:arrow: :arrow: Nampianarin' i Kristy hiantso an'ilay Ray any an-danitra izy ireo ary ao anatin'ilay vavaka koa dia nangataka famelankeloka(mamela ny helokay)ary nilaza fa namela ny heloky ny hafa koa (tahaka ny namelanay izay meloka taminay ),izay no fahasoako azy.
12. fidinirina ( 22/08/2009 08:26)
Matio 18.21 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe : Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va?
18.22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo "Na fito-polo impito" .
18.23 Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany.
18.24 Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta "Anaram-bola, ny talenta volafotsy dia sekely telo arivo" iray alina.
18.25 Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa.
18.26 Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.
18.27 Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.
18.28 Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria "Anaram-bola tokony ho venty no heviny" zato taminy, dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.
18.29 Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.
18.30 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-trano maizina mandra-pandoany ny trosa.
18.31 Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany.
18.32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao;
18.33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?
18.34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.
18.35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.

Asa 10.43 Izy (Jesoa Kristy) no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
10.44 Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.
13. tywa68 ( 22/08/2009 08:52)
Fidinirina > mba omeo kely eto ny hevitrao na ny antony namoahanao an'io lava bbbbbbbb io :wink:
14. fidinirina ( 22/08/2009 10:53)
tywa68:
Fidinirina > mba omeo kely eto ny hevitrao na ny antony namoahanao an'io lava bbbbbbbb io

Tena tsy mitovy daholo marina isika eto. Misy mantsy ny tsy tia andinin-tsoratra masina tsirairay. Dia izay no nahatonga ahy teto nanoratra an'io "contexte" (famelan-keloka) iray io. Nefa gaga indray aho hanontanianao hoe : atao inona indray hevitra lava be. Tsy azoko ny anton'ilay fanontaniana. Io anie no voasoratra ao amin'ny Baiboly ho antsika izay mbola tsy mahalala fa tsy maintsy mamela heloka ny hafa ary ahoana no fomba atao mba hamelana ny helontsika koa e!
15. tywa68 ( 22/08/2009 17:16)
Fidinirina > tsy mitovy isika soa ihany :lol: (tsiky d ampy no dikan'io an).
Tsy io ihany manko no voasoratra ao anatin'ny baiboly raha momban'ny famelankeloka ... fa io zany no tianao d raisina. :wink:
16. ni81 ( 22/08/2009 17:23)
Tena tsy mitovy daholo marina isika eto. Misy mantsy ny tsy tia andinin-tsoratra masina tsirairay. Dia izay no nahatonga ahy teto nanoratra an'io "contexte" (famelan-keloka) iray io. Nefa gaga indray aho hanontanianao hoe : atao inona indray hevitra lava be. Tsy azoko ny anton'ilay fanontaniana. Io anie no voasoratra ao amin'ny Baiboly ho antsika izay mbola tsy mahalala fa tsy maintsy mamela heloka ny hafa ary ahoana no fomba atao mba hamelana ny helontsika koa e!
:)
17. ari.malala ( 24/08/2009 06:52)
:-D :-D :-D
18. tywa68 ( 24/08/2009 09:08)
:lol:
19. rzakarivola ( 24/08/2009 12:30)
niryna, fidinirina >>> Ireo nambaranareo ireo ny antony tsy maintsy amelàna ny heloky ny hafa, araka ny Baiboly. Ny zavatra voamariko dia tsy nisy exception mihitsy tao fa tsy maintsy havela daholo. Ary inoako fa ny hevitry ny hoe impito impitopolo, dia tsy hitovy na oviana na oviana @ impito ambifitompolo (77 =/= 7x70), fa satria ny isa 7 dia manambara fahafenoana, dia ny hevitr'io izany dia hoe avela tanteraka (famelan-keloka feno), na oviana no mangataka famelana aminao ilay namanao dia mamelà azy (na fanahy niniany na tsy fanahy niniany).

simplex, cutie, ari.malala, Ikaretsaka >>> raha izao hevitrareo izao no ampitahaiko amin'ilay voalazan'ny Baiboly (izay voafintina eo ambony), dia mifanohitra. Izay no manahirana amin'ilay anareo, ny an'i rakapy sns dia napetrany mazava fa tsy inoany na i JK Andriamanitra, na ny Baiboly ho mpanambara ny tenin' Andriamanitra, fa ny anareo dia toa milaza hoe mino ianareo, kanefa rehefa misy teny ambaran'ny Baiboly dia ny sasany lavinareo ankitsirano, ny sasany indray ekenareo. Azafady @izato fahitsiako, mety ho hevitro koa iny ka diso fijery aho, fa raha toa ka mahita teny manazava na manohitra an'io ambony io ao @ Baiboly ianareo, dia lazao mba hahafahanay mandinika sao ny anay koa no tsy ampy fahalalana.
Raha tsy misy kosa, inona izany no tena foto-kevitra ijoroan'ny finoanareo ? Ary inona no porofo ilazanareo fa marina izany ?
20. rzakarivola ( 24/08/2009 12:42)
fidinirina:

5- Mianatra tsikeliky mamela heloka. Sarotra tokoa fa tsy vita raha tsy atao. Izany no ilantsika hery dia avy @ fanahy masina mpanazava.
Asa 10.43 Izy (Jesoa Kristy) no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
10.44 Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.

==> Raha ny fahazoako ny voalazan'i Fidinirina dia hoe :
- ny Fanahy Masina no ilay source d'énergie (spirituelle) hahafahana mamela ny heloka rehetra.
- Ary ny fomba hahazoana ny Fanahy Masina kosa dia ny mino an'i Jesoa Kristy (omen' Andriamanitra an'izay mino ny teny, na nametrahan-tanana na tsia, ny Fanahy Masina).
Fanontaniana roa izay no voavaly. Ny fanontaniana fahatelo dia hoe : ahoana no fomba hizarana ny famelan-keloka @ olona ?

Izao indray no fanazavako an'io fanontaniana io : Na dia azo aza ilay courant, ka tonga ao @ batterie na onduleur na toy izany, dia mila aparitaka @ireo fitaovana tsirairay izany, izay vao afaka hiasa araka ny nanaovana azy ny fitaovana tsirairay avy (ampli, micro, claviers, tables, ... sns).

Raha adika @ fomba hafa dia hoe, ahoana no hahatonga ao anatin'ny olona tsirairay avy ny famelan-keloka ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0737