manao ny fanaon'ny olona miaraka...........!!!

101. Papoose ( 07/08/2009 14:21)
ko refa misaveraka v ry ary le hafa tsy ho rombahan'ny kil :-P :^)
102. ari.malala ( 07/08/2009 14:25)
tssssssssss zay kala papoose zay :-D :-D :-D :-D :-D
103. tess ( 07/08/2009 14:32)
Non, mba te hanana olontiana toy ny rehetra izy,saingy io bandy efa manana sipa io no teo akaikiny

pfffff fa angaha tsy afaka mitady olona any ankafa c trop facile tsy ampieritreretana, :-D
104. tess ( 07/08/2009 14:36)
Papoose:

ko refa misaveraka v ry ary le hafa tsy ho rombahan'ny kil :-P :^)

de ratsy fitantefa le fitiavana eo fa ataony aponga miantona fotsiny ! tsy fitiavana ny an'i lery fa juste filambotsiary, izay anie le fandehany zay e! ny azy azy ihany matoa manao an'io geste maro isakarazany io.... hoe tsy miaraka e! sns.....

:^)
105. ni81 ( 07/08/2009 14:40)
ko refa misaveraka v ry ary le hafa tsy ho rombahan'ny kil
toy ny mpangaro-paosy izany! tsy nangalatra izy fa ny paosy no nisanàka :D
106. Papoose ( 07/08/2009 15:43)
de ratsy fitantefa le fitiavana eo fa ataony aponga miantona fotsiny ! tsy fitiavana ny an'i lery fa juste filambotsiary, izay anie le fandehany zay e! ny azy azy ihany matoa manao an'io geste maro isakarazany io.... hoe tsy miaraka e! sns.....


dia asakasak'ilay sipa mbola hiditra!

ni81, zay mintsy no fahitako azy
107. fijo ( 07/08/2009 21:01)
tsy nofa iznay ry sipa fa revy io an,alefa aloha de avy eo koa midinika e,
108. ravonjison ( 08/08/2009 11:51)
xxx:

za de sipa 22ans! miaraka am bandy efa sipan'olona! mifankatia zahay! nefa refa miresaka zay sy le bandy de lazainy ts TSY MIARAKA HONO ZA SY IZY!! nefa za sy izy mihaona fona! mifanoroka fona! mifampikitikitika fitaovam-pananahana! manao RS !! tsenainy za refa mirava avy miasa de ateriny am vam za refa mody!mierasaka be za sy izy!manao illimté refa miantso am atoandro de am alina! de lazainy hoe TSIKA NGE TS MIARAKA E!!!
de refa mande ny ftona: misy ftona izy miteny amiko hoe: "NDAO HIARAK E!NEFA TS METY SATRIA ZA EFA MIARAKA AM anona!!!"hoy izy.
Le saina n le bandy mits ngamba no mitondra an le izy, araka ny hevitro: satria izy efa miarak am sipa hafa de tsy mety am sainy ny hi accepté hoe miarak amiko koa izy: de ny vavany no forcény hiteny hoe "tsika ki tsy miaraka a"! De hoy ah taminy: TSIKA ZANY TSY MIARAKA FA MANAO NY FANAON'NY OLONA MIARAKA: de ts mahateny izy! ts azoko mits!
Fa inn ny definition ny MIARAKA AMINAREO????




Hono hoa ry xxx, inona no mahatonga anao hiaraka @ io tovolahy io, na dia efa fantatrao aza fa manana sipa izy ? Mba azonao velabelarina ve ?
109. cutie ( 08/08/2009 21:11)
Hono hoa ry xxx, inona no mahatonga anao hiaraka @ io tovolahy io, na dia efa fantatrao aza fa manana sipa izy ? Mba azonao velabelarina ve ?

ka efa we mifankatia ry zareo ka in ndray :-D
110. soanja ( 10/08/2009 01:11)
ari.malala:

Ravonjison, ekena anie hoe @ mahaolombelona misy izay crise sy filàna miakatr izay e! fa isika olombelona manana saina afaka mandinika sy mifehy antsika ka tsy ho voabaikon'ny filàna fotsiny iany toy ny biby sanatria. Ka na miakatra toy ny inona aza ny filàna, tsy izany akory no ndeha hisarangotana @ anjaran'ny hafa. Mila mipetraka mandrakariva @ toeran'ny ankilany (ilay sipa na vadin'olona) iany koa e, hoe raha ny sipako, na ny vadiko no iarahan'olona na adalain'olona d ho zakako v. Inoako 100% fa tsia avy hatrany no valiny, k anjaran'ny tsirairay zany no manaja ny tenany ary manaja izay miaraka aminy fa porofom-pitiavana ngezabe tsy azo lavina ny fanajana.


Tadidio lalandava Ari fa tsy mitovy ny fisainan'ny olombelona rehetra na ny moraly arahan'ny tsirairay na dia iray fianakaviana aza, iray tanana, iray firenena sns aza ka ny fametrahana io hevitra omenao io dia idealy tokoa ho an'ny rehetra izay tokam-po sy manome ny rehetra ho an'iray dia iray.

Tsy toy izany anefa ny fisainan'ny lehilahy sy vehivavy be dia be tokoa amin'izao fotoana. Mifanjevo be ny zavamisy eto an-tany ka ny ahitan'ny tsirairay fahasambarana dia tsy voatery halasitra ao anaty vilany iray avokoa.

Matoa le zalahy efa manambady na manan-tsipa nefa mbola mila an'i xxx hiarahany na dia milaza azy izy fa tsy miaraka satria ny moral-ny no voa na enjehan'ny eritreriny dia dia ao raha. Mety misy olana izany ny fanambadiany na ny fisipany na tsy ampy azy ilay vehivavy iraika hafa. Fa raha sambatra izy any dia tsy hitselotselona any amin'i xxx. Mikatsaka fahasambarana daholo no takiantsika olombelona dia samihafa aza ny fisehony. Afaka manao modely tsara ny tsirairay nefa tsy hidika mihitsy hoe izay " tsara" aminao izay ho tsara amin'ny hafa.

Mila jerena foana hoe zavamisy ve ny fampirafesana, valiny Yes,
mandeha ila ve io sa misy satria ao ny fifandraisana ao anatin'ilay fiarahana miorina mikotringa? Valiny amiko dia hoe tsy mandeha ila io fa ao raha (olana) matoa misy.
Raha ampirafy aho, inona no katsaiko? Raha ampirafesina aho inona no katsahiko? Raha mangalatra ny an'ny hafa aho inona no katsahiko? Mila manontany tena ny tsirairay. Matoa xxx nisafidy ity lehilahy ity dia io no mety aminy. Tsy anjarako ny hitsara azy ary tsy anjaran'ny hafa fa ny fiainana ihany no afaka manome azy io lesona io hoe mety aminy ve izany sa tsia. Mbola miana miaina daholo isika rehetra ary tsy misy lafatra velively.

Ny fiezahana kosa mitily sy mandinika ny zavamisy dia tena mety tokoa, toa ny fanontanian'ny xxx hoe " inona tokoa moa no antsoina hoe miaraka?" matoa izy afaka manontany an'io dia manao fandinihan-tena izy ary miezaka mamantatra hoe aiza ny lalana mety aminy alehany.




111. xxx ( 10/08/2009 05:48)
:roll:
112. ari.malala ( 10/08/2009 06:46)
Afaka manao modely tsara ny tsirairay nefa tsy hidika mihitsy hoe izay " tsara" aminao izay ho tsara amin'ny hafa.
zay koa aloha d marina mints e!
113. ravonjison ( 10/08/2009 09:11)
Voalaza teo :

\"Mila jerena foana hoe zavamisy ve ny fampirafesana, valiny Yes,
mandeha ila ve io sa misy satria ao ny fifandraisana ao anatin\'ilay fiarahana miorina mikotringa? Valiny amiko dia hoe tsy mandeha ila io fa ao raha (olana) matoa misy.\"


Marina dia marina.

Misy fanontaniana napetrako t@ i xxx etsy ambony, dia mbola somary miandry valiny avy aminy aho.
114. Papoose ( 10/08/2009 18:02)
:arrow:
115. ratonga ( 11/08/2009 01:48)
cutie:

Hono hoa ry xxx, inona no mahatonga anao hiaraka @ io tovolahy io, na dia efa fantatrao aza fa manana sipa izy ? Mba azonao velabelarina ve ?

ka efa we mifankatia ry zareo ka in ndray :-D



=)) =)) =))
ko efa novelabelarin'i xxx ngé zany lé zavatra (lé resaka) ko eo dé miseo bé morall dôly eo ny bobaka !!!! 8-) :-P :-D :-D :-D
116. ikaretsaka ( 11/08/2009 02:07)
hahaha
117. xxx ( 11/08/2009 05:54)
Hono hoa ry xxx, inona no mahatonga anao hiaraka @ io tovolahy io, na dia efa fantatrao aza fa manana sipa izy ? Mba azonao velabelarina ve ?

Satria tiko izy : mahatsiro sambatra ah am fitiavako azy !! na de eo aza zany réalité be zany (hoe efa manana sipa izy) !!! miaraka aminy ah satria tiko izy !
olona iray efa manam-tompo no mambabo ny foko
118. ni81 ( 11/08/2009 05:58)
Satria tiko izy : mahatsiro sambatra ah am fitiavako azy !! na de eo aza zany réalité be zany (hoe efa manana sipa izy) !!! miaraka aminy ah satria tiko izy ! olona iray efa manam-tompo no mambabo ny foko
Izay zany koa! Mazava be toy ny masoandrobe lohataona ./. :D
119. ari.malala ( 11/08/2009 06:40)
ratonga:


=)) =)) =))
ko efa novelabelarin'i xxx ngé zany lé zavatra (lé resaka) ko eo dé miseo bé morall dôly eo ny bobaka !!!! 8-) :-P :-D :-D :-D



:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
120. kongobile ( 14/08/2009 07:01)
Slt
RaTovovavy a
Tsy hamaly ilay fanontanianao aho fa hanome torohevitra anao mba hamahana io zavatra iainanao io
Be dia be ny lehilahy afaka mitia ary tena tia sady mety tena ho tianao ihany koa. Hoy ny hira "ny fitia anie toy ny ketsa ka mora hafindra".
Sao dia variana @ lango malefaka sy ny zavatra maro mety hambabo anao ianao dia variana eo fa dinidiniho ihany e.
Ny lehilahy anie mitovy daholo e ,mety mahita tsara noho io ianao
sao ianao mieritreritra hoe io olona miaraka aminao io no tena role
Tsy misy mahasolo an'io
Tia tena io olona io raha ny fahitako ny resakao sady mivevitra anao ho kely saina ka tsy te hiditra lalina be
courage ianao :( :( :( :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008