Efa zanak’Andriamanitra ve ianao ?
1. fidinirina
(
31/07/2009 08:03)
Efa zanak’Andriamanitra ve ianao ?
Ry Malagasy rahalahy sy anabavy ary Ray amandreny, aoka isika tsy ho diso hevitra ny amin’ny maha-kristiana na ny maha-zanak’Andriamanitra antsika. Tsy satria ny Dadabenao na ny razanao nilaza fa kristiana dia midika ho azy fa kristiana ary zanak’Andriamanitra koa ianao. Tsia, izao no lazain’ny soratra masina : « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra. » Jaona 1 :12-13.
Tsy afaka hiteny velively isika hoe zanak’Andriamanitra raha tsy efa nandray an’i Jesoa Kristy ao anatintsika ; nandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy antsika. Izany indrindra no hevitry ny teny hoe « mino ». Ara-bakiteny, amin’ny teny malagasy, ny mino dia midika hoe misotro (Mino rano : fiteny avy any atsimo) na koa hoe mihinana (na fampinomana). Mampiditra ao am-bava na ao anaty no hevitr’izany; ary izany indrindra no tian’Andriamanitra ambara amintsika ny amin’ny atao hoe finoana. Raha mino an’Andriamanitra ianao dia mandray Azy ary mampiditra Azy ihany koa ao am-ponao. Marihiko fa tsy hoe «mametraka eo ambony loha, na mametraka Azy an-toeran-kafa» fa ao am-pontsika.
Kristiana = Kristy ao anatinao
Ny tenantsika : kristiana # Ny tenantsika irery ihany (Jesoa Kristy any ivelany any)
Izao no voalaza ao amin’ny Apokalypsy 3:20 « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » Ny endriky ny sakafo tian’i Jesoa Kristy ambara dia ilay finoana izay tiany iarahana amintsika : mino an’Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Ny hiditra ao amintsika dia tsy hoe ny vatan-tenany hohitanao mandroso ao an-tranonao, fa ianao manaiky Azy honina ao am-ponao. Fa ny tsara ho marihina koa dia tsy fomban’Andriamanitra ny manao amboletra na manao an-terisetra hiditra ao amin’izany fonao izany, manome safidy malalaka ho an’ny tsirairay izy. Nefa kosa mampahafantatra ny lalàna tsara tokony izorany mba ahitanao ny tena fiainana.
Jaona 14:6 « Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. »
Isika dia teraka tamin’ny ota, mpanota ary feno ota ao am-pontsika. Izany hoe ny tenantsika mihitsy no ota ary mila an’i Jesoa Kristy indrindra isika hanadio antsika ary hanafaka izany ota izany. Izany no antony nanolorany ny ainy hamonjy antsika ary nandatsahany ny ràny hanadiovana antsika raha mety isika. Jaona 3:16 « Fa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay » Tadidio izany fa ho very ianao raha toa ka tsy mino Azy tsy mba hahita izany fiainana mandrakizay izany.
Rehefa nanontan’ny olona Petera, taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ary niakarany velona tany an-danitra, hoe : «Inona no ataonay ?» dia izao no navaliny azy ireo : Mibebaha ianareo (Asa 2:38 . Taoriana kely indray dia niteny izy hoe : Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo. (Asa 3:19). Ny fibebahana dia ny fanekenao fa meloka ianao, ota ianao, ka mahatsiaro marary any anatinao any, ary te hanala izany fanamelohana izay mangeja ao anatinao izany ianao. Isika isaky ny manota dia manombo indray an’i Jesoa kristy eo ambony hazo fijaliana nitondra ny otantsika rehetra; satria Izy no efa nanolo-tena ho faty hanadiovana izany helontsika izany. Maro ny mbola tsy mahalala na tsy mahatakatra ny hevitry ny tena atao hoe fibebahana. Ny ankamaroan’ny olona dia mihevitra fa rehefa miseho amin’ny endrika ety ivelany fa nisy fiovana teo amin’ny fiainana, na matetika ny ataony, dia ampy ilazana fa niova tanteraka tokoa ny tao anatiny tao. Tsy izany no tian’ny tenin’Andriamanitra ambara amintsika. Ny fahatsiarovana ny fijaliana anaty nanombo an’Andriamanitra mihoatra noho ny fahotana fotsiny no iaingan’ny fibebahana.
Jodasy Iskariota, taorian’ny namadihany ny Tompo, dia niloa-bava hoe : Nanota aho, satria, namadika ra marina. Fa hoy ireo : Ahoanay izany? fa asa anao. (Matio 27 :4). Ny famborahany izany teny izany dia noheveriny fa hanala ny fiampangana azy sy ny fitsaran’Adriamanitra azy rahatrizay. Ny vokatry ny asany no nameno tahotra tao am-pony fa tsy naneho nenina na kely akory aza izy tamin’ny namadihany ny zanak’Andriamanitra.
Mibebaka = miaiky tongotra aman-tànana ny fahotana, ny maha nofo-ota, ny heloka mampisaraka amin’Andriamanitra ary te-hiala tanteraka amin’izany rehetra izany.
Tadidio fa tsy ampy ny fiaikena fotsiny toy ny nataon’i Jodasy fa ny fanapahan-kevitra tsy hiverina amin’izany indrindra no tena zava-dehibe.
Hoy ny Tompo ao amin’ny Jaona 3:3 « Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. » Tsy maintsy mandalo fahateraham-baovao ny olona tsirairay avy vao afaka miteny hoe zanak’Andriamanitra. Ny fahateraham-baovao no manaisotra ny maha-nofo ota antsika ary ahafahantsika mivelona amin’ny fiainana tsy hain’izao tontolo izao. Io ilay voalaza tery ambony hoe «tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra»
Hoy Paoly ao amin’ny Galatiana 2:20 « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. »
Tia antsika Andrimanitra satria Izy mihitsy no fitiavana. Te-hanavotra anao izy, nefa tsy an-tery no iantsoany anao fa am-pitiavana (fitiavana tsy mety levona). Fantatrao moa rehefa tia ny olona iray : mahafoy ny zavatra rehetra ho an’ny malalany, eny, hatramin’ny ainy. Koa maika fa Andriamanitra izay efa niantso anao hoe zanaka ary hampandova anao ny fanjakany rehetra rahatrizay. Tsy efa natolony ve ny tenany hovonoina noho ny fitiavana antsika tsy ho very. Efa nampanantena antsika Izy ny hanome izay rehetra irintsika (« Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. » Jaona 15:7). Moa misy porofom-pitiavana lehibe mihoatra izany ve ? Efa nasehony tamin’ny olona rehetra fa afaka mitsangana ny maty, dia izay maty ao amin’i Jesoa Kristy, ary ho velona any fiainana mandrakizay feno fifaliana sy voninahitra.
Izany fanazavàna fohifohy izany no tiako hozaraina amintsika eto. Raiso Jesoa Kristy fa efa te-honina ao amin’ny toerany ao am-ponao Izy. Iza no mbola asolonao Azy ka manery ny fonao ankehitriny ? Vohay izy fa efa miantso sy miandry ny fanapahan-kevitrao. Moa tsy tsapanao ve fa tsara indrindra izany miaina mandrakizay izany. Izao tontolo tsy hampanantena anao afatsy ny zavatra hita maso sy ny helo. Nefa rehefa hody vovoka ihany ianao ary tsy hahazaka na dia iray grama aza.
Ny Tompo irery ihany no efa nampanantena anao fa « handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. » Jaona 14:2. « Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. » Matio 24:30
Ry Malagasy ! Raiso hanjaka eo amin’ny fiainanao Jesoa Kristy.

novalian'i ari.malala ny 21/08/2009 14:25
2. ikaretsaka
(
31/07/2009 16:34)
Tsy problemanao ny maha zanak'atra an'izatsy sy zaroa fa azy sy atra izany... satria rehefa tonga ny confrotation any aoriana any de tsy ho eo ianao hanao hoe ilay io koa zanakao razezo fa nitoriana ny teninao sy nataonay batisa t@ anaranao...
3. niryna
(
01/08/2009 05:45)
fidinirina:

aleloia amena ,misaotra nizara taminay fa ambavy homana ampo mahatsiahy
vita tompoko
4. niryna
(
01/08/2009 05:52)
ikaretsaka:
Tsy problemanao ny maha zanak'atra an'izatsy sy zaroa fa azy sy atra izany... satria rehefa tonga ny confrotation any aoriana any de tsy ho eo ianao hanao hoe ilay io koa zanakao razezo fa nitoriana ny teninao sy nataonay batisa t@ anaranao...
:oops: :oops: 8O 8O :roll: :roll:
ireto misy valiny tsara ho eritreretina ry ika
fidinirina:
Fa ny tsara ho marihina koa dia tsy fomban’Andriamanitra ny manao amboletra na manao an-terisetra hiditra ao amin’izany fonao izany, manome safidy malalaka ho an’ny tsirairay izy. Nefa kosa mampahafantatra ny lalàna tsara tokony izorany mba ahitanao ny tena fiainana.
Jaona 14:6 « Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. »
fidinirina:
Jaona 3:16 « Fa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay » Tadidio izany fa ho very ianao raha toa ka tsy mino Azy tsy mba hahita izany fiainana mandrakizay izany.
Rehefa nanontan’ny olona Petera, taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ary niakarany velona tany an-danitra, hoe : «Inona no ataonay ?» dia izao no navaliny azy ireo : Mibebaha ianareo (Asa 2:38 . Taoriana kely indray dia niteny izy hoe : Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo. (Asa 3:19)
5. xxx
(
01/08/2009 06:47)
Misaotra ry fidinirina a! mazava be fa ny indro kely sady mampalahelo de misy tsy zanak'Andriamanitra mitsy ao , mihidy @ karetsaka ny fony de tsy mety mivoha
6. fidinirina
(
01/08/2009 10:06)
Mety ho problemako mihitsy r’ise lay izy satria zaho efa nahazo baiko hoe « mandehana any amin’izao tontolo izao (eny hatrany amin’ny faran’ny tany) ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra ary ataovy mpianatro ny firenena rehetra ». Matahotra tokoa aho ny hifanatrika amin’Andriamanitra raha tsy nahavita ny iraka nampanaoviny ahy. Fantatro fa tompon-tsafidy amin’ny tenany anefa ny tsirairay ary nampatsiahy fotsiny no nataoko sao dia nisy nanadino sy nampahafantatra ho an'izay mbola tsy nahalala mihitsy.
7. fahamarinana
(
01/08/2009 10:11)
fidinirina:
efa nahazo baiko hoe « mandehana any amin’izao tontolo izao (eny hatrany amin’ny faran’ny tany)
:arrow: Misaotra tamin'ny fizarana e! Mankasitraka sady misy ho eritreretina !Za manokana dia tiako mampahatsiahy ahy isan'andro !Za manko somary variana indraindray ! :?
Dia tiako ihany koa ilay fanantonana an'izao tontolo izao ,raha ilay fieritreretako azy ihany koa satria isika rehetra izao voakasika aby fa tsy natao irery ireo any am-piangonana hatrany ny fitoriana ! :D (l)
8. ni81
(
01/08/2009 10:38)
Misaotra ry fidinirina a! mazava be fa ny indro kely sady mampalahelo de misy tsy zanak'Andriamanitra mitsy ao , mihidy @ karetsaka ny fony de tsy mety mivoha:roll: :roll:
9. fahamarinana
(
01/08/2009 11:59)
xxx:
Misaotra ry fidinirina a! mazava be fa ny indro kely sady mampalahelo de misy tsy zanak'Andriamanitra mitsy ao , mihidy @ karetsaka ny fony de tsy mety mivoha
:arrow: Iny kosa angamba tsy isika olombelona koa no manana fahalalana sy fahefana milaza fa zanany izato na zanany izary ! sa ? (l)
10. ikaretsaka
(
01/08/2009 16:04)
fidinirina:
Mety ho problemako mihitsy r’ise lay izy satria zaho efa nahazo baiko hoe « mandehana any amin’izao tontolo izao (eny hatrany amin’ny faran’ny tany) ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra ary ataovy mpianatro ny firenena rehetra ». Matahotra tokoa aho ny hifanatrika amin’Andriamanitra raha tsy nahavita ny iraka nampanaoviny ahy. Fantatro fa tompon-tsafidy amin’ny tenany anefa ny tsirairay ary nampatsiahy fotsiny no nataoko sao dia nisy nanadino sy nampahafantatra ho an'izay mbola tsy nahalala mihitsy.
Aza atao se zahako aloha fa tsy seri anao za akory...misaotra
De io le hoe aza tsimpotsimponina fotsiny ny Teny fa ny apostoly no nirahin'i jesoa sy nitenenany an'io fa tsy I rafidy no nanira tena.... dia aza ny teniny t@ apostoly no izestiavana entina midera tena hoe voairaka ianao raha inspire tampoka fa ze resakareo sy Izy tany..ohatran'i hoe nony I moizy no voairak tatyy afaraa dia tsy ny teny nifanaovan'Atra t@ Abrahama akory no nampiasain I moizy. Sy nitsimponiny handresena ny olona fa ze henony tany an'efitra. Izay atao
Na I dadanareo aza tsy hisolo vava anao na matahotra raha tsy nampianatra anao rehefa seul a seul @ Atra ary tsy ho eo ianao hisolo vava anazy dia aleo ilam
11. fahamarinana
(
01/08/2009 18:41)
:arrow: ika : ka ilay "ise" kosa tsy hoe cheri fa na vavy na lahy aza antsoina an'izany daholo kouh,efa fahazarana ny manao azy,ohatra ahy koa efa mpanao an'io ! :-P
Eo amin'ilay hoe "nahazo baiko " izany no mampisy olana ve ry Ika ? :) (l)

12. ikaretsaka
(
01/08/2009 20:47)
ko raha tsy pelaka ko
sady olona tsy mifankafantatra akory.. raha olona nifankazatra de ie..
le mamadina ny baiko ny olana ry faha an...
io tsisy hafa @ le hoe "ento aty ny kapaotiko" dia hoe manao kapoty i paoly izany ..
resultat ana tsimpona nosamatsamahana e

13. rijadolly
(
02/08/2009 07:15)
ika>>>>>>>> =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
Zay za vao nahafantatra fa tezitra kay se,azafady indry, way ianao mantsy e! =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) Satria mantsy an! ise foana no ampiasaiko sy efa ato am-bavako foana rehefa miresaka amin'ol

14. fahamarinana
(
02/08/2009 08:11)
:arrow: rijad :resaka fahazarana r'ise angambany ilay izy a ,za efa notezaina nanao izany ,na ianao....koa ,itovizantsika izay !
Ika : tsiky dia ampy e ! Ao fa tsy ho atao ise intsony,mazava izay :D (l)

15. rijadolly
(
02/08/2009 09:27)
Ny ahy Fahamarinana tsy ovaiko fa alefako faona satria efa hitako fa fanajana ilay ol miresaka amiko ilay izy fa tsy hoe fitoriana Fitiavana @ ilay lafiny iray araky ilay hevitry'ika.Sady ilay "se" anie ka ny Gasy taloha no tena nampiasa azy e! fa tsy ny mpifankatia amin'izao vaninandro izao ka heo "che che cherie @ ahoana àry"
saika adinoko Misaotra fidinirina a!
saika adinoko Misaotra fidinirina a!
17. ari.malala
(
03/08/2009 07:25)
Izany fanazavàna fohifohy izany no tiako hozaraina amintsika eto.samy manana ny fohy aminy tokoa ny oul an! :-P
4. Mpandefa : xxx [ Valio ] 01-08-2009 08:47:50:roll: :roll: :roll: :roll: fa iza enao no sahy milaza sy mitsara fa iry zanak'Andriamanitra d iry ts zanany? sa ... enao le efa nipetraka teo Ankavanany? :-P k mahalala hoe iry zao iry zao? sa.. aoka marina e! :-D :-D
Lohateny : Re : Efa zanak’Andriamanitra ve ianao ?
Misaotra ry fidinirina a! mazava be fa ny indro kely sady mampalahelo de misy tsy zanak'Andriamanitra mitsy ao , mihidy @ karetsaka ny fony de tsy mety mivoha
fidinirina:Ko manin raha any @ reny toerana mbola tena tsy misy fiangonana sy tsy misy mitory ireny no mandeha fa ts manao disk goaka eto e :-P
zaho efa nahazo baiko hoe « mandehana any amin’izao tontolo izao (eny hatrany amin’ny faran’ny tany) ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra ary ataovy mpianatro ny firenena rehetra »
fidinirina:Zao le spécialité mampitahotra :-D :-D fa ahoana mints mou no tonga d ilazanareo fa very le oul e! sa nareo efa nisy niverina d niteny hoe zà nge rey olona k very fa zao fa zao fa zao e! :D :-D :-D izy io nge ts arak izay fahitanareo anazy ftsn fa io resaka finoana io hoa affaire personnelle entra Atra sy oul 1 io! ts anao no miseho mizesta mitantara toko sy andininy eo d hoe zà no ten aizy lay am finoana sy fitoriana d refa iny enoa fa voapetraka fanontaniana mi contrer ny blabla nao d le oul no mitsipaka an'Andriamanitra e! :-D
Jaona 3:16 « Fa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay » Tadidio izany fa ho very ianao raha toa ka tsy mino Azy tsy mba hahita izany fiainana mandrakizay izany.
18. Nandra1
(
03/08/2009 07:45)
Rehefa nandinika ela aho de nahatsapa fa na dia betsaka aza ny mpialona, mpanaratsy sy tsy tia ary manenjika anao dia aza mitsahatra ny mivavaka ho azy ireo. Maro no voatohina @ teny tsy misy kilema ary tsy misy ny olombelona tonga lafatra fa tsy maintsy hisy foana tia tena, tia voninahitra, te ho voalohany sns........ Izay ilay hoe mandefera @ zavatra rehetra fa izay no atao hoe fitiavana.
19. fidinirina
(
03/08/2009 13:00)
[ari.malala]
Miala tsiny indrindra fa hamaly ny soratrao eto amin’izay fomba fijeriko aho.
Mino kosa aho fa ny zavatra nosoratako tsy lava noho ny soratra masina na ny baiboly iray manontolo ary raha toriteny io ngamba mety ho 3 minitra fotsiny. Ary izaho raha nametraka ny fanontaniana tsy nanontany anao velively fa nanome ilay fanontaniana mba ho tsara eritreritina fotsiny. Ny tokony nosoratako angamba dia hoe : efa zanak’Andriamanitra ve isika ? Amin’izany tsy dia voatohina loatra enao. Tsy mpitsara no asako fa mizara hevitra ary izay ananako no zaraiko. Araka ny voalazako hoe : Andriamanitra nge tsy manery olona na oviana na oviana e! Malalaka @ safidiny ny tsirairay. Fa raha manaiky enao fa zanak’Andriamanitra dia fantatrao fa efa nandray an’I Jesoa Kristy teo amin’ny fiainanao tokoa enao izany ary mahazo toky fa handova ny fiainana mandrakizay.
Ny tanjona amin’ny toriteny dia satria tsy manana baiboly ny olona sasany ary na manana aza izy tsy mamaky na tsy manam-potoana hamakiana. Tsy eto ihany aho no miezaka mitory fa eo amin’ny manodidina ahy rehetra, araka izay voalazanao any am-piangonana indrindra indrindra sy ho an’izay rehetra te-handre.
Ilay disc goaka no tsy dia azoko : fa nga moa ny baiboly rehefa novakiana indray mandeha dia efa ampy ary atao inona moa ny soratra masina raha tsy ampiasaina ahatakarana ny hevitr’Andriamanitra.
Izany no ilàna famerenana azy mba ho azo tsara izay tiany ambara. Tsy izaho nge no niteny hoe :»tsy ho very izay rehetra mino Azy (Jesoa)» fa Jaona 3:16.
Ary raha mazoto enao dia vakio ny Apokalypsy iray manontolo fa mbola betsaka ny loza hitranga ambaran’i Jaona rehefa ho tapitra izao tontolo izao. Jaona efa nanatri-maso hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny hiafaran’izao tontolo izao.
Koa izay rehetra tsy mandray ny fitiavan’Andriamanitra sy Jesoa Kristy mpamonjy antsika no voakasik’io teny io.
Tsy manana eritreritra hanenjika olona aho raha manoratra ary tsy sitrako izany ary toa misy olona ihany eto mahatsapa izany fa milaza ny fahamarinana ao anatin’ny baiboly aho dia ny toko sy ny andininy araka izay voalazanao.

20. ari.malala
(
04/08/2009 05:44)
fidinirina, amiko manokana no miantefa ny valinteninao d hamaly anao ah, ts haik oizay tany antsainao, ts t hamantatra izany rahateo ah. Ny tiko tenenina anao d zao, tsy apokalipsa ian ny boky ao anaty baiboly, ary tsy fampitahorana mints no tanjona. Aoka ho tadidinao fa Andriamanitra d Fitiavana, d raha t hitory sy hampahafantatra ny oul momba Azy d izay maha Fitiavana Azy izay no tsara avoitra, fa tsy ny fampitahorana sy ny loza hanjo sns... Aiza ko nenareo vo miteny d minoa fa ra ts zan d ho very enao... Ny finoana iany koa d choix, izay aza adinoina mintsy. Affaire personnel entre Atra sy ny oul 1 ian kou zany, ts anjaranao, ts anjarako ary tsy anjaran'izan'iza mints no mitsara hoe iry zao na iry zao. Ny antony nametrahako fanontaniana mantsy hoe nga nareo efa nisy niteny hoe za nge rey olona ka very d zao, asa raha hainao ny momba ilay jiolahy niara nofantsihana t@ Jesoa? Mino ah fa hainao e! hainao izany hoe jiolahy sns sy ny niafarany... D ahoana mints no ahasahianareo miteny hoe ho very e blablabla... Aiza no ahalalanareo izay fiovam-pony @ ora farany eo? Noho izany aza mailaka miteny sy mampitahotra olona. Aleo izy hanana ny safidiny. Andriamanitra mahalala izay mahasoa ny zanany tsirairay d Izy no mandahatra.