Ianao no Petera

21. Mandefitra ( 18/08/2009 12:20)
de ahoana i ari.malala sy ravakamalala @ ireto :

1/ Matio 16:18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy
2/Matio 16:23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an' Andriamanitra hianao, fa izay an'ny olona
=> naorin i Jesosy t@ olona mivadibadika toy izany ve ny fiangonana?
3/Matio 26 : nanda an i Jesosy in-3 Petera
4/Matio 26:40 Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza hianareo
......
22. ari.malala ( 18/08/2009 12:30)
Mandefitra, i Piera anie olona mitovy @tsika e! ekeko mitns hoe tafintohina t@ Piera iJesoa fa tsy nitàna alahelo taminy, porofon'izany ny nifidianany azy ho mpamahana ny reniondriny, ny zanak'ondriny ary ny andian'ondriny.

Ny nandàvan'i Jesoa an'i Piera ndray, zavatra efa fantatr'i Jesoa izany, fa tsy nitanany alahelo iany koa. Tsy i Jesoa mintsy ve no niteny hoe handà ahy in3 ho ts mahalala ahy ianao?

Momba ny ts fahazakana miari-tory, ie, nalaelo Jesoa fa ts mahazaka miari-tory ny mpianatra, saingy tsisy commentaire ankoatrizay hoe satria enao rapiera ts naazaka niaritory d esoriko ny teniko fa ts eo amboninao tampoka ndray ny fiangonako no aoriko...

Fa momba ilay resaka lakile, i Jesoa anie no niteny t@ Piera hoe omeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra e! ko in ndray no mbola niadiana hevitra?
23. Mandefitra ( 18/08/2009 13:11)
Ari> ny fahazoana ny fanjakan ny lanitra ve miankina @ Piera sa ny finoana an'i Jesosy ho Kristy Zanak'Andriamanitra Velona sy ny fibebahana?

Rehefa nitsangana Jesosy, ny mpianatra rehetra no nomeny fahefana hamela heloka fa tsy i Piera irery ...

Jaona 20: 19 Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorana ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina;
23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
24. ravakamalala ( 18/08/2009 13:42)
=> naorin i Jesosy t@ olona mivadibadika toy izany ve ny fiangonana?



tsy manda izany mihitsy ao, fa i jesoa anie tsy niteny hoe "aoriko eo aminao ny fiangonako satria ianao tsy mivadibadika e! " fantatr' i jesoa daholo izany rehetra izany fa saingy i piera ihany no mbola nosafidiny.

Ary i piera dia nanenina tanteraka ny zavatra nataony, ary nangataka famelana ( tsy ohatran i Jodasy izay nanenina ihany koa fa tsy nangataka famelana fa naleony nananton -tena)

ary efa miresaka jodasy ihany, efa fantatr' Andriamanitra fa hamadika azy iny raika lahy iny fa mbola nosafidiany ho isan ny 12.

tadidio fa Andriamanitra mpamindra fo.

Christe, kyrie eleison.

25. ari.malala ( 18/08/2009 13:59)
Mandefitra, nga za moa nilaza fa hoe miankina @ Piera? hihihi vakio tsara oa zay soratako! d'accord 100% @ nao mints ah hoe Jesoa irery no manme n fiainana mandrakizay. Momba ilay famelan-keloka, ie t@ Jesoa tafatsangan-ko velona d niteny t@ mpianatra reetra, fa talohan'izay d t@ Piera rery raha tadidinao le t@ Izy niteny hoe omeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay vahanao ety an-tany sns
26. ikaretsaka ( 18/08/2009 16:53)
ary tsisy hain dzakarivoka koa izy izany :-D tsotra anefa ny valiny: ao raha!
dia tohizo amzay ny tantara
27. Mandefitra ( 19/08/2009 08:51)
Ndao tohizantsika ihany ny tafa sy dinika ary e.

1/Aiza zany zao ilay lakile? any @ Md Piera ve sa any @ Papa Benoa?
a/ raha mbola any @ Piera, inn no andraikitr i Benoa?
b/ raha efa tafafindra any @ Benoa, inn no andraikitr i Piera?

2/Zanak'Andriamanitra ve ny Katolika?
a/raha eny, avy @ alalan'iza?
b/Tsy hafahafa ve hoe Zanaky ny Ray, nefa raha tsy vohain i Piera, ka tsy ampandrosoin'i Maria antrano tsy tonga eo anilan ny Ray?
28. ari.malala ( 19/08/2009 09:02)
Benoa :-D :-D :-D :-D :-D

Papa Benoa no dimbin'i Piera ety ambonin'ny tany ka. Samy manana ny andraikiny. I papa mamahana ny andian'ondry ety ambonin'ny tany :) Lay fanontaniana faharoa tsy misy azoko :P fa alalana avaiza no ilazan'iza fa iry zanak'Andriamanitra d iry tsy zanany?
29. tywa68 ( 19/08/2009 09:18)
Ari. : zah akia sahy mamaly hoe zanak'Atra ny Katolika satria rhf zanaka nohariany d tiany. Fa tsy ny katolika irery ihany no zanany an :lol:
30. bor2lais ( 19/08/2009 09:31)
Miala tsiny indrindra raha toa ka miditra amin'ilay resaka fa mba nanitikitika ahy fotsiny ity lazain'i ari ity hoe :

"Papa Benoa no dimbin'i Piera ety ambonin'ny tany ka. Samy manana ny andraikiny. I papa mamahana ny andian'ondry ety ambonin'ny tany"

-> Raha azoko tsara ny tianao lazaina dia i Piera ihany no mbola manana ny "lakile" (ary miandry vavahady any an-danitra any izy izao) ? Fa ny fiandrasana ny ondry ety an-tany no no-pasiny tamin-dry papa nifandimby ?

Diso ve ny fandraisako azy ?
31. Mandefitra ( 19/08/2009 09:59)
1/Ka io mitsy mantsy zao no tsy azoko ange ry bor2lais. Nisy resaka zay mantsy fahiny hoe nifampiampita ilay fahefana ... ka ilay inona no niampita? ilay lakile sa
lay fiandrasan ondry?

2/ilay resaka Zanany ndray, Tywa moa milaza hoe rhf nohariany dia Tiany ... dia ilay fanontaniako hoe raha hidin i Piera ny vavahady, na tsy ampandrosoan ny Maria antrano ve zany dia tsy tafiditra eo ankavanan'ny Ray na dia ZanaNy aza sa ahoana? inona no fepetra takian i Piera sy Maria mba hankanesako any @ Ray?
32. bor2lais ( 19/08/2009 10:23)
HS kely momba io lazain'i Mandefitra 2/ io !

-> Dia aza mba very ihany koa aloha ilay lakile fa dia eto isika mianakavy e !!!

HS oua ny ahy iny an !!
33. tywa68 ( 19/08/2009 10:38)
Mba vakio kosa ilay efa nosoratan'i Ari ao ambony ao valiny n°24 ao e :lol:
34. ari.malala ( 19/08/2009 10:49)
Mandefitra, ny fiandrasana ny andian'ondry re no nifampiampita e! :)

Fanontaniana hoanareo mizizotra rehetra ireo aza, atao hoe iPiera t@ andron'i Jesoa no nahazo fitenenana hoe ianoa no Piera sns, ireo apostoly t@ andron'i Jesoa ihany no nahazo iraka hoe mandehana mampianatra ny firenena rehetra, manaova batemy (batisa selon) azy ireo sns, ko manin no misy pasitera ao @ fiangonanareo? nefa i Jesoa sy niteny t@ pasiteranareo mivantana hoe mandehana sns...? (atao hoe ny finoana katolika irery izany no manaiky fa miampita ilay hafatra)
35. bor2lais ( 19/08/2009 12:27)
Hoy i ari.malala 27 :
"Papa Benoa no dimbin'i Piera ety ambonin'ny tany ka. Samy manana ny andraikiny. I papa mamahana ny andian'ondry ety ambonin'ny tany"

Hoy i Bor2lais 29 :
"-> Raha azoko tsara ny tianao lazaina dia i Piera ihany no mbola manana ny "lakile" (ary miandry vavahady any an-danitra any izy izao) ? Fa ny fiandrasana ny ondry ety an-tany no no-pasiny tamin-dry papa nifandimby ?

Diso ve ny fandraisako azy ? "

Hoy i Mandefitra 30 :
"1/Ka io mitsy mantsy zao no tsy azoko ange ry bor2lais. Nisy resaka zay mantsy fahiny hoe nifampiampita ilay fahefana ... ka ilay inona no niampita? ilay lakile sa lay fiandrasan ondry?"

Hoy i ari.malala 33 :
"Mandefitra, ny fiandrasana ny andian'ondry re no nifampiampita e!"
---------
-> Misaotra an'i ari fa voavaly koa ny fanontaniako 29 ery ambony !

Marihina fa tsy ny fiandrasan'i papa ny ondry akory no ventin-dresaka eto raha ny fahazoako azy fa ilay "lakile" !

Samy manana ny fandraisany azy sy ny maharesy lahatra azy io ! Ho an'ny sasany mety tokana iny lakile iny ary misy ny natokana hitana azy. Ho an'ny hafa kosa mety efa lakile maro (copies) no miparitaka (any am-paosin'ny Fiangonana na mpino tsi11 any) : samia fotsiny mahay mampiasa sy mitazona ny azy !
36. Mandefitra ( 19/08/2009 12:42)
Raha namaky ilay toriteny t@ teny gasy i ari dia ao ny valiny.
Ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra: Sary ilazana koa fa tsy misy lalana ahazoana miditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra afa-tsy ny finoana sy ny fanambarana an’i Jesosy ho Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Amin’ny alalan’izany finoana sy fanambarana an’i Jesosy izany koa no nanomezan’i Jesosy fahefana ny Fiangonana hanambara ny famelankeloka, amin’izay rehetra mino, ka hanohizan’ny Fiangonana ny asa famonjena izay tiany hotanterahina eto amin’izao tontolo izao (Jaona 14:12) . Izany fahefana izany no atao hoe »ny fahefan’ny fanalahidy», »Izay fehezina, ....izay vahana..»

Fa ny nahatonga ilay adihevitra dia hoe nomena an i Piera irery ilay fanalahidy hoy ny interpretation ny Katolika. i Piera no ilay Vatolampy ...

Na izany na tsy izany, misaotra @ fifampizarana.
Samy ho tsilovin'ny Fanahy Masina isika hitombo @ fahalalana tsara an'Andriamanitra sy ny SitrapoNy.



37. ari.malala ( 19/08/2009 14:21)
Mandefitra, mba ivereno vakiana anie azafady ilay ao anaty baiboly e! ts niteny v Jesoa t@ Piera hoe omeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra e! ko ny katolika aona no mi interpreter in? d iraisako feo enao amlay hoe
Samy ho tsilovin'ny Fanahy Masina isika hitombo @ fahalalana tsara an'Andriamanitra sy ny SitrapoNy.
Samia tsara e!
38. ikaretsaka ( 19/08/2009 16:30)
ohatran zao io ry reto an... ra jesoa no tompon'ny trano de i piera no mpamoha vavahady

ohatranao maka audience io ka bloken"ny sekretera de veloma ny aminao
39. ni81 ( 19/08/2009 20:18)
Dia aza mba very ihany koa aloha ilay lakile fa dia eto isika mianakavy e !!!

HS oua ny ahy iny an !!
eto tsika no ho raisina raha toa ka izay zany? :D
40. ikaretsaka ( 19/08/2009 20:36)
kkozio rapiera haingana :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1012