Fanimbazimbana ny finoan'ny hafa

161. rzakarivola ( 20/08/2009 13:06)
rakapy:

O !Rzakarivola. Asa na mba fantatra fa tsy mihaino ny protestanta na katolika na ny kristianina velively ilay A/tra heverinao fa tinao. Ireo mpanao tontakely sy ny mpanendaka no tena henoiny.

==> Fantatrao ve ilay Andriamanitra inoako ? Izaho hiteny @nao fa mihaino ny olona rehetra Andriamanitra, noho izany, tena mihaino mihitsy ny katolika sy protestanta Izy.
162. rzakarivola ( 20/08/2009 13:16)
ari.malala:
razakarivola, tena manafintohina b lay toetranao tia tsingolongoloka, nefa fantatrao tsara fa loza hoanizay iavian'ny fanafintohinana!

==> Tenin'i Jesoa io faharoa io. Sambatra kosa izay tsy ho tafintohina noho ny amin'i Jesoa


ari.malala:

averiko aminao ny fanontaniako, fahefana avy aiza no ahasahianao mitsara olona toa io?

==> Izaho kosa hametraka aminao fanontaniana iray loha, dia hovaliako ianao. Fahefana avy aiza no ahafahanao mitsara ahy tahaka izay efa nataonao rehetra?


ari.malala:
zay nge no antony ametrahako fanontaniana foana hoe nga enao Jesoa sa enao Atra no miseho mahalala ny any ampo sy saina ary ny momba ny olona 1 e!

==> Efa namaly anao aho fa tsy mino ianao ka ataoko ahoana. Tsy i Jesoa aho ary tsy Andriamanitra, Jesoa dia YAHVEH Mpamonjy, RAY Mandrakizay. Tsy mahalala velively ny any am-pon'ny olona aho, tsy mahalala ny any an-tsainy, ny ato am-poko sy ny ato an-tsaiko no fantatro ary ambarako, tsy ho fanalam-baraka ny tenako akory, fa ho porofo fa misy izay mahery noho izao mampiteny ahy, mampiaiky ahy ny fahotana.


ari.malala:

de quel droit vous permettez vous monsieur de juger les gens ainsi???? vous prenez vous pour Dieu??[/u][/b]
==> Non, je ne juge personne, que je sache, le Fils de DIEU méme, sur qui tout jugement a été mis par Dieu, ne juge personne! IL a tout simplement dit "si quelqu'un rejete ma parole, je ne le jugerai pas, il a son propre juge sera cette parole que je lui ai dite"


[quote=ari.malala]
Diso miseho milay sy miseho mahafantatra loatra an'Andriamanitra enao ka lasa miavonavompiteny ny iafarany! hehehe! samy hotsaraina @ ataony moa fa d hifankahita e!

==> Tsy mbola mahafantatra an' Andriamanitra feno aho satria sombintsombiny ny fahalalako. Iray no fantatro : Jesoa Kristy no tenin' Andriamanitra velona, fa "fahiny raha niteny t@ olona t@ fomba sy fanao samihafa Andriamanitra, @izao farany izao dia miteny @tsika @ alalan'ny ZanaNy Izy"
163. rzakarivola ( 20/08/2009 13:19)
ari.malala:

in mints nga ny tsy matinle ranga ty lolo @ finoana katolika fa tena halany maizina mints! nefa hono zany d misoratena ho pasitera mitory teny! mba mandiniha tena kely azafady ramose a! pfffffffff madio ivelany toa fasana! ety ivelany miseho mitory nefa ny ao anaty fo lo sy lotik ny fankahalana...

==> Inona @izay nolazaiko no ilazanao fa mankahala katolika aho? Tsia, tsy mankahala aho, fahiny, na dia ny FJKM izay fiangonana nanabeazana ahy aza nankahalaiko. Fa fantatro ankehitriny fa KRISTY tsy tonga hiantso ny marina. Izao ny fitiavana, tsy ny nitiavantsika an' Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka maty KRISTY noho ny fahotantsika.
Teneniko anao ny marina, tiako ny ho pasitera satria nanendren'ny Tompo ahy, kanefa tsy mendrika ny ho pasitera akory aho, satria na dia ny ankohonako aza tsy haiko ny mitantana azy.
164. rzakarivola ( 20/08/2009 13:28)
fahamarinana:

rzaka : Manomboka manahirana ilay zavatra ambaranao satria voatsaranao daholo ny bobaka rehetra, ao ny tsy mahay any Jesoa, ao ny matimaty, ao ny mangatsiaka, ao ny miteniteny foana milaza fa Masina i Maria,sns sns..

==> nahatonga saina ahy ity! Marina tokoa fa raha izaho no niteny ireo dia tena mitsara olona aho, fa raha nitondra jiro teo @ tenin'izay nilaza fotsiny kosa aho, dia tsy teny avy amiko ireo fa ny teninareo tsirairay avy ihany no miseho mazava.
"Ary izao no fitsaràna, tonga eo @ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleony ny maizina ..."


fahamarinana:
Mandiniha tena bitika kely aloha r'ise fa na ny zavatra nahaliana sy naika niditra aza lasana nitsoaka, tsy i Jesoa dradrainao intsony no hita fa ilay fitiavanao mitsikera sy mitsongolika ny tsirairay !

==> Marina ihany fa tia mitsikera sy mitsongolika aho, fa i Jesoa kosa tsy manao an'izany. Koa raha izaho no niteny, dia efa izaho sahady no voatsara, fa raha nampiasain'i Jesoa hitondra jiro eo @ izay ilàna izany aho, dia tsy izaho no niteny. Ary ny fanaovan-jiro tsy natao hapetraka ambany vata famarana, fa natao hampahazava ny efitra iray manontolo.


fahamarinana:

Minoa aho fa tsy izay no takian'ny Jeso amintsika nandray Azy ,na milaza sy midradradra fa nandray Azy !! :(

==> Ity teninao ity izao dia manambara mazava amiko fa tsy tenin'i Jesoa no teneniko ary tsy asan'i Jesoa no ataoko, araka ilay hoe "izay mino ahy ny asa ataoko no hataony koa ...", ary tsy mankato ny Didin'i KRISTY aho. Maninona aho no lazainao fa mitsara olona? Ary ianao mba maninona?
165. fahamarinana ( 20/08/2009 13:48)
rzaka:
nahatonga saina ahy ity! Marina tokoa fa raha izaho no niteny ireo dia tena mitsara olona aho, fa raha nitondra jiro teo @ tenin'izay nilaza fotsiny kosa aho, dia tsy teny avy amiko ireo fa ny teninareo tsirairay avy ihany no miseho mazava.

:arrow: :-D :-D :-D njekaiky o !Teninao ireo sa tsy teninao e ? Taiza ho aiza ny tenanay aby ireo no nilaza anay ho mangatsiaka sy matimaty sy tsy mino sy mahalala any Jesoa ! hummmm ! Lalina tokoa ny fahaizanao manao fanoharana sy fanamboarana ny teny efa voalazanao irery sy mamindra azy any amin'olona indray !Mampalahelo be izahay !
Tena pao-tsatroka be !Aza afangaro amin'ny masindahy Paoly,Jesoa sns fa isika sy ianao no miresaka izao sa ianao no Paoly,ianao no Jesoa hany ka raha tsikeraina ny lazainao dia tsikerainay koa i Jesoa ? ohatra ?
rzaka:
==> Ity teninao ity izao dia manambara mazava amiko fa tsy tenin'i Jesoa no teneniko ary tsy asan'i Jesoa no ataoko, araka ilay hoe "izay mino ahy ny asa ataoko no hataony koa ...", ary tsy mankato ny Didin'i KRISTY aho. Maninona aho no lazainao fa mitsara olona? Ary ianao mba maninona?

:arrow: :-D :-D :-D lany arguments ngaha rzaka aloha ,....
mba maninona za ve ? :ndryy ,za mianatra sy mandalina fa tsy mbola tonga amin'ny fahaizanao mitsikera sy mitsimpona !Ireo no mahasamihafa antsika !
Mahasoava marina dia ho tratrasoa ny farany ! Misaotra o !
Jereo sy adihadio izay voalazan'ny namana bobaka be ao ambony ao sy any amin'ny dinika rehetra any,misy ho saintsainin'ny rehetra tokoa fa tsy dia ianao tokana ihany akory no tiko lazaina !! :) (l)
166. ikaretsaka ( 20/08/2009 14:40)
I jesoa ry zaka tsy nitsimpona. Ary ny nahatonga ny olona hanana vue sy conscient @ fiasan'Atra eo anivon'ny voariny @ fiainana andavanandro aza no nataony
167. Mirananirina ( 21/08/2009 16:43)
Ka ry Masin-dahy sy Masimbavy ilay lazainao fa inoanao aza no nilaza sy nijoro vavolombelona ny fahitany an'i Jesoa! Mipetraka @ inona ny finoanao raha izany?
Inoako tokoa ireo+++Andriamanitra sy Jesoa fa tsy hoe ireo irery akory
Hoy ny Md. Paoly, ary izaho miombona aminy hoe "Ny Tompo no mitsara ahy". Izao koa no nolazainy "Koa @izany dia tsy misy fanamelohana intsony @izay ao amin'i Kristy".
Hoy i iza hoe?????Masindahy Paoly sa Mr Paoly??????Nahoana no tsy Mr no atonao fa Masindahy,midika izany fa misy olona masina ihany.Matoa ianao mamaky ny teniny dia hinoanao izay lazainy.
Raha ny fahamasinany no nifidianana azy hiteraka an'i Jesoa, nahoana no natao hoe "nohasoavina" izy ? Maria dia taranak'Israely, raha dinihina ny nifidianan' Andriamanitra an'i Jakoba (izay atao hoe Israely), dia inona izany ilay atao hoe fahamasinana
Io izany no antony tsy tokony hirarahina an'i Maria satria zanak'israel dia jiosy???fa tsy noho maha renin'i jesoa azy???Satria izay talohan'i jesoa dia tsy Kristianina?Marina tokoa io.Nefa tokony tsy hodiana tsy hita fa avy any no niandohany finoana.

Mino tokoa ilay Andriamanitra sy Jesoa zanany aho.fa miampy ,ny olona masina rehetra,indrindra ny reniny Masina Maria.Niteny aho hoe i Maria ambony noho i Jesoa dia satria izay no fahitako azy.Raha tsy nisy Maria ,tsy nisy Jesoa.Ahy irery io,dia avelao ho ahy samirery.Ary matoa tiako ny reniny dia tiako koa ny zanany mazava ho azy.Ary inoako tokoa.
168. kantokoely ( 29/08/2009 21:18)
Miresaka izany masina maria zany ianareo fa misy an lay tataran\'i jesoa iny refa paka sa pantekoty mou iz zay l jesus de nazareth dia ao anatin\'ilay izy zany misy mpiantr\'i jesosy dia niteny anazy oe miandry anao ao lahatrano ao ouz ny reninao sy ny ralahanao fa jereo alou iz dia tonde ouz jesosy oe \"za ts manana an zany fa zay tia ahy sy manaraka ny teniko ihany no reniko sy ralahiko \"ts haiko na i maria resahanareo ty alou io a dia misy anakiray zay kou ts haiko na mifandray am teo alou ty, fa nisy ramatoa nitomany (maria v iny? ts haiko alou fa za tena mbola kely tamzany dia tenenin\'i dadanay oe io no niteraka an jesosy )dia tonga dia niteny ndray jesosy oe \"ravehivavy mpifaninona akory moa izaho sy ianao no mitomany noho ny amiko ianao?\" miala tsiny aho raha misy diso ny phrase kou an.
dia mijery an ty dinika ty za zao efa lebe za a!dia aona mou zany tsika tia an\'i maria nefa i jesoa ary naterany nanao oe \"za ts manana an\'io sy oe mpifaninona akory mou za sy enao?\"
raha mba misy mahay manazava anie dia mba ampio e! misaotra ndrindra o
169. ari.malala ( 31/08/2009 05:57)
kantokoely, tsy misy azoko nytianao tenenina fa azonao azavaina tsara v azafady?
170. niryna ( 02/09/2009 16:18)
kantokoely:

Miresaka izany masina maria zany ianareo fa misy an lay tataran\'i jesoa iny refa paka sa pantekoty mou iz zay l jesus de nazareth dia ao anatin\'ilay izy zany misy mpiantr\'i jesosy dia niteny anazy oe miandry anao ao lahatrano ao ouz ny reninao sy ny ralahanao fa jereo alou iz dia tonde ouz jesosy oe \"za ts manana an zany fa zay tia ahy sy manaraka ny teniko ihany no reniko sy ralahiko \"ts haiko na i maria resahanareo ty alou io a dia misy anakiray zay kou ts haiko na mifandray am teo alou ty, fa nisy ramatoa nitomany (maria v iny? ts haiko alou fa za tena mbola kely tamzany dia tenenin\'i dadanay oe io no niteraka an jesosy )dia tonga dia niteny ndray jesosy oe \"ravehivavy mpifaninona akory moa izaho sy ianao no mitomany noho ny amiko ianao?\" miala tsiny aho raha misy diso ny phrase kou an.
dia mijery an ty dinika ty za zao efa lebe za a!dia aona mou zany tsika tia an\'i maria nefa i jesoa ary naterany nanao oe \"za ts manana an\'io sy oe mpifaninona akory mou za sy enao?\"
raha mba misy mahay manazava anie dia mba ampio e! misaotra ndrindra o


Miezaka ny anaza aminao aho ka raiso izay fantatrao fa mifandraika ny eritreritrao.
Araka ny nolazaiko hatrany amboalohany dia mila mi humble ny tsirairay izany hoe mila manetritena,fa matetika misy manitsakitsaka dia tsy manaiky ho resy lahatra ary dia mihitatra ny resaka.
Samy manana ny nampianarana azy avvokoa ny olona ary raha ny baiboly no resahina dia Masina Maria no nofidian'Atra ho ipetrahan'ny fanahy masina ka nahatonga an'i kristy velona tonga nofo tety an-tany.Afaka omeny izany izay tiany fa izy no nofidiany.
Ilay resaka hoe mitady anao ao alantrano ao ny reninao sy ny rahalahinao .Io dia porofo iray iresahana hoe manana reny Jesosy ary nanana rahalahy koa izy aloha,io koa dia mbola sujet manaraka ny arabe satria ny sasany misy mampianatra fa tsy manana step sisters sy step brothers izy na ireo iray reny aminy fa zanaky Maria sy Josefa.Io koa dia mbola hafa ihany koa satria misy mampianatra fa virjiny foana izy kanefa ny tenin'Atra dia manambara fa hoe rehefa teraka Jesosy dia nahalala an'i Josefa amin'izay Maria.
Ny tian'i kristy ahatongavana dia mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin'ny tompo avokoa isikra kristiana rehetra,Fantany hoe Masina Maria no niteraka azy,fantatry Maria koa fa miracle io zaza io satria ny anjely no nampahafantatra azy izany hoe hitoejaza izy"How could it be" ahoana no fomba ahatongavana amin'izany...izaho anie ka mbola tsy mahalala lehilahy e? io dia miracle ary ho an'ny tsy mpino moa dia izay tsy mino koa izy.
Ilay hoe rahavehivavy indray dia fomba fanajana ilay izy fa tsy arahintsika amin'ilay fiteny araka ny mahamalagasy antsika akory.
Sr,Mrs,Ms....aty aminay dia fomba fanajana tokoa io fa hafa indray raha ohatra ka te anakaiky koa ilay olona na tsy dia tia mihafahafa dia manao hoe He what's up ... na hoe Hello .. sns
izay no mba azoko zaraina aminao.Raha araka ny fiteny gasy tokoa aloha ilay izy dia mitovy eritreritra anao aho e,maninona hoy aho Jesosy no tsy manome fanajana ny reniny,fa rehefa nanao fanadihadiana tetsy sy teroa aho dia nisy fanazavana io lazaiko io.Averiko indray raiso izay mifanaraka aminao ary mivavaha mandrakariva mangataka ny fanahy masina mba ampianatra antsika fa ao aminy irery ny fanalahidy anazava izany

:-* :-*
171. ikaretsaka ( 02/09/2009 16:23)
Momba ilay hoe rahalahy dia tsara angamba raha mianatra teny grika sy kolotora jiosy hoe ny cousins de rahalahy ny dikany (adelphos)
172. ikaretsaka ( 02/09/2009 16:29)
Sy ny hoe misy maria firy t@ faha jesoa.... zany vakiana sy dinihina fa aza faly mitsimpona fotsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089