Ianao no Petera

41. Mandefitra ( 20/08/2009 04:44)
ari.malala> Misy interpretation io ka :
- raha niteny Jesoa hoe tsy maintsy hateraka indray ianareo, dia nieritreritra nikodemosy hoe hiverina any ankibon i neny ndray ve zany
- raha niteny Jesoa hoezaho no mofon ny fiainana, dia lasa-mborona ny maro hoe hataon ilehio ahoana no fanome ny tenany ho hanintsika
- ka raha niteny Izy hoe Ianao no Petera, eo ambon ty Vatolampy ty no aoriko ny fiangonana. Dia mihevitra ny Katolika fa i Petera tokoa no vatolampy ...

Zay ve nefa ilay izy? Vatolampy tokoa ve Petera? tsy nihozongozona tokoa ve izy? ny tohiny ao @ matio dia manambara fa tsy izany izy.
Ka zay no mahatonga ny fanazavana hoe ilay fanambaram-pinoan ny Petera zay milaza fa :"Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra Velona", no ilay Vatolampy iorenan ny fiangonana. Zay tsy hafa fa fanambaran ny Ray any an-danitra hoy ny Tompo. ARy efa niteny Zany ny Ray fony Jesosy natao Batisa hoe : "Ty ny Zanako Malalako, Izy no henoy".
Ary araka zay efa notaterin ny namana teo ambony , Kristy no niteny : "Izay mankato ny Teniko dia hoarina @ lehilahy manantsaina, manorina ny tranony ambony Vatolampy ..."

42. ravakamalala ( 20/08/2009 10:46)
Zay ve nefa ilay izy? Vatolampy tokoa ve Petera? tsy nihozongozona tokoa ve izy? ny tohiny ao @ matio dia manambara fa tsy izany izy.



ianao zato!!!!!

Jesoa koa anie teny kalvary nitalaho tamin Andriamanitra Rainy hoe "raha azo esorina amiko ity kapoaka mangidy ity, .....sns" midika ve izany fa tsy mendrika i jesoa satria nihahotra kely izy ny hanatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra??
toy izany koa i Piera, solafaka izy , fa avy teo dia nibebaka.
43. ikaretsaka ( 20/08/2009 20:27)
Nga voatery. Handondona be sytsy hihozongozona vao azo antsoina hoe vatolampy? Mafy be aza vita hanaovana tonelina sy lasa moellons ko...
Ary tadidio fa samihafa ny piera taloha sy taorianan'ny pantekoty
44. Mandefitra ( 21/08/2009 07:33)
Piera sy Jesoa ve azo ampitahaina ry ravakamalala?
Jesoa @ mahaolona azy, niaritra fahoriana aza, dia tsy nanda fa nanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitrah@ fara fofo-nainy.
i Piera, vao teo no nilokaloka nefa nahasahy nanda azy in-3 ...

Fa zany eo ihany, fa misy hira Katolika zay tsara tokoa manao hoe :
Vatolampy tsy mikoro, vatolampiko Ianao ...
i Piera sa Jesoa no ao antsainareo rehefa mihira io hira io kay?
45. ni81 ( 21/08/2009 08:22)
kkozio rapiera haingana
:D any @ razezo ny tena lakile ka! ny an-drapiera kadana :)
46. rafitia ( 21/08/2009 08:31)
:roll: Efa very ny lakile sy ny kadana ry ni81 an ?
47. ni81 ( 21/08/2009 08:37)
Efa very ny lakile sy ny kadana ry ni81 an ?
ahoana no hoe very e? :) iza no nanary azy?
48. rzakarivola ( 21/08/2009 08:43)
Oh ry ireto ah! Ny teny novakianay t@ alina nisy an\'izao : \"Et maintenant, allez annoncer à ses disciples, et aussi à Pierre, qu\'il vous précède en Galilée\". Lasa saina aho hoe, maninona tokoa moa i Piera no tsy natambatra bambaray tao @ mpianatra fa natao hoe \"sy Piera\" ?
Rehefa dinihiko ilay resaka eto dia toa samy marina ka.
1- I Jesoa no Vatolampy tsy mikoro sady vavahadin\'ondry, no sady mpiandry tsara.
2- I Piera dia tena voatonona manokana, anorenan\'i KRISTY ny Fiangonany, mitana ny fanalahidin\'ny fiainana ka na dia ny vavahadin\'ny fiainan-tsy hita aza tsy maharesy azy.
3- Ilay finoana an\'i Jesoa ho Kristy Zanak\' Andriamanitra velona no Piera resahina eto.
Io fahatelo io no mivoaka pratika ho antsika, ireto fanampim-panazavana kely hanampiko azy :
- Rehefa hiresaka tamin\'ilay Apostoly mpanarato, rahalahin\'i Andrea manokana i Jesoa dia navahany tsara hoe \"ry Simona Bari-jona\". Fa ny mpitantara ny filazan-tsara no nampiasa foana hoe \"i Piera\" ... ary inoako fa entina ilazàna izay mino an\'i JK rehetra izany, \"ary tsy ireto ihany, fa izay mino noho ny teniny koa\", mandraka ankehitriny.
- Ao @ Apokalypsa, rehefa manao famaritana ny endrik\'ilay Jerosalema vaovao dia voalaza fa ny apostoly 12 dia fototra roambiny folo ao, ary tsy ny olona no noteneniny fa ny anarany.

Izao no zavatra azoko tsoahina eto : samy nomena fanomezam-pahasoavana hahalala isika rehetra, saingy iray ihany no mahay mampiray : JESOA KRISTY.
49. ni81 ( 21/08/2009 08:53)
Izao no zavatra azoko tsoahina eto : samy nomena fanomezam-pahasoavana hahalala isika rehetra, saingy iray ihany no mahay mampiray : JESOA KRISTY.
^:^
50. ari.malala ( 21/08/2009 10:32)
Fa zany eo ihany, fa misy hira Katolika zay tsara tokoa manao hoe :
Vatolampy tsy mikoro, vatolampiko Ianao ...
i Piera sa Jesoa no ao antsainareo rehefa mihira io hira io kay?
Jesoa évidemment!
51. fahamarinana ( 21/08/2009 11:30)
rzaka:
Izao no zavatra azoko tsoahina eto : samy nomena fanomezam-pahasoavana hahalala isika rehetra, saingy iray ihany no mahay mampiray : JESOA KRISTY.

:arrow: Marina ! :)
52. ikaretsaka ( 26/08/2009 21:19)
ohatran'ny hoe inona no mampitovy ny lelahy sy vevavy sy mahay mampiray azy= samy misy tanana :-D
otran zany ny fahitako le lojikan rzakarivola fa azafady
53. rzakarivola ( 28/08/2009 11:09)
ikaretsaka:

ohatran'ny hoe inona no mampitovy ny lelahy sy vevavy sy mahay mampiray azy= samy misy tanana :-D
otran zany ny fahitako le lojikan rzakarivola fa azafady

==> Tahaka izao le nambarako ka : ny iray maçon, ny iray menuisier ... ny architecte no mampiray an'ireo mba hanangana trano iray.
Izao kosa no tenin'ny Tompo :
"L'Esprit donne à l'un une parole pleine de sagesse ; à un autre, le méme Esprit donne une parole chargée de connaissance. [1 Corinthiens 12: 8].". Raha te hiray (ny kristiana) dia mila an'io Fanahy Iray io, ary ny fanahin'i Kristy izany.
54. ikaretsaka ( 28/08/2009 16:03)
ni81:

kkozio rapiera haingana
:D any @ razezo ny tena lakile ka! ny an-drapiera kadana :)

De tsy ho tafiditra ao antrano mihitsy ianao na hivazavaza be aza rehefa tsy tafavoha ary ambany...
Aeritrereto hoe mihidy ny maison blanche na elysee na izay trano br tianao de te hihaona @ le olona mipetraka ao ianao fa tsy tafa eo ambavahady... na hikikiaka tahaka ny inona aza ianao sy hiteny fa zanak'anabavin'ianona sy ranona tsy ho tafa raha tsy henon'ny tompontrano...na kely kokoa ny chance
Par contre raha nampidirin'ny mpiandry varavarana ianao sy mifankahazo tsara aminy... tsy nila nivazavaza de possible tafaresaka any @ tompontrano...

Mbola trano tsotra aza izany...fa ny ahy raisoko @ examples tsotsotra sy practical ohatran zany le lojikanjavatra de mba misy fondements. Fa tsy misavoanan'ny tsimpona fotsiny


55. ni81 ( 28/08/2009 16:09)
Ka ny fantatro dia i Razezo no lalana sy fahamarinana fa tsy rapiera koa! Dia hoy indray ny vavakareo Kato hoe: @ alalany ary ao aminy... :D
56. ikaretsaka ( 29/08/2009 12:37)
Ka tsy tonga eo @ lalana ianao (tsy tonga any toliary hoy rakapy izay) na hitanao aza hoe rn7 ny mankany raha tsy misy vam mitondra anao mankany ...na au moins mi battre...
Fa tsy ampy fotsiny hoe iny ny lalana eeee

Efa ela ny katrami no tonga tany andafy manko raha izany fotsiny...mijery lanitra sy avion manidina de hoe iny ny lalana......ountssssss
57. fahamarinana ( 29/08/2009 13:13)
bord2:
Samy manana ny fandraisany azy sy ny maharesy lahatra azy io ! Ho an'ny sasany mety tokana iny lakile iny ary misy ny natokana hitana azy. Ho an'ny hafa kosa mety efa lakile maro (copies) no miparitaka (any am-paosin'ny Fiangonana na mpino tsi11 any) : samia fotsiny mahay mampiasa sy mitazona ny azy !

:arrow: ary zay vao tsinjoko ity ! Mba iraisako hevitra koa !Fa mahalasa saina koa hoe misy copie bobaka be ! :lol: (l)
58. bor2lais ( 29/08/2009 14:16)
Hoy i faha etsy ambony :
"Fa mahalasa saina koa hoe misy copie bobaka be !"
----
Azavaiko @ ise ny fandraisako azy.

Ise ve tsy mahatsikaritra fa mety ny fihetsik'isika (fiteny, fiaina, sns) milaza fa mpanara-dia ny Tompo na ny Fiangonana dia mety mahasarika ny hafa hanara-dia Azy koa ! Amiko izay mitovy amin'ny hoe manokatra ny varavaran'ny lanitra ho an'ny hafa.

Nefa koa izany fihetsika izany dia mety hampandositra ny hafa tsy hanatona Azy : izay indray ilay antsoiko hoe manidy ny varavaran'ny lanitra !

Izany hoe isika tsi11 (na ny Fiangonana tsi11) no manana ilay lakile !

Fomba fijeriko ihany anefa izay an !
59. ni81 ( 29/08/2009 14:17)
Ka tsy tonga eo @ lalana ianao (tsy tonga any toliary hoy rakapy izay) na hitanao aza hoe rn7 ny mankany raha tsy misy vam mitondra anao mankany ...na au moins mi battre...
Fa tsy ampy fotsiny hoe iny ny lalana eeee
Efa ela ny katrami no tonga tany andafy manko raha izany fotsiny...mijery lanitra sy avion manidina de hoe iny ny lalana......ountssssss
Dia ho anay tsy dia kinga saina itony aloha dia izao no voalaza ka tsy maintsy arahinay e:
Jaona 14:6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
Raha resaka fandehanana taxi-brousse mantsy ka mandeha eny @ fasan'ny karana, na mandeha eny Ambodivona rehefa handray azy, dia feno mpanera foana. Na mbola te hijery izay toerana hipetrahanao aza ianao dia tonga dia efa alain-dreo ny entana; amin'izany ianao efa koditra mihitsy fa sao dia lasany ny entana...:(
Zà eto tsy mijery taxi brousse na lanitra sy aeroplanina fa tonga dia ilay MPANJAKAN'NY MPANJAKA sy TOMPON'NY TOMPO mihitsy no natoniko, na dia 4'mi aza aho, dia noraisiny, ary efa nahazo ny alalana fahazoako mihaona aminy, koa inona indray no tokony hampisalasala ahy ka hitady olon-kafa sy hivezivezy etsy sy eroa! Efa niteny ny sekiretera fa tonga dia afaka mandroso aho, ka dia lasa izao... :)
60. bor2lais ( 29/08/2009 14:39)
Hoy i ni81 :
"Zà eto tsy mijery taxi brousse na lanitra sy aeroplanina fa tonga dia ilay MPANJAKAN'NY MPANJAKA sy TOMPON'NY TOMPO mihitsy no natoniko, na dia 4'mi aza aho, dia noraisiny, ary efa nahazo ny alalana fahazoako mihaona aminy, koa inona indray no tokony hampisalasala ahy ka hitady olon-kafa sy hivezivezy etsy sy eroa! Efa niteny ny sekiretera fa tonga dia afaka mandroso aho, ka dia lasa izao... "
--------
+1
(sady ny lakile miditra ao Aminy efa any aminao !) :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4895