Efa zanak’Andriamanitra ve ianao ?

21. fidinirina ( 04/08/2009 12:15)
Tena marina ny voalazanao. Andriamanitra mahafantatra izay mahasoa ny olona ary ny olona malalaka tanteraka amin’ny safidiny. Fa saingy ny fanontaniana mipetraka nge ho’aho dia hoe : zanak’Andriamanitra ve ilay olona ? Raha eny dia efa ao amin’Andriamanitra izy izany (izay no tanjona) ary satria tokoa rehefa zanany dia omeny izay mahasoa azy, fa raha tsia na mbola tsy mahay mamantatra ny tena amin’ny maha zanak’Andriamanitra, dia io fanazavana lavabe io no ndeha ho entitsika mandinin-tena.

Mikasika ny ora farany dia izao no azoko havaly anao na ny marina kokoa ny voalazan’ny baiboly :

Lioka 12.25 Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany (Na:ny halavan'ny tenany) na dia kely monja (Gr, hakiho iray) aza!

Lioka 21.33 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
21.34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
21.35 Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra ety ambonin'ny tany rehetra izany.
21.36 Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.»

Moa misy olona na dia iray aza mahalala ny andro sy ny fotoana ahafatesany ka hieritreritra fa amin’izay fotoana izay izy vao hibebaka. Ka raha toa sanatria tratry ny loza tampoka dia inona no atao ? sa izay vao tena very.

I Petera 4.2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.

Raha mamaky tsara ny baiboly isika dia tsy maintsy misy an’izao foana ao : «Raha manao an’izao ianareo… dia …. fa raha tsy manao ianareo dia …» Ka tsy izaho velively no mampitahotra fa izay voalaza ao amin’ny baiboly fotsiny no asongadiko.

Aleo aloha hazava fa tsy enao [ari.malala] akory no sanatria iantefan’ireo teny rehetra ambony ireo (fifanakalozan-kevitra ny antsika) fa soratra masina fotsiny io dia nadikako satria tsy azoko ovàna.
22. fahamarinana ( 04/08/2009 12:34)
:arrow: misaotra any fidinirina sy ari fa samy misy azo raisina daholo ny anareo mianadahy ! :-* :-* (l)
23. ari.malala ( 04/08/2009 12:40)
Fa saingy ny fanontaniana mipetraka nge ho’aho dia hoe : zanak’Andriamanitra ve ilay olona ?
Ho inonao moa na zanak'iza izy na zanak'iza? Anazy sy ilay R(r)ainy izany! Izay lay lazaiko hoe affaire personnel entre olona 1 sy izay inoany io.
24. ikaretsaka ( 04/08/2009 14:18)
zay manko
25. fidinirina ( 05/08/2009 07:58)
Ny namako ve dia avelako hanompo sampy na andriamani-kafa, hoy nareo. TSIA MANDRAKIZAY

Tsy maintsy mitory aho ary mampahazo toky azy raha efa nanaiky ho zanak’Andriamanitra tokoa izy na tsia.

Hoy ny voasoratra ao amin’ny Ezekiela 3
3.17 Ry zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
3.18 Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny làlany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tànanao ny ràny.
3.19 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny làlany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
3.20 Ary koa, raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
3.21 Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.

Jakoba 5.20 « aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny làlan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be. »

Ary mino aho fa fantatrareo fa na dia eto amin’izao tontolo izao aza mba misy lalàna manameloka izay olona mahita loza nefa tsy mamonjy « Non assistance des personnes en danger » (miala tsiny indrindra amin’ny teny vahiny)
Koa zaho matahotra an’Andriamanitra hoe : ireny misy olona teny an-tany tsy mba nampitandremanao na nizaranao fifaliana nefa ianao mahalala fa misy Jesoa kristy afaka hamonjy azy.
Satria tokoa maro ny mihevitra fa efa mahafantatra ny fisian’izany Jesoa Kristy izany izy ka tsy mila toriana ny tena fahamarinana nambarany sy ny antony nandatsahany ny ràny (làlam-pamonjena) akory.

26. ari.malala ( 05/08/2009 08:44)
De mbola averiko iany fa affaire personnel entre olona 1 sy izay inoany io. Tsy anjaran'izan'iza mintsy no mitsara. Ary sao d adinon'i fidinirina fa nisy niteny anie hoe tsy mahay manatona Azy raha tsy taomin'ny Ray hoany Aminy e! ka i Fidinirina ve hipetraka haka ny toeran'ilay Ray mitaona? :roll:
27. ni81 ( 05/08/2009 09:09)
De mbola averiko iany fa affaire personnel entre olona 1 sy izay inoany io. Tsy anjaran'izan'iza mintsy no mitsara. Ary sao d adinon'i fidinirina fa nisy niteny anie hoe tsy mahay manatona Azy raha tsy taomin'ny Ray hoany Aminy e! ka i Fidinirina ve hipetraka haka ny toeran'ilay Ray mitaona?
mba maka ny toeran'ny pasitera na mopera kosa izy manoro ny tsy mbola mahalala e! Indry izao no efa mahalala, fa misy olona tena tsy mahafantatra mihitsy :)
28. fidinirina ( 05/08/2009 11:38)
Tena manaiky ilay teny hoe "affaire personnel" mihitsy fa ny ahitsiko kely fotsiny dia ny hoe
Ary sao d adinon'i fidinirina fa nisy niteny anie hoe tsy mahay manatona Azy raha tsy taomin'ny Ray hoany Aminy e! ka i Fidinirina ve hipetraka haka ny toeran'ilay Ray mitaona?

Fa efa impiry moa isika no nandre toriteny, na fampianarana na antso na namaky baiboly fa rahoviana vao hamaly an'Andriamanitra ? Sao dia ho tara ka hanao toy ilay nolazainao hoe miandry ny ora farany. Nefa tsy fantatsika fa mety hatory isika dia tsy hifoha intsony.

Sal 50: 15 "Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao"
Jer 33: 3 "Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao"
Rom 10: 13 "Fa izay rehetra miantso ny Anaran'ny Tompo no hovonjena"
Apokalpsy 3.20 "Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko."



29. ari.malala ( 05/08/2009 12:15)
Aza raisna antendron lay voalazako e! I Jesoa no niteny hoe tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin'ny Ray. Azo amarinina izany raha tianao. Tsy niteny mints ah hoe tsy maintsy hiandry ora farany vao hino sns... sady zany mamak baiboly, mivavaka, mino sns, conviction personnelle izany. Tsy mila vazavazaina eraky n tany tontolo akory vao hita hoe iny mivavaka, fa raha tena mpanaradia ny Tompo marina tokoa d ny atao mahasarika. Ahoana hoy Jesoa t@ le namandrika azy momba ny namana? mandehana ka manaova toy izany koa, izany hoe aza lany andro mitabataba eraky ny lalana sy ny vazamontotra hoe zao ka zao ka zao, fa asehoy @ alalan'ny fihetsikao ety ivelany ny maha mpianatro anao. Izay no tena toriteny mandaitra.
30. fidinirina ( 05/08/2009 13:44)
Tsia, tsy maintsy toriana ny teny. Tsy maintsy miteny satria mbola misy ny tsy mahalala ary mbola maro no mila fanazavana ny soratra masina. Raha ny hevitrao izany dia hoe iny aho Kristiana, dia hitan’ny olona rehetra tokoa amin’ny fihetsiko fa manana an’i Jesoa dia ataoko ampy ahy izany. Dia tsy hizara amin’ny olona ny famonjena nataon’i Jesoa kristy ahy aho fa avelao ny olona no handinika ahy eny fotsiny dia raha resy lahatra izy dia ny ataoko no arahiny na mba ataony koa. Tsia, tsy izaho na ny tenako no toriana. Mandeha araka an’Andriamanitra tokoa aho fa tsy ny ataoko no asaiko ataon’ny olona fa ny an’i Jesoa Kristy irery ihany.

Marka 13.10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.

Lioka 4.43 Fa hoy Izy (Jesoa) taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.

Jesoa no efa nampianatra sy nitari-dàlana ny amin’ny tokony atao ary nametraka hafatra ho an’ny mpino rehetra.

Ary baiko fa tsy fiangaviana ny hoe (Marka16.15 Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.)  Ny filazantsara no toriana fa tsy ny fihetsikao ety ivelany.

Tsy maintsy mandeha raha mankasitraka ny baikon’ny Tompo. Raha tsy handeha ianao dia iza no andrasanao hanao ny asa nefa ny olona aza tsy miditra am-piangonana, tsy manam-potoana hamakiana baiboly, tsy mazoto hihaino fampianarana sns. Dia heverinao fa ampy ny mijery fotsiny ny ataon’ny olona efa ao amin’ny Tompo dia izany no fitoriana mety. TSIA, mitory aza ianao mbola enjehina.

Asan’ny Apostoly 7.52 «Iza no mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian'Ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy hianareo»
31. ari.malala ( 05/08/2009 13:52)
f'angaha enao Jesoa? :-D :-D :-D :-D d nenao zan lozanao "mitory" fa ts misy action? nefa ny finoana ts arahin'asa manin mou? d raha oul noana ian kou no itorianao d mihevitra ve enao fa hisy dikany ny fitorianao? Isan'ny asa fa tsy kabary lazaiko ohatra ny ataon'ry père Pedro ny ataon'ny masera miandraikitra ny maisons de la charité...
32. rijadolly ( 05/08/2009 19:00)
aza dia manohitra b fotsiny aloha tsika fa mba diniho ihany izay marina lazain'namana,fa manjary ilay tenin'Andriamanitra indray no lavina noho ny hevitry ny tena ho hamarinina. (l)

ari.malala sy fidinirina>>> in le lesona tianareo avoaka? sao dia hitory an'Filazantsaran'Kristy ihany sa hafa?

33. ari.malala ( 06/08/2009 06:33)
RD, zà ts manana lesona tsoahina afatsy ny hoe asa fa tsy kabary. Ilaina ny mitory, fa tsy laozana mandany andro @ blablabla fa asiana asa ahitan'ny oul hoe toy izao ny tena tokony ho fiainan'izan Xna izany.
34. fidinirina ( 06/08/2009 10:07)
[ari.malala] tsia, tsy Jesoa za fa araka ny efa nosoratako teo aloha dia manaraka ny baikony : Jaona 14:12 «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.»
Dia fantatro sahady ny valinteninao hoe izay mihitsy ilay miasa; fa saingy izao, inona tamin’ny asa rehetra nataon’i Jesoa kristy no azon’ny olombelona atao : manasitrana ny malemy ve sa mampahiratra ny jamba sa manao fahagagana sa mandraoka devoly sa manangana ny maty… Tsy haiko izany fa ny zavatra fantatro fa nataony ary andidiany ahy dia nampianatra ny soratra masina sy nitoriteny t@ olona marobe handray Azy ao am-po sy eo amin'ny fiainana manontolo.

Ny amin’ny olona noana :
Raha sakafo no omena azy dia ho voky ihany izy fa tsy voavonjy ny fanahiny.
Dia hoy indray ny mety ho valinteny hoe sady manome hanina ianao no mitory ny filazantsara. Mety tokoa izany fa miala tsiny aho fa misy zavatra hafa izay voasoratra :

Matio 6.25 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafianareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
6.26 Tsinjovy ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo?
6.31 Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafianay?
6.32 Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
6.33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.

Fa raha tsy mahatoky izany teny izany ianao tsy ahita ny fahasoavan’Andriamanitra harotsany aminao. Ny olona ange, noho ny tsy fahatokisany an’Andriamanitra no mahatonga azy mitady an’izao rehetra izao sy miahiahy ny andro iainany e !

Koa izay mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy voarebirebin’ny devoly amin’ny hevi-diso isan-karazany. Ary raha mahatakatra ny hevitry ny atao «sahaza» ny olona tsy hanangona ho an’ny tenany samirery fa tonga mizara ho an’ny hafa izay tsy manana. Mbola mahery ao anantin’ny olona ny hoe «Ahy», nisasarako, notadiaviko, fananako... dia omeko fotsiny ve ?
Nefa ny Tompo na dia ny ainy aza natolony hamonjena antsika...
35. bor2lais ( 06/08/2009 10:34)
Toa mampahatsiaro ahy ny tantaran'i Marta sy Maria novangian'ny Tompo ny resak'i Ari.malala sy fidinirina ity !

Eritreritra sendra nandalo fotsiny ny ahy iny (mety tsy misy ifandraisany akory @ resaka ka ialako tsiny) fa ny tiako lazaina dia ity : tsy mifanipaka akory raha ny fahitako azy ny hevitrareo fa mifameno aza.

Araka ny teny hoe : samy manana ny fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy ny tsi11.

Ity dia hevitro manokana ihany koa : rehefa mamaky ny voasoratra eto aho dia tahaka ny mijery "tableau" maneho saha iray ravahina voninkazo miloko maro samihafa.

Raha ny "goût"-ko manokana aloha dia izay no mahafinaritra ahy kokoa toy izay loko tokana (bozaka maitso rano ray ohatra). Nefa moa samy manana ny tiany io !
36. ari.malala ( 06/08/2009 11:32)
fidinirina:
Fa raha tsy mahatoky izany teny izany ianao tsy ahita ny fahasoavan’Andriamanitra harotsany aminao. Ny olona ange, noho ny tsy fahatokisany an’Andriamanitra no mahatonga azy mitady an’izao rehetra izao sy miahiahy ny andro iainany e !

Koa izay mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy voarebirebin’ny devoly amin’ny hevi-diso isan-karazany. Ary raha mahatakatra ny hevitry ny atao «sahaza» ny olona tsy hanangona ho an’ny tenany samirery fa tonga mizara ho an’ny hafa izay tsy manana. Mbola mahery ao anantin’ny olona ny hoe «Ahy», nisasarako, notadiaviko, fananako... dia omeko fotsiny ve ?
Nefa ny Tompo na dia ny ainy aza natolony hamonjena antsika...
isika no miresaka d raisiko ho message destiné personnellement hoanà le hafatrao. Aoka ianao tsy hipetraka eo @ toeran'Andriamanitra ka hitsara oe matoky anazy ah na tsia, fa zay le lazaiko foana hoe affaire personnel entre anà sy Izy zany. Izy no mahalala izay ato antsaiko sy ato ampoko @zao fotoana izao.
Ampy anà kou ngamba izay discussion zay (manomboka leo b a) fa d zao, tazomy ny blabla nao, zay fantatrao fa mety atao. Ampy zay, homba anao ny Tompo.
37. fidinirina ( 06/08/2009 11:41)
Fa ity indray misy zavatra tiako hoentina farany aminao :
Misy mitory fitiavana aminao, tena fitiavana, marina sy mitady izay ahasoa ny fiainanao. Efa ela izy no niantso anao teny rehetra teny, nanaraka anao isan’andro, nanipy teny izay efa renao ihany, matetika aza Izy tena mifanena aminao mihitsy.
Ny fitiavana tiany atolotra anao dia fitiavana feno ka na manota aminy aza ianao dia efa niteny mialoha Izy fa ho avelany ihany ny helokao, na tsy ahatsiaro azy aza ianao dia izy tsy hiala aminao mandrakizay.
Mbola vao mieritreritra ianao dia efa ampanantenaina fa homeny anao avokoa ny zavatra rehetra, indrindra ny fiainana mandrakizay fa tsy zao hita maso izao ihany ary ataony ho toy mpanjaka ianao. Ary amin’izao dia hoy izy : « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » Efa nanatona anao akaiky mihitsy Izy, te hiara-hihinana sy hiara-honina aminao, handroso ao am-ponao.
Koa satria ny fitiavana tsy an-tery dia miandry eo foana Izy na rahoviana na rahoviana. Mety hamaly angamba ianao hoe : miverena afaka iray volana, na dimy taona, na sanatria mandehana mihitsy mandeha any fa tsy ilaiko.
Indrisy, tsy afaka niara-niaina taminy izany ianao satria tsy nifankatia nareo. Nefa ny mifankatia mahita fahasambarana, falifaly lalandava, mahatsiaro feno satria eo anilan’ny tiana.
Dia ho sanatria ve ny sisan’ny fiainanao no hozarainao aminy ka rehefa vita ny sitraponao dia iny ianao mitalaho mitady azy hoe : tiavo amin’izay aho.
Moa tsy ao anatin’ny hatanorana no tena ahalalana ny fiainana?
38. Ratoa ( 07/08/2009 05:04)
mety hirenireny koa raha tanora ka. Saingy: il n'est jamais trop tard pour bien faire.
39. ari.malala ( 07/08/2009 06:07)
fidinirina:
Indrisy, tsy afaka niara-niaina taminy izany ianao satria tsy nifankatia nareo. Nefa ny mifankatia mahita fahasambarana, falifaly lalandava, mahatsiaro feno satria eo anilan’ny tiana.
t'inquiètes pas pour moi, ts enao mnts no afaka hahalala izay ao antsaiko na izay eritreretiko na izay anaovako ny fiainako. Efa miteny anao foana ah hoe affaire personnel entre anà sy Andriamanitra izany. Occupe-toi de tes oignons. OK?
40. bor2lais ( 07/08/2009 12:43)
Somary nampalahelo fa toa ratsy fiafara ilay fifanakalozana (Ilay \"homba anao ny Tompo\" lasa niafara @ \"occupe-toi de tes oignons\" ...)

Mamelà ahy mba hanao fanamarihana kely momba ny fomba fitoriantsika.

Ekena tsy iadian-kevitra fa antsoina hanambara ny filazantsaran\'ny famonjen\'i Kristy ny Kristiana tsi11. Saingy tsy anjarany kosa ny manery ny olona hino izay hambarany : marina ny voalaza etsy ambony hoe avy amin\'Andriamanitra ny finoana.

Ny fanerena (na mivantana na ankolaka) mantsy dia taratry ny fianteherana amin\'ny herin\'ny tena fa tsy amin\'ny herin\'Ilay naniraka.

Manambara no anjarantsika fa Azy kosa ny fandresen-dahatra. (Mariky ny fanetren-tena koa izany !)

Ka io fomba fitoriantsika io angamba no tsara tandremana (mahalala ny onony ohatra fa sao sanatria lasa \"harcelement\" indray) sao dia mifanohitra amin\'ny antenaina ny hitranga.

Ialako tsiny fa hevitro manokana io (ka avereno aty amiko raha toa ka ...) ary ny tanjoko dia ny hisian\'ny dinika mampandroso sy mahasoa hatrany !

Dia mazotoa daholo ary !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0739