SOS cheuveux abîmés!!

1. vale ( 20/08/2009 22:12)
Mba mila vonjy aminareo izay mba mety manana toro-hevitra hitsaboana volo fa simba be ny loham-boloko, maina be ary forehatra be mihintsy. Ny mba angatahako izany dia fomba hafa ankoatry ny fampiasaina masque capillaire, satria mampiasa régulièrement aho fa tsy mahasitrana azy akory, efa nividy shampooing spécial cheuveux abîmés tany @ parapharmacie fa e!e!e! ka sao dia mba misy manana fomba hafa ankoatr'ireo nareo fa tena kivy aho!!!misaotra betsaka mialoha!!!
novalian'i Ratoa ny 22/09/2009 20:28
2. ikaretsaka ( 20/08/2009 22:25)
hetezo na solay
3. Lejoba ( 20/08/2009 23:15)
ika: :roll: :roll: :?:
vale : mety ho calcaire no manimba ilay volo. sasao @ rano matimaty na mafàna ny loha. Rehefa vita tanteraka, dia kobano farany @ rano misy vinaigre 1sotro ho an'ny rano mafàna 1litatra. Na raha kamo dia raraho vinaigre kely, avy eo kobanina.
Antony koa : brushing mahamay loatra, permanente, fihogo na borosy plastika be ireny, décoloration mahery loatra. Misy koa ol makosoka volo toy ny manasa lamba, nefa ny tokony ho izy dia sasàna midina foana. Aza sasàna miohatry ny in-2 isan-kerinandro. Aza atao ela loatra rehefa mibango azy
Raha mampiasa masque, mbola io atao midina io koa ny fampiasa azy. Fonosy serviette mafàna elaela vao kobanina ets. ets.
4. tess ( 21/08/2009 05:25)
tahapo mitsy aloha ilay lohambolo potika be aky fa ça ne sert à rien ny mitazona an'iny...
5. ari.malala ( 21/08/2009 06:04)
Vale, tapahana aloha ilay volo simba sy potika, fa re7 hitako t@ internet akia somary mba nahatsaratsara ny voloko d zaraiko sao mahasoa, atody 1, tantely 1 sotro kely, huile d'olive 2 sotro lehibe, 1/2 citron. Miaraka kapohina ireo d atao @ volo mandritra ny 10 - 20 minutes eo d kobanina. Nety tamiko aloha k ts haiko na hety @ ndry e! d ny torohevitry ny olona matetika iany koa d hoe refa aloan'ny hanasa loha d atao bain @ huile d'olive mandritra ny alina d ny ampitso izy sasana. Nareo any am-pita any met mahita ilay beure de Karité fa io koa mahatsara volo.
6. kerena09 ( 21/08/2009 06:09)
Tapao alo le loham-bolo simba iny, de huile d' olive fampiasa @ sakafo no ahosotra @ volo rehetra rehefa avy nosasana iny; atao kely le menaka de efa ampy, ary isan' andro.
7. Rafahafahana ( 21/08/2009 07:54)
Ny ahy hatr@ zay dia huile d'olive no ampiasaiko @ voloko fa tena tsara, fa tsy isan'andro fa isaky ny manasa loha kely fotsiny fa tsy atao miforetaka, fa tapao aloha ilay lohany simba iny, mahereza.
8. ni81 ( 21/08/2009 08:35)
Mba mila vonjy aminareo izay mba mety manana toro-hevitra hitsaboana volo fa simba be ny loham-boloko, maina be ary forehatra be mihintsy. Ny mba angatahako izany dia fomba hafa ankoatry ny fampiasaina masque capillaire, satria mampiasa régulièrement aho fa tsy mahasitrana azy akory, efa nividy shampooing spécial cheuveux abîmés tany @ parapharmacie fa e!e!e! ka sao dia mba misy manana fomba hafa ankoatr'ireo nareo fa tena kivy aho!!!misaotra betsaka mialoha!!!
@ ity fiainana ity moa dia misy ny mety @ rasoa nefa tsy mety @ ravao kanefa mba andramo ihany.
Somary farano aloha ireo lohavolo ary dia mividiana huile de ricin. (Tsy mitovy ny huile de ricin vita avy any dago sy ireo vita aty ivelany, fa ireo vita avy any tena madity be mihitsy). Ataovy bain d'huile pdt 30mn, dia fonosy anaty papier alu, na film, na bonnet plastique; ary sasao @ shampooing doux na izay mahazatra andry avy eo. Dia rehefa vita izay dia asio kely @ ilay huile de ricin indray alohan'ny hanaovan-dry brushing.
Sady mampijanona ny volo miongotra io fa zà tena nanana pb be mihitsy teo aloha fa zao izy tena nijanona.
(simban'ny ranomasina koa izay ilay volo angamba t@ vacances teo) :-P
9. Mirananirina ( 24/08/2009 11:43)
Mahaliana tokoa izy izany
10. sakaizakely ( 24/08/2009 20:22)
ny henoko indray ry vale dia tsy tsara hono ny produits @ grande surface ireny, fa ny composition-ny mihitsy no manimba volo raha toa ka efa agressés sy potika ilay volo, tsy mi arranger azy mihitsy satria misy silicone sy raha abiaby tsy haiko klou fa le mpanao voloko no niteny an zany
tam volou za tsy niheno fa neveriko te handany ny volako fotsiny izy
fa hitako tam net tkou hoe ny silicone vao maika manimba volo nefa presk misy an'io aby ny produits rehetra, sauf si tu achètes chez le coiffeur, mais vu le prix...
fa raha toa tkou simba be le volo de aleo mits mi investir, mitadiava grossistes fournisseurs de salon de coiffure ireny fa tena moitié prix any
dia éviter-o ny lissage au fer fa brushing ihany
11. aliotsy ( 25/08/2009 08:00)
Ny huile de ricin tokoa tsara ary maditidity, raha mipetraka any an-dafy, any am ireny bio ireny no mividy, maditidity tsara mihitsy sady mba manakaiky indrindra ny natioraly.
12. vale ( 26/08/2009 14:05)
Bjr daholo!!!

misaotra betsaka daholo tamin'ny torohevitra rehetra dia miala tsiny be dia be aminareo raha somary tsy afaka nandalo teto fa mbola sahirana!!
tsy foiko tapahina aloha ilay volo ka izay no nahavery hevitra ahy!! lol
fa dia misy ampiharako ireo conseils bedebe nomenareo ireo!!
MERCI beaucoup!!! (l) :-* :-* :-*
13. ari.malala ( 27/08/2009 06:37)
Vale, nga moa tapahina b fa ilay lohany simba ihany anie no asorina teo e! mazotoa mikarakara e! ;)
14. rurale ( 27/08/2009 10:25)
Ika: =)) =)) =)) , toro-hevitra degany be mintsy zany kah!
15. vale ( 31/08/2009 14:18)
Ari: tokony eo @ 3cm eo minimum no esorina dia tsy foiko fa vao avy notapahina il y a qlq mois, tsssss! :lol:
16. aliotsy ( 01/09/2009 07:50)
Aza dia laché-na loatra koa ny volo fa tratran'ny rivotra sns dia mora simba, tsindraindray ihany vao laché-na. dia tsy kitikitihina isaky ny mihetsika koa fa manimba ny ecaille. raha lava volo, dia rehefa mba ao antrano iny fatorana na randranina fa rehefa mivoaka no laché-na.
tsy mila anapahana be loatra, mazotoa manao massage ny cuir chevelu fotsiny. dia nourrisser-na tsara ny volo, tsy du jour au lendemain dia misy fivoarana fa afaka 2 semaines eo dia hita fa efa miha mafy ny volo
17. ari.malala ( 01/09/2009 12:11)
Vale, eny e, lava iany alou zany 3cm zan fa ra zay v akia no mahatsara azy... na ny anà kou nge tokony analàna fa efa rats b mints ny lohany e! vao maika manimba anle volo ftsn kou aza lay lohany simba iny!
18. fahamarinana ( 01/09/2009 12:22)
:arrow: mankasitraka be ilay torohevitra ato e,za efa naika hanapaka bory kely ato ho ato fa mitovitovy olana amin'ny vale ! :-*
ni :aiza no ahitako ilay huile de ricin hoe ? sao dia maimbo aloha ?...hihi !Coco laitrako ihany fa nahabotrabotra fa raha mahery fofona toa tsy hety !
hs ity an fa ilaiko valiny o ! : Ilay brshing ve tsara kokoa noho ny lisseur ? na dia efa ceramique e,tourmaline e,sns no vidina? (l)
19. ari.malala ( 01/09/2009 12:35)
Faha, ny lisseur no tsara kokoa satria ny an'ny lisseur anie chaleur ionique no alefany e! andramo fotsiny hoe atao am sechoir ny volondry, d tsapao avy eo fa mamay le volo, nefa raa atao am lisseur izy fraction de seconde d efa mangatsika. D ny tena tsara tourmaline.
20. Ratoa ( 01/09/2009 12:39)
Ity recette-ko
4/4
1 mesure huile de ricin
1 mesure huile d'amande douce
1 mesure beurre de karité ilay mbola ranony avy natao bain marieiny
1 mesure jus de citron

Anaovana volo isan'andro (kely foana dia ampy) ny huile d'amande douce ihany no tsy misy fofony ary ny asan'ny jus de citron dia manala ny fofona. Misy eny amin'ny pharmacie daholo ireo fa eny amin'ny droguerie no mora . Aty Dago indray dia eny an-tsena no ahitana azy na eny @ Ratsimamanga. Fort Dauphin no be huile de ricin.

bain d'huile
beurre de karité (mivaingana ohatra ny huile de coco izy na mafana be aza ny andro) osory daholo ny volo rehetra, atao mandina tsara. Alona 10h na entina matory. Sasao tsara amin'ny shampoing fampiasanao. Rehefa avy manao brushing dia asi menaka kely (ilay mélange ety ambony) dia asio sérum miaro amin'ny amandoana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4845